Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

21 Mey 2016

SENTO, VAHININ'NY PÔETAWEBS

Ny abidia no niandohan'ny teny. Ny teny no niandohan'ny fehezanteny. Ny fehezanteny voarafitra no mitambatra anatin'ny tononkalo. Ary ny tononkalo nitambatra no manome ny "MASOARIVO", izay hetsika hianohana ny kanto malagasy amin'ny 27 Mey izao. Fomba fijery ety ivelany izay fa eo i Sento haneho ny heviny momba izany voambolana izany. Mandray an'i Sento eto amin'ny tapatapakahitra ny Poetawebs. I Doda Razafindravelo no mitafatafa aminy.

Doda Razafindravelo
Miarahaba anao Sento ary misaotra anao mivahiny eto aminay.
Sento
Salama tompoko! Ianareo ato amin'ny Poetawebs no isaorana amin'ny fampiantranoana.

Doda Razafindravelo
Azo fantarina ve hoe iza marina ianao Sento?
Sento
Sento dia anarana nindramina teo amin'ny fiaraha-monina hiaina ny fisiana feno alahelo, fiainana, fitiavana, solom-bavan'ny mponina amin'ny alalan'ny soratra, hilazana ny fisiana sy ny tsy hay andavanandro.

Doda Razafindravelo
Izany hoe ireo voatanisa ireo ve izany no tena hita anatin'ny kantonao? Ny tiako ambara hoe mivoy ny jaly eny anivon'ny fiaraha-monina ihany ve ianao sa misy tara-kevitra hafa?
Sento
Eny! Misy kanto hafa ka, ny fiainana rehetra. Fa ireo aloha hatreto no tena hoe tsara fivoy sy nanamarika an'ilay hoe Sento... Fa tsy nipetraka amin'ireo ihany.

Doda Razafindravelo
Toa efa nivahiny teto amin'ny tapatapakahitra ianao e? Azo atamberina kely ve mialohan'ny hidirantsika amin'ny hetsika ho atao?
Sento
Eny! Tamin'ny hetsika antsa sy famoaham-boky Anoka Fitia izay notanterahanay sy Rkf tao amin'ny Ivokolo Cemdlac Analakely ny 03 febroary 2016 lasa teo.

Doda Razafindravelo
Seho faharoa ahitana anao izany i "Masoarivo". Hafa kely ilay lohateny, inona no tena dikany Sento?
Sento
Masoarivo dia "tamis" amin'ny fiteny vahiny, fa nogasiana hoe: sivana, ary nadikanay ihany koa hoe Masoarivo, entina hilazana sy hakana ohatra ny fiainana feno sivana. Masoarivo: fijerim-piainana maro no tena havoitra ao anatiny, hafatra an-kalo mitanisa ny fiainan'ny zanak'olombelona.

Doda Razafindravelo
Misy fahadisoana ny fiheverako ny "Masoarivo" teny amboalohany. Taratra amin'ny lohateny Sento ny hakanton'ny hetsika. Hisy boky hamidy ve?
Sento
Ao isika mahita AZY angamba e! Hihi! Ny boky mety nisy ihany saingy nisy ny olana dia tsy vita amin'io andro io fa ao aoriana kely. Roa mianadahy izahay sisa no ao anaty Masoarivo raha dimy teny am-piandohana, noho ny antony tsy mazava, iniako tenenina mihitsy.

Doda Razafindravelo
Dia iza avy no hamelona azy?

Sento
Maromaro ihany ireo namana hamelona izay noezahanay ho vaovao amin'ny endriky ny mpankafy antsa hatramin'izay mihitsy ny sasany. Tanjona ihany koa ny hoe misy mpanoratra miafina any ambadika any fa tsy misy mahita, dia amin'io izy no hiseho ho hitantsika eo: Harilala Lapin, Ny Vazonay, Ravo, Jafan, Tikalo Tsisatry, Rajo Niaina, Fotopisaina RaOly, miaraka amiko sy Tojo Ny Fanantenana.

Doda Razafindravelo
Haka endrika vaovao ihany koa ve izany ny seho? Hisy fizarana firy? Inona no hampiavaka azy amin'ireo seho rehetra efa nisy?
Sento
Misy ihany ny endriny vaovao na ny antsa na ny haingon-tsehatra avy amin'ny alalan'ny mpiantsa tsirairay. Noezahina natao fizarana telo ity hetsika ity ary hisy lohahevitra isaky ny fizarana.

  • Fizarana voalohany: "Teny sy fiainana"
  • Fizarana faharoa: "Sangodim-pitia"
  • Fizarana fahatelo: "Avelo mitia".

Ireo no ho voaboasana amin'ny alalan'ny antsan'ny tsirairay izay ezahina ho tantara mitohy ny fizotrany fa tsy hisy hanelingelina amin'ny hira ohatra.


Doda Razafindravelo
Antsa sa tsangan-tononkalo no hiseho?
Sento
Antsa no hatao, ary ezahina ho pôezia pôetika fa tsy lira pôetika.
Ny mampiavaka azy angamba tsy dia hita loatra, fa ny tanjon'i Sento dia hoe hamoaka ireo "Mpanoratra miafina" tsy misy mpahita any ananonanona any, saingy be mpankafy ihany fa tsy misy mahita...
Dia eo ihany koa ny fizotran'ny antsa izay haseho amin'ny endriny hafa kokoa noho ny efa nisy hatrizay.

Doda Razafindravelo
Tsara hampahatsiahivinao ihany angamba Sento ny ora sy fotoana ary ny toerana hanaovana an'i "Masoarivo".
Sento
Masoarivo: ny 27 mey 2016 ho avy izao, manomboka amin'ny 2ora sy sasany ao amin'ny Ivokolo Cemdlac Analakely. Tsy misy vidim-pidirana fa tongava maro, ny boky ialana tsiny mialoha fa nisy olana dia voatery najanona, saingy mampanantena anareo izahay fa ny antsa no hezahinay. HAPOAKA ny efi-trano, hihi!
Mila anao tsy saro-tahotra fotsiny amin'io fa hisy fiovana ny endriky ny efitra sy ny lampihazo. Aza dia taitai-po fa mitonia tsara, hihi!

Doda Razafindravelo
Misy hafatra tianao hampitaina amin'ny mpanaraka ny "Poetawebs" sy ny mpankafy kanto malagasy ve?
Sento
Hafatra: ankafizo ny kantontsika e! Indrindra ny "Teny Malagasy". Mazotoa mamaky boky, indrindra ny tononkalo sy tantara fa ampy hanampy antsika sy ho fiombonana amin'ny "Fanandratana ny Literatiora Malagasy" izany na am-bava na an-tsoratra.
"Dia hifameno isika, anaty pôezia".

Doda Razafindravelo
Mankasitraka anao Sento nivahiny teto amin'ny Pôetawebs, dia mirary ny hahatontosana soa an'i "Masoarivo"!
Sento
Mankasitraka anao nampiantrano. Telina indrindra! Misaotra ny "Pôetawebs nampivahiny.

 

Pôetawebs©2015 - poetawebs@gmail.com