Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

23 Jolay 2016

F.-X. MAHAH, VAHININ'NY PÔETAWEBS

F.-X. MAHAH na i François-Xavier Razafimahatratra dia anisan'ireo poeta malagasy voalohany azo isaina amin'ny rantsan-tanana niorim-ponenana any Frantsa tamin’ny fotoan’androny. Efa fantatra teto Madagasikara anefa izy talohan'ny nandehanany. Misy amin'ny tanora ankehitriny no mety tsy mahafantatra azy noho izay elanelan-tany sy elanelam-potoana izay ary ny fahabangan'ny toerany teto an-tanindrazana. Manohy manandratra hatrany ny kolontsaina sy ny soatoavina malagasy anefa izy any andilam-bato any. Izany indrindra no nahatonga ny Pôetawebs mitapatapakahitra aminy izao. Betsaka loatra ny zavatra tokony hanontaniana momba izany andrarezina izany ka ialan-tsiny dieny mialoha fa tsy ho feno ny famarana atolotra ny mpisera. Manoloana an'i F.-X. MAHAH i Toetra Ràja mametraka fanontaniana.

Toetra Ràja
Miarahaba anao F.-X. MAHAH tongasoa ato an’efitry ny tapatapakahitra. Misaotra indrindra mahafoy fotoana sy manome voninahitra ireo mpiseran'ny Pôetawebs. Raha ny fanombananay azy dia litera vitsivitsy avy tao amin'ny anaranao no nakana ny F.-X. MAHAH. Safidy azonao hazavaina ve izay?

F.-X. Mahah
Miarahaba anao Toetra Ràja, miarahaba koa ny mpiseran’ny Pôetawebs, ary misaotra amin’ny fanasana. Tsy dia fanaoko loatra ny miresaka ny momba ahy. Fa amiko dia ny asa soratra sy ny tononkalo navelany ihany no tokony ho fantatra kanefa amin’ny maha mpikaroka momba ny haisoratra koa ny tenako dia miaiky aho fa ilaina ny fahalalana momba ny mpanoratra. Tsy dia maro loatra ny fakana am-bavany nekeko ho an’ny gazety na fampielezam-peo na fahitalavitra. Tamin’ny taona 1970, ny faramparan’ny volana oktobra, no nihaonako voalohany tamin’Atoa Xavier Ranaivo talen’ny Gazety Vaovao tamin’izany fotoana izany.  Azo atao hoe sendrasendra, fa tao amin’ny biraon’Atoa François Rakotonaivo mpiandraikitra ny fandaharana tao amin’ny fampielezam-peom-pirenena teo Anosy aho io andro io. Tsy tsaroako tsara intsony ny anton’io fihaonanay io. Raha tsy diso aho dia ny hamakiana ny tononkaloko tao amin’ny radio no noresahinay. Naneno ny telefaonina. Atoa Xavier Ranaivo no niantso ary nanontany azy  raha mahafantatra ny poety mitondra ny solon’anarana F-X MAHAH izy. Io indrindra izy, hoy Atoa Rakotonaivo ary nomeny ahy ny telefaonina. Mikasa hanoratra momba ny poety F-X MAHAH  hono izy. Nolazaiko azy fa handray ny fiaramanidina ho any Frantsa aho ny harivan’io alakamisy 22 oktobra 1970 io ka tsy manana afa-ts’io andro io intsony hihaonana. Dia nandalo teny Antaninarenina nisy ny biraony aho.  Io no fakana am-bavany voalohany nekeko. Nivoaka tao amin’ny gazety Vaovao ny lahatsoratra nosoratany momba an’i  F-X MAHAH ny 30 oktobra 1970.
 

Toetra Ràja
Efa tany Frantsa ianao tamin’izay?

F.-X. Mahah
Teny ambony fiaramanidina dia ity tononkalo fohy ity no tonga tao an-tsaiko, nomeko ny lohateny hoe: Dina.         

 

Ry onjan-kaizina mamonto
kanjo lanitr’Iarivo
ny veloma efa donto
fa ny dinako tsahivo.

F’eo anivon-kabakabaka
isosan’ny tsiahy
misy vetso tonom-bavaka
itokisan’ny fanahy

fa ho any no hifoha
ka hiova fahitana
nefa ny embona ao an-doha
moa hamela ho tamana.


Nampoiziko fa toy ny mpianatra rehetra nita-ramomasina, dia ho toeran-kivahiniana ihany i Frantsa. Tsy araka ny faminavinana azy mandrakariva anefa ny fizotran’ny fiainana. Tsy nanam-potoana nisainana akory ianao dia efa manjohy ny lalana tsy noheverinao hizorana akory teny am-piandohana.
Momba ny solon’anarana dia nanao fanadihadiana momba ny fampiasan’ny poety malagasy solon’anarana aho.  Mbola olona vitsy ihany no namaky azy io fa ny zava-nisongadina tamin’ny fikarohana mba nataoko dia nitombina izany tamin’ny andron’ny fanjanahan-tany noho ny fanenjehan’ny fitondrana sy tahotra ny vavam-bahoaka. Ankehitriny ny fampiasana ny solon’anarana dia tsy tahotra na tery intsony fa safidy. Mbola misy mitondra solon’anarana ny poety Malagasy fa tsy miafina intsony. Raha manantena fanazavana mahazendana ianao dia ho diso fanantenana fa araka ny vinavinanao dia ny literan’ny anarako ihany no niavian’ny hoe F-X MAHAH. Olona nohariako hisolo tena ahy eo amin’ny sehatry ny fanoratana. Zaraiko amin’ny sakaiza Georges Andriamanantena io fisainana io raha miresaka an-dRado izy.


Toetra Ràja
Oviana marina moa ianao no nanomboka nanoratra ary tsaroanao ve ny antony?


F.-X. Mahah
Raha fotorina ny tantaran’ny  poezia malagasy dia ny Baiboly  no tena loharanon’ny ankamaroan’ny tononkalo malagasy. Ny misionera no nampianatra ny Malagasy hanoratra tononkalo. Raha apetraka  amin’ny poety ankehitriny io fanontanianao io dia  maro no hilaza fa ny famakiany ny Baiboly  no namoha ny aingam-panahiny  ho amin’ny fanoratana tononkalo.  Mifandraidraika amin’izany no fitadidiako ny antony nahatonga ahy hanoratra. Ny tononkalon’i Joba, ny Salamo sy Ohabolana no tena nahaliana ahy tao amin’ny Baiboly. Tsy naharitra ela anefa ny fanakarako hevitra sy aingam-panahy avy amin’ny Baiboly. Nifantoka tamin’ny famakiana ny tononkalo malagasy aho : Rabearivelo, Dox, Ny Avana. Nanaraka ny toro hevitra nomen’Atoa Ratsaraoelina ahy koa aho ka namaky ny sangan’asan’ny poety frantsay. Raha ny poety romantika anefa no tena nahaliana azy dia ny poety toa an’i Paul Eluard, André Breton, no tena nisarika ahy.    Dia nikalo ny fitiavana toy ny poety maro aho. Ny fitiavana amin’ny lafiny rehetra. Mifototra amin’ny fitiavana ny ankamaroan’ny lohahevitra rehetra : ny fitiavanan’olon-droa toy izay fahita ao amin’ireo tantara foronina nosoratan’I E. D. Andriamalala, ny fitiavana-namana, fitiavan-kavana, ny fitiavan-Tanindrazana, ny fitiavana an’Andriamanitra. Tamin’ny taona 1970, nahitana matetika izay antsoin’ny mpandalina “tononkalo mitolona”, ny fironako, na ny marimarina kokoa, ny firaiketako amin’ny tononkalom-pitiavana dia nanesika ireo mpiray mihira tamiko hanakiana ny fomba fihirako ka nahatonga ahy hanoratra ny tononkalo: “Izaho hono…”. Tsy fanamarinan-tena fa fanazavana ny toerana nisy ahy teo amin’ny sehatry ny haisoratra.

 

Izaho hono tsy mikalo ny fikalon’ny rehetra
fa mhitsoka ao an-dalin’ny fitia mameloelo
izaho hono tsy mba miady hanohitra ny herisetra
fa toa resy ambony ihany efa isan’ny avelo.

Raha ekeny anie ny Nosy fa ianao lalainy ihany
no kaloiko ho hany tiako amin’ny endri-tsamihafa
antsoiko Noro na Sahondra ka zahako hatrany hatrany
angamba izy tsy hanakiana ny fomba entiko mitafa.

Raha mamoiko anie ny foko tsy handre izay mitàny
fahoriana fanosena famadihan-Tanindrazana
satria inoako fa tsy teny no hanorenana ny akany

Tsy mahay mampiasa fiteny norangitina aho
ny halavolo sy ny hiaka hanako an-tany ngazana
fa mainka hisavorovoro ny hevitra efa mifamaho.


Ankoatra ny fitiavana dia manetsika ny aingam-panahy indrindra koa ny zava-boahary. Ao amin’ireo tononkalo amin’ny teny frantsay no tena nahavanana ahy nikalo ny zava-boahary sy ny tontolo iainana.

Toetra Ràja
Voalazanao teo fa ny alakamisy 22 oktobra 1970 ianao no nandao an'i Madagasikara. Inona no zava-nitranga teo amin’io kihon-dalana lehibe io?

F.-X. Mahah
Tsaroanao angamba ny anganon’i Benandro manao hoe :

 

“Niainga ho’aho, Benandro,
Niera izy tamin’ny rainy,
ka reniny koa nilazany.

Avelao aho re mba handeha,
avelao aho re mba handeha,
Fa  lasa ny zana-bahoaka e !”


Fanapahan-kevitra tampotampoka no nahatonga ahy niala tany Madagasikara. Nandeha nanohy fianarana taty Frantsa ireo namako roa lahy akaiky ahy indrindra tao Ambohimanarina, tanananay. Koa nanoratra taty amin’ny INALCO aho. Vao hanazo taratasy fisoratana anarana dia nanomana ny fahazoan-dalana hita  ranomasina.  Hoy Rado raha nanolotra ny amboarako “Rindran’ny tsiahy” izy: “Fantatro koa fa efa am-polotaona vitsivitsy izao izy no nanesitany ny tenany, an-tsitrapo, honina any Frantsa ny lehilahy”. Raha ny tena marina tsy nikasa hanorim-ponena taty Frantsa aho raha nandao an’i Madagasikara. Araka ny efa nambarako tetsy ambony dia ny 22 oktobra 1970 aho no nandao an’i Madagasikara voalohany ary ny AEOM (Fikambanan’ny Mpianatra Malagasy fiaviana) no nitsena ahy teny amin’ny fiantsonam-piaramanidina teny Orly ny zoma maraina. Tsaroako tsara fa namirifiry ny andro tamin’izay. Toa tsy nanavao ahy anefa izay rehetra tojo ahy fa toa efa toeram-pantatro avokoa noho ny fitantaran’ny boky sy gazety na noho ireo sarimihetsika maro  mampiseho an’i Parisy ohatra.

Toetra Ràja
… ary efa fantatrao tamin'izany fotoana izany ve fa hiroborobo toa izao ny asa soratrao?


F.-X. Mahah
Ho tian’ny olona ve izay soratako? Io no fanontaniana mipetraka ary tokony hipetraka mandrakariva amin’ny mpanoratra. Ny teny hoe miroborobo dia tsy raisiko amin’ny dikany hoe betsaka ihany. Araka  ny hevitro, ny tokony ho fanontaniana dia ny hoe manohina ny mpamaky ve ny  tononkalo atolotra azy ? Milaza izay mba tsapany any an-karo-miafiny any ve ? Fahatsiarovana telo no ho entiko eto. Fony mbola tany Madagasikara aho ka nandray fiaran-dalamby ho any Antsirabe dia nisy tovovavy roa nipetraka tsy lavitra ahy tao anaty vagao. Andro nivoahan’ny gazety Hehy koa io andro io.  Tononkaloko navoakan’ny gazety io andro io no novakiany ary nolazainy fa tena tiany ny tononkalon’ilay poety nanoratra azy. Nahatsiaro feno hambo aho kanefa tsy sahy niteny na inona na inona. Olon-tsy fantatra mankafy ny asasoratrao dia mandrisika hanohy hatrany.
Indray andro koa tao amin’ny fihaonana tao amin’ny INALCO dia nisy Ramatoa nanatona ahy ary nilaza avy hatrany izy fa tsy miala any aminy ny boky “Sang d’Ombre”. Dia nosokafany tokoa ny poketrany ary nasehony ahy ny boky izay  hita fa efa nosokafana matetika tokoa.
Farany raha nandeha namangy an-dRabemananjara Jacques aho, folo andro talohan’ny nahafatesany dia io bokiko io izay  nanaovany teny fanolorana no hany hitako teo ambony latabatra teo an-doha fandriany. Zavatra toy izany no tena nanohina ahy. Tsy ny hamaroan’ny tononkalo avoakany amin’ny gazety na amin’ny boky no iantsoana ny poety iray ho mahavotra fa izay nahasoratra na dia tononkalo iray aza fa  manohina sy manampy ny mpiara-belona aminy satria misy isintonana lesona izay voambarany.



Toetra Ràja
Na izany aza anefa dia efa mpamoaka tononkalo an-gazety ianao tamin'izany fotoana izany. Azonao ampatsiahivina ve?

F.-X. Mahah
Toy ny ankamaroan’ny poety malagasy raha vao mba nihevitra aho fa azo aseho amin’ny gazety ny tononkaloko dia nandefa ireny tany amin’ny gazety aho. Ny gazety Hehy no tena nanoratako nanomboka tamin’ny taona 1966. Tamin’io fotoana io no nahitako  ny tononkalon’ny poety  toa an-dRajaonarimanana Narivelo (na ny Malodohasaha), Jean Nalisoa Ravalitera, Rabenja Salomon, Razafiarivony Wilson, Iand-el, Ratsaraoelina Charles (Le Miosotys), Esther Andriamasivelo (Essy-Lala) Ranaivo Julien sy ny maro hafa  izay samy nahaliana ahy tamin’ny asa-sorany. Tsaroako fa tena liam-pahalalana ny momba ny fanoratana tononkalo aho tamin’izany fotoana izany.
Namoaka tononkalo tamin’ny gazety hafa koa aho: ny Antson’ny Nosy, ny Hita sy Re, Sahy, ny Vaovao araka ny efa voalazako tetsy ambony. Nisy tamin’ireo poety niara-nanoratra tao amin’ny gazety Hehy ohatra no hitako taty aoriana: Essy-Lala. Ravalitera Nalisoa, Wilson Razafiarivony, Ny Malodohasaha, Rado, Julien Ranaivo, Rahaingoson Henri (DI…).

Tsy dia nanoratra tamin’ny revio aho fony tany Madagasikara fa tao amin’ny Fampitaha no nisy tononkaloko indroa angamba. Nony tonga taty Frantsa aho dia namoaka tononkalo tamin’ny  teny frantsay tamin’ny revio vitsivitsy : Dire – Veloma Malagasy Eté 1971, Entailles revion’ny Université Paris 6, izay nanoratako koa lahatsoratra fohy momba ny hain-teny, Poésie sur Seine, nanoratako pejy vitsivitsy momba an’i  Rado, Cris d’OS, nanoratako momba an-dRabemananjara Jacques niaraka tamin’ny mpanoratra frantsay namako Jacques Taurand izay nanoratra koa ny teny famaranana ny amboara Sang d”ombre, Ny revio Sentier, Lettre mensuelle sur Madagascar 1993-1994  ary ny “Ambario” revion-dRamatoa Bakoly Dominichini Ramiaramanana  nahitana tononkalo malagasy maromaro, toy izay hita koa tao amin’ny  Etudes Océan Indien revion’ny Inalco.

Miankavanana: Ampamoha (Wilson Razafiarivony), Julien Ranaivo, F.-X. Mahah, Di...


Toetra Ràja
Mpifanerasera amin'ireo poeta na mpanoratra sangany ianao raha azoko tsara? 

F.-X. Mahah
Fony mbola tany Madagasikara aho talohan’ny taona 1970, dia Atoa Ratsaraoelina Charles na Le Miosotys ihany no tena natoniko. Mpiara-mianatra izahay sy ny zanany dia nangataka azy aho mba hampahafantatra ahy ny rainy. Noraisin’i Le Miosotys tao an-tranony teo amin’ny “route circulaire” aho.
Tena nanohina ahy mihitsy ny fahitana azy. Ireo tononkalony tamin’ny gazety no fantatro tamin’izany ary ilay tononkalo “Inty mitady anao” tao amin’ny bokim-pianarana “Takelaka notsongaina” nosoratan’Atoa Siméon Rajaona.
Ny tena tsaroako tamin’ny resaka nifanaovanay dia ny fandrisihany ahy amin’ny famakiana boky ary tsy hionona amin’izay heverina fa talenta. Efa tia mamaky boky aho ary anisan’ireo mpamaky boky matetika tao amin’ny trano famakiam-bokim-pirenena tao Antaninarenina. Ny amboaran-tononkalo no tena famakiko tao, fa ny tantara foronina amin’ny teny frantsay, dia nisy mpiravotra boky tranainy teny Alarobia lalana ho any Analamahitsy, tsy lavitra an’Anosivavaka nonenanay, nahitako izay notadiaviko. Lehilahy efa zokiolona, fa tsy lahiantitra, no nitana io fivarotam-boky io ary nahaliana ahy hatrany ny niresaka taminy. Tsy fantatro izay fianarana nodiaviny fa toa efa novakiany avokoa izay boky nofinidiko ka noresahiny tamiko. Nony nandalo tany aho tamin’ny taona 1998 dia  tsy teo intsony izy.



Toetra Ràja
Efa namoaka boky ve ianao tany Madagasikara? Ary azonao tanisaina ve ireo boky hafa navoakanao hatramin'izao, izany hoe ny anao manokana sy izay niombonana tamin'ny hafa?

F.-X. Mahah
Nony tonga teto Frantsa aho vao namoaka boky. Tamin’ny taona 1972 nisy takariva nomanin’ny mpianatra nipetraka tao amin’ny akanin’ny mpianatra malagasy tao Cachan: hira sy dihy ary tononkalo. Ny poety Essy-Lala, izay efa fantatro anarana fa niara-nanoratra tao amin’ny gazety Hehy izahay ary hitako tao amin’ny revio fampitaha koa ny tononkalony,  izy no nanoratra ny tononkalo tamin’ny teny malagasy ary izaho no nanoratra ny tononkalo tamin’ny teny frantsay. Ny tononkalo nosoratako ho an’io takariva io no nampiako ireo vitsivitsy nentiko avy any Madagasikara no natambatro tao amin’ny amboara “Esquisses marines” nivoaka ny taona 1972. Ny fahatsiarovana ny Nosy vao nilaozana no tena nanentana ahy hanoratra io amboara voalohany io. Ny boky faharoa “Contrexil” dia nivoaka efa-taona taty aoriana, tamin’ny taona 1977.  Nitarika ny tanora tao amin’ny fiangonana katolika tao amin’ny lalana Boissière (Parisy 16éme) aho. Nivoaka matetika an’i Parisy ny fiangonana, Tamin’ireny fivoahana ireny no nanombohako nahalala an’i Frantsa ary nampitahaiko tamin’izay tojo ny masoko ny sarin’ny fahatsiarovako an’i Madagasikara. Ny toerana rehetra ifantohan’ny maso na diavin’ny tongotra dia toa mihantsy hoe “Eto no hanadinoanao ny any”. Maro tokoa ireo toerana nahaliana kanefa dia nitondra hatrany ny saina hahatsiaro ny Tanindrazana. Miteraka fampitahana amin’izay lavitra ny maso. Tsy namoaka boky intsony aho raha tsy ny taona 2004 “Sang d’ombre”. Efa tamin’ny taona 1999 no nanoratan-dRabemananjara Jacques ny teny fanolorana fa tsy tafavoaka ny boky raha tsy ny taona 2004.   Ny taona 2010 aho no mamoaka ny amboara amin’ny teny malagasy “Rindran’ny tsiahy” izay i RADO no niangaviako hanao ny teny fanolorana izay nekeny tsy nisy fisalasalana. Ahitana ireo tononkalo efa nivoaka tany Madagasikara sy ireo nosoratako teto Frantsa sy Angletera. Satria na teo aza ny fotoana efa ela niainako teto Frantsa dia tsy haiko mihitsy ny nanapaka ny fifandraisako tamin’ny Tanindrazako. Na nisy fotoana aza tsy dia nifandraisako loatra tamin’ny Malagasy dia tsy nijanona namaky boky sy   gazety malagasy aho, nihaino hira malagasy, namaky koa poezia sy ny tantara fononina, ireny  rehetra ireny no nampifandray ahy tamin’i Madagasikara, nitaizako ny fandalinana ny  teny Malagasy. Ny taona 2009 no nivoaka ny boky “Six Poetes malgaches d’expression malgache”  Maro ny poety Malagasy mendrika ho fantatra aty ivelany kanefa dia enina amin’ireo poety fantatro ihany aloha no nofinidiko ary nadikako amin’ny teny frantsay : Georges Andriamanantena (RADO), Jean-Joseph Rabearivelo, Ny Avana Ramanantoanina, Edmond Randriamananjara (Randja Zanamihoatra), Samuel Ratany, Jean Verdi Salomon Razakandraina (DOX). Ny namana Jaques Taurand no nanao ny teny fanolorana.  Ny boky farany nivoaka ny taona 2014 dia amin’ny teny frantsay “Feu-foret “ Raha niverina tany Madagasikara aho tamin’ny taona 1998, nanao fikarohana momba ny poety Samuel Ratany, dia ny  afo nandoro ny ala no  nanintona ny masoko voalohany raha nisidina ny Nosy ny fiaramanidina. Io fahitana io no nahatonga ahy hisaina hanoratra amboara momba ny doro tanety. Kanefa na notanako ihany aza ny lohateny dia niitatra ny vetsovetso. Atoa Henri Rahaingoson no nanao ny teny fanolorana ary Atoa Abel Andriarimalala no nanoratra ny teny famaranana. Nanan-danja lehibe tmiko ireny teny fanolorana ireny satria porofon’ny fahatokisany ny asa nasehoko azy.
 


Toetra Ràja
Oviana tokoa moa ianao no niditra Havatsa Upem ary inona no nahasarika anao tao?

F.-X. Mahah
Tsy olon’ny fikambanana aho. Na tonga taty Frantsa aza aho dia ny Association littéraire et artistique France-Madagascar natsangan-dRamatoa Victoire Ravelonanosy, mpanao hosodoko tena nalaza tamin’ny androny no hany nidirako. Niaraka tamin’io fikambanana io no nanaovako fampirantiana sary hoso-doko voalohany sy niantsana  ny tononkaloko niaraka tamin’ny poety folo hafa  toa an’i  Dox, Rabearivelo, Raherivelo,  Flavien Ranaivo, ny taona 1974 tao amin’ny FIAP (Paris).
Momba ny fidirako tao amin’ny Havatsa dia ny namana Ener Lalandy sy ny Filoha Célestin Andriamanantena izay nifanoratra matetika tamiko, no tena nandrisika ahy hilatsaka ho mpikambana ary koa hanangana sampana Havatsa eto Frantsa. Izay notanterahintsika ny taona 2004 satria anisan’ny mpanangana ny Havatsa sampana Frantsa koa ianao.



Toetra Ràja
Marina izany ! Misy mampiavaka ny Havatsa amin'ireo fikambanana maro niorina taty aoriana ve?

F.-X. Mahah
Tsy ny mampiavaka no tokony ho jerena fa ny fifamenoany.  Marina fa ny Havatsa no niorina taloha indrindra raha ireo fikambanan’ny mpanoratra sy poety malagasy no resahina satria tamin’ny taona 1952 no nananganana azy.
Raha fintinina dia tanjona  mitovy no manentana ireo fikambanana toy ny Sandratra, ny  Fivoy, ny Havatsa, ny Fimpima sns  dia ny fanandratana ny teny malagasy. Samy hafa angamba ny fomba fiasany fa ny mahavelom-bolo dia ahitana poety manana traikefa afa-manoro lalana sy mitantana ny poety zandriny ireny fikambanana ireny.



Toetra Ràja
Voaray ho mpikamban'ny Akademia ianao. Azonao hazavaina ve ny andraikitrao ao?

F.-X. Mahah
Tsy nampoiziko mihitsy ny fiantsoana ahy ho mpikambana tao amin’ny Akademia Malagasy. Gaga aho raha naharay ny taratasin’Atoa Rajaona Andriamananjara filohan’ny Akademiam-pirenena malagasy tamin’ny taona 2011. Araka ny efa nambarako anao dia tsy olon’ny fikambanana aho kanefa misy andraikitra tsy azo lavina eo amin’ny fiainana. Sady tsy mifanohitra amin’ny fomba fiasako sy fisainako hatry ny ela ny fototra ijoroan’ny Akademia. Ny lohahevitra rehetra nilofosako hatramin’ny fotoana nandraisako penina voalohany dia mikasika an’i Madagasikara avokoa na ny tononkalo, na ny valandresaka samihafa na ny lahatsoratra niseho tamin’ny gazety sy revio ary taty aoriana ireo famelabelarana nataoko tamin’ny radio. Araka izany dia tsy hanova na inona na inona eo amin’ny ezaka efa nataoko manokana ny fandraisana ahy ho mpikambana ao amin’ny Akademia. Ny tombony dia voninahitra lehibe ho antsika mpanoratra ny fandraisana ho mpikambana ao amin’ny akademia iray ka isaorako ireo namana mpikambana nifidy ahy. Eo am-panomanana “Amboaran-tononkalo Malagasy” aho ankehitriny, satria heveriko fa ilaina amin’ny fahalalana ny haisoratra Malagasy ny boky fitarihan-dalana, na fanehoana ny sangan’asan’ireo poety Malagasy mba ho filamatra. Nasehoko an’Atoa Rahaingoson io vinavinanasa io ary efa niarahanay nidinika ny famitana azy koa na tsy eo intsony aza izy dia hiezaka aho hamita azy.


Toetra Ràja
Mpikamban'ny Akademia any andafin'ny riaka ianao. Fahalemena sa tombony ho anao izany?

F.-X. Mahah
Ny akademia dia manangona ny vokatry ny fikarohana samihafa momba an’i Madagasikara sy ny Malagasy. Marina fa sitrako tokoa ny ho afaka mifandray matetika amin’ireo mpikambana ao amin’ny Akademia, hifanakalo hevitra amin’ny tsirairay avy mivantana. Kanefa rehefa mba tafita any aminy, hanatevina izay efa fantatra, izay ezako manokana dia izay no tena zava-dehibe. Heveriko fa tsy hafa amin’izay ataon’ny mpikambana any an-tanindrazana izay vokarin’ireo aty am-pitandranomasina. Ataoko hoe mifameno satria inoako fa misy hitan’ny any fa tsy hitan’ny eto, kanefa koa misy fomba fijerin’ny eto tsy ananan’ny any.


Toetra Ràja
Voalaza teo fa nandalim-pahaizana tao amin'ny INALCO ianao. Azonao hampatsiahivina ve ny momba izany sekoly izany ary inona no fianarana norantovinao tao raha tsy mahadiso?

F.-X. Mahah
Namolavola olona maro hifantoka amin’ny fahalalana an’i Madagasikara ny sekoly INALCO na dia ny hanofana ireo mpitondra fanjakana handray an-tanana ny fitantanana ny firenena malagasy aza no tena nananganana azy teny am-piandohana. Ankehitriny betsaka ny Malagasy mandalo ao manovo fianarana. Tao amin’ny INALCO no sekoly nianarako voalohany teto Frantsa. Mbola Atoa Jacques Faublée no nisahana ny sampana Malagasy tao amin’ny sekoly. Nisy folo teo ho eo izahay no nanaraka ny taona voalohany tamin’ny taona 1971. Tsy nijanona  ela tao anefa aho fa nanaraka fianarana hafa. Tamin’ny taona 1997, sendra tafahaona tamin’Atoa Pierre VERIN aho ary nanasa ahy izy hiresaka momba ny hainteny tamin’ny mpianany. Nahafapo azy ny resadresaka nifanaovako tamin’izy ireo ka nilaza tamiko izy fa tiany raha miara-miasa aminy aho. Kanefa, hoy izy, tsara raha manana diplaoma ianao. Efa nanana ny diplaoman’ny EPHESS aho ka nanomana avy hatrany DEA. Dia io no antony niverenako tany Madagasikara nanadihady ny momba an’i Samuel Ratany. Nanomboka ny fanomanana ny doctorat niaraka taminy aho kinanjo voatendry ho talen’ny oniversite frantsay tany Pacifque izy ka ny sakaiza Narivelo Rajaonarimanana sy Rtoa Nirhy-Lanto Ramamonjisoa no nanampy ahy tamin’ny famitana azy. Dia toy izany raha fintinina amin’ny teny fohy ny fifandraisako tamin’io sekoly io.


Toetra Ràja
Asaina matetika amin'ny famelabelaran-kevitra ianao. Inona ohatra ny lohahevitra iantsoana anao?

F.-X. Mahah
Efa fantatrao ihany, inoako, ny valin’io fanontaniana io.  Momba ny tantaran’ny haisoratra malagasy no tena iantsoan’ny fikambanana ahy. Indraindray koa anefa dia momba ny tantaran’i Madagasikara ankapobeny. Ny valandresaka nataoko voalohany teto Frantsa dia tamin’ny taona 1976 tao Lille, fanasan’ny fikambanan’ny mpianatra eran-tany.  Tao Savigny le  Temple  tamin’ny taona 2010 fankalazana ny  faha-50 taonan’ny fahaleovantenan’i  Madagasikara. Nanao valandresaka momba an’i Dox koa aho tany Nantes. Na dia tsy manana traikefa be loatra amin’ny fampianarana aza aho, fa roa taona ihany no nitondrako sekoly talohan’ny nialako tany Madagasikara, dia mba heveriko fa nisy ihany ireo nahita lesona kely tamin’izay nambarako.

Toetra Ràja
Inona no lohahevitra mahavantana anao rehefa mamorona tononkalo?  

F.-X. Mahah
Ny aingam-panahy ihany no mitondra mazàna ny lohahevitra ifantohan’ny tononkaloko. Araka izany dia izay rehetra manohina  ahy amin’ny fotoana iray no  ipoiran’ny lohahevitra. Na toa tsy mikasika an’i Madagasikara aza ny tononkaloko sasany dia mifantoka hatrany amin’ny Nosy rehefa tena fotorina.

Toetra Ràja
Raha takonana ny anaranao amin'ireo tononkalo nosoratanao tamin'ny teny frantsay, misy hahafantaran'ny vazaha ve fa Malagasy no nanoratra?

F.-X. Mahah
Mendrika ho halalinina tokoa io fanontanianao io satria tsy ny tononkaloko ihany no azo ametrahana azy. Tsy an’ny Frantsay irery intsony ny teny frantsay. Araka ny fanisana farany hitako dia misy firenena 56 itenenana ny teny frantsay ary mahatratra 274 tapitrsa ny olona miteny azy ary manakaiky ny 5 tapitrisa ao Madagasikara. Maro ny mpanoratra nifidy ny teny frantsay hanehoany ny talentany indrindra ireo avy amin’ny firenena zana-tany frantsay teo aloha toa an’i Madagasikara sy ny firenena afrikana maro, ary ireo firenena mbola mifatotra amin’i Frantsa toa an’i Guadeloupe, Martinika, ireo firenena nandova ny teny frantsay toa an’i Kanada etsetra. Tsy ho voatonona eto ireo mpanoratra niomana tany Frantsa ka mafahefy ny teny frantsay manara-penitra. Ohatra Leopold Sédar Senghor izay nampianatra teny frantsay tamin’ny kolejy sy lise frantsay. Raha mamaky ny tononkalony isika dia hiaiky ny fahaizany ny teny frantsay azo ampitahaina amin’ny soratry ry Chateaubriand, Lamartine, Victor Hugo.  Kanefa raha tena fotorina akaiky ireo asa sorany dia nampidirany teny na fomba fanoratra ahafahana mamantatra ny fiaviany. Na dia voasoratra amin’ny teny frantsay manara-penitra araka ny nolazaiko etsy ambony aza ny tononkalony dia mifantoka amin’i Sénégal fireneny ny lohahevitra rehetra antsainy. Azo ampiharina amin’ny tononkalon-dRabearivelo, Rabemananjara sy ny ankamaroan’ny poety manoratra amin’ny teny frantsay, io fomba fijerena io. Koa avelako aminao ny famaliana azy raha ny tononkaloko no resahina. Raha azoko atao ny manadihady ny tononkalon’ny poety hafa dia sarotra amiko ny miresaka ny momba ny tononkaloko.

Toetra Ràja
Mpandika tononkalo amin'ny teny malagasy mankamin'ny teny frantsay ianao ary manao ihany koa ny mifamadika amin'izay. Iza amin'ireo no sarotsarotra kokoa? Mahadika tsara ny tononkalo voasoratra tamin'ny teny malagasy ve ny teny frantsay?

F.-X. Mahah
Araka ny mba traikefako manokana dia mora kokoa ho ahy ny mandika tononkalo voasoratra amin’ny teny frantsay mankamin’ny teny malagasy noho ny teny malagasy mankamin’ny teny frantsay.  Izany akory anefa tsy milaza fa tsy azo adika amin’ny teny frantsay ny tononkalo Malagasy. Fantatsika ny boky nosoratan’i Jean Paulhan momba ny Hainteny merina tamin’ny taona 1913.  Ny tononkalo nosoratan-dRajaonary  mpitandrina tamin’ny taona 1880, “Abidin’ny toaka” angamba no tononkalo voadika tamin’ny teny frantsay voalohany. Dikany nataon-dRajoelisolo Charles. Taorian’ireo dia betsaka ny poety malagasy no nandika tononkalo frantsay amin’ny teny malagasy. Dox dia tsy nionona tamin’ny fandika tononkalo fa nandika amin’ny teny malagasy sangan’asa frantsay izay tsy isalasalana fa manatevina ny haisoratra malagasy. Rabearivelo koa nandika tononkalo vahiny maro. Raha mamadibadika ny revio samihafa any Madagasikara ianao dia hahIta tononkalo vahiny maro voadikan’ny poety. Nanaraka ireny aho ka ny fandikana tononkalo no lohahevitra natolotro tamin’ny fandraisana ahy ho isan’ny mpikambana ao amin’ny Akademia Malagasy. Antenaiko fa hivoaka ao amin’ny tranonkalan’ny Havatsa-Upem sampana Frantsa tsy ho ela io valan-dresaka io.

 

Toetra Ràja
Tsy mba anisan'ireo Malagasy mpiserasera amin'ny Facebook ianao. Misy antony manokana ve?

 

F.-X. Mahah
Ekeko fa amin’izao vaninandro iainantsika izao dia fitaovana tsy azo ihodivirana ny Facebook toy ny finday. Tsy azo odian-tsy fantatra fa betsaka ny olona mifandray amin’ny Facebook. Araka ny isa fantatra hatramin’izao dia mahatratra arivo tapitrisa ny olona mpifandray amin’ny Facebook. Isan’ny endriky ny fandrosoana tsy azo atao ambany maso tsy hita. Tsaroako raha nanao valandresaka indray taona tao amin’ny Inalco Atoa Siméon Rajaona dia nilaza fa tsy tia mijery fahitalavitra. Ny  tiako ho tenenina amin’izany dia tsy voatery hitia izay tian’ny olona rehetra akory isika. Efa mba nahazo fanasana maro hifandray amin’ny Facebook aho, fa hatramin’izao dia tsy hitako mihitsy ny hanekena ireny fanasana ireny: ny fomba fanoratra hita ao amin’ny Facebook dia tsy mifanaraka amin’ny fitiavako ny tenindrazako. Tsy lavina anefa fa indraindray dia ahitana ihany teny malagasy tena mendrika ary tononkalo tena kanto ao amin’ireny fifanakalozana ireny. Fa indraindray ihany. Ny ankamaroany dia mbola tsy mandrisika ahy mihitsy.


Toetra Ràja
Fanontaniana adaladala, fantatrao ve raha nisy nandimby ny fahaizana sy ny lazan-dry Dox, Ny Avana, Rado, J.J. Rabearivelo sns. ankehitriny?

F.-X. Mahah
Ny vanim-potoana rehetra dia samy mitondra ny poetiny. Tsy azo lavina ny talentan’ireo poety notononinao ireo. Kanefa tsy nijanona tamin’izy ireo, soa ihany, ny tantaran’ny haisoratra malagasy. Betsaka ny sangan’asan’ny poety ankehitriny no tsy mena-mitaha amin’ireo kalaza teo aloha.  Eo am-panomanana “Amboaran-tononkalo malagasy“ aho, hoy aho, ka maro amin’ireo poety  malagasy ankehitriny no tokony ho tononina.  Nozarina tamin’ireo poety vitsy ireo isika ka tokony hanitatra ny fahafantarantsika ny poety hafa. Tsy mahagaga raha Rabemananjara, Rabearivelo ary Flavien Ranaivo ihany no fantatra any am-pita satria ireo no hita voalohany tao amin’ny boky nosoratan’i Léopold Sédar Senghor tamin’ny taona 1948. Tsy tokony ho jamban’ny fotoana isika ka tsy hijery ny ambany maso.


Toetra Ràja
Raha misy ny tokony hahitsy amin'ny fomba fanoratra tononkalo ankehitriny, mety ho amin'ny lafiny inona re?

F.-X. Mahah
Tamin’ny taona 1931 dia nisy ny hetsika « Mitady ny very » notarihin-dRaberivelo, Ny Avana ary Rajoelisolo.  Tamin’ny taona 1934 ry zareo dia nilaza fa hita ny very satria toa nanaraka ny toro-hevitra nomeny ny poety zandriny. Raha mamaky ny tononkalo ankehitriny anefa isika dia mbola mahita tononkalo poak’aty. Miraondraona amin’ny rima mandrotsy sofina fa tsy mitondra hevi-baovao ao amin’ny tononkalo. Ny tenako manokana dia mampiasa rima fa miezaka manaja ny aingam-panahy nanentana ahy hanoratra ny tononkalo. Tsy milaza aho fa fanaperana ny tononkaloko fa miezaka aho hanome lanja ny hevitra fa tsy ny endrkia ivelany entin’ny rima. Tsy amin’ny fanoratana tononkalo ihany anefa fa ao amin’ny kabary koa, dia ahitana fa tsy mifanaraka mandrakariva amin’ny hevitra voizin’ny kabary ohatra ny ohabolana enti-mandravaka azy. Toa manao tsianjery be fahatany ny maro amin’ny tanora mikabary.


Toetra Ràja
Mpiasam-panjakana misotro ronono ianao. Azo fintinina ve ny endriky ny andavanandronao?

F.-X. Mahah
Soa ihany fa tsy mifarana amin’ny fotoana isotroany ronono ny fiainan’ny olona iray. Efa nandre olona maro angamba ianao niteny hoe “Rehefa misotro ronono aho manao izao, na mamaky ireo boky ireo, na mitety tany  …”. Ny fisotroan-dronono dia fiovan’ny andraikitra sahanina fotsiny. Hanatanterahana ihany koa izay tsy vita fony mbola niasa noho ny fotoana voafetra. Teny an-tsisim-balan’ny asa no nanaovana izay tena nanan-danja ho an’ny tena, toy ny fanoratana ohatra na fanaovana hoso-doko.  Nony tsy niasa aho dia afa-nandray sy namita ireo sombin-tantara natomboko. Afa-nandalina koa ireo foto-kevitra nihodinkodina tao an-tsaiko efa hatramin’ny ela ka nanoratra azy am-pilaminana. Afa-nifantoka bebe kokoa tamin’ny fitantanana ny fikambanana. Fahadisoa-kevitra ny milaza fa tompon’ny fotoanany ny olona tsy mamonjy birao isan’andro intsony. Indraindray aza toa fohy ny andro ho enti-mamita izay kasaina. 

Toetra Ràja
Na dia eo aza ny halalin'ny traikefanao sy ny lalana nodiavinao dia azo tombanana fa olona tsy dia tia misehoseho ianao. Tsara ve raha manana an'izay toetra mandefindefitra na mimpirimpirina izay ny poeta?

F.-X. Mahah
Amiko dia ny asa vita no tokony itsarana ny mpanoratra. Ekeko fa manetry tena loatra aho, nefa toetrako ka tsy haiko ny manova azy. Efa nolazaiko fa tsy olom-pikambanana aho, fa zatra miasa irery. Ka heveriko fa ny asa soratro hitany sy fantany no nahatonga an’Atoa Andriamanantena Célestin niantso ahy hilatsaka tao amin’ny Havatsa ohatra, ary heveriko fa mbola izany ihany no nangatahan’ny mpikambana ao amin’ny Akademia ahy hiara-miasa aminy. Ny fahafantarany ny asa soratro sy ireo hosodoko nampirantiako tao amin’ny fileovan’i Parisy ary ny resaka nifanaovako tamin’ny lehiben’ny kabinetran’ny ben’ny fileovan’i Paris no nahatonga azy hangataka ho ahy ny mariboninahitry ny Akademia frantsay. Torak’izany koa ny fanasan’ny mpiandraikitra ny Festival international de Molsheim ny tenako tamin’ny taona 2008. Tsy fantatro mihitsy hatramin’izao izay nahalalany ahy raha niantso ahy tany amin’ny biraoko izy ka nilaza fa izaho no nofinidin’ny fikambanany ho solon-tenan’i Madagasikara izay nofinidiny ho hankalazaina io taona io.  Ny tiako ho tsipihina amin’izany dia izay mba vitako hatramin’izao no nitsaran’ny olona sy nankasitrahany ahy.
Toy ny mpanakanto maro dia manana izay toetra te hisehoseho izay koa ny poety.  Samy manana ny toetrany ny tsirairay fa tsy ny maha-poety azy no mametra sy mandoko ny toetrany.  Ny hany tena kianiko dia ny fanindrahindran-tena be loatra raha tsy mifanaraka amin’izany izay novokarina.

 

Toetra Ràja
Azo fantarina ve ny zavatra tsy zakan'ny fonao indrindra eo amin'ny fiainana?

F.-X. Mahah
Vitsy ny zava-tsy zakako ka manohina ahy. Noho ny fahazarako miaina irery angamba. Miezaka hatrany aho mba halala-tsaina eo anoloan’ny toe-javatra sy fihetsiky ny olona mifanerasera amiko. Ny zava-manelingelina indrindra ny saiko dia ireo manivaiva ny finoan’ny hafa. Tsy eo amin’ny lafiny ara-pinoana ihany anefa no iharan’io fanakianana io fa na amin’ny fifandraisana eo amin’ny fiainana andavanandro aza, indrindra koa ara-politika.


Toetra Ràja
Efa nahavitanao tononkalo ve ny toa izany?

F.-X. Mahah
Ireto sombiny roa ireto angamba no azoko aseho anao.

 

ny andriamanitrao ihany
no hany mendrika ivavahana
fa izay ankotr’izany
dia tsy tokony ho arahana

raha io andriamanitra io
no handrava izay najoro
ka handoto izay madio
aleo izy ho torotoro


ary koa :
 

teny foana ny fivavaka amenoany ny habakabaka
fa ny fony mbola feno halavolo mampanavaka
teny foana ny fivavaka androtsiny ny alahady
fa ny tolon’ny mpitrongy dia jereny ho sarin’ady



Toetra Ràja
Miala tsiny re F.-X. MAHAH fa notazoniko ela loatra ianao. Sarobidy aminay mpisera ny nitantaranao ny traikefanao sy ny lalana nodiavinao. Misaotra indrindra ary mametraka veloma finaritra tompoko!

F.-X. Mahah
Teo am-pamaliana ny fanontanianao aho vao tena nahatsapa fa be ny zavatra tsy fantatro momba ny tenako. Ny fanontaniana apetraka amintsika mazana no manokatra ny masontsika ary mitondra antsika handini-tena. Araka ilay fiteny navelan’ny Grika milaza hoe “Gnothi seauton” (Fantaro ny tenanao). Koa izaho no misaotra anao.

Pôetawebs©2016 - poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 23/07/2016