Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

26 novambra 2016

NARILALA, MANAZAVA NY HETSIKA AMINAZY

Efa nivahiny teto amintsika i Narilala Ravakinoro tamin'ny 15 ôktôbra 2015, noho ilay hetsika tsangan-tononkalo hoe "Tranovorona". Tafaverina eto amorom-patan'ny Pôetawebs indray izy anio noho ny antony lehibe: manomana hetsika iray vaovao izy. I Ikaloyna eto amin'ny Pôetawebs no mitapatapakahitra aminy.

Ikaloyna
Miarahaba anao Narilala ary misaotra indrindra mitsidika anay indray. Efa fantatry ny olona eto amin'ny Pôetawebs ianao ka tsy asiana resabe intsony fa 'ndeha angaha atao toy ny donakafon'ambondrona izy ity ka tonga dia eny am-bovonana. Inona ilay hetsika?

Narilala
Hetsika iray, sady mamaran-taona, iarahana amin'ireo zandry "rahalahy"  mpiara-misehatra tao amin'ny "Tranovorona", nampitondraina ny lohateny hoe: "AMINAZY".


Ikaloyna
Iza avy ary ireo antsoinao hoe zandry "rahalahy" ireo?


Narilala
Izahay ireto no toko telo: " VINA, NARILALA, MAMIRATRA", rahalahy ao amin'ny soratra.


Ikaloyna
Mpiraifaribolana Sandratra ve ianareo telo satria araka ity fafana hitantsika eto ambany ity dia ny Faribolana Sandratra no manolotra ny hetsika?

Narilala
Sakaizan'ny Faribolana Sandratra izahay ary isaoranay azy ireo nanome sehatra anay. Noho ny tolona iraisana amin'ny fanandratana ny zava-kanto malagasy dia tsy nanosi-bohon-tanana anay ry zareo fa nampandroso eny amin'ny avara-patana.


Ikaloyna
Mahafinaritra! Izay ilay fifanohanana eo amin'ny samy pôeta.

Narilala
Eny tokoa!



Ikaloyna
AMINAZY, hoy Narilala ny lohatenin'ny hetsika, somary miavaka izany, hazavao kely hoe inona ny antony nahatonga anareo hisafidy io lohateny io?

Narilala
AMINAZY : teny mandray roa ny "aminazy":
-AMINAZY:  voambolana ankehitriny, entina ilazana zavatra "matoy", "mahafinaritra".
-AMINAZY: "aminy" sy "azy", izany hoe fomba fijery samihafa kanefa samy manana ny hanitra ho azy amin'ny alalan'ny kanto.


Ikaloyna
Afaka manome ohatra ve ianao?

Narilala
Ny poeta dia "iraka" tahaka ilay zanakandriamanitra tonga tety amintsika ary nanome ny "fitiavana", nampianatra sy nanabe ara-panahy ary namolavola ny saintsika tamin'ny alalan'ny "TENY MASINA" dia ny " poezia". Amiko, ahy "AMINAZY" hoy ianao fa mety tsy ho aminao na ny hafa ihany koa, hihi!


Ikaloyna
Lalina dia lalina izy izany!
Manabe hoy ianao teo ny pôeta amin'ny alalan'ny teny, asa masina izany, ahoana ny asa ataonareo hampitana izany fanabeazana amin'ny alalan'ny teny izany eo amin'ny fiaraha-monina?


Narilala
Misy karazana fiaraha-monina , toy ny "tambazotra sosialy" izay mahazo vahana ankehitriny.
Vokany: miroborobo ny "manoratra" ary matetika misehatra amin'ireny ivokolo samihafa ireny.
Izany hoe misy "ako" sy "hasina" niampita tamin'ny hafa ireny seho sy hetsika nataontsika ireny, satria raha nahatadidy ianao Ikaloyna dia vitsivitsy ihany no mpisehatra sy mpankafy tamin'ireny androntsika omaly ireny. Ankehitriny, efa miroborobo sy mandrobona ny sehatry ny literatiora fa ny fonontaniana dia ny hoe: miroso sa mihemotra?


Ikaloyna
Hijanona amin'izay resaka fanabeazana izay ihany isika, azo lazaina ve fa mifameno amin'ny asan'ny mpanabe hafa toy ny mpampianatra sy mpitondra fiangonana ny poeta?


Narilala
Manana andraikitra goavana ny literatiora, indrindra eo amin'ny sehatry ny fanabeazana noho izy:
- mitahiry ny kolontsaina sy ny tantara eo amin'ny firenena.
- mitazona ny fahaveloman'ny Teny.
- mamoha ny masom-panahy ary mitarika ny sainao ho amin'ny fahafahana.
- mandrehitra ny fo ho tia sy saropiaro amin'ny tanindrazany.
- misolo tena ny maro
- manome hery "TRAKA"
sy ny maro samihafa.

Zavatra hafa mihitsy ny "poezia" fa tsy mitovy amin'ny fivavahana sy ny karazany.

Ikaloyna
Tsy mitovy fa mifameno, izany hoe tena olom-pirenena mandray andraikitra ny pôeta fa tsy hoe olona mpandrevirevy araky ny fiheveran'ny sasany azy akory.

Narilala
Eny... notorontoronina tamin'ny alalan'ny fivavahana nentin'ny vahiny tokoa ny poezia malagasy ary samy mitondra "fanabeazana" eo anivon'ny fiaraha-monina saingy ny sehatra no tsy mitovy; ny fivavahana mifototra amin'ny fotokevitra (afobe sy paradisa, satana sy Andriamanitra...) fa ny pôezia mifototra amin'ny "fahafahana" ara-panahy " anjelin-tononkalo".


Ikaloyna
Manaraka izany, inona ny heverinao fa olana eo amin'ny tontolon'ny pôezia izay misy anao?

Narilala
Vanimpotoana hafa, poezia hafa... 
Vanimpotoana fahalalahana no hitako amin'izao; mitombo ny sehatra "tambazotra" ary tsy dia tena ahitana sivana fa samy "manoratra" eo daholo ny rehetra.
Taratry ny fahaveloman'ny literatiora izany tsy lavina, saingy, velona manao ahoana?
Miroboro izay tsy izy ny "vondrona" sy ny "hetsika", "famoaham-boky" tamin'ity taona 2016 ity. Mahafinaritra izany satria samy te haneho ny talentany ary adidy ihany koa. Na izany aza, saro-pady ny literatiora ary zava-masina ny Pôezia ka tokony hapetraka amin'ny toerana misy azy.


Ikaloyna
Teny atsipy ho an'ny manam-panahy izany tenin'i Narilala izany ka raha te hahita izany tovolahy izany sy ireo namany isika dia angatahintsika izy hamerina ny fotoana sy toerana hanaovany ilay hetsika ato ho ato.

Narilala
I Narilala dia zaza ara-panahy raha eo amin'ny soratra no resahina, saingy mahatsapa manana adidy amin'ity firenena iraisana ity.
Ary hetsika tokana tafiditra amin'ny fankalazako ny faha 10 taona naha MPIZAKA STELARIM ahy io.
Tongava àry ny ZOMA 2 DESAMBRA 2016 amin'ny 3 ora 45 hariva ao amin'ny efitrano" Faribolana Sandratra" TAHALA RARIHASINA Analakely.


Ikaloyna
Dia izay koa no hiarahabanay Pôetawebs izay tranonkala mitondra anjara biriky ho an'ny pôezia sy ny manodidina azy ity anao Narilala izay nahatratra izany 10 taona nampitomboana lanja ny literatora izany ary hirarianay anareo hisondrotra ho reharehan'ny tenindrazantsika.

Narilala
Mankasitraka indrindra nampandroso ary mirary soa ho antsika isika.


 

Pôetawebs©2016 - poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 30/11/2016

×