Créer un site internet
poetawebs

 

Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

12 Jolay 2016

ARIFETRA, VAHININ'NY PÔETAWEBS


ANTSA AN-DAMBANANA, izany no lohahevitra entina pôeta vitsivitsy an-tsehatra ao amin'ny efitrano Gisèle Rabesahala, Tranom-bokim-pirenena ao Anosy (Antananarivo)ny 15 jolay izao. Izany indrindra no anton'ity tapatapakahitra tamin'ny iray amin'izy ireo ato amin'ny Pôetawebs, tsy iza izany fa Arifetra.

Anyah
Salama tompoko. Faly mandray anao izahay ato amin'ny Poetawebs ary misaotra anao namaly ny fanasana. ANYAH no manoloana anao. Ianao moa fantatray amin'ny anarana hoe Arifetra fa azonao lazaina aminay ve iza marina i Arifetra?

Arifetra
Miarahaba anao ANYAH. Miarahaba ny mpiseran'ny Poetawebs ary misaotra anao amin'ny fandraisana.

Anarana amin'ny maha-mpanoratra ilay hoe Arifetra, raha hazavaina tsotsotra dia RANDRIAMIHARISON Fetra Arivelo no tena anarako, notsoahina ilay ARI teo amin' i "arivelo" dia nampifamenoana tamin'ny anarana fiantso ahy hoe "Fetra", ka nanome ny "Arifetra". Raha i Arifetra no resahina dia nanomboka teo amin'ny faha-14 taonany teo ho eo izy no nanoratra voalohany. Ny taona 2013 no niditra tao anaty fikambanana VKHM na Vondron'ny Korira Kanton'ny Haisoratra Malagasy. Manoratra tononkalo sy sombin-tantara i Arifetra.


Anyah
Hay! Tsara be ilay niandohana ary hono ho'aho Arifetra, 3 taona izay no nidiranao tao anatin'ny fikambanan'ny VKHM. Nandritra izay, nanao ahoana ny fiarahana miasa tamin'ireo mpiray fikambanana aminao tao anatin'izay?

Arifetra
Raha bangoina amin'ny teny tokana dia sahiko ny milaza fa NAHAFINARITRA. Na ny fifampikasokasohana teo aminay samy mpikambana fotsiny aza dia nahalalana zavatra maro!


Anyah
Eo indrindra isika Arifetra. Mampiova toe-tsaina ny fifandraisana amin'ny olona maro. Ahoana sy ahoana ny fahitanao ireo mpankafy anao? Ny fandraisan'izy ireo anao eny ivelany eny? Ny tiako lazaina dia hoe: tena mametraka anao amin'ny toerana misy anao ve izy ireo? Na ireo fianakaviana na ireo mpiray tanàna sy ireo namanao akaiky... Tsy sahirana ve ianao amin'ny fiovana be eo aminao nandritra ny fotoana nidiranao ho mpanoratra?

Arifetra
Hihi! Ny fiovana akaiky indrindra angaha dia ny fitombon'ny olom-pantatra ary indrindra ny olona mahafantatra izay mijanona ho mpankafy ihany. Raha ny fifandraisana tamin'izy ireo indray dia nahafinaritra, tafahaona ny tia sy ny manina e! Fa averiko indray fa mijanona ho mpankafy ihany izy ireny. Raha ny fianakaviana indray dia toa tsy nahagaga azy ireo intsony raha lasa mpanoratra i Arifetra satria toa efa lasa fahazarana ny manoratra tononkalo ho an'i Dada, Neny, sy ireo Ray aman-dReny lehibe tamin'izany fotoana, vao mainka aza izy ireo mamporisika sy manohana hatrany.

Anyah
Hono ho'aho Arifetra, efa namoaka boky ve ianao? Dia efa nisy fotoana ve niarahanao nanao hetsika tamin'ireo "Mpanoratra" namanao?


Arifetra
Tiako ny manamarika fa mbola tsy namoaka boky i Arifetra fa ny hetsika no efa nisy maromaro raha tsy hilaza afa-tsy ny andro eran-tany ho an'ny Baiboly tetsy Antaninarenina (raha tsy diso aho dia tamin'ny taona 2013). Teny aho no niseho vahoaka voalohany. Ny andro maneran-tany ho an'ny tononkalo izay nankalazaina teny Anosy tamin'ny 21 martsa 2016 dia nandraisan'i Arifetra anjara koa.


Anyah
Mahafinaritra izany! Ianao mpanoratra dia inoako fa mandalina. Ahoana ny fahitanao ny fivoaran'ny literatiora eto amintsika? Mandroso ve sa mihemotra? Raha mandroso àry dia porofoy kely aminay ny fahitanao ny fandrosoany.

Arifetra
Ny literatiora amin'izao fotoana hoy ianao? Mialoha ny zava-drehetra dia tiako ny manamarika fa rehefa miresaka ny vanim-potoana ankehitriny isika dia tsy afa-miala amin'ny fandrosoana na eo amin'ny lafiny toe-tsaina io, na fiteny, ary mazava loatra ny fitafy. Fa amin'ny maha-mpanoratra ahy no hilazako fa miha-mivoatra ny Literatiora Malagasy, ny fototra iaingana no iray: TENY AINGAM-PANAHY, TALENTA; fa ny vokatra no mivoatra araky ny vanim-potoana, raha tsy hiteny afa-tsy ny fisian' ny SLAM taty aoriana, ny tononkalo amin'ny endriny vaovao mihitsy, eny fa na ny voambolana ampiasaina aza dia vaovao manaraka azy.


Anyah
Mazava be ilay valiteninao ary takatrao ny tiako hahatongavana. I Arifetra ve mahatsapa hoe ny ankamaroan'ny tanora dia efa lasa mirona tanteraka amin'ny fandalinana ny literatiora? Sa hoe hevitro manokana izany?

Arifetra
Marina, tena efa maro ny tanora no liana amin'ny resaka literatiora, maro ny antony, ao no efa talenta, tao ny nianatra mihitsy mba handalina misimisy kokoa, ialako tsiny fa misy koa anefa ireo voadonam-pitiavana no latsaka tanteraka ao anatin' ny kanto.

?

Anyah
Ianao koa mampihomehy! Fa hiverenako ilay resatsika tery amboalohany. Raha tsy diso aho, manomana hetsika goavana ianao ary hiarahanao amin'ny mpanoratra maromaro izany. Azonao lazaina anay ve hoe iza avy ireo mpanoratra miara-miasa aminao? Ary raha tsy mahadiso anay, inona ny lohatenin'ny hetsika karakarainareo ?

?

Arifetra
ANTSA AN-DAMBANANA no lohahevitry ny hetsika, mpanoratra maromaro izahay no miara-misahalahy hamelona azy io. Anisan'izany i Lea Fandresena, Dia Ary, Ikaky Ragasy, Aina, Lofika, Joro, Batsola, Arifetra. Telonohorefy Mikabary no manampy amin'ny famelomana ny seho ary Ramihary no manentana.


Anyah
Ilay Antsa An-Dambanana ve ara-bakiteny sa lohahevitra? Azafady fa tsy azoko tsara ilay izy.

Arifetra
TSIA, ANTSA AN-DAMBANANA no lohahevitry ny hetsika, izany hoe mipetraka amin'ny tsihy daholo ny rehetra izay manatrika na iza na iza.


Anyah
Izany an? Ary hitako sahady ny hakantony raha izany. Fa izao! Izaho izany tsy ho avy satria tsy mahay mipetraka amin'ny tsihy! Fa hono ho'aho Arifetra, misy boky hamidy ve amin'io?


Arifetra
Mijanona ho hetsika fotsiny izy io fa tsy misy famoaham-boky akory.

?
Anyah
Hay mazava dia hentanina izany ny mpanatrika ny hetsika ho avy ary izay tsy mahazaka mipetraka ambany mba hitondra akalana, sa tsy izany ry Arifetra?

Arifetra
Hihi! Izay mihitsy no anton'izay tsy hisian'ny seza izay, mba tsy ahitana taratra ny saranga tsy mitovy (ambony sy ambany) ka na mpiasam-panjakana tonga ao, na minisitra, na mpianatra dia natao mitovy daholo. Mipetraka amin'ny tsihy.


Anyah
Hay ve e! Ary hono ho'aho ry Arifetra hamaranana ny tafatafantsika androany, rahoviana moa ilay hetsika?  Dia amin'ny firy? Aiza ny toerana?

Arifetra
Antsa an-tononkalo MARO LOKO iarahana amin'ny pôeta namana maromaro, ho tanterahina ny 15 jolay 2016 izy io eny amin'ny efitrano Gisèle RABESAHALA (Tranom-bokimpirenena Anosy) amin'ny 2 ora, ento ny namana fa miavaka noho izay efa nandehanana io. TSY MISY VIDIM-PIDIRANA.


Anyah
Izany hono ry zareo a! Mampanantena antsika i Arifetra fa hiavaka ny hetsika ary ho voky ny fanahinao mivoaka avy ao. Farany ry Arifetra, inona no hafatra kely mba tianao ampitaina ho an'ireo zoky mpanoratra, ireo mbola mianatra mandeha ary ho anareo efa mandeha?

Arifetra
NDAO E! Isika no mitambatra... Isika no mitambatra, 'ndeha hiara-hanandratra ny kanto malagasy, 'ndeha soraty an-taratasy, hipetraka ho soratra, vela ka ho olatra, tsy azon'iza n'iza vonoina na lotoina, fa n'iza koa hiteny, isika efa pôeta hatrany an-kibon-dRENY. ARIFETRA


Anyah
Marina loatra ary nampihetsi-po ahy... Misaotra indrindra fa teny kely kanefa mitondra zavatra betsaka. Dia hisaorako indrindra ianao Arifetra nanaiky nivahiny tato amin'ny Poetawebs. Mirary soa indrindra mba ho tontosa soa amantsara ny hetsika izay hataonareo amin'ny faha 15 jolay ho avy izao. Dia manentana ny mpanaraka ny Pôetawebs ho avy... Hiaraka hirodorodo any isika hanotrona.

Arifetra
Misaotra anao Anyah, telina ho antsika rehetra tsy ankanavaka, dia manantena izahay fa ho avy ianareo, ento daholo ny tapaka sy namana e! HO ELA VELONA ANIE NY KANTO MALAGASY !


Anyah
Eny tompoko, dia mamerina fankasitrahana ho anao sy ireo namana hanao ny Hetsika amin'ny faha 15 jolay ho avy izao izahay eto amin'ny Pôetawebs. Mirary soa!

Arifetra
MANKASITRAKA TOMPOKO!

Pôetawebs©2016 - poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 12/07/2016