Créer un site internet

 

Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

30 Aogositra 2016

RIKIBE SY POETA ADALA, VAHININ'NY PÔETAWEBS


Lea Fandresena
Miarahaba anareo Rikibe sy Poeta Adala tongasoa eto aminay. Maromaro ny dinidinika hotanterahintsika fa eto ampiandohana lazao ny mpisera, iza moa ianareo?

Rikibe
Salama Tompoko o! Mankasitraka anao mampiantrano anay. Hasina Fitahianjanahary Josoa Emmanuel no tena anarako, fantatra amin'ny anarana hoe RIKIBE. Na efa tsy zoviana amin'ny maro intsony aza io anarana io dia mbola ampahafantariko etoana ihany: RIKIBE? Ragasimanantsoa Ikiaky ilay Maintibehevitra izy io no nafohezina. Mino aho fa mitamberina ao antsainareo avy hatrany ireto: TRANON-DOZA, BAIBOLY MAINTY, VOHIDOLO, ALANANGATRA sy ny sisa... Izany hoe mpanoratra tantara an'onjam-peo sy an-gazety no tena ahalalan'ny maro azy fa eo ihany koa i SOAFARA izay horonan-tsary nosoratako voalohany indrindra ary ROMBOM-PANAHY andiany voalohany izay boky nifarimbonana tamin'ireo poeta nanjary kalaza sy manana ny lazany. Izay angamba raha atao bango tokana ny momba ahy.


Lea Fandresena
Nataonao nahalala ny anaranao tokoa izahay.
Eo amin'ny asa soratra, mbola ao anatin'ny fahatanorana tokoa ianao,
oviana no nanomboka nanoratra ary inona avy ireo talenta anananao? Misy tsangambato voajoro na hokasaina azo tantaraina?

Rikibe
Raha ny vatana tokoa dia mbola tanora fa raha ny fanahy mety efa ho antitra ihany angamba? Ny fotoana nanoratako? Efa ela ihany: niarakaraka tamin'ny dadabeko teny foana aho. Rehefa lasana nody mandry moa izy dia tsy nitsahatra nanoratra aho ary natorotoron'ireo mpifanolo-bodirindrina sy namana ary zoky efa manana traikefa. Ny taona efatra ambin'ny folo sy roa arivo aho no nandeha irery hatramin'izao.

Ny talentako? Manao sary, mihira, mandihy, manao hatsikana ihany koa ankoatra ny manoratra. Maro ny zavatra efa vita, misy boky amboaran-tsombin-tantara sy tantara foronina nosoratako izay hivoaka atsy ho atsy aorian'ity TSINGEVANA 001 ity.


Lea Fandresena
Poeta Adala, mitodika any aminao indray ny mpisera. Iza moa i Poeta Adala?

Poeta Adala
Miarahaba anareo, dia misaotra indrindra koa amin'ny fandraisanareo anay. Ny tena anarako dia RAFANAMBINANTSOA ary dia anarana nofinidiko mihitsy ilay Poeta Adala isalorako!


Lea Fandresena
Azonao hazavaina ve ny momba io anaranao io dia oviana ianao no nanomboka nanoratra? Inona avy ny lalana nodiavinao tamin'ny soratra ary ny fikambanana misy anao?

Poeta Adala
"Poeta Adala". Ny olombelona dia tsy afaka amin'ny fanesoana ny olona mpanoratra na poeta! Maro ny milaza fa olona tsy misy atao, fandaniana andro fotsiny, olona adala, olona manonofy...

Ny Poeta akory tsy adala fa ny talenta izay ao anatiny no hanomezany ny kanto ho an'ny mpankafy!
Raha tsy nisy ny mpanoratra na Poeta dia mety efa matimaty ny Tenin-drazantsika...

Manitikika ny sain'ny olona tokoa ilay anarana hoe Poeta Adala...

Poeta Adala

Ny eritreritrao Poeta
Tsy mety mitoetra
Fa manidintsidina eny
Habakaba eny...

Maro ireo milaza
Fa olona adala
Kanefa ny Poeta mahalala
Ny ambadiky ny marina
Tsy takany ho fantarina...

Soa fa nisy ianao poeta
Tsy namantana tany foana
Fa ny lanitra tomoetra
Tsy navelanao ho babangoana

Adala ny Poeta
Kanefa saingy izao;
Ny hadalany dia Talenta

Poeta Adala

Teo amin'ny faha 12 taona aho dia efa nanoratra tononkalo ary nisy fotoana tsy nahasoratra mihitsy.

Izaho dia mpikambana ao amin'ny KORIRA KANTON'NY HAISORATRA.


Lea Fandresena
Poeta adala mampiseho fahendrena izany. Raha araka izany, efa ela ve ianao no nanoratra? Na dia nisy fiatoana kely aza, mety misy firy eo ho eo ny asa soratrao, ary efa nahavita boky ve?


Poeta Adala
Raha ny tononkalo aloha dia azo ambara tsy vitsy anefa tsy maro loatra ihany koa!
Mbola tsy namoaka boky mihitsy fa dingana voalohany ity hiarahako amin'ny namana maromaro ireto!


Lea Fandresena
Efa nampidirinao teo Rikibe ny resaka TSINGEVANA, antsa hotanterahinareo. Azonao hazavaina ve io lohateny io?

Rikibe
TSINGEVANA 001 izany hoe mbola hisy ny 002 sy ny 003 ary ny 004 ka hatramin'ny 777777. Tsingevana?Hitondra izao tontolo izao hitsingevana amin'ny alalan'ny poezia mampieritreritra, mampitaintaina, mampalahelo, mampitomany sy ny sisa. Antsa miavaka izy io e! Tsy toy ny fahita hatramin'izay. Mety ho an'ny tanora, ny lehibe ary ny antitra.


Lea Fandresena
Lavitr'ezaka tokoa ny dingana haleha. Iza avy ireo mpandray anjara ao anatin'izany. Mety hisy fiovana ve izy ireo ao anatin'izany fotoana rehetra izany?

Rikibe
Lavitr'ezaka ve? Tsia! Rehefa ao ny fitiavana ary ny finiavana sy ny fahavononana dia mandeha ho azy daholo ny zava-drehetra. Olona vonona daholo ny ao anatin'ilay hetsika ka. JAYAH, ANYAH, H.NIRINA, POETA ADALA, DIARY, RIKIBE, AINGAM-PANAHY FEON'NY SAINA, ARIFETRA, VONA ROVANIAINA. Tsy miova ireo fa tahaka ny maraina tsy afa-mihetsika ary hariva tsy afa-mikofoka.


Lea Fandresena
Mafinaritra izany! Firaisan-kina tokoa no hita ao aminareo. Na samy hafa aza dia nampiraisin'ny soratra.

Poeta Adala
Ny Literatiora dia mampifandray ny olona rehetra.

-Ny mpamaky sy ny mpanoratra
-Ny mpamaky samy mpamaky
-Ny mpanoratra samy mpanoratra

 

Lea Fandresena
Inona moa no hampiavaka io antsa io mihoatra amin'izay efa nisy hatramin'izay?


Rikibe
Mampiavaka io hetsika io ve? Tsy adrisa sanatria na doka fa tongava dia ho hitanao ny ao ambadik'io rahona io. Seho miavaka ary tsy ho ampoizinao io. Ianao ve efa nandray rivotra mivantana? Efa nahatakatra ny lanitra? Tsy ho azonao an-tsaina, tsy ho vitanao vinaina ny seho homaninay amin'io fa tongava e!


Léa Fandresena
Mazava tsara ny fanazavanao ry Rikibe fa aleo hono mahita toy izay tantaraina e! Ho hita any tokoa ny mampiavaka anareo fa ahoana ny endriky ny seho, ny fizarany, ny mpanentana sy mpanolotra sns.?

Rikibe
Mizara telo mazava tsara ny hetsika na dia malalaka aza: poezia sy ny tontolony, fitiavana sy ny vetsovetsom-pony, ary ny fiaraha-monina sy ny fahafatesana! Ny mpanentana? Feno Tolotra Ramihary izay vilany nialon-taona ka tsy matahotra rano mangotraka, izany hoe havana tsy mena-mitaha amin'io resaka io. Handravaka sy hanolotra ny fizarana kosa i Roy Slam sy ilay mpihira tsy ampoizina izay. Andray! Tsy ho azonao an-tsaina mihitsy izany e! Kanto, mendrika... Tsy hoe midoka tena akory sanatria fa tsy haiko intsony izay hilazana azy e! Asakasak'izay tsy ho tonga amin'io e!


Lea Fandresena
Poeta Adala, azonao hazavaina ve ny antony nahatonga anao tafiditra tamin'ity hetsika ity sy ny nahafahanareo niray hina? Ahoana ny fotoana hanatanterahana ny boky sy ny famerenana mba arahan'ny hafa aty aoriana?

Poeta Adala
Araka ny nambarako teo ambony dia ny soratra dia mampifandray ny olona rehetra ary tao anatin'izany no nifandraisako tamin'ireo poeta maromaro ireo ary efa ela ihany koa no nifankafantaranay. Efa nanana tanjona ny hiaraka hamoaka boky izahay ary indro fa tanteraka ihany ilay fikasana tany am-piandohana... Arak'izany dia mbola hitohy hatrany ity TSINGEVANA ity.


Lea Fandresena
Ampahafataro ny mpisera ary ny fandaharam-potoana amin'io andro malaza io?

Poeta Adala
Ity hetsika ity dia hatao amin'ny 07 septambra ho avy izao amin'ny 02 ora folak'andro ary ao amin'ny CEMDLAC Analakely no toerana hantatanterahana azy.

Rikibe
Ohatrinona ny vidim-pidirana?
Tsy misy ny vidim-pidirana fa tongava maro. Hiavaka ny hetsika ho hitanao. Ilazao ny namana sy tapaka rehetra.


Lea Fandresena
Natao ho an'ny antitra sy ny ankizy koa?

Poeta Adala
Tsy mifidy saranga ity hetsika ity fa natao ho an'ny rehetra, hitondra ny olona ao antin'ny Tontolon'ny Poezia...
Tongava maro fa hianoka ary hiaraka HITSINGEVANA ao anatin'izany isika!


Lea Fandresena
Inona no hevitry ny petadrindrinareo misy karazana sary maromaro nefa tsy misy ny sarinareo?


Rikibe
Ny hevitr'io petadrindrina io ve? Tsy misy sarinay tokoa satria tsy izahay no asandratra na tiana ho ampahafantarina amin'io hetsika io fa ny zavakanto malagasy mihitsy. Ny dikan'ilay soavaly dia ny fiezahanay sy ny fikirizanay hitondra avo ny literatiora malagasy izay lova napetrak'ireo Razam-be arak'izao tontolo izao.


Lea Fandresena
Inona no olana hitanareo amin'ny literatiora malagasy ankehitriny?

Rikibe
Tsy ny literatiora malagasy ihany ankehitriny no misy olana fa ny zavakanto mihitsy. Variana amin'ny kolontsaina vahiny ny tanora malagasy amin'izao fotoana.

Poeta Adala
Ny literatiora malagasy dia azo lazaina fa mbola tsy tafarina tanteraka satria ny kolontsaina vahiny no manintona kokoa ny Malagasy...
Ny Ray aman-dReny dia tokony hampahafantatra ny zanany ny kolontsaina malagasy... Fa ny tanora ankehitriny dia vitsy dia vitsy no liana amin'ny zavakanto malagasy.


Léa Fandresena
Inona no vahaolana mahomby mety azo tanterahina?

Rikibe
Vaholana ve? Efa be izay naroson'ireo zoky sy raiamandreny izay fa miandry ny fahatongavan-tsaintsika tanora sisa e!


Poeta Adala
Raha amiko manokana dia tsara tokoa ny fisian'ny hetsika hisarihana ireo tanora malagasy ho tia ny kanto sy ny kolontsaina!

 

Lea Fandresena
Ahoana ny famantaranareo ny Poetawebs?


Ikiaky Ragasy
Faly aho! Tena faly hoy ilay filoha teo aloha izay mahita ity tranonkala ity. Miezaka hatrany ianareo manandratra ny literatiora malagasy amin'ny alalan'ny fivoarana. Sitraka sy telina ka tohizo fa tsara e! Manasa antsika rehetra hanaraka ity tranonkala ity andro aman'alina.

Poeta Adala
Ity tranonkala ity tokoa dia miezaka sy manandratra hatrany ny Literatiora Malagasy ary miezaka mampahafantatra ny olona ny literatiora sy ny Mpanoratra Zandry aty aoriana...

Sitraka sy telina ary ho ela velona anie ny literatiora dia misaotra ny Poetawebs mizara ny vaovaon'ny literatiora!


Lea Fandresena
Hofaranana ary ny tafantsika ka dia mankasitraka anareo nitsidika ny Poetawebs. Mirary soa anareo amin'ny seho hotanterahinareo. Mitomboha fahalalana hatrany.

Rikibe
Mankasitraka sy mankatelina anareo nampandroso anay! Ho ela velona anie ity tranonkala ity!

==============

TSINGEVANA, TONONKALON'I ANYAH

==============

Tsingevana

Hialako tsiny indrindra
Raha atsingevako aminao
Irony lasantsika
Mba ho tadidinao
Fa tsy anjely akory ianao

Hitsingevana ny lasa
Ka hiariary eto avokoa
Ny tsara sy ny soa
Notsentsafintsika tamin'izany ora sy fotoana izany

Tadidinao ve ireny?

Mitsingevan'izy anio
Ka izao no tadidio
Fa ny lasa tsy ho voafafa
Fa miraikitra ho tantara
Mandrapahafaty
Izay no valifaty....

Fa hitsingevan'io
Hamoafoha anao
Indrindra moa fa ireo ratsy vitanao
Hatramin'izay ka hatramin'izao

Hitsingevan'io fa zay no tadidio

... Dia ho torotoro
Sy ho mongomongo ianao
Ary koa ho montsamontsana
Fa ny lasanao dia hitsingevan'eny

Hitoka-monina ny ratsy
Ary hiavak'eny koa ny tsara
Dia ho vakin'ireo taranakao
Ny asa vitanao fony fahavelonao

Fa raha izany re no misy
Asa izay fihetsikao
Fa ny hany azo atao dia
Zakao aloha ny asa vitanao...

Hitsingevana aminao
Irony lasa namoehatra
Irony lasa nahasorena
Irony lasa toa tangena

Fa ianao no hahalala
Na iza avy marina
No nandalo taminao
Ka nankalazainao
Ho tohin'ny andriamanitrao

Fa hitsingevana aminao
Ireny lasa rehetra ireny
Ka dien'izao dia ahitsio ny dianao
Mba tsy hanenenanao
Ny lasa hitsingevana
Eo alohan'ny masonao
Ary koa ho ren'ny sofinao

Fa hitsingevan'io
F'izay no tadidio

Anyah. Tsingevana

 

Pôetawebs©2016 - poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 30/08/2016

×