Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

07 APRILY 2017

ZO SITRAKINIAVO, VAHININ'NY POETAWEBS

Maro tokoa ny antsa niseho tamin'ny volana lasa teo ary tsy vitsy koa ny amin'ity volana ity. Anisan'ireo hiaka-tsehatra i Zo Sitrakiniavo, vahinin'ny Poetawebs. Léa Fandresena avy ao amin'ny Poetawebs no mitondra ny resaka.

 

Léa Fandresena

Faly miarahaba anao izahay Zo Sitrakiniavo

 

Zo Sitrakiniavo

Faly miarahaba anareo mpiandraikitra ato amin’ny Pôetawebs ary misaotra sy mankasitraka nanome avarapatana. 

 


Léa Fandresena
Io tokoa izao toerana malalaka sady tena mety aminao. Ambarao anay ary ny mombamomba anao mba ahafahan’ny rehetra mahafantatra tsara.


Zo Sitrakiniavo

Zo Sitrakiniavo dia  Poeta Mpiraifaribolana Sandratra. RAJAONARISON Sitrakiniavo Njaratiana Herizo no voarakitra ao amin'ny soram-piankohonana. Manodidina ny telopolo ranonorana aho ankehitriny. Tany amin’ny taona 2000 tany ho any no nanomboka nanoratra, saingy tsy tononkalo velively no niandohana fa mozikan’ny lalana (RAP), taranja iray anisan’ny ankafiziko sy nilomanosako nandritra ny fotoana ela ary mbola iondanako mandraka ankehitriny. Efa taty amin’ny taona 2005 vao nisy tononkalo nipoitra tsikelikely. Vitsy dia vitsy izy tamin’izany ary na ny anarana nisalorana aza tsy mbola fantatra mazava.
Rehefa nanomboka nifampitankosina tamin’ireo Mpiraifaribolana namana, indrindra i Tsy Avahana, vao nisalotra an’i Zo Sitrakiniavo. Izany hoe, efa taty amin’ny taona 2014.

 

Léa Fandresena
Efa ela tokoa izany. Inona avy ny zava-bitanao nandritra izay fotoana nilomanosanao tao anatin'ny asa soratra izay?

 

 

Angolam-binany

Misy voninkazo
mifelan-tsy niniana
ato anaty nofinofiko
Avy any an-danitra avo
tsy fanta-piaviana
kanefa norangotiko
ho kalo tsara tenona
hivimbina hafaliana
ho anao miara-belona...

Izany kalo izany
dia angolana vinany
voasintona tsy nahy
avy any am-bazan-tany
niantso ny fanahy
handrary ny abidia
ho tonga Poezia
ho anao mpimamo nofy
Raiso dia tohofy!

Zo Sitrakiniavo


 

Zo Sitrakiniavo
Efa ela tokoa saingy toy ny vao omaly. Raha ny hetsika aloha no asian-teny dia tamin’ny 26 desambra 2014 no farany; tao anatin’ilay hoe “Onja iray firitsoka”. Raha resaka boky indray dia ny niarahana tamin’ny namana no betsaka. Io “Onja iray firitsoka” io no voalohany. Nisy ihany koa ny “Malaimisaraka” sy ny “Soradia” (Mey 2016), izay tsy ho ela intsony ny andiany faharoa. Maro ihany koa ireo boky itambaran’ny Mpiraifaribolana ahitana ny soratro, toy ny  “Fo ny teny”, “Mitsena masoandro”, “Misonga midina”... Tokana ihany ny boky ahy manokana hatreto, dia ny “RITSOKA”, nivoaka tamin’ny 2015.  Efa mihoatra ny 300 ny tononkalo voasoratra ankehitriny ary 18 kosa ny sombintantara.

 

Léa Fandresena
Efa miparitaka tokoa ato anaty tambazotra ato ny vaovao manaraka dia ny vokatra vaovao atolotrao ny mpankafy. Manana ny lohateniny izany, mavesa-danja tokoa. Azonao hazavaina ve?

 

Zo Sitrakiniavo
Atolotray angamba raha ny marimarina kokoa satria olona roa izahay no manoratra ao anatiny. Tafiditra ao anatin’ilay hetsika fanaon’ny Faribolana Sandratra isam-bolana ao amin’ny CGM ny famoahana ny boky “anjaVidy”. ”anjaVidy”, satria ny anjavidy dia hazo manana ny mampiavaka azy manokana. Hazo mora mirehitra izay izy io ary anisan’ny mahomby indrindra raha handrehetana afo, saingy ny afo tiana horesahina kosa amin’ity hatsika ity  dia ny “afo tsy matin’ny pôezia”. Tamba-teny ihany koa ny “anjaVidy”. Ny “anja” dia heverinay fa mariky ny hatsarana, izay tsy inona akory fa ny “pôezia” ary ny “Vidy” dia iarahantsika mahalala fa midika ho “Hasina” na “Lanja”. Eto izany ny “anjaVidy” dia fanomezana hasina ny pôezia.

 

Léa Fandresena
Mirahalahy ianareo nifarimbona ao anatin’ny lalao. Misy antony manokana ve ny nahatonga izay?

 

Zo Sitrakiniavo
I Tsy Avahana no namana fantatro voalohany tao amin’ny Mpiraifaribolana Sandratra, ary izy no anisan’ny nitarika ahy niditra tao. Tamin’ny “Onja iray firitsoka” izahay no efa niombom-panahy. Nitohy tamin’ny “Malaimisaraka” sy ny “Soradia” izany. Aleo dia tsorina fa tsy amin’ny soratra ihany no maha-mpirahalahy anay fa amin’ny fiainana andavanandro mihitsy. Malai-misaraka ara-bakiteny.

 

Léa Fandresena
Tantarao ary ny mety ho endriky ny seho.

Zo Sitrakiniavo
Ny tononkalo no anay mirahalahy fa ny antsa kosa dia an’ny Faribolana Sandratra, izany hoe iarahanay mamelona izy io. Tononkalo azo lazaina ho mifanohitra tanteraka ny anay raha ny hevitra voizina no asian-teny. Ezahinay izay hampifandray tendro azy ireo. Lalànan’ny natiora rahateo ny hoe ny miabo sy ny miiba no afaka mamoaka herinaratra.

 

Léa Fandresena
Ambarao ary ny fandaharampotoana.

 

Zo Sitrakiniavo
Ny zoma ho avy izao no hivoaka ny Boky, ary ny antsa dia hotontosaina ny sabotsy 15 aprily amin’ny 03 ora tolak’andro ao amin’ny CGM Analakely. Aorian’izay dia ezahina hoentina any amin’ny Faritra hafa miaraka amin’ny “Soradia” ny boky  “anjaVidy”.

 

Léa Fandresena
Misy fahatsiarovana tsara tokoa amin'io andro io, dia ny boky izany. Lazalazao ary momba azy.

 

Zo Sitrakiniavo
Matevina tsara ny boky satria 110 pejy be izao ary ahitana tononkalo 90 mahery. Anisan’ny mampiavaka azy ny sary natao tanana, niangalian’i Rojo Fanahy, mandravaka ny ao anatiny. Isaorana i Andriniela nanaiky nanolotra azy. Ao amin’ny Biraon’ny Faribolana Sandratra, Tahala Rarihasina, na miresaka aminay roalahy mivantana, no fomba anjifana ny boky  mandra-pahatongan’ny hetsika. Mazava ho azy fa misy azo jifaina mandritra ny hetsika. 10 000 Ariary monja ny hasiny.

 

Léa Fandresena
Misy azo anampiana izay rehetra voambara ve?

 

Zo Sitrakiniavo
Efa voalaza avokoa angamba, fa manasa antsika rehetra hiaraka handrehitra “anjaVidy” ho voninahitry ny pôezia  amin’io 15 aprily io. Tsy avelantsika ho faty ny afo fa hasandratsika hatrany amin’ny toerana tokony hisy azy ny Literatiora Malagasy.

 

Léa Fandresena
Misaotra anao Zo Sitrakiniavo.
Izahay ato amin'ny Pôetawebs dia mirary soa anareo mirahalahy hahavita soa ny seho ary mankasitraka indrindra anao nivahiny tato. Veloma tompoko!

pôetawebs©2017 - poetawebs@gmail.com