Créer un site internet

 

Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

20 novambra 2016

FELANA: 20 TAONA NANORATANA

Vao tamin'ny 18 mey teo no nivahiny teto amin'ny Pôetawebs i Felana. Tafaverina soa aman-tsara indray izy noho ny antony lehibe: fankalazana ny faha 20 taona nanoratany sy anehoana ireo sehatra rehetra ivelarany eo amin'ny tontolon'ny kanto. Mamaly ireo fanontanian'i Toetra Ràja izy.
 

Toetra Ràja
Miarahaba anao Felana tongasoa! Pôeta sady mpikabary efa fantatry ny mpisera ianao kanefa tsara ihany ny hamintinana ny zava-nitranga nandritra izay 20 taona izay.

Felana
Faly miarahaba anao Toetra Ràja! Ny 20 taona nodiavina: "nanomboka nanoratra aho ny taona 1992 fa ny taona 1994 teo no nanangona ireo asasoratro. Nanaraka ny hetsika fanaon'ny Faribolana Sandratra araka izay tratrako aho nanomboka teo. Niditra ho mpikambana ny taona 2001. Namoaka ny boky "Voahangy Tsangy" niaraka tamin'i Aro, Tsanjy, Tolotra Arinandriana, Gazela Meva, Lova Santatra tamin'ny taona 2002. Nandray anjara tamin'ny fiantsana na ho an'ireo namana nanana fandaharam-potoana tao amin'ny CGM na tamin'ny antsamparibolana.

Tao anatin'ny sokajy teàtra ary efa nanatanteraka tsangantononkalo "Hiaka sy Tsiky" teto Antananarivo sy ny manodidina.
Namoaka ny amboran-tononkalo MANKATIA ho tsangambaton'ny fahafolo taona nanoratana ny 16 desambra 2005, izay mirakitra tononkalom-pitiavana eo amin'ny olon-droa miisa 100.
 
Nianatra kabary teo anivon'ny FI.MPI.MA. nandritra ny taom-pianarana roa ary nanatanteraka fanohanana voka-pikarohana nampitondraina ny lohateny hoe: "Ny tranga tsongaina eo amin'ny kabary fanateram-bodiondry ankehitriny", 2007.
Mpikambana tao amin'ny Birao Foibe ny 2008-2010, niaraka nandrindra ny fampianarana tamin'ny Tale niandraikitra izany dia Ramatoa Andrianasolo Hajaina.

Maro ireo sekoly nanaovana famelabelaran-kevitra toy ny teto Antananarivo (Lycée Arcade Sabotsy Namehana, Antaninandro...), Kolejy Fitarikandro, Sekoly Maria Mpanampy Soanierana, Lycée Jules Ferry Faravohitra, Lycée Akamasoa Andralanitra, LMA, Lycée J.J. Rabearivelo, Lycée Philibert Tsiranana Mahajanga, Lycée Ranohavimanana Ambatondrazaka, Vatomandry, Arcade Antsirabe...

Ankoatra izay, mpanentana lanonana sy fampisehoana an-tsehatra ny tenako, ohatra: anisan'ny mpanentana ny lanonana fanamarihana ny faha-48 taonan'ny Tafika malagasy tao amin'ny CEMES Soanierana, izay natao hoe Sahobin'ny Tafika. Nanehoana ny kanto malagasy niarahana tamin'i Njakatiana, Dadagaby, Lianah, Poopy...

Mpanentana sy mpanolotra ny fampisehoana ataon'ny Tarika Narisoa hatrany koa.

Efa mpitsara fifaninanana ihany koa: fifaninanana tononkalo niarahana tamin'ny BIT momba ny fampiasana Zaza tsy ampy taona, fifaninanana tononkalo ho fikajiana ny Rovan'Ambohimanga, Mpitsara tamin'ny fifaninanana kabary maromaro ihany koa.

Tonian-danonana ihany koa raha tsy hilaza ny  tamin'ny fitokanana ny Ivotoerana Fikoloana Tanora ho mendrika na YCC niarahana tamin'ny Masoivoho Amerikana sy ny Ministeran'ny Kolontsaina sy ny Fampiroboroboana ny Asatanana ary ny Fiarovana ny Vakoka ny 15 septambra 2016 teo.

Mpanatontosa fandaharana DOLEVY momba ny literatiora malagasy miaraka amin'i Riambola Mitia ao amin'ny Skyone radio 87.8 FM koa aho ankehitriny. Sehatra tsy vaovao amiko satria efa nanatontosa toy izany tao amin'ny Radio Plus sy Radio Fahazavana tany aloha. Mandeha isaky ny alahady alina ny fandaharana ary averina isaky ny alarobia alina.

Efa nanaovana fikarohana teny amin'ny ENS ny asa soratro. I Mihary Andriamananjatovo no nanao azy ary "I Felana: Poetan'ny fo tena tia" no lohateniny.

Nahazo mari-pankasitrahana avy amin'ny Ministeran'ny Kolontsaina sy ny Fizahantany tamin'ny fampiroboroboana ny Kolontsaina teto Antananarivo tamin'ny 2005

Nahazo ny chevalier de l'ordre des Arts, des Lettres et de la Culture, 2013.
 
Ankehitriny dia ao anatin'ny faha 20 taona nanoratana isika.

 

Toetra Ràja
Hetsika lehibe no hotanterahinao amin'izany. Rahoviana ny fotoana? Inona avy no zavatra hitranga?

Felana
MIFANDRARY FITIA no lohateny nasalotra ny hetsika rehetra.
Amin'ny 6 ka hatramin'ny 10 desambra ho avy izao ny hetsika ho fanamarihana izany.
Ny 6 hatramin'ny 9 desambra dia anehoana fampirantiana momba ny tontoloko rehetra, amin'ny maha-mpanoratra, mpikabary, mpanao asatanana, mpiasa eo anivon'ny Ministera misahana ny Kolontsaina ihany koa. Hisy koa anefa famoahana boky "Mifandrary Fitia" amin'io.

Ny sabotsy 10 desambra kosa no hamaranana azy, sakafom-pifaliana hianohana ny kanton'i Njakatiana, Narisoa, Ariane, Elsie, Jess Rakoto. Tsy hadinoina ny fanehoana ny asasoratro.

Toetra Ràja
Inona moa no maha-zava-dehibe an'ity fankalazana ity?

Felana
Zava-dehibe amiko ny mandia izao faha 20 taona izao. Isaorako an'Andriamanitra izay tompon'ny talenta izany. Tsy manao hetsika matetika aho. Ankoatra izay, ao anatin'ny fangatahan'ny mpankafy ny hetsika toy izao.

Toetra Ràja
"Mifandrary Fitia", mifono hevi-dalina izany!

Felana
Ahitana teny roa misongadina ao anatiny dia ny hoe "rary" sy "fitia". Ny rary dia  izay manana heviny roa: ny voalohany dia asatanana izay fanaovana ny akora ahitra na rindra mifampidipiditra mba ho tonga tsihy na satroka... Faharoa, ny rary dia vavaka na tsodrano ihany koa.
Ny "Mifandrary fitia" araka izany dia fanehoana endrika kanto maromaro mifampiditra na mifangaro anaty seho tokana atao am-pitiavana. Manaraka izany dia maneho fifampizarana eo amin'i Felana sy ny mpankafy ny lohateny. Fangatahana tsodrano sy firariantsoa avy amin'ny mpankafy sy izay rehetra tonga manotrona hahatrarana ny 20 taona manaraka ka hiara-dalana eny hatrany ny roa tonta. Misy fitia mifamaly izany ka mahatsara fihavanana. I Felana maneho ny kanto dia ianareo rehetra tsy ankanavaka kosa hanohana hatrany ary hanjifa ny kanto atosako amin'ny alalan'ny boky sy ny fanohanana amin'ireo hetsika hatao rehetra.


Toetra Ràja
Azonao asiana teny fohy ve ny momba ny "Haitsiron'Iarivo", toerana hanaovana ny hetsika?

Felana
Ny Haitsiron'Iarivo dia toerana ao anatin'ny ININFRA Alarobia na ao amin'ny CENI-T eo ampitan'ny Lycée Technique Professionnel Alarobia. Toerana kelikely maorimaorina  sady miavaka izy satria mitovy tantana ary mampifanakaiky am-po ny rehetra ao. Ny anarany dia kanto rahateo, tony sady milamina no anaty tontolo meva. Marihina fa ny "Haitsiron'iarivo" dia toeram-pisakafoana andavanandro fa mandray lanonana isankarazany.
 


Toetra Ràja
Voatanisanao teo ireo mpanakanto malaza hanafana ny sehatra. Midika fandaniana lehibe angamba izany ô?

Felana
Azoko lazaina fa malaza avokoa ireo mpanakanto ireo. Ny fandaniana aloha tsy maintsy misy satria tsy vitan'ny resaka sy ny fihavanana na finamanana ny fiainana. Misy tokoa ny fandaniana lehibe satria te hanolotra seho kanto sy miavaka ho an'ny mpankafy izahay.

Toetra Ràja
Manana fifandraisana manokana amin'ireo mpanakanto ireo ve ianao?

Felana
Izy rehetra ireo dia namana avokoa.
Ny kanto no mampifamatotra anay rehetra.
- I Njakatiana dia zoky tena anisan'ny ankafiziko tanteraka ary efa tafaraka tamin'ny sehatra vitsivitsy izahay.
- I Narisoa indray efa mpiara-miasa hatramin'izay satria i Felana dia ao anatin'ny Tarika Narisoa ary misy tononkaloko hirain'i Narisoa.
- I Ariane indray zandry sady namana vao misandratra saingy efa manana ny anjara toerany eo amin'ny sehatry ny kanto. Ny zandry moa manohana ny zoky ary ny zoky manandratra ny zandry e.
- I Elsie indray dia azo lazaina ho zaza niara-nilalao ihany.
- Ary i Jess Rakoto kosa dia mpitarika ny komity mpikarakara ity hetsika ity no sady mpanakanto rahateo. Izy no "Manager" an'i Felana. Izy no maha Felana an'i Felana amin'ny lafiny rehetra.


Toetra Ràja
Azo lazaina ve fa manohana ny haisoratra malagasy ny mpihira amin'izao fotoana izao?

Felana
Tsy vao izao ihany no manohana ny haisoratra malagasy ny mpihira fa efa nandritra ny fotoana ela mihitsy fa arakaraka ny fifandraisana misy sy ny tanjona tratrarina sy aseho amin'ireo hetsika hatao no ahitana taratra misimisy kokoa azy ireo na tsia.

Toetra Ràja
Hisy boky hivoaka amin'io hoy i Felana teo. Ahoana ny endriny sy ny votoatiny?

Felana
Marina tokoa izany ary io no tsangambaton'ny faha 20 taona.
"Mifandrary Fitia" ny lohateny.
Ny endriny indray dia hiova kely satria irony fanao na fitondra am-paosy na "livre de poche" irony. Misy takila 60 eo ho eo. Tsy voafaritra ny lohahevitra voarakitra ao fa hisongadina araka ny lohateny ny momba ny fitiavana.


Toetra Ràja
Karazana mpijery na mpanatrika ahoana no andrasana amin'ireo andro vitsivitsy ireo?

Felana
Ny daholobe no andrasana saingy singanina manokana ireo mpianatra ao amin'ilay fampirantiana.
Ny eny amin'ny "Haitsiron'Iarivo" dia tsara marihina fa misy ny karatra fanasana izay efa azo jifaina araka ireo laharana finday voasoratra ao ireo na ao amin'ny cafétaria ao amin'ny Tahala Rarihasina. Araka ny voalazako teny aloha dia voafetra ihany ny toerana ao.
 

Toetra Ràja
Raha ny fahitako ny resatsika hatreto dia te hilaza aho fa olona liam-pihavanana i Felana. Ho disoinao ve ny eritreritro?

Felana
Olona tia fihavanana tokoa aho ary saro-pady izany amiko. Nobeazina tamin'ny fandalana izany izahay saingy raisin'ny olona sasany ho fahalemenao ny fandalana izany. Amiko ny fihavanana no fototry ny zavatra rehetra saingy ankehitriny noho ny fahasarotan'ny fiainana dia tsy misy dikany na hodian'ny olona sasany tsy jerena izany.

Toetra Ràja
Eto am-pamaranana, mety ho misy zava-dehibe tsy voaresatsika ve teo?

Felana
Ny hetsika dia eo ambany fiahian'Andriamatoa RABENIRINA Jean Jacques
Minisitry ny Kolontsaina sy ny Fampiroboroboana ny Asatanana ary ny Fiaroavana ny Vakoka.

Isaorana manokana ireo mpiara-miombonantoka: OFNAC, Idea Event, Mi-Art-i Pro, Royal Spirit, Haihaingo Ny Hanitra, Faribolana Sandratra, FI.MPI.MA., Ndao Hiantsena, Auto Ecole Jacky, InsPALMA à l'Est de Mania, ianareo mpikirakira vaovao momba ny kanto.

Toetra Ràja
Misaotra anao Felana nanaiky nitondra fanazavana momba ny fankalazana ny faha 20 taona nanoratanao. Mirary fahombiazana ho an'ny hetsika izahay eto amin'ny Pôetawebs ary mirary hoavy mamirapiratra ho anao eo amin'ny tontolon'ny soratra. Mandra-pihaona!

Felana
Misaotra anao Toetra Ràja nampandroso sy nitafatafa tamiko. Misaotra anareo eto amin'ny Pôetawebs manome sehatra hatrany toy izao. Mankasitraka amin'ny firariantsoa ary manolotra izany ho anareo koa haharitra hatramin'ny ela indrindra.
Manentana antsika hifanotrona amin'ireo hetsika ireo.
Veloma aina soava tsarà daholo ianareo mpanasina ny kanto rehetra.

Pôetawebs©2016 - poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 21/11/2016