Créer un site internet

 

Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

06 novambra 2016

PERLE SOA, VAHININ'NY POETAWEBS

Ny hazo no vanon-ko lakana hono, ny tany naniriany no tsara. Marina izany satria ny vahinin'ny Pôetawebs no manaporofo fa misy tokoa ny fitohizan'aina eo amin'ny seha-panoratana. Poeta izy, toa ny raibeny antsoina hoe Dox. Ny anarany? Perle Soa Isabelle, manam-baovao zaraina izy ary tsy nataony tompon-trano mihono ny Pôetawebs fa nomeny voninahitra nilazany ny vinany ato ho ato.


Toetra Ràja
Miarahaba anao Isabelle tongasoa eto aminay. Arahabaina koa ireo mpisera fa izy ireo tokoa moa no tena tompon'ny fanasana ary miandrandra vaovao mahaliana avy aminao. Inona no vaovao?

Perle Soa
Manolotra ny arahaba ombam-pirariantsoa ho anao, Toetra Ràja, ny namana rehetra sy ny mpisera eto amin’ny Pôetawebs, ary misaotra anareo nanoka-baravarana sy manome sehatra ahy, hitapatapakahitra eto anio.
Eny, misy tokoa ny vaovao dia ny famoaham-boky arahana antsa-tonokalo izay, raha sitrapon’ny Ray dia hotanterahina ny Sabotsy fahatelon’ny volana Desambra ho avy izao. Ery amin’ny Tranombokim-pirenena Ampefiloha ka hanasana antsika rehetra.


Toetra Ràja
Mialoha ny hidirantsika lalindalina amin'io boky sy hetsika io, lazao aminay fohifohy ny momba anao raha tsy mahadiso. Iza moa i Isabelle ara-panjakana?

Perle Soa
RAZANATSARA Isabelle Jacqueline no anarako feno. 36 taona aho izao, manam-bady. Roa no naterako.  Dimy mianadahy izahay no mpiray tampo; ny iray, izay zokiko lahimatoa no lahy tokana aminay, efa nindaosin’ny fahafatesana. Efa-bavy mifankatia be izahay no sisa. Kamboty mbola kely satria, vao valo volana monja aho no maty ny rainay ary mbola tsy vory saina akory dia nilaozan’i mama. Somary mafimafy araka izany ny adim-piainana natrehina.
Reny aho izany voalohany indrindra. Ny zanako no rehareha sy harenako sarobidy indrindra.  Niasa foana teo amin’ny sehatry ny fanabeazana aho. Ny tontolon’ny ankizy no hitako manavanana ahy sady tiako. Tsy maintsy mivelona anefa.  Iaraha-mahita ny fidanganan’ny vidim-piainana dia tsy afaka nigalabona teo amin’io sehatra io; nianatra rahateo  momba ny nahandro aho (hotellerie, cuisine, restauration et tourisme). Noho ny andraikitra tao amin'ny ankohonana dia tsy afaka nandeha lavitra ho amin’ny fizahan-tany sy ny sisa fa niasa teto akaikikaiky ihany koa dia mpahandro no asako, mivady amin’ny asa fanabeazana.

Perle Soa: nosafidiako ho anarana entina mahalala ahy eo amin’ny soratra. Iray- anaran’ny renibeko ny Perle. –roa- zava-tsoa ny perla, tsy fahita firy, ary ny fiforonany dia zava-mahagaga tokoa, arakaraky ny anilihana azy no hanefeny  ny tenany hanjary toy ny vato kristaly, mamirapiratra. Sarobidy.
 Izay raha bangoina fohy ny momba ahy.


Toetra Ràja
Misaotra amin'izay fanazavana feno izay. Efa ela ve ianao no nanoratra ary nisy antony manokana ve?

Perle Soa
Izaho sy ny soratra? Eny, tiako ny manoratra ary efa ela aho no nanao izany. Angamba fony vao nahay abidia… mpanoratsoratra eny rehetra eny aho. Efa lehibe kosa aho vao nanoratra tantara kely sy angano. Mamorona angano aho, tsy soratana mazàna fa tantaraina eo no ho eo. Mampiesona hoy ny ankizy. (tsiky kely). Kanto izany. Misy ihany voarakitra an-tsoratra amin’izy ireny, misy ny hadino. Tsy nianatra ny literatiora raha izaho manokana saingy tsy nataoko ho sakana  izany. Nanandrana nanoratra tononkalo aho hatramin’ny fahazazako. Tsy mety ho resy lahatra. Tsara  ny poezia, tokontany iray tiako hilalaovana, ary tsy foy hialana rehefa tafiditra ao. Dia eo ilay adi-hevitra manao hoe “pôeta aho” - “tsy pôeta aho”... Ianao ery ambony milaza hoe Pôeta… Nahasoratra  “rima” ihany aho, koa dia ekeko ny hisalotra izany.  Dia ny fitiavana,  io fitiavana io irery  ihany no manosika ahy hanao izany.  
Tononkalo, angano. Ny mitantara koa no tena mahafinaritra ahy na ny ahy na ny an’ny hafa, teny malagasy sy vahiny, ary koa ny tantara: sombitantara sy tantara foronina.


Toetra Ràja
Zafikelin'i Dox ianao hoy isika teo. Betsaka ve ireo taranany poeta?

Perle Soa
Zafikelin’I Dox aho. Izahay rehetra toa pôeta daholo raha izany koa… Tsy misehoseho ny sasany. Zanaka, zafy, zafiafy, samy nandova ampahany kely tamin’ireo talenta maro nananany: soratra, mozika, sary sy asa famoronana hafa.


Toetra Ràja
Enta-mavesatra ve ny maha-taranaka poeta malaza sa tombony tsy ananan'ny maro?

Perle Soa
Rehareha aloha voalohany indrindra. Tsy vesatra velively; niahotra kely fotsiny haneho ny zava-bita satria tsy hitovy lenta amin’ny azy, “andrarezina” be ny an’ny tena.


Toetra Ràja
Andeha hiverenana amin'izay ny resaka boky. nona no lohateniny ary inona no lohahevitra voizinao ao?

Perle Soa
“TIA KANEFA…”, lohatenina tononkalo iray ao anaty boky io. Fisamboaravoaram-piainana ara-pitiavana, izay no tena resahina ao. Miandoha eo amin’ny taona hahalalan’ny olona iray ny atao hoe “tia” ka mandra-pahafatiny, tsy maintsy mandalo eo amin’io "tia kanefa" io daholo. Tantaraina araka ny fahatsapan’ny mpanoratra azy.   Tononkalo miady rima ny ankamaroany, ary ny voambolana dia fampiasa andavan’andro ihany sy fitenin’ny tanora, amin’ny maha-tanora ihany ny tena. (pi-maso kely).


Toetra Ràja
Ahoana ny bikabikany sy ny toetoetrany?

Perle Soa
Boky kely, misy takelaka eo amin'ny 80 eo ho eo, 70 mahery na latsaka kely ny isan'ny tononkalo. Ravahana sary eny anelanelany eny. Ireo tononkalo mifanentana amin’ny loha-hevitra ireo notsongaina ireo.


Toetra Ràja
Iza no nanonta?

Perle Soa
Edisiona Tiavoahary  no manonta. Francois Lalao Rabenandrasana, filohan'ny FMTS no nanao ny teny fanolorana. Tahirintsoa no nanao ny teny famaranana.


Toetra Ràja
Amin'izao ora iresahantsika izao, aiza ho aiza ny taham-pahatontosan'ny boky?

Perle Soa
Efa eo ampelatanan’ny mpanonta. Eo andalam-panontàna izany izao.


Toetra Ràja
Vaovao tsara izany voalazanao izany. Avadika ny resaka: Havatsa Upem i Dox. Maro amin'ireo taranany koa no ao amin'io fikambanana io. Ianao anefa manomana hetsika miaraka amin'ny Sandratra. Azonao hazavaina ve ny momba io tranga tsy mahazatra io?

Perle Soa
“Fikambanana” mety hoe samy hafa fa ny kanto izay voizina sy lalaina fatratra tokana ihany. Hatramin’ny anio dia nijanona ho sakaizan’ny rehetra aho. Tany amboalohany, rehefa nirotsaka hilona sy hifanerasera amin’ny mpanao haisoratra aho, tsy nitonona mihitsy izay zavakanto ataoko na ny maha zafikelina Pôeta ahy. Dia tsy nisy nanosibohontanana ahy na ny Havatsa Upem na ny Sandratra na ny fikambanana hafa. Nandray ahy tsara daholo. Nahagaga sady nahafaly ahy izany. Olon’ny fanahy sy malala-tsaina ny pôeta sy mpanoratra malagasy.  Mamonjy sy manatrika matetika araka izay azoko atao ireo  hetsika  ataon’ny isam-pikambanana aho: antsa, atrik’asa, vela-kevitra maro samihafa. Ary manomboka mandray izay andraikitra kely tandrify eo anivon’ny Federasiona Mpikanto ny Teny sy ny Soratra, FMTS,  izay mampiray hina ny mpanankanto rehetra.
Ity seho hataoko ity, ankizy avy amin’ny ankolafy mifangaro no ho hita ao. Toy izay koa ireo nanampy tamin’ny fanatontosana: Sandratra, Havatsa Upem, Tsanta, sns… ary ankizy tsotra toa ahy.


Toetra Ràja
Azona ampatsiahivina indray ve, aiza no anatanterahana ny hetsika? Rahoviana ny fotoana?

Perle Soa
Ny 03 Desambra izany, amin’ny roa ora, etsy amin’ny Tranombokim-pirenena Ampefiloha, efitrano Gisèle Rabesahala.  Dia anasana antsika rehetra eto an-toerana ny fanatrehana ny seho. Ny boky kosa, amidy tsy lafo, azontsika vidiana mialoha sy ao aorian’ny antsa. Soa fa misy ny tambajotran-tserasera, hahafahantsika mifandrindra amin’izay. Dia misaotra sahady.

 
Toetra Ràja
Ianao Isabelle no isaorana. Ahoana indray àry ny endriky ny hetsika?

Perle Soa
Tsangan-tononkalo. Tantara somary misafotofoto fa hivaha ihany amin’ny farany. Mety hisy tranga tsy dia fahita an-tsehatra nefa iainana eny anivon’ny fiaraha-monina.  Ho hita eo…


Toetra Ràja
Eny ho'aho! Raha tsy mahadiso, azonao asiana tsindrim-peo kely ve ny amin'ireo olona hanampy anao?

Perle Soa
Dia tena hisaorako eram-po ireto namako ireto:
Tsy avahana Rahely, hanolotra
Nou mii tsiky, hanampy ahy hiantsa
Ny Andriniela sy i Herimandaniaina ary i Mbolaranto Ramanantsoa no tovolahy hiantsa.
Nikasa haka mpanaingo sehatra ary efa nifampiresaka tamina matihanina iray kanefa… aleo hataoko ihany.  Atao tsotra mifanaraka amin’ny lohahevitra.  Ny mozika indray dia i Dafra no nalaina, izy no hanao ny feo lafika rehetra sy ireo hira eny anelanelany.


Toetra Ràja
Misy fahasarotany ve ny fiaraha-miasa amin'ny olona maromaro?

Perle Soa
Mbola tsy mpanao hetsika aho ka rariny raha somary nahita fahasarotany teny amboalohany. Haingana ny fifankazahoana am-po. Efa mpinamana rahateo izahay ka tsy dia nananotsarotra loatra, sady tombony ho ahy fa efa tena ampy traikefa ireo ka tsy dia manahy loatra aho.


Toetra Ràja
Hitsoka saxophone i Elie Ramasindraibe dadatoanao. Hisy fianakaviana hafa hiaka-tsehatra koa ve na hanampy amin'ny fomba hafa?

Perle Soa
I Dadatoa tokoa dia nanolo-tena hanampy amin’ny fandravahana. Saxophone ve sa  hafa? Tsara daholo. Izy ihany angamba no hiaka-tsehatra amin io. Ny sasany rahateo tsy eto an-tanindrazana. Mino aho fa raha teto izy ireo… aoka fotsiny… (fihina sy oroka mamy ho an’ny fianakaviana Sorajavona sy ireo havana any am-pita). Ny ambiny, tena manohana amin’ny lafiny maro. Hisaorana eram-po era-tsaina. Indrindra fa i H.


Toetra Ràja
Hetsika an-dampihazo voalohany io amin'ny 3 desambra io. Efa misaintsaina sahady hetsika vitsivitsy anefa ianao amin'ny ho avy. Hazavao hoe?

Perle Soa
Santatra am-bavarano ihany, enga anie, ity. Maro ireo vinan’asa nokasaina hatao, izaho miaraka amin’ny namana , lahy, vavy, roa, telo, maromaro. Ity aloha no tanteraka. Tsy sakana anefa ny tsy nahatanteraka ireo fikasana taloha ireo. Ankoatra izay, mba faniriako ny hanao mpamaky sy mpitantara angano, ny ahy ny any an’ny hafa. Ary ny lehibe indrindra dia ny hamoahako ilay “roman” kely. Ankinina amin-janahary daholo ny zava-drehetra.


Toetra Ràja
Mihazakazaka ny fotoana Isabelle, eny fa na dia mbola manana herinandro vitsivitsy aza ianao. Azonao tanisaina ve ny andavanandronao amin'izao fotoam-panomanana izao?

Perle Soa
Hazakazaka ihany!  Ny ankohonana, ny asa, ny zavakanto, ny adidy amin’ny fiaraha-monina,samy tsy misy azo avela. Ary matetika rehefa misy zavatra homanina dia be ny sakantsakana ivelany, toy ny mamandrika anao eny an-dalana. Ezahina hihoarana amin-kitsim-po ireny. Sady be mpanampy aho e! Manao zavatra tsy ampoizina izao Mpahary izao. 


Toetra Ràja
Isabelle, amin'ny endrika ivelany dia olon'ny fo sy tsara fanahy no fahitana anao, kanefa mety ho misy zavatra tsy zakanao amin'ny fiainana?

Perle Soa
Tsara fanahy ve aho? Angamba eny. Be fihetseham-po. Mizaka ary mahazaka aho mazàna. Tsy dia misy ny tsy zakako. Masiaka ary kizintina kely fa mandalo ihany ireny. Mora mamela aho.


Toetra Ràja
Inona kosa àry no zavatra tena maminao indrindra?

Perle Soa
Tsy voafaritro, inona no mamiko indrindra? Tiako ny mamboraka ny ao am-po na ratsy na tsara.
Mifampiteny mahitsy tsy miholakolaka. Mifampijery ao anaty maso e!


Toetra Ràja
Isabelle, satry hifampijery ao anaty maso eto foana saingy fantatro tsara ny adidy miandry anao amin'izao fotoana izao. Fisaorana lehibe no atolotray Pôetawebs anao noho  ireo vaovao mahaliana nozarainao. Mirary fahombiazana tanteraka ho an'io boky sy hetsika amin'ny 3 desambra io izahay ary mirary hoavy mamirapiratra ho anao amin'ny tontolon'ny haisoratra. Mandra-pitafa tompoko!

Perle Soa
Misaotra tompoko o! Mandra-pitafa indray!

 

Pôetawebs©2016 - poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 08/11/2016