Créer un site internet

Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

19 Jona 2016

NANTENAINA, VAHININ'NY PÔETAWEBS

Faly miarahaba anareo mpanaraka ny Pôetawebs. Ny tenako Anyah no manoloana anareo androany ary manana vahiny isika, tsy iza izany fa i Nantenaina lehiben'ny tarika Nantenaina.


Anyah
Hono ho'aho Nantenaina, azonao lazaina ny mpanaraka ny Pôetawebs ve ny momba anao?  Be ny efa mahalala anao ary misy koa no mbola te halala bebe kokoa.

Nantenaina
Rakotonirina Nantenaina Herilala no anarako feno. Mpamorona hira sy mpihira ary mpitendry no tena ahafantarana ahy.


Anyah
Eny. Fantatry ny maro amin'ny anarana hoe Nantenaina ianao ary efa azo lazaina ho efa tafiakatra ambony amin'ny lazan'ny mpanakanto satria tsy vitsy no mahalala sy mihira ny hiranao eny rehetra eny. Azonao lazaina anay ve hoe: Oviana ny daty nisian'izany tarika Nantenaina izany? Ary oviana ny daty nisehoana vahoaka voalohany?

Nantenaina
Tany amin ny taona 1995 tany no daty ofisialy nahafantarana voalohany ny Tarika Nantenaina, niforona tany Toamasina sy Fenerive Est ny Tarika. Mpianatra tao amin'ny Oniversite Barikadimy Toamasina ny ankamaroan'ireo mpikambana tao ary ny iray ihany no mpianatra teny Ankatso!
Tamin'io taona io ihany koa no nanombohanay niakatra sehatra voalohany indrindra!
Ary nahafinaritra tokoa ny fandraisan'ny mponin'i Toamasina ny seho an-tsehatra nataonay!
Fifaninanan-kira teo anivon'ny Oniversite Toamasina  no nahafahanay niseho voalohany ary nahazo ny loka faharoa izahay tamin'izany izay Andriamatoa Mangalaza Eugène no Recteur tao amin'io Oniversite io.
Rehefa nahavita hira afaka nalefa tao amin'ireo onjampeo tao Toamasina izahay dia nisy fikambanana atao hoe Makalômbo izay tarihin'Andriamatoa Kalo Narcisse nanolo tena nanohana anay ara-bola sy ara-panahy tamin'izay rehetra nalehanay. Tamin'izany fotoana izany ihany koa no nihaonako tamin'i Dr Raoul tao amin'ny Tarika Mahaleo izay nanoro lalana anay tamin'ny lafiny Mozika.


Anyah
Mazava be ho an'ireo mpanaradia ny tarika Nantenaina angamba izay fampahafantarana ny niandohan'ny tarika izay. Fa hono ho'aho Nantenaina, nanao ahoana ny fiatrehana vahoaka tamin'izany fotoana izany? Ilay fotoana voalohany nandehananareo irery nanaovana fampisehoana?

Nantenaina
Tebiteby, tahotra, hafaliana no nifandimby tao anaty alohan'ilay fampisehoana, indraindray toa mahatsapa tena fa foana tanteraka ny ao anatinao ao, toa tsy tadidy izany hatramin'ny tononkira, toa tsy tafatombona toerana iray, miresaka mifanome "courage" eo izahay rehetra, toa miresaka nefa toa tsy misy ventiny loatra, mbetika mitsikilo kely ny hamaroan'ny olona, ary arakaraka ny mahafeno ny olona no vao mainka toa latsaka hatramin'ny aty. Mandritra ny hira voalohany dia mangovitra be ny tanana eo ampitazonana Micro ka voatery averina ahatona amin'ilay tongony indray ilay micro fa mihovitritrivitra be ny tanana. Hira faharoa no manomboka afaka izany. Fehiny, fotoana mamy eo amin'ny fiainako ilay miatrika anareo vahoaka nefa fotoana faran'izay mampitebiteby sy mampatahotra ahy tanteraka.


 

Anyah
Mahafinaritra ahy ny mihaino ilay tantara fa hono aho Nantenaina hatraiza ka hatraiza izao ny dingana efa vitan'ny tarika Nantenaina hatramin'izay 1995/2016 izay?

Nantenaina
Mizara roa lehibe ny dingana vita hatreto.
Ny taona 1995 ka hatramin'ny 2002 dia tao Toamasina foana aho no nipetraka, nazava ho azy fa maro ny fampisehoana nataonay tao amin'ny faritra manontolo, toa an'i Fenerive Atsinanana, Vavatenina, Vatomandry, Mahanoro, Tomasina, Ambatondrazaka, nisy fotoana aza efa tonga hatrany Mahajanga.

Nahavita "cassette volume 3" izahay tamin'izany ary ny fampisehoana natao dia hipoka avokoa.
Na izany aza anefa dia nahatsapa ihany ny tenako fa mbola tsy afaka tena maneho ny kolontsaina Betsimisaraka ny kanto izay nataoko dia nanapa-kevitra fa hanangana sy hamerina ny lazan'ireo "artiste" zokiny toa an-dry Jean-Freddy, Jean-Kely sy Basth, Christin Egebaest, Oza Gerome, Dors Group sy ny maro tsy voatanisa, ka tamin'izay no namoronanay fikambanana mpanakanto antsoina hoe TSIMIVAHA, izany hoe miray fa tsy misaratsaraka, tao koa ny hoe TSARAJORO ary ny "artiste" vehivavy moa nanangana ny FAVETO, dia niverina teo ireo hira nalaza taloha izay lazaintsika ankehitriny hoe KAIAMBA.

Voatery nifindra monina teto Antananativo moa ny tenako ny taona 2002 ka tsy afaka nanao mozika indray raha tsy taty amin'ny taona 2013, ary dia nanangana mpitendry mozika miaraka amiko manokana nanomboka teo. Efa maro ny ezaka vita nanomboka teo ary nisy cd,dvd, vcd efa nivoaka vokatr'ireo.
Nanomboka niara niasa tamin'ny mpanakanto mpanao vazo miteny aho rehefa tonga teto Antanananarivo. Anisan'ireny ny fiarahana tamin'ny SARERAKA, BELAHY, RAC KIKY.

Nisy ihany koa ny fiaraha-miasa tamin'ny Zoky Max Exception rehefa mamorona hira propagande saingy matetika tsy miseho izahay mirahalahy fa mamorona dia manao "arrangement" anaty studio dia vita.

 

"fa ahoana no tsy manana J.J. RABEARIVELO vaovao isika"

 

Anyah
Tena be ny dingana efa vitanareo fa raha tsy diso aho Nantenaina toa mahita aho fa tia "Tononkalo " ianao... Aminao manokana, ahoana ny fahitanao ny fivoaran'ny "literatiora" eto amintsika?

Nantenaina
Tia tononkalo aho ary amiko manokana dia mahavelom-bolo ny mahita ny fitiavan'ny tanora sasany ny asa soratra ankehitriny, hita izany amin'ny alalan'ny fitsngananan'ny fikambanana maro isankarazany.
Mbola mandalo fotoan-tsarotra ihany anefa ny asa famoronana toa ireny eto amintsika satria mafy loatra ny fitsokan'ny rivo-baovaon'ny kolontsaina vahiny, hany ka mitady ho difotra ny antsika.
Mbola sahirana be isika taranaka aty aoriana vao afaka mamoaka anarana olo-malaza afaka mandimby ireo zoky be taloha toa an dry Dox, Jean Narivony, Rado sns.
Ny tenako manokana anefa dia mahita fa na eto amin'ity Facebook ity aza dia mahita mpanoratra tononkalo tena manana talenta, ary mahay misafidy ireo voambolana manintona toa an-dry  Zo Sitrakiniavo, DadaRabe, Mialy Andrianina,  maro izy ireo izay hita fa miezaka manoratra amin'izay fomba fahaizany azy.

Na ianao Anyah manao "inteview" ahy io aza dia manaraka ny zavatra soratanao matetika aho ary misy ny manintona ao, fa ahoana no tsy manana J.J. RABEARIVELO vaovao isika izay tokony ho fantatry ny sarangan'olona rehetra fa tsy voafetra eo anivon'ny mpanao tononkalo irery ihany ny lazany sy ny talentany?

 

"tadidio fa ny asa soratra vitanao androany dia hitoetra mandrakizay"

 

Anyah
Eo amin'izay indrindra Nantenaina dia marina ny voalazanao. Ianao ve mahatsapa hoe misy fanatenana lehibe ho an'ny firenentsika ny mety ho fivoaran'ny literatiora eto amintsika ho an'ny taranaka any aoriana? Satria ny asa soratr'ireo kalaza amin'ny famoronana dia hitoetra hipetraka ho tantara any aoriana toa izao mbola lovaintsika izao ny asa soratr'ireo pôeta kalaza tamin'izany andro izany?

Somary hiomehy kely aho amin'ilay teninao io fa manana J.J. Rabearivelo be dia be isika fa efa manomboka miseho eny izy ireny.

Nantenaina
Manana anjara toerana lehibe eo amin'ny fampandrosona ny firenena iray ny literatiora sy ny fanomezan-danja ny kanto malagasy. Amin'ny maha-asa soratra azy dia hanovo fahalalana sy fahendrena eo ireo taranatsika mifandimby, tadidio fa ny asa soratra vitanao androany dia hitoetra mandrakizay ary olona maro tsy tambo isaina no hamaky sy haka lesona amin'izy iny.
Ny firenena tsy manome lanja ny literatiora ao aminy dia firenena tsy hanana ny tantarany, tsy afaka hanoratra ny tantarany, ary firenena tsy handroso mandrakizay.
Tsy firenena avy any ivelany mihitsy no hanoratra ny tantaram-pirenenao, ary raha hanao izay izy dia harafiny hanaraka izy tombotsoa tiany ho tratrarina fa tsy hilaza ny zava-misy marina ao amin'ny taninao.
Ny literatiora no mitantara ny fiainana hianan'ny olona andavanandro, satria olon'ny fiaraha-monina ny mpanoratra, saingy miavaka satria manana talenta manokana mandoko ho kanto ny zavatra lazainy sy soratany. Olon'ny fanahy ihany koa izy ireo ary olon'ny saina mazava ho azy.
Ny firenena tsy manome lanja ny kantony sy tsy miraharaha ny literatiora maha-izy azy dia toa ny hazo iray very faka ka tsy hazahoany voankazo mandrakizay, toy ny voninkazo nalana amin'ny tany ny fakany dia nambolena anaty vazy, lasa fahafinaretan'ny maso atao haingon-trano eny amin'ny "salon" fa tsy ahazoana sakafo ahavelona satria ny fakany efa tsy mifandray amin'ny tany izay hany lalan-tokana mampita ny tsiron'ny tany any amin'ilay vatan'ilay hazo manontolo.


 

Anyah
Tena marina izany Nantenaina fa manomboka hamaramparana ny tapatapakahitra niarahantsika teto isika. Fa hono ho'aho Nantenaina, afaka lazalazainao an'ireo mpanaraka ny Tarika Nantenaina ve ny fandaharam-ptoananareo manomboka amin'ity fetim-pirenena ity sy ny taonao manontolo?

Nantenaina
Amin'ny 25 jona 2016 izao izahay dia manao fampisehoana any Fandriana Fianarantsoa, ny tohiny ho lazaiko aminareo manaraka eto ihany.

 

"Tsy vitan'ny andraso lava ny manarina trano efa rava"

 

Anyah
Izany hono ry mpanaraka ny Pôetawebs sy ny "fans" an'i Tarika Nantenaina. Antenaintsika fa mbola hisy ny fotoana hiverenany hivahiny eto amintsika indray. Farany dia mirary soa indrindra zahay eto amin'ny Pôetawebs ho an'ny tarika Nantenaina. Ho todisoa amin'ny ambony indrindra anie ianareo, dia ho tafita soa ny hafatra izay tianareo ampitaina. Teny kely ho an'ny mpanaraka ny tranonkala Pôetawebs sy ireo fan's Club Nantenaina.

Nantenaina
Tsy vitan'ny andraso lava ny manarina trano efa rava.
Saingy isika raha miara-mientana dia ho maivana ho azy ilay entana!
Hinoako fa mbola tsy tara ny ampitson'ity Gasikara,
Saingy izany tsy vitako irery, tsy ho mora ny mitady ny very!

Andao isika hamerina ny lanjan'ity kolontsaina ity, aoka ny herintsika manontolo ho atokantsika hanarenana sy hampandrosoana an'ity Madagasikara ity, aoka isika hifankatia, ajanony ny fialonana sy ny fitiavan-tena, aza tia kely, makà fotoana fohy handinihanao tena amin'izay ezaka vitanao ho an'ity tany ity.
Ny fitiavan-tanindrazana dia ny fanatontosanao ny adidy aman'andrakitra izay tokony ho ataonao, ny mpiasa birao tokony hanatontosa izany amin'ny tokony ho izy, ny mpitondra aoka tsy hanraraotra ny fehefana eo ampelatanany ka hamadika izany ho tombotsoa manokana, ny mpanohitra tokony hitondra fanakianana mahitsy sy marina fa tsy hanenjika be fahatany ka hanao halako bika tsy tiako tarehy, ny mpianatra tokony hianatra tsara fa izay no andrasana aminy, ny mpiasan'ny hainoamanjery tokony hanao fandaharana hitondra fanabeazana mba hampirindra ny fiaraha-monina eto amintsika.
Ary ho anao mpankafy ny tarika, hiezaka hitety faritra manerana ny Nosy izahay fa aza manahy ianareo. Dia mametraka ny veloma finaritra ary mankasitraka ny mpametraka fanontaniana ary mankasitraka ireo tompon-kevitra amin'ny famolavolana fandaharana toa izao.


Anyah
Dia misaotra indrindra Nantenaina nanaiky nivahiny teto amin'ny fandaharana Pôetawebs. Na dia sahirana ara-potoana aza ianao dia nanana fandavan-tena namono ny tapaky ny andronao anio ka nanaiky nitafatafa tamiko sy ireo mpanaraka ny Pôetawebs teto. Dia manao mandra-pitafa ho amin'ny manaraka indray e! Mirary soa!

Nantenaina
Mankasitraka indrindra. Tampoka tamiko ilay fandaharana ary tena tsy nampoiziko mihitsy koa miala tsiny raha nisy teny tsy nirindra tsara kanefa na izany aza dia tena afa-po amin'ilay fandaharana ny tenako.

Anyah
Misaotra indrindra anao!

Nantenaina
Mankasitraka anao indrindra!

Pôetawebs©2016 - poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 20/06/2016