Créer un site internet

 

Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

31 oktobra 2016

RY. HO. TSY, VAHININ'NY POETAWEBS
 

Pôeta lehilahy tanora ary mandalina fahalalana eny amin'ny Anjerimanontolo no vahinin'ny Pôetawebs. RY. HO. TSY no anarany. Manomana hetsika tononkalo izy ankehitriny.

Léa Fandresena
Miarahaba anao RY. HO. TSY ary miarahaba ny mpisera koa. Misaotra anao izahay mivahiny ato amin'ny efitry ny tapatapakahitra. Iza moa i RY. HO. TSY?

RY. HO. TSY
Faly manolotra ho anareo ny arahaba ihany koa ny tenako. Ary misaotra indrindra nampiatrano. ANDRIAMIRAMANANA Tsihoriniaina no tena anarako, fa nosafidiako ny hoe RY. HO. TSY hisolo ny anarako eo amin'ny sehatry ny asa soratra.


Léa Fandresena
Azonao ampahafantarina ve ny maha-mpanoratra anao sy ny andavanandronao?

RY. HO. TSY
Tsy maninona satria izay rahateo no antom-pisian'ny tafatafa toy izao. Ny andavanandroko? Mbola mpianatra ny tenako. Mandranto fianarana momba ny fitantanana eny amin'ny oniversiten'Antananarivo. Mifanindran-dalana amin'izay anefa dia olona miaina eo anivon'ny fiaraha-monina ny tenako ka tsy afa-miala amin'izay mety tranga miseho eo anivon'izany fiaraha-monina izany: fitiavana, tanindrazana, adim-pianana, tsindrihazolena... Voarafitro ho tononkalo izy ireny ka tonga kalon'ny fanahiko. Io indray no maha-mpanoratra ahy.


Léa Fandresena
Efa ela ve no naha-mpanoratra anao ary ao anaty fikambanana ve? Inona no mampiavaka anao amin'ny mpanoratra hafa?

RY. HO. TSY
Mety ho efa ela angamba fa tsy fantatro. Fa ny fantatro dia ny taona 2015 aho vao tena nilomano tanteraka teo amin'ny sehatry ny asa soratra. Mety azoko adika angamba izany fa mpanoratra vao haingana i RY. HO. TSY.
Mpikambana ao amin'ny TSANTA (Tiako Sy Andrianiko Ny Teniko sy Taniko) ny tenako.
Raha ny mampiavaka ahy, na ny marimarina kokoa ny asa soratro angaha, dia ny firafiny sy ny votoatiny. Eo amin'izay firafiny izay dia manana endrika ho toy izao ny ankamaroan'ny tononkaloko: ny andininy iray dia misy andalana dimy ka ny andalana fahadimy isaky ny andininy mirima mazàna. Fa raha ny zavatra raiketiny kosa indray dia miompana any amin'ny atao hoe TARAINA kokoa.


Léa Fandresena
Misy tsangambato efa najoronao ve teo amin'ny asasoratra?

RY. HO. TSY
Tsy mbola manana tsangambato aloha i RY. HO. TSY hatreto fa mbola vao eo am-pikotrehana ka mbola tsy hay na oviana vao ho foy.


Léa Fandresena
Heno tato ho ato fa manomana hetsika ianao. Ahoana ny amin'izay?

RY. HO. TSY
Mahakasika ny hetsika ato ho ato indray dia misy antsa handraisako anjara miaraka amin'ny IRAY FO sy Fosa ary ireo vahiny telo hafa (Tix-Aina, Tikalo, Sento). Izy io dia hiseho masoandro ny 04 Novambra 2016 ho avy izao, ao amin'ny CEMDLAC manomboka amin'ny 02 ora tolakandro. Maharitra adin'ny roa eo ny hetsika izay efa hitaomako anao hijery sahady.


Léa Fandresena
Hahaliana ny mpisera ny handray tononkalo iray avy aminao.

RY. HO. TSY
Indro misy tononkaloko iray.

"TOFOKA"

Vonoiko an-karanany,
mba tsy ho foy
Tapahiko an-tehezany,
mba tsy hitohy
...ilay faniriana nimatimatesana
Koboniko mafy,
tsy hivoaka itany
Isaiko ho rafy,
ilay hery efa lany
...nanjohy iny lalana tsy azo refesina
Hajaiko ho nofy
ao anatin'ny alina
Na aza ho rofy,
ka ho fery lalina
...tsy vy io akory ka hoe harafesina
Saingy nofo voadona e! Mba maheno marary.

RY.HO.TSY


Léa Fandresena
Misaotra anao fa momba io hetsika io, azonao velabelarina ve ny zava-misy amin'ny endriky ny seho io sy ny hevitry ny lohateny? Hisy boky amidy ve?

RY. HO. TSY
"OMBONA", teny iray nosafidiana mba hisalotra ny anaran'ny hetsika. Mifono ao anatin'io teny io ny hoe fitiavana, firaisankina, fihavanana ary indrindra ny IRAY FO. iOMBONAnay IRAY FO ao na ny ratsy na ny tsara, izany hoe izay rehetra azo iOMBONAna.
Ny mety ho fizotran'ny hetsika? Mizara telo mazava tsara ny zavatra hatolotray ao: poeta - fitiavana - tanindrazana. Koa raha mila fanazavana fanampiny dia tongava ao amin'ny CEMDLAC ny 04 novambra 2016 amin'ny 02 ora. NY FAHATONGAVANAO, HERY HO ANAY.
Tsy mbola misy boky amidy amin'io fotoana io. TSY MISY TAKALOM-PIDIRANA ihany koa.


Léa Fandresena
Mafinaritra tokoa fa mankasitraka anao. Manana teny fohy atolotra ny tanora amin'izao firoborobon'ny asa soratra izao ve ianao?

RY. HO. TSY
Ianareo nampiatrano no tena isaorana.
Tsy azo lavina, fa tena marina ny firoborobon'ny asasoratra ankehitriny. Tsapa tokoa fa maro ny tanora vao herotrerony no liana sy efa misehatra tanteraka eo amin'ny kianjaben'ny soratra amin'izao vanim-potoana iainantsika izao. Azo lazaina noho izany fa velona sy miaina ny TENY MALAGASY.
Hafatra ho antsika tanora. Mazotoa mandalina hatrany ny tenin-drazantsika.
Mirary ny tsara indrindra e!


Léa Fandresena
Misaotra indrindra RY. HO. TSY nahafoy fotoana ho an'ny mpiseran'ny Pôetawebs. Mirary fahombiazana tanteraka amin'ny hetsika. Mandra-pihaona.

 

Pôetawebs©2016 - poetawebs@gmail.com