Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

10 Jona 2016

RANOE EUGENE, VAHININ'NY PÔETAWEBS

Tsy zoviana amin'ny mpakafy tononkalo i Ranoe Eugène satria anisan'ireo nanorina ny faribolana Sandratra. Mpamokatra fandaharana amin'ny radio koa izy. Eo anivon'ny sekoly koa dia ahalalana azy tsara amin'ny maha mpampianatra teny malagasy azy. Vahinin'ny Poetawebs izy ankehitriny ary mamaly ireo fanontanian'i Toetra Ràja.


Toetra Ràja
Miarahaba anao Ranoe Eugène tongasoa eto amin'ny Pôetawebs ary misaotra indrindra nahafoy fotoana mitapatapakahitra aminay. Etsy izato izy makà toerana!

Ranoe Eugène
Mirahaba antsika rehetra mpanaraka ity tafa eto amin'ny POETAWEBS ity. Mamaly fisaorana ho anareo nanasa anay amin'izao sehatra izao.


Toetra Ràja
Manana traikefa lehibe ianao satria anisan'ireo zoky eo amin'ny tontolon'ny poezia. Misy azo amintinana an'izany ve?

Ranoe Eugène
Ilay hoe zoky somary hafahafa, ampahafirin'iza moa, tononkalo 200 any ho any no voasoratra, Riankalo 60 eo ho eo, sombin-tantara 06, tantara fandefa amin'ny Radio 08 fa ny famotopotoran-kevitra no tsy voaisa fa afaka miteny hoe: nahavita maro. Ny tononkalo mitety vazatan-tany kosa izany hoe antsan-tononkalo nentina tany amin'ny sekoly dia tena nitety sekoly maro sy faritra maro manerana ny Nosy.


Toetra Ràja
Azo itodihana kely ve ny fomba sy ny anton'ny nanangananareo ny faribolana Sandratra?

Ranoe Eugène
Tsy hoe nanangana faribolana Sandratra izahay fa ny fiarahana nahatsapa fa lasa ankilabao ny literatiora malagasy tany amin'ny taona 1980 tany sy fiheverana izay hanarenana izany no nampifanatona mpanoratra vitsivitsy izay nihabetsaka taty aoriana no nampijoro ny faribolana ara-panjakana ny taona 1989.



"... tian'ny olona ny soratra fa vitsy ny mahafoy vola hividianana boky"

Toetra Ràja
Azo lazaina fa tanteraka araka ny vinavina tany am-boalohany ve ny tanjon'ny Sandratra?

Ranoe Eugène
Tanteraka amin'ny ankapobeny ny vinavina: voaporofo fa be dia be ny mpanoratra fa tsy hoe ireo malaza ihany no misy. Nahavita namoaka boky maro izahay mampiseho fa velona sy miroborobo ny literatiora malagasy. Ny tena mbola tsy tratra dia ny fanentanana ny olona hanjifa boky, tian'ny olona ny soratra fa vitsy ny mahafoy vola hividianana boky.



Toetra Ràja
Namorona ny gazety Ambioka ianao. Azonao hazavaina ve ny mampiavaka azy amin'ny gazety hafa sy ny gazety literera hafa?

Ranoe Eugène
Ny momba ny gazety Ambioka indray dia izao, satria ireo gazety nisy tamin'izany dia tsy nanome sehatra ny literatiora ny mpanoratra, anefa azo isaina ny nanam-bola nahafahana namoaka boky, ka io ankoatra ny radio no fomba hitako fa hampahafantarana ireo mpanoratra vaovao sy hiraketana ny asany. Ny mampiavaka azy dia izy no hany gazety tokana mifototra amin'ny literatiora. Ny ambioka moa ara-bakiteny dia ilazana masom-boly voafantina afafy na ambolena hahazoana vokatra tsara.


Toetra Ràja
Efa namoaka boky tononkalo ve ianao?

Ranoe Eugène
Tsy mbola namoka boky tononkalo mitokana aho fa niaraka tamin'ny namana hafa hatrany ka misy 30 mahery ny boky mirakitra ny tononkaloko.


Toetra Ràja
Ary ny boky fampianarana teny malagasy?

Ranoe Eugène
Ny boky fianarana indray dia 9 izao no vita amin'ilay andiany hoe: "Tovozin-tsy ritra" ho an'ireo mpianatra manomana BEPC sy BACC avokoa izy ireo.


Toetra Ràja
Fantatrao ve raha mbola mahatandrina ny fitsipiky ny teny malagasy nampianarinao ireo mpianatrao rehefa nandao ny dabilion-tsekoly?

Ranoe Eugène
Izaho mihevitra fa ireo izay resy lahatra amin'ny fitiavan-tanindrazana notoriana taminy dia mitandro mandrakariva ny tenin-drazany na amin'ny soratra na amin'ny teny.


Toetra Ràja
Misy tamin'ireo mpianatrao ve no azo lazaina fa poeta ankehitriny?

Ranoe Eugène
I Zo Maminirina, Anjariliva (Don Bosco), Toly. Ireo aloha no tadidiko hoe lasa poeta.


Toetra Ràja
Voalazanao teny amboalohany fa mpamorona sombintantara koa ianao. Ahoana ny fomba fampielezanao azy ireo?

Ranoe Eugène
Nisy fotoana nahita loharanom-bola aho dia teo no namoaka boky sombin-tantara voafantina niaraka tamin'ny Faribolana Sandratra. Ny fomba faharoa nampielezana ny sombin-tantara dia ny gazety Ambioka.



Toetra Ràja
Anisan'ny nitarika ny fomba fampiasana ny riankalo ianao. Azonao ampatsiahivina eto ve ny famaritana an'izany teny izany?

Ranoe Eugène
Ny Riankalo araka izany anarany izany dia kalo mikoriana ao an-doha hahitana rima - sarin-teny - hainteny - ohabolana - fehezanteny mifamaly rafitra sns. Fanehoan-kevitra kanto maro no ao saingy miseho amin'ny endrika lahatsoratra tsotra izy. Mihaona ao ny tononkalo sy sombin-tantara.


Toetra Ràja
Ampiasaina any an-tsekoly ve ny riankalo?

Ranoe Eugène
Ampiasain'izay mahafantatra azy hanehoana ny kanto fa tsy fototry ny fampianarana, eny ankatso izaho sy J. Nalisoa Ravalitera no mampisa azy.


Toetra Ràja
Azonao asiana tsindrim-peo ve ny fomba nandikanao ny asasoratry Jacques Prevert tamin'ny teny malagasy sy ny lalana nodiavin'izany fandikana izany hatramin'izao?

Ranoe Eugène
Efa nazavaiko tany amin'ny velakevitra teny amin'ny Akademiam-pirenena fa ny fandikan-teny literera dia tokony mifototra amin'ny kolon-tsain'ny teny handikana ka dika fanahy ny anarany amin'izay. Koa rehefa nandika ireo tononkalon'i Jacques Prevert izaho sy ELIE RAJAONARISON dia izao no foto-pisainana nitondrana ny raharaha: ndeha atao hoe gasy i J. Prevert, teto Madagasikara izy no nanoratra. Faharoa, mpamorona isika fa tsy mpamerina. Noho izany famoronana faharoa no dika teny atao.


Toetra Ràja
Mamporisika ny mpanakanto handika asa soratr'ireo andrarezina vahiny ve ianao?

Ranoe Eugène
Haren-tsaina lehibe ny dikafanahy ka manentana izay manantalenta amin'ny soratra hanao izany.



Toetra Ràja
Manana teny fohy ambara aminay ve ianao amin'izao nahalasanan'i Om-Guy izao?


Ranoe Eugène
Momba an i Om-Gui, mpiara-manao velakevitra tamina sekoly maro izahay (jereo sary eo an-kavia), niaran-namoaka ny boky "Matoy"; niara-niasa tao amin ny radio "Ny Ainga" tao Ambohimahasoa. Namana akaiky izy.


Toetra Ràja
Vao tsy ela koa no lasa i Di... Mety ho efa nisy fifaneraserana ve teo aminareo?

Ranoe Eugène
Ny momba an i Di... indray dia tsotra, tsy nafana ny fifandraisana teo aminay.

Toetra Ràja
Efa noresahina teo ny momba ny tononkalo, sombintantara, radio, boky, gazety, teny malagasy sns. Fa iza tokoa moa i Ranoe Eugène eo amin'ny fiainana andavanandro?

Ranoe Eugène
Ny momba an-dRanoe, olona tso-piainana saingy be herehina, manam-bady, manan-janaka efatra mianadahy, mpampianatra amin'ny ambaratonga faharoa sy oniversite, niasa tamin'ny radio.
Nanao gazety an-tsoratra, mikabary. Tena tia fizahan-tany sy ambanivohitra, mankafy hira sy mijery "film" ary mahandro sakafo.


Toetra Ràja
Azo ambara eto ve ny vinanao ato ho ato na amin'ny ho avy lavidavitra?

Ranoe Eugene
Vina iarahana amin'i Avelo Nidor ny hanao boky be 8000 pejy avy ao amin'ny faribolana ho harem-pirenena.


"... aza poizinina ny kolon-tsain'ny firenena"


Toetra Ràja
Raha misy tokony hahitsy ny lalan'ny poeta sasany ankehitriny, manana toro-hevitra omena azy ireny ve ianao?

Ranoe Eugene
Tsipi-hevitra ho an'izay rehetra manoratra:
"zava-kanto no ataonao ka tariho amin'ny lalana tsara ny olona, aza poizinina ny kolon-tsain'ny firenena, diniho tsara àry ny vatsin-tsaina atolotra ny olona".


Toetra Ràja
Ny valala hono tsy indroa mandry am-bavahady. Sitraky ny mpiseran'ny Poetawebs ny handray hafatra avy aminao.

Ranoe Eugene
Aoka isika ho samy sarotiny amin'ny maha Gasy antsika, izay no hafatra.



Toetra Ràja
Satry foana ho roritina hatrany ny tafatafantsika kanefa tsy hanararaotra be ny hamoram-ponao izahay fa fisaorana mitafotafo no entintsika hamaranana ny dinika anio. Mirary soa tompoko!


Ranoe Eugene
Misaotra tompoko. Mandra-pitafa!

Pôetawebs©2016 - poetawebs@gmail.com

 

 

Date de dernière mise à jour : 11/06/2016