Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

20 novambra 2016

ONY RAVOROMBATO: HAVATSA/UPEM ARIVONIMAMO

 

Poeta sady mpanoratra tantara fandefa anonjam-peo no vahinin'ny Poetawebs. Filohan'ny sampan'ny Havatsa/Upem ao Arivonimamo izy ary manomana hetsika lehibe miaraka amin'ireo mpikambana namany amin'ny 25 novambra izao. I Toetra Ràja no mitapatapakahitra aminy eo amorom-patana.


Toetra Ràja
Miarahaba anao Ony. Fohy dia fohy ny teny fampidirana nataoko teo. Mety ho misy azonao anampiana azy ve?

Ony Ravorombato
Miarahaba anao aloha Toetra Ràja, dia misaotra sy mankasitraka anao nampiantrano ahy eto amin'ity akalana ity. Fifaliana ho ahy ny mandray anjara eto ary voalohany angamba no handraisako anjara amin'izany.
Ny azoko anampiana izay voalazanao izay angamba dia mpanoratra sombintantara koa aho fa mbola miandry kely ny fotoana fivoahany.


Toetra Ràja
Oviana tokoa moa ianao no nanomboka nanoratra tantara fandefa anonjam-peo ary firy no efa nolalaovina?

 

Ony Ravorombato
Ny taona 2004  aho no nanomboka nanoratra tantara fandefa anonjam-peo ary ny RADIO FAHAZAVANA no niara-niasa tamiko voalohany izay fiaraha-miasa niaraka tamin'i Eric Ravalisoa. Isaorako manokana izy satria anisan'ny nanosika sy nanohana ahy ka naha-toy izao ahy ho eo amin'ny sehatry ny  onjam-peo sy ny tantara toy izao. Ny efa nolalaovina dia misy eo amin'ny 60 eo ho eo, ny mbola tsy nivoaka sy tsy voadika mbola misy maro. Ny antony? Somary sahirana kely noho ny asa.


Toetra Ràja
Karazana tantara toa inona no mahavantana anao?

Ony Ravorombato
Mahafinaritra izany fanontaniana izany. Ny maro amin'ny asasoratro dia fitiavana avokoa, ary fitiavana maroloko, angamba noho ilay tenin'ny Soratra Masina hoe: "Ny fitiavana no lehibe indrindra no antony, na amin'ny mahatanora ny tena, saingy na eo aza izany, mivelatra amin'ny sehatra maro aho, ny hatsikana, ny mampatahotra, ny tanindrazana (izay mahakasika ny 29 mars), ny fiaraha-monina, ny fitaizana tanora. Maro ny lohahevitra fa ireo no azo amintinana azy. 


Toetra Ràja
Oviana ianao no nanomboka niroboka tamin'ny fanoratana tononkalo?

Ony Ravorombato
(Mitsiky kely) Ny tononkalo no nanombohan'ny soratra voalohany, fony tany amin'ny kilasy fahaenina aho no nahalala izany tononkalo izany, nasaina nanoratra andalan-tononkalo efatra izahay iray kilasy dia tsaroako ary tsy maty tato an-tsaiko fa mahakasika ny vary no nataoko tamin'izany, ary ny andalan-tononkaloko no nahazo voalohany. Ny taona 1996 aho no tena niroso tanteraka. Ny nanamarika ahy kosa teo amin'izany sehatra izany dia ny nahazoako laharana voalohany tamin'ny fifaninanana nokarakarain'ny RADIO FREQUENCE PLUS namaly ny hiran'i KIAKA "Fitia nindramina" ny taona 1997 io ihany, ary mbola nahazoako ihany koa ny laharana faharoa ny tononkalo "Saint-Valentin" tamin'io taona io ihany.


Toetra Ràja
Misy fotoana manokana ve mampiainga ny fanahinao?

Ony Ravorombato
Fotoana manokana tsy misy fa rehefa tonga izy dia manoratra aho na alim-be misasaka aza ny alina dia misokatra ny masoko ary raisiko ny penina, na eny ambony fiara, na ao am-piasana, na eny am-pivoriana. Izany hoe misy kahie efa fandikako tononkalo tsy misaraka amiko mihitsy tamin'izany. Tononkalo io resahiko io a!  Rehefa tonga izy dia manoratra aho, fa ny tantara indray, efa volavolain'ny saiko, foronin'ny eritreritro, ary tsy maintsy voasoratro ao anatin'ny herinandro ny tantara iray ao an-tsaiko, ao anaty kahie io, fa raha tsy voatazoko iny dia very tanteraka.

Toetra Ràja
Toa nangingina tamin'ny fanoratana tononkalo ianao fa nirona tamin'ny tantara anonjam-peo?

Ony Ravorombato
Tsy nijanona tanteraka tamin'ny asasoratra tononkalo aho fa nampirimiko fotsiny izay voasoratra ary misy fotoana ihany namoahako azy ireny rehefa niditra tao amin'ny Fikambanana HAVATSA UPEM Sampana Arivonimamo aho ny taona 2005, satria ilaina izy ireny amin'ny fotoana rehetra.

Nirona tany amin'ny tantara anonjam-peo aho satria hitako tena manavanana ahy mihitsy izy ity (mihomehy kely), nanomboka niverina sy namoaka tononkalo indray aho ankehitriny satria mila fohazina ny teny, mila koloina ny teny, mila tiavina ny teny ary mila iainana ny teny malagasy fa tsy ho tenenina am-bava fotsiny fa raketina an-tsoratra.


Toetra Ràja
Azo lazaina eto ve ireo adidy aman'andraikitry ny filohan-tsampana ao amin'ny Havatsa/Upem?

Ony Ravorombato
Ny adidy aman'andraikitry ny Filohan-tsampana, sarotra ihany satria vao manavao ny tena, fianarana avokoa anefa ny zavatra rehetra. Ny andraikitry ny Filoha dia mandrindra sy manao izay hahabe voa ny fikambanana, tsy miasa irery fa miara-miasa amin'ny Birao namana sy ny Mpikambana rehetra, mampiantso fivoriana, miara-manomana ny lahadinika entina ao amin'ny Fivoriambe, manao izay hampandeha ny Fikambanana, manara-maso ny fiainan'ny Fikambanana, miaro ny firaisan'ny Fikambanana tsy ho rava. Maro ny andraikiny fa ireo no tena zava-dehibe, ary indrindra fa mikaroka izay rehetra mahasoa hampandroso sy hampiroborobo ny Fikambanana.

Toetra Ràja
Firy ianareo ao amin'ny sampana ary inona no tena antom-pisiany?

Ony Ravorombato
Ny isanay ao amin'ny Sampana izao, ny voasoratra anarana dia 24, ny tonga mivory dia ny antsasa-manila, indraindray mihoatra. Ny antony mahatonga izay dia manovo fianarana any an-drenivohitra avokoa ny ankabeazan'ny mpikambana fa rehefa misy ny hetsika dia indreo vory avokoa izahay mifanohana fa tsy mifanary. Ny antom-pisian'ny Fikambanana dia hiaro sy hanabe voho, hampiely ny teny sy ny foto-pisainana malagasy amin'ny alalan'ny soratra, hanandratra ny Teny Malagasy amin'ny alalan'ny fampiasana sy fiezahana hifehy azy. Hampiala voly amin'ny alalan'ny teny amin'izay sehatra azonay andraisana eto amin'ny manodidina anay (Arivonimamo sy ny manodidina aloha izany).

Toetra Ràja
Efa nisy namoaka boky ve ny mpikambana. Ary efa nisy boky niraisana?

Ony Ravorombato
Ny namoaka boky manokana dia efa nisy, tsy iza izany fa i Hobiana na RAZANAJATOVO Andrinimerina Hobiana, izay Filoha mpanorina ny HAVATSA UPEM Sampana Arivonimamo no Filoham-boninahitra koa ankehitriny. Nisy ihany koa ny boky efa niarahan'ny mpikambana tsiroaroa na tsitelotelo, nisy aza efa valo no niaraka namoaka boky izay boky farany, "MBOLA HITOHY" ary azo antoka fa mbola hitohy izany, ary tsy handrarak'ilo mby an-doha izay efa vitan'ny teo aloha izahay fa hiezaka hanao izay tratra raha sitrapon'Andriamanitra.

Toetra Ràja
Momba ny hetsika hataonareo amin'ny 25 novambra, inona avy ny votoatiny?

Ony Ravorombato
Ny hetsika moa izany dia fanokafana ny Taom-piasana, Taom-piantsana, Taom-pizarana 2016-2017, izay nampitondraina ny lohateny hoe: ANGOLAN-TONONKALO-HIRA-DIHY. Noraisina io satria dia mpikambana valo mianadahy izahay no hiaraka hanandratra ny tononkalony avy, samy manana ny  mpampiavaka azy manokana, ary mifameno anefa izany satria dia misy tononkalo mifamaly ao anatiny nefa izahay tsy nifampiresaka fa samy nanomana ny azy, ary tena izay tokoa ilay hoe "AINGAN'NY FANAHY" fa dia nihaona tao anaty tononkalo ny sainay tsirairay avy. Ny anampiako azy kely dia ny mpikambana ihany no hamoaka ny dihiny sy ny feo mangany amin'ny alalan'ny hira (mihomehy kely).

Kanto no asehonay aho.

Toetra Ràja
Misy karazana mpijery andrasanareo manokana ve?

Ony Ravorombato
Ny mpijery andrasana ve? Ny mpianatra aloha voalohany indrindra, nefa tsy nampoizinay fa nihemotra tampoka ny fialan-tsasatry ny "francophonie" fa tsy mampaninona izany satria "ny fotoam-bita tsy mahaleo ny sampona".

Ny fanasana naparitakay dia ho an'ireo olona manan-kaja sy tsy maintsy omem-boninahitra eto amin'ny Distrikan'Arivonimamo (Ny Solombavambahoka, Ny Lehiben'ny Distrika, Ny Ben'ny Tanàna). Amin'io fotoana io ihany koa no izarana ny fanomezana ho an'ireo nandray anjara ka mendrika tamin'ny fifaninana tononkalo nokarakarainay tamin'ny volana Jona lasa teo.

Toetra Ràja
Eny amin'ny EPP ianao, fantatr'ireo mpianatrao ve fa poeta ianao?

Ony Ravorombato
(mitsiky) Fantatr'izy ireo tokoa! Vao mivoaka ny tantara nosoratako dia hoy izy ireo ny ampitso hoe: "Tsara be ny tantara nosoratan'i made halina". Tena maharaka izy ireo ary tena faly ery miteny hoe: "mpanoratra sy mahay be ny Made anay". Teren'izy ireo aho hamaky tantara ao am-pianarana fa mbola tsy nanao aho hatramin'izao fa angamba hotanterahina ihany izany aoriana kely ao.

Toetra Ràja
Nasaina koa ve ireo mpianatra madinika amin'io hetsika io?

Ony Ravorombato
Tsy nasaina ny mpianatra madinika satria hariva loatra ny andro, raha tonga eo moa izy ireo dia asaina mangina sy mipetraka tsara, angano mantsy no efa nomanina ho azy ireo dia isaky ny alarobia fahatelo ao anatin'ny volana, izay tena mahaliana azy ireo tokoa.

Toetra Ràja
Amin'ny 5ora sy sasany hariva tokoa ny hetsika. Tsy hariva loatra ve? Mandry fehizay ve ny tanàna?

Ony Ravorombato
Harivariva tokoa raha jerena ny ora, saingy natao an'io mihitsy noho ny mbola tsy fisian'ny trano manokana. Misy ihany ny Tranompokonolona fa nisafidy ny Kaominina aloha izahay satria sady mpanohana ny hetsika ry zareo no mpiara-miasa akaiky no sady mazava tsara ny trano, dia tsy miandry ny firavan'ny mpiasa izahay vao mahazo miditra. Ny tanànan'Arivonimamo dia tena mandry fahalemana, tsy misy tabataba firy, tsy dia misy korontana. Ary efa somary mahazatra ny aty azy izany, eny fa na dia efa misy mangataka ny hanaovana azy amin'ny tolakandro ihany azy, mbola heverina ny amin'izay.


Toetra Ràja
Inona no azonao ambara momba izay tanànan'Arivonimamo izay?

Ony Ravorombato
Ny azoko ambara mahakasika ny tanànan'Arivonimamo, vohitra maha-te-honina, mahatamana, ny mponina tsy miavonavona, mahay mifandray sy mifanampy, vao mivoaka ny trano ianao dia endrika sariaka avokoa no tazanao eny amin'ny tsirairay, tena mifankahalala ny ankabeazany. Ny mampalaza an'Arivonimamo dia ny lamba landy, ary tena tsara ny vokatry ny landy eto Arivonimamo.


Toetra Ràja
Tsy vahiny ao amin'ny RNM ianao. Nitondra mpikambana vitsivitsin'ny Havatsa/Upem tao ianao tamin'ny 12 novambra. Inona no zava-nitranga tao?

Ony Ravorombato
Nahafinaritra ny fandraisana. Nampahafantatra ny fiverenan'ny sy ny fiasan'ny HAVATSA UPEM Sampana Arivonimamo indray izahay, ary nampahafantatra ny hetsika hotanterahinay ny zoma 25 novambra 2016 amin'ny 5 ora sy sasany hariva. Nanao antsa anonjam-peo izay izahay raha ny tena marina no ambara.


Toetra Ràja
Mandroso tsara ve ny fanomanana ny hetsika?

Ony Ravorombato
Ny fanomanana ny hetsika efa milamina be, ny andro anaovana azy no efa tsy mampatory andro aman'alina satria dia seho lehibe iray io, sambany tao amin'ny fitantanako mantsy no hiseho sehatra hitondra ny tononkalony voalohany ireo mpikambana ireo, ny ankizy aloha ohatra ny tena manana fahasahiana e! Isaorako manokana azy ireo izany.

Toetra Ràja
Misaotra indrindra Ony nizara vaovao mahafaly sy ny traikefanao. Mirary soa ho an'ny hetsika sy ny adidy rehetra iantsorohanao. Mandra-pihaona!

Ony Ravorombato
Misaotra anao manokana Toetra Ràja, nanaiky sy nampandroso ahy teo amin'ny akalanao, mamelà ahy ianao mba hisaotra ireo olona manaraka ireto ny amin'ny fanohanana izao hetsika izao : Ny Kaominina Arivonimamo Ambonivohitra, ny hikirakira ny fanamafisam-peo (SONO Alain), ny Talen'ny EPP Arivonimamo Centre izay manaiky hampandroso anay hatrany isaky ny misy fivoriana, ary tsy hadinoina i HOBIANA sy ZO RANDI nanohana tamin'ny alalan'ny AFISY. Dia manasa antsika rehetra ho tonga amin'io hetsika io izahay.

Ny hamaranako azy tanteraka dia ity andininy iray hantsain'ny ankizy ity:

Tsy izay voarakitra ho teny
No hanambara fa ireny
No ambangom-piainanao
Fa angoty tsikinao.

Pôetawebs©2016 - poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 22/11/2016