Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

07 febroary 2017

SOAMIELY, VAHININ'NY PÔETAWEBS

Hiavaka kely tsy toy ny mahazatra ny resaka hiarahantsika amin'ny vahiny anio, miavaka satria tsy hetsika pôezia na momba ny teny akory no resahina fa boky, ny tena marina dia revio. Indro ny tompon'andraikitra amin'izany no hampahafantatra antsika ny momba io revio io. Fa mialoha izany dia asaintsika milaza ny momba azy izy aloha.
 

Ikaloyna
Miarahaba anao Soamiely ary misaotra anao manome voninahitra ny Pôetawebs sy ireo mpiserany. Arahabaina koa ianareo mpisera izay antom-pisian'ny Poetawebs. Inoanay fa liana dia liana tokoa ianareo hahafantatra ny mombamomba ny vahiny.

Soamiely
Misaotra sy miarahaba anao! Miarahaba koa ny mpamaky rehetra.
 
Soamiely Andriamananjara no anarako. Mpanoratra monina eto Washington DC aty Etazonia aho. Amin’ny teny anglisy sy teny malagasy no anoratako. Azon’ny mpamaky jerena ao amin’ny medium.com/@soamiely ny sasantsasany amin’ireo asa-soratro. Efa elaela ihany izay aho no niala tany Madagasikara. Na dia lavitra aza anefa ny tena (asa, mety noho izay fahalaviran-tany izay mihitsy aza) dia tsy mba mety lefy mihitsy ny fitiavana an’ilay teny malagasy. Dia miezaka lalandava ny hikolokolo,  hanandratra sy ny hampiroborobo ny teny malagasy rehefa misy hirika hanaovana an’izany. Isak’izay mahatsiaro, hoy ny fiteny tamin’ny andronay!


Ikaloyna
Raha izay àry ny momba anao, hitanay eny amin'ny tontolon'ny "Facebook" eny fa hamoaka revio ny tranom-pirinty RanjaSoa Publishing izay iandreketanao atsy ho atsy, toy inona io revio io ?
 
Soamiely
Mahavariana tokoa io Facebook-Facebook-nareo io an!  Inona ihany no tsy hita ao e?  Eny tompoko! Hamoaka ny Laharana Santatry ny Revio Tsara Soratra tokoa izahay amin’ny faramparan’ity volana febroary ity. Ao anatin’izany Laharana 00 izany dia misy sombin-tantara, tononkalo, riankalo ary lahatsoratra famakafakana amin’ny teny malagasy nosoratan’ny mpanoratra sy poeta miisa 18. Samy manana ny maha-izy azy avokoa ireo, misy ny efa malaza fa misy koa ny vao misandratra.  Heverinay fa manana ny toerany eo amin’ny literatiora malagasy ankehitriny ry zareo ireo.

Tamin’ny volana ôktôbra 2016 izahay dimy mianadahy mianaka no namorona sy niketrika ny revio ary nanomboka nanao antso avo.

 

Ikaloyna
Iza avy ianareo no ao ambadik'io?

Soamiely
I
reto ny tonia ankehitriny:

Tonia sy Tale Mpamorona: Mialy Ravelomanana
Tonia Mpanatanteraka: Soamiely Andriamananjara
Tonia Mpanolotsaina: Mamy Rakotondraibe
Tonia Mpanolotsaina: Mainty Kely
Tonia Mpanolotsaina: Anjoanina Ramaroson
Tonia Mpitantsoroka sy Mpanolotsaina:  Nalisoa Ravalitera

 

Ikaloyna
Toy ny ahoana ny endrik’io revio io?

Soamiely
Boky kely “format A5“, (miala tsiny amin’ny teny teknika, tsy omby paosy raha tsy paosy lehibe angaha), misy pejy 77, miloko ny ivelany ary mainty sy fotsy ny atiny. I Hemerson Andrianetrazafy no nanolotra am-pitiavana ny hosodoko na ny rangy izay mandravaka ny fonoatrika ary ny namana Hajaina Andrianasolo no manoratra ny tenin-doka mahafinaritra izay miseho eo amin’ny fonoivoho, izy rahateo koa moa no miahy sy miaro an’ito laharan-revio ito.  Isaorana etoana izy ireo noho izany.


Ikaloyna
Raha toy izay ny endriny ivelany, dia toy inona ny endriny anatiny?  Ireo asa soratra ho hita ao? Ahoana ny nifantenanao ireo mandray anjara ao ?
 
Soamiely
Soa tokoa ny ivelan’ny boky, fa tsy ambaka koa ny ao anatiny.  Misy zavatsoa ho an’ny rehetra ao.  Naka fotoana mihitsy izahay nisafidy ny soa sy ny tsara hatolotra ny mpamaky.
Tamin’ny volana ôktôbra 2016 izahay no nanomboka nanao antso avo sy nanasa ireo mpanoratra mety ho liana amin’ity ezaka ity mba hizara ny asa sorany aminay. Na dia fohy ihany aza ny fe-potoana dia maro tokoa ireo namaly ny antso: mihoatra ny enimpolo ny asa soratra voaray. Azon’ny mpamaky ny pôetawebs tsidihina ao amin’ny takelaka soratra.org ny ankamaroan’izy ireny. Tamin’ireny enimpolo ireny indray no nisafidiananay ireo izay tokony hasongadina ao amin'ny Laharana santatry ny Revio Tsara Soratra. Nomenay lanjany manokana tamin’ity Laharana ity ny tantara na ny fomba fanoratra tsy mbola fahita firy na manavao ny efa misy amin’ ny fomba kanto sy mahaliana. Lahatsoratra mampiseho fa velona, mavitrika, ary efa tafafindra taonjato sy tafakisaka taonarivo ny asa soratra malagasy fa tsy tavela na mihitsoka any aloha any. Nomena vahana ihany koa ireny mpanoratra “diamondra latsaka an-karina” ireny, na irony “mba te-kanefa-tsy-tafa” irony.

I Mialy Ravelomanana, Tonia mpamorona ny Revio, no nanoratra ny teny fanolorana milazalaza ny momba an’ireo sombintantara enina, tononkalo dimy, riankalo efatra, ary lahatsoratra fanadihadiana anankiroa, izay  tena niavaka ka ho hitan’ny mpamaky ao anatin’ny revio.



Ikaloyna
Mampilendalenda tokoa izany, Soamiely, ka asakasak'izay tsy hahazo. Inona ny nahatonga anareo, nisafidy hoe revio no hatao fa tsy zavatra hafa ?
 
Soamiely
Asakasak'izay tsy hahazo, hoy ianao! Vonjivonjeo àry fa mirary ny vidiny, 7000 ar, hitanao ao amin'ny foiben'ny Faribolana Sandratra, Tahala Rarihasina Analakely manomboka ny 21 febroary.
Milendalenda sahady ianao, mahafinaritra izany, mbola vao santionany fotsiny àry izany!

Ikaloyna
Mitelin-drora mihitsy aza! Hihi!

Soamiely
Tandremo ary sao sondrovaka ka kofona! Mino izahay fa hahazo tsirony tsara ianao sy ny mpamaky hafa eo am-pamakiana ny revio.

Izahay mpikarakara ny revio Tsara Soratra dia tena resy lahatra fa velona sy miroborobo ny literatiora malagasy. Raha mijery ny isan’ny fikambanan’ny mpanoratra na pôeta eto Madagasikara, na ny vondrona, na pejy ao amin’ny Facebook, eny fa na ny isan’ny tafatafa ataonareo eto amin’ny Pôetawebs fotsiny ianao, dia hahita fa betsaka tokoa ny Malagasy tia manoratra. Tsy vitan’ny tia manoratra fotsiny fa maro ihany koa ireo tena mahay manoratra. Ny somary mampalahelo anefa dia toa very ao anaty kotaban’ny aterineto ireo tena manan-talenta ka tsy dia afaka misongadina loatra.  Raha misy manontany ianao hoe “Iza no tena kintan’ny literatiora malagasy?” Dia mino aho fa hahita anarana ho lazaina ianao, ary anaran’olona efa taloha be, na efa maty no hotononinao: Rabearivelo, Dox, Rado, Clarisse Ratsifadrihamanana... Raha anontaniako anefa ianao hoe “Iza no kintan’ny literatiora malagasy amin’izao fotoana izao?” dia mety hiakanakana ihany ny ankamaroantsika.  

Nihevitra ary izahay fa ilaina ny hananganana sehatra avo lenta hamirapiratan’ny kintan’ny asa-soratra malagasy ary hahafahana (i) mampiranty ny hakanton’ny asa soratra malagasy, (ii) mampisongadina ny fahaizan’ny mpanoratra malagasy efa fantatra sy hanomezana tosika ireo vao misandratra hahafahany mamirapiratra, (iii) mampiseho amin'ny mpanjifa boky na ny mpankafy fa misy ary betsaka ny asa soratra malagasy mendrika hovakiana ankehitriny. Izay raha atao bango tokana vakitampona no nahatonga anay hamorona ny Revio Tsara Soratra. Tsy ny Revio ihany anefa fa misy koa ny sita anterineto aterineto www.soratra.org izay tsy azo sarahina aminy izay sady maimaimpoana no misokatra fa tsy mikatona na andro na alina. 

Ikaloyna
Izay indrindra mantsy. Amin'ny maha mpiandraikitra ny tranonkala momba ny soratra anao sy amin'ny maha tompon'andraikitry ny revio anao, aiza ho aiza ny toeran'ny boky taratasy eo amin'ny Malagasy amin'izao firoboroboan'ny teknôlôjia izao?
 
Soamiely
Tany Madagasikara, efa hatramin’ny ela mihitsy no sarotra ny mivarotra boky.


Ikaloyna
Inona no antony mety mahatonga izay?

Soamiely
Misy miteny matetika hoe tsy tia vakiteny ny Malagasy.  Tsy ekeko izany filazana izany.  Raha ny hevitro dia tsy manana hirika ankafizana vakiteny ny Malagasy.  Tsy fantatro ny antony fa vitsy ny Malagasy no mandray ny vakiboky ho fialamboly, fa aminy io na fianarana na fivavahana.
Kely ihany arak’izany ny tsenan’ny boky eto. Kely fa misy ary tena miroborobo tokoa.  Misy antokon’olona tena mandala ary miondana boky.  Mbola mila apetraka koa anefa ilay fanontaniana hoe firy amin’ireo mpiondam-boky ireo no mamaky boky amin’ny teny malagasy.  Na te hamaky ary izy, mety tsy misy azony atao satria vitsy ihany ny boky voatonta amin’ny teny malagasy.

Misy fiantraikany isan-karazany eo amin’ny fomban’ireo izay mamaky boky koa ny fivoarana ara-tekinôlôjia. Zavatra tsy azonao sakanana io.
Mety misarika azy tsy dia hiraika firy amin’ny boky taratasy izany fa hampiasa ny findaimisaina na ny tab-solaitra. Mety mahatonga azy tsy hanana lazon’ady na fotoana. Na izany aza dia misy foana any ho any ireo mikiribiby tsy mety mamela an’ilay boky taratasy azo tsampain-tanana sy ilay mamoaka fofona mahafinaritra iny. Anisan’izany ny tenako. Nilaozan’ny toetr’andro angamba!

Tokony ho fantatry ny mpanonta na mpivarotra boky izany hoe mirona kokoa amin’ny boky taratasy ve sa amin’ny vakiteny elektrônika ny Malagasy? Tsy misy hoe diso akory na ilay mpamaky boky niova fo na ilay mpamaky nentim-paharazana.

Izahay ao amin’ny RanjaSoa Publishing dia miezaka manone fahafaham-po na ny andaniny na ny ankilany. Raha tia mamaky boky taratasy ianao dia io ny revio. Raha mahavantana anao kokoa ny mamaky maikamaika eo amin’ny solosaina na finday, dia manasa anao ao amin’ny soratra.org.



Ikaloyna
Fohy sady mazava izay hevitrao izay. Fa, hono hoy aho, Soamiely, ianao ve efa namoaka bokin-tononkalo anao manokana? Ary nanao ahoana ny fanjifan'ny Malagasy izany ?

Soamiely
Ary mahalala zavatra mihitsy ianao izany an! Tamin’ny 2016 tokoa aho no namoaka ny boky iray antsoina hoe “Volana sy Vinany”, nosoniaviko tamin'ny anarana diam-penina hoe Soanampoinimialy, anarana mampitambatra ny ahy sy ny an'i Mialy izay tsy mitsahatra manohana ahy amin'izay rehetra ataoko sy soratako.
Amboaran-tononkalo io boky io. Misy tononkalo eo amin’ny 80 eo ary teny malagasy daholo.
Raha ny marina dia tsy dia tena mbola afaka nanao fampahafantarana be loatra tany an-tanindrazana  aho. Nanandrana nanao ihany tamin'ny alalan'ny anterineto sy ny tendrilavitra fa sarotra ihany no manao izany raha tsy any an-toerana. Na dia izany aza dia ohatry ny mba tian’ny olona (izay nahita azy) ilay boky. Misimisy ihany hoy izahay tsy mahay manisa no nividy an’ilay boky na tany Madagasikara na tany dilambato.


Ikaloyna
Amin’ny maha mipetraka any Etazonia anao izay firenena efa lasa lavitra eo amin’ny lafiny rehetra, aiza ho aiza ny toeran’ny boky taratasy any?

Soamiely
Misedra fifaninanana avy amin'ny karazam-pitaovana hafa (toy ny findaimisaina, na ny tab-solaitra) tokoa ny boky taratasy aty Amerika izao. Betsaka ny mpivaro-boky no mikatona.

Ikaloyna
Izany a? Mamy ny tafa ka satry ihany hiresaka satria tsy dia fahita ny mitapatapak'ahitra amin'ireo namana avy any ivelany toy izao. Nefa, raha lava, hono, ny resaka dia very ny hevitra. Zarao aminay àry izay vetsom-ponao  any amin'izao fandalovanao eto amin'ny tranonkala Pôetawebs izao.
 
Soamiely
Vita sahady ve?  Alohan’ny andehanako dia mampirisika ny rehetra aho mba hanohana ny asa-soratra malagasy ary mba hividy an’ilay Revio.  Mampirisika koa ny mpanoratra sy ny poeta malagasy sendra mamaky an’ito mba handray anjara ka hizara ny asa-sorany aminay raha tiany hiseho amin’ny soratra.org izany na ao amin’ny Revio Tsara Soratra.
Eny ary e! Mahafinaritra tokoa ny miresadresaka amin’i Ikaloyna Vony. Ny vetsom-po amin’ny fandalovana eto amin’izato tranonkalanareo izao aloha dia ny hafaliana mahita fa tena mbola misy ary betsaka ny mikiribiby manandratra avo ny asa soratra malagasy. Mijery ny hafanamponareo sy ny hamaron’ireo mpanoratra sy pôeta efa nitafatafa taminareo teto aho dia velom-bolo ary mahatsapa fa hamirapiratra ny hoavin’ny asa soratra, ary mba manantena fa hitondra ny anjara birikinay amin’izany izahay ao amin’ny revio tsara soratra.


Ikaloyna
Izay ilay hoe miara-miasa anaty vina mampiombona. Sa tsy izay Soamiely ?

Soamiely
Izay tokoa ! (mitsikitsiky)


Ikaloyna
Afaka mivahiny ao amin’ny tranonkala soratra.org. ve ny tranonkala Pôetawebs ?

Soamiely
Afaka tokoa , nahoana moa?  Tongava tongava fa manantena foana! Raisina an-tanan-droa !


Ikaloyna
Ho avy tokoa moa izany!
Dia izay tsikitsikim-pifankatiavana izay no ifanaovanay dahy ny mandram-pitafa aminareo mpanaraka ny pôetawebs.
Mandra-pitafa ô!

 

Pôetawebs©2017 - poetawebs@gmail.com

 

 

Date de dernière mise à jour : 08/02/2017

×