Créer un site internet

 

Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

10 novambra 2016

NJANJA BEZANDRY, VAHININ'NY POETAWEBS

Ny vahinintsika anio dia mpanoratra mpikambana ao amin'ny Havatsa Upem. Tanora izy kanefa fantatra eo amin'ny sehatry ny haisoratra. Vao herinandro vitsivitsy aza moa izay no nahitana azy tao amin'ny herinandron'ny Havatsa Upem.

Léa Fandresena
Faly miarahaba anao izahay Njanja tongasoa eto amin'ny tranonkalan'ny Pôetawebs ary misaotra anao nanaiky mitapatapakahitra aminay. Arahabaina koa ianareo mpisera, na ianareo sambany manaraka ny Pôetawebs na ianareo efa zatra mamadibadika ireo takelaka ato amin'ny tranonkala.
Mety ho misy angamba ny olona tsy mbola mahalala anao Njanja!

Njanja Bezandry
Faly miarahaba anao ihany koa Léa ary mankasitraka anao indrindra nandray ahy hivahiny eto amin'ny tranonkala ary faly ihany koa miarahaba anareo rehetra mpanaraka ity tranonkala ity.

Efa mahazatra ny maro ao amin’ny tambajotran-tserasera (Facebook) ny mahita ny hoe NJANJA BEZANDRY JOHAN (RATSIMBAZAFY-RATOVOSON) izay nafohezina hoe NJANJA izay anarana maha mpanoratra ahy.
Ny taona 1991, volana mey, no nanomboka nanoratra ary tsy mitsahatra hatramin'izao, mpikambana ao amin'ny Havàtsa-Upem.
Ny tononkalo mikasika ny Fitiavana, ny Tenindrazana sy ny Fitiavan-Tanindrazana no tena mahavantana ahy sy iompanan'ny asa soratro rehetra.
Ankoatra izay dia ny manoratra lahatsoratra koa no tena iangaliako


Léa Fandresena
Ahoana ny fomba fifehezanao ny teny malagasy satria tokony ho sarotiny ny mpanoratra?

Njanja Bezandry
Ny fifehezana ny Teny malagasy dia izao.
1-Fitiavana, hiaina amin'ny Teny Malagasy, Fitiavana hiteny ny Teny malagasy, ary Fitiavana hampita ny Teny Malagasy.
2- Fandalinana ny Teny malagasy amin'ny maha-Malagasy antsika, ary indrindra ny fanajana ny Teny izay itenenana mba ho mendrika izany rehefa miampita amin'ny hafa satria tsy tenitenenina foana izany teny izany fa masina ka adidin'ny tsirairay izay miteny no manome hasina azy mba hanomezany hasina ilay miteny.


Léa Fandresena
Ary ahoana indray àry ny fahitanao ny fomba fanoratra ankehitriny?

Njanja Bezandry
Tokony ho sarotiny indrindra ny mpanoratra satria izy no mpampita ny teny ho lasa soratra, mpamafy ny teny hitsimoka, hitsiry, hamaka ao amin'ny olona mba hiraiketan'izany ao am-pon'ny olona ka hitiavany azy. Noho izany, tsy tokony hanoratsora-poana ny mpanoratra.


Léa Fandresena
Ekena tokoa ny voalazanao fa azonao omena ohatra amin'ny sanganasanao ve izahay?

Njanja Bezandry
An-kafaliana indrindra no anolorako ho anao mpanaraka izay mba sombin-tsangan'asa izay voasoratry ny mpanoratra ho anao.

“… Afafiko ny teny hanjariany ho asa soratra…” Di…

 

IZAHO TIA

NY TENIKO: Malagasy madio
Tsotra sady marina
Mamy, mihaja; tsarovy, tadidio
Vako-teny avy amin-dreny; tsy mba nangalarina

NY TENIKO: mivaivay ao am-po
Tsy mampiasa loha; meva, mora hay
Afa-manambara izay vokatry ny fo
Reharehako satria TENINDRAZANAY

Tsy mataho-mpanakora, izy irery dia efa ampy
Ka mijoro sady sahy; tsy hotoazanao rarana
Raha hafafiko aza moa hianjera am-batolampy?
MALAGASY: teny kanto, ary manam-pahefana

Ny tany mamelona ny olona; ny teny mamelona ny tany
Ny olona miaina amin’ny teny; ny teny velomin’ny tany
Izy ireo afa-mato-tantara; ny lasa ny ho avy ary izany
Asandratro ho avo dia avo: telo fa tokana ihany

Ny ahy ny foko mihitsy no raiki-pitiavana
Ilay Tenin-drazana izay ihamboako
Ka na tsy mazoto na tsy manam-piniavana
Tsy havelako hatao peta-toko

Koa ny hafatro ry MALAGASY
Ianao mahay manavia manavanana
Ny antsika aoka re tsy hanan-tasy
Fa lova iombonana, harena, fananana

Njanja
21 ôktôbra 2016; 10 ora sy 15 minitra maraina.
Anosy-Antananarivo
(nalaina tamin’ny Valan-dresaka nataon-dramatoa RANDRIAMAMONJY Esther, tao amin’ny fivoriamben’ny Havàtsa ny 09 ôktôbra 2016, izay isaorana sy ankasitrahana eram-po, eran-tsaina).

 

Léa Fandresena
Mahaliana tokoa fa misaotra anao. Maro araka ny nolazainao teo ny asa soratrao. Mba anehoy resa-pitiavana àry hoe?
 

Njanja Bezandry

FIRAVAKA AM-PANAHY

Izay rehetra atao
sy izay fihetsikao,
ary ny momba anao
dia tiako mba ho ahy

Ny fitiavanao
sy izay pitsimpitsiny ao;
ny rafitra mankao...
Firavaka am-panahy

"NY MARINA DIA IZAO: NY FOKO LASANAO"

Njanja

 


Léa Fandresena
Nandray anjara tamin'ny herinandron'ny Havatsa Upem tamin'ny oktobra i Njanja. Ahoana ny fandehany tao?

Njanja Bezandry
Nisy hetsika nokarakarain’ny fikambanana misy ahy tokoa izay fanao isaky ny faran’ny volana ôktôbra, dia ny herinandron'ny Havatsa.

Io hetsika io dia sehatra entina anehoana ny kanto sy ny asa soratra, ny mpanoratra hatrizay sy ireo mpanoratra am-perim-panoratana na amin’ny vanim-potoana ankehitriny.

Nifanindran-dalana tamin’ny hetsika fankalazana ny faha-150 taona ny Gazety teto amintsika koa moa izany. Ny lohahevitra tamin'ity taona ity izay nampiavaka ny hetsika sy niavaka tokoa dia ny hafatr'i Di... hoe:

"AFAFIKO NY TENY HANJARIANY HO ASA SORATRA".

Hafatra goavana ho an'ny Malagasy tsirairay izany hamafazana ny teny mba hitsimohany izany, haniriany ka hanjariany sy hahatongavany ho kanto ankatoavina sy lalain'ny rehetra.

Eo koa ny fanaingana ny mpanoratra tsirairay mba hahay hitsonga ny teny izay hafafiny ho an'ny besinimaro ka hiantefan'ny asa soratra tena kanto ary hahatonga ny rehetra ho mpitia ny literatiora mihitsy.


Léa Fandresena
Anisan'ny fikambanana mpanoratra efa ela tokoa io fikambanana misy anao io. Maro ireo tanora no maniry hiditra mpikambana ao ka inona no tokony hatao sy ny fepetra arahina?

Njanja Bezandry
Raha te ho mpikambana Havàtsa Upem ianao dia misy rafitra arahina tokoa izay ny ambangovangony ihany no holazaiko toy ny hoe efa mpanoratra ianao ary manana fahamatorana sy fahamendrehana ara-panoratana. Ny fepetra amiko dia tsotra ihany: raha te hiditra ho mpikambana dia midika izay fa vonona hanatanteraka antsakany sy andavany izay adidy aman'andraikitra omena hosahaninao ao na bitika izany na lehibe.


Léa Fandresena
Amin'ny maha-mpanoratra anao àry no hiverenantsika indray. Efa maro ny asa soratrao miparitaka ao anaty tambajotra Facebook ao. Aiza koa no anaparitahanao izany?

Njanja Bezandry
Hatramin'izay aloha dia ao no anaparitahako ireny asa soratro ireny, saingy tato ho ato raha nahatsikaritra ianao dia nijanona tsy nampiseho izany intsony ny tenako noho izy ireny misy mampiasa ary ny mampalahelo tanteraka dia ny sonian'izy ireny no asolony ny ahy eo.

Ka ialana tsiny indrindra amin'ireny olona ireny fa ny lazaiko dia ny hoe: tsy tsara rey olona ny mandeha amin'ny tsy fahamarinana satria sady manamelo-tena ianareo no manao izay mampalahelo ny hafa ka heloka izany eo anatrehan'ILAY MPAMORONA NANOME AZY IRENY NY FANAHIM-PANORATANA. Koa miangavy indrindra mba tsy hanao toy izany mihitsy amin'ny asasoratray mpanoratra rehetra mampiasa itony seraseran-tambazotra itony fa ny marina ange tsy maintsy ho fantatra e!

Manaraka izany ry namako dia tena manam-paniriana tokoa, ary efa ela, saingy angatahina amin'Ilay MPAMORONA ANTSIKA mba ho atsy ho atsy, dia hahita ny boky mirakitra ny amboaran-tononkalo nosoratan'i Njanja isika.


Léa Fandresena
Mampalahelo izany halatra izany!
Aiza ho aiza ny taham-pandrosoan'io boky io?

Njanja Bezandry
Ny marina dia efa vita lasitra daholo ho boky izy ireny saingy ny eo amin'ny pitsimpitsiny ara-panitsiana sy ara-tekinika dia mbola atarazoka kely. Eny, mety hitarazoka mihitsy aza.


Léa Fandresena
Azoko tsara ny hevitr'izay "atarazoka kely" izay. Mirary anao hahatontosa soa aman-tsara ny fikasanao rehetra ry Njanja. Eto am-pamaranana ny tafatafantsika, misy hafatra azonao apetraka ho an'ny mpisera rehetra ve?

Njanja Bezandry
Ny hafatro dia tsotra sady am-panetren-tena tanteraka:

Ry Malagasy, andeha re hotiavina ny Maha-Malagasy antsika e! Ny an'ny hafa ange ka tsy homeny antsika na oviana na oviana e! Ny antsika aoka tsy hosimbaina na inona lokony na inona fisehony; ary aoka hotsaroana mandrakariva  fa Malagasy isika na ho aiza na ho aiza: "MALAGASY" ara-koloolona, ara-kolontsaina, ara-kolompiarahamonina, ara-kolompitondran-tena, ara-pitenenana. Ka aoka ho mendrika izany anarana izany isika.

Aoka tsy hoivaivaina ny antsika fa andeha hasandratra ho avo dia avo tokoa ny SOATOAVINA, ny MAHA-MALAGASY REHETRA ary indrindra ny TENINDRAZANA sy ny TANINDRAZANA.

Aoka isika mba tsy hamela ny antsika ihany koa hohosihosen'ny hafa!


Léa Fandresena
Hafatra manan-danja izany Njanja! Miara miasa dia tafita ny tanjona. Mankasitraka anao izahay Pôetawebs ary mirary indrindra!

Njanja Bezandry
Mankasitraka anao indrindra ry namako ary mankatelina ihany koa anareo rehetra miara-misalahy hampiroborobo ny kanto sy ny Literatiora Malagasy.
Mirary soa ny Poetawebs sy ny ekipany rehetra e!

Léa Fandresena
Misaotra! Veloma mandra-pihaona!

Pôetawebs©2016 - poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 13/11/2016