Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

26 febroary 2016

ALOKY NY LASA, VAHININ'NY POETAWEBS

 

Vao tsy ela no nankalazaina ny andron'ny mpifankatia koa andeha isika hanome sehatra poeta iray mirona any amin'izany tontolon'ny fitiavana izany. Aloky Ny Lasa no anarany, tanora dia tanora tokoa. Manana vina izy amin'ity taona ity toy ny seho sy famoahana boky ka andeha re hotomorintsika akaiky. Mitapatapakahitra aminy i Léa Fandresena avy ao amin'ny Pôetawebs.


Lea Fandresena
Faly miarahaba anao izahay eto amin'ny Poetawebs sy ny mpisera rehetra, ambarao anay ary aloha hoe iza ny mpanoratra?

Aloky Ny Lasa
Manantitra ny arahaba ho antsika rehetra dia miarahaba anao namana Lea. Izaho no Herizo, fantatra amin'ny solon'anarana roa dia Semban-drahona Ilay sy Aloky Ny Lasa.


Lea Fandresena
Misy namana sasany angamba, anio vao mahalala fa ianao ihany no ao ambadik'ireo anarana roa ireo. Mba ampahafantaro anay ary ny hevitr'izy ireo.

Aloky Ny Lasa
Tokoa izay...
Aloky Ny Lasa! Izy io dia anarana tafiditra tao anatin'ny saiko rehefa izaho irery no tao an-trano indray andro izay, anarana milaza ny fiainako na ara-pitiavana io na ara-ankohonana.
Ny Semban-drahona Ilay kosa dia anarana efa nentiko fony izaho vao niandoha niaraka tamin'ny penina izay milaza indray ny manodidina ahy toy ny tanindrazana, fiaraha-monina sy ny sisa.


Lea Fandresena
Mazava izay fa andao ary isika hiresaka momba anao amin'ny maha mpanoratra anao. Oviana no nanomboka nanoratra? Nisy antony manokana ve no nahatonga izany?

Aloky Ny Lasa
Ny taona 2010 aho, mbola mpianatra teny amin'ny sekolim-panjakana, dia efa nandray penina ka niventy tononkalo, saingy mbola zaza ka variana tamin'ny resaka fitiavana sy mbola nampiady rima. Fa ny taona 2014 aho no nanomboka nandalina ny poezia ary nanomboka nanoratra, nandrindra ny asasoratro ho kanto.
Ny antony indray dia tosika tsy nahy tanaty fahanginana lalina, tanaty sento mafaitra izay nanaitra ny aingam-panahiko. Teo ihany koa ny famakiana ny bokin'ireo mpanoratra malaza toa an-dry J.J. Rabearivelo, Tanicus, Jasmina.
Tsy mbola nahatonta boky aloha hatreto na dia efa nisy fikasana aza tamin'ny 2016 kanefa nisy olana kely ka tsy vita indray.



Lea Fandresena
Tsara tokoa izany vinavina izany ary irina ho tanteraka avokoa. Fa eo anivon'ny fiaraha-monina indray ary e, iza moa i Aloky Ny Lasa?

Aloky Ny Lasa
Mankasitraka indrindra namana Lea. Raha amin'ny lafin'ny fiaraha-monina indray dia mbola zaza raha ny kilasim-piaraha-monina, mbola miaina eo anivon'ny Ray aman-dReny aho kanefa na izany aza dia manana adidy sahanina dia ny mianatra sy manampy azy ireo.


Lea Fandresena
Niresaka vina isika teny am-boalohany. Tanisao hoe ny momba izany raha sitrakao?


Aloky Ny Lasa
Maro tokoa ny zavatra kinasanay atao amin'ity taona ity izay hanasana anao mpankafy poezia.
Voalohany aloha dia nanangana fikambanana poeta izaho sy nynamako vitsivitsy ary hanao santatra ambavaranon'ilay vondrona. Amin'ny alahady herin'ny anio dia hisy hetsika, izany hoe fiarahana mikorana hanasana an'ireo olona maro tsy ankanavaka na mpankafy na mpanoratra. Eny Alarobia arrêt bus FJKM amin'ny 9 ora maraina no fotoana.

Manaraka izany dia hisy antsa tononkalo atao amin'ny volana aprily iny; eo koa ny famoahana boky izay tsy ho ela ihany koa.


Lea Fandresena
Momba io antsa io indrindra, hanana namana ve ianao ary inona avy no azo ambara momba izany satria efa liana tokoa ny mpankafy hahita anao mivantana?

Aloky Ny Lasa
Ny volana aprily, hoy aho teo, no hanaovana azy io. Eny tokoa, hanana namana aho amin'io fotoana io izay efa isan'ireo mpanoratra azo lazaina ho manana ny maha izy azy eo amin'ny lafin'ny poezia.
Mety hivoaka amin'io ihany koa ny boky raha sitrak'Ilay Nahary. Koa manentana anao namana sy tapaka, mpankafy poezia sy ny literatiora malagasy aho. Hiavaka ny seho amin'io ka tongava!


Lea Fandresena
Mba te hahafantatra ny antsipiriany kely momba io seho io ireo mpisera mba tsy hahatompon-trano mihono azy ireo.

Aloky Ny Lasa
Hatreto aloha dia ny daty no efa tapaka, ny faha 29 ny volana aprily, andro sabotsy io, andro tsy fiasana sy tsy fianarana, ny toerana dia ao amin'ny trano malalaky ny Ivokolo, CEMDLAC no ahafantaran'ny maro azy. Hanomboka amin'ny 2 ora tsy diso, ary maimaim-poana ihany koa ny hetsika.


Lea Fandresena
Eny tongava soa ny andro malaza dia azonao lazaina ve ireo namana hiara-hiasa aminao amin'io raha mety?

Aloky Ny Lasa
Mankatelina indrindra. Angamba tsy zovina amintsika intsony izy ireo dia ireto: Fosa Rakotomaditra, Tsiaru, Fein'ny fo, Koloina Nofy Fitia. Ireo izahay no mandrafitra ny vondrona fa mety hisy vahiny hasaina ihany koa ho avy ao.



Lea Fandresena
Mahafinaritra izany sady ianareo rahateo moa dia natambatry ny asasoratra. Ahoana indray ny endriky ny boky sy ny votoatiny?

Aloky Ny Lasa
Ny boky indray dia ahitana takelaka 50 mahery eo ho eo, izay mirakitra ny diam-penin'i Aloky Ny Lasa ranoiray. Tononkalo no ao ary ahitana tara-kevitra maro fa ny fitiavana no azo lazaina hoe mibahana ao anatiny.


Lea Fandresena
Manan-talenta tokoa ny namantsika izany! Ahoana iindray àry ny fahitanao ny asa soratra ankehitriny?

Aloky Ny Lasa
Ny poezia ankehitriny ve? Maro no mahavoafehy izany atao hoe poezia izany, na ny rima na ny kanto anatiny fa ny indro kely dia toa zary lasa mihonaka anaty fitiavana ny ankabetsahany. Eo ihany koa ny fivelarana: maro amin'izy ireo no te hivelatra kokoa nefa toa tsy mahita lalana aleha.


Lea Fandresena
Azonao omena torohevitra ary ve ireo namatsika ireo?

Aloky Ny Lasa
Eny, mba ahafahanao mivelatra amin'ny sehetry ny poezia dia manàna finiavan aloha! Maro mantsy ry namana Lea no te hivoatra kanefa tsy manana finiavana e, ka mila mahafoy fotoana, mila miezaka koa mifandray amin'ireo namana izay efa isan'ireo zokiny. Toy izany mantsy ny ahy, isan'ireo namako ato izao i Fredy Jaofera sy i IPA ary nanoro ahy sy nilaza tamiko fa "finiavana miampy fitiavana mira fahombiazana". Marina tokoa io.


Lea Fandresena
Tsara be ny sosokevitrao fa hamaranatsika ny tafa ary e, inona ny hafatra apetrakao ato amin'ity takelaky ny Pôetawebs ity?

Aloky Ny Lasa
Manentana antsika rehetra hankafy, ho tia poezia,satria isan'ireo vakoka ananantsika ny literatiora.
Mankasitraka anao ry namana Lea ary misaotra ny Pôetawebs ihany koa nanaiky ahy ho vahiny tato. Mahafinaritra ny takelaka.


Lea Fandresena
Misaotra indrindra tamin'ny tafatafa sy tamin'ireto tononkalo voandalana novimbininao eto ambany ireto. Mirary soa!

Aloky Ny Lasa
Misaotra anao koa namana Lea.
__________________________

Tononkalo niainga avy amin'ny toe-javatra niainako tamina tovovavy iray.

Nireda mafy tanatiko tany,
tsy zakako nibata fa navesatra aoka izany,
ilay fitia nafana mantsy te hitroatra,
fa noezahiko tazonina tsy mba hisendoatra.
Ity fo adala anefa tsy nanaiky,
fa hiara-dalana aminao iny!
Tsy mba nety nangina, lazaina aho hoe fetsy,
satria hono izy te hiantso anao hoe tiana.
Mba irina fatratra hono izany hoe ianao malalany,
hahafahany manova koa ny tantarany,
mantsy hono ianao kanto sady fatratra,
ka antenaina mafy fa izy efa fantatra.
Fa ianao irery e, no sitrany ho malala,
ianao irery no teliny ho anjara,
tsy mahay miova hono izy fa ianao
mantsy tsy sahiny milaza ilay hoe: Tiako ianao.

ALOKY NY LASA
07 AOGOSITRA 2016
__________________
Tsiaro ny tanàna niaviako no niangany izy ity... Nanembona lalina loatra ny tany aho hany ka tsy tana ny penina.

Ilay akaninay

Any ho any leitsy izy iny a!
tanàna kely voahodidina havoana,
tsy mba misy ireo fiara
mitomban-davana any
fa... hazo lava mijoala
no manodidina ny akany,
lohasaha mangina
rakofan'ny feom-boronkely
samy hafa feo...
no mandravaka ny lalana
sy mba solona kotaba.
Ny fiaraha-monina any e,
milamina tsy mba misy ady
lavitry ny disadisa,
mifanaja sy mifanohana
amin'izay voina.
Izany leitsy ilay akany a!
Mahatamana tokoa,
ka andao ialahy raha ho entina any
hianoka izany soa.

ALOKY NY LASA
JONA 2016
____________________


Izy ity dia notsohaiko avy amin'ny zava-misy eto Madagasikara.

Nodradradrandraina mafy fa hoe afaka ny Gasy!
Afaka fatorana afaka ny mafy!
Kanefa mbola am-bava fotsiny mantsy izy ireny,
fa ireo vahiny indray no mihiboka ny hareny.
Nalaza ihany koa fa sambatra i Gasikara,
sy milamina koa ny vahoaka ao anatiny,
mantsy tsy izany ny fandehan'ny tantara
fa aza izy ireo tompony mangataka atiny.
Gasikarako malalako!
Aiza ireo soatoavina
nolalain'ireo razana?
Aiza koa e! Ireo olomangan'
ity firenena izay miha-milentika!
Gasikarako!
Impiry moa izay e! Ianao no nodradraina
fa tany soa sy sambatra?
Mantsy anefa fa fandatsahana aina
no hany hita atao filamatra.
Antso avo ry Malagasy!
Mitodia fa aza variana!
Mijoroa mba ho vatsy
ho an'ireo taranaka aty aoriana.
Mitsangàna, mijoroa!
Ka sahia manolo-tena,
dia ho sambatra tokoa,
ity nosy mahonena.

ALOKY NY LASA
MARTSA 2016

 

 

 

 

pôetawebs©2017 - poetawebs@gmail.com

 

 

×