Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

06 aprily 2017

FANTSY FITO : TAPATAPAKAHITRA NIFANAOVANA TAMIN'I FANOJO

Hiaka-tsehatra i Fanojo, mpikamban'ny MPIZAKA STELARIM. Poety tanora izy ary nanokana fotoana kely ho an'ny mpiseran'ny Pôetawebs mialoha izany hetsika izany. Eo amorom-patana izy no mamaly ireo fanontanian'i Léa Fandresena.

 

Léa Fandresena

Faly miarahaba anao Fanojo tongasoa eto amin'ny Pôetawebs izay toerana ifaneraseran'ny mpanoratra sy ny mpankafy ny pôezia malagasy.

Fanojo 

Miarahaba anareo mpikarakara sy mpanetsiketsika ity vondrona ity ary indrindra isika mpankafy literatiora sy kanto malagasy. 

 

Léa Fandresena

Maro tokoa ny mpanaraka ny Pôetawebs te hahafantatra ny momba anao na eo anivon'ny fiaraha-monina na eo amin'ny kanto malagasy. Azonao omena fahafaham-po ve izy ireo?

Fanojo 

Randrianarivelo Tojonirina no ahafantaran'ny fiaraha-monina ahy fa Fanojo kosa no anarana nampisaloran'ny Andriamanitry ny hatsaran-tarehy ahy nanomboka ny taona 2009 rehefa niditra tamin'ny sehatry ny fanoratana aho.
Nanomboka tamin'ny kilasy famaranana no nanomboka nanoratra aho ary rehefa nianatra teny amin'ny Anjerimanontolo dia niditra tao amin'ny fikambanana MPIZAKA STELARIM, sampana teny sy lahabolana ary riba malagasy, ary mbola ao hatramin'izao.

Ny dingana teo amin'ny sehatry ny literatiora dia efa maromaro ihany toy ny famoahana boky niarahana tamin'ny mpiray fikambanana: VATOLAHIN-TSORATRA, SOKOELA... Vao tsy ela no nanao ny ZARAFANAHY niarahana tamin'ny fikambanana faribolana SANDRATRA.

 

Léa Fandresena

Vao haingana tokoa ny Zarafanahy. Ahoana no fahitanao azy? 

Fanojo

Nahafinaritra tamin'ny ankabopeny ny seho na tsy afa-po zato isan-jato aza izahay nisehatra sy nizara fanahy. Araka ny feo re teny ho eny dia  fahafinaretana sy fanahy nampangoritsina no tafapaka tany amin'ny mpijery sy ny mpankafy.

 

Léa Fandresena

Mikarakara hetsika hafa indray ianareo: Fantsy fito. Tsara be ny teny fanevanao dia ny hoe "pôezia tsy mitsaha mandroso no fanamby". Ahoana ny momba io? 

Fanojo

Io hetsika io dia fiaraha-miasa amin'ny faribolana Sandratra izay isaorana an-dry zareo hatrany. Seho kely zoma mahafinaritra. Izaho sy Fify (namana akaiky) no haneho ny pôezia sy ny talentanay amin'io io fotoana io.


Léa Fandresena

Voaray izay fa hafakely tokoa ity seho ataonareo ity. Azonao hazavaina ve ny lohateniny?
Ahoana ny endriky  ny seho sy ny zavatra maro tsara ho fantatra?

Fanojo

FANTSY FITO no nampitondrana ny lohatenin'ny hetsika.


- FANTSY raha ara-pamaritana dia zava-maranitra eo amin'ny tongotra akoholahy izay fitaovana entiny miady. Fa raha ampifandraisina amin'ny hetsika dia pôezia somary manindrona kokoa no entinay amin'io.


*FITO: midika fahafenoana sy isa masina amin'ny Malagasy satria masina ny pôezia... Ny hetsika rahateo dia hatao amin'ny fahafiton'ny volana aprily 2017 (4 ora).

Ny endriky ny seho indray? Hifandimby hifantsy amin'ny endrika samihafa izahay roa lahy ary ravahina hira eny anelanelany izany.

Ny boky aloha tsy hisy fa entina an-tsehatra avokoa ny asa soratra mampiavaka anay. Ny amin'ny manaraka no mety hisy eritreritra ny amin'izany angamba.

 

Léa Fandresena

Hanindrotsindrona tokoa izany ianareo. Azo ambara ve, lafim-piaraha-monina inona avy no ambaranareo amin'io? 

Fanojo

Hisy FANTSY amin'ny lafiny rehetra mihitsy na ho an'ny mpitondra firenena na ho an'ny mpitondra fivavahana na ho an'ny tanora, indrindra fa ny vehivavy!

 

Léa Fandresena

Izahay izany! Hamafiso kely àry ny fandaharam-potoana.

Fanojo

Dia manentana antsika àry hiara-hiFANTSY FITO aminay amin'ny 7 aprily manomboka amin'ny 4 ora hariva e!
Zoma mahafinaritra io, izay tanterahina ao amin'ny efitrano faribolana Sandratra (ambadiky ny Tahala Rarihasina).
MIAVIA ABY RY MPANKAFY pôezia!

 

Léa Fandresena

Omeo santionany kely hoe hanandraman-tsira!

Fanojo

Tsy ampahafirin'ny soavaly
nofolahiko Ikalakely ity

fa aza mampifila e!

Am-bava milaza hoe: TSY TIA

kanefa any misy ihany fitiava-mitanila
(...)

 

Léa Fandresena

Kay kay kay kosa! Masiaka be. Mila mahazaka tsara izay mijery rehetra. Misaotra indrindra dia manentana ny rehetra ho fantsihana daholo!

Fanojo

Tolorana fisaorana mitafotafo ihany koa ianareo manome sehatra anay toy izao!
Mitomboha hasina ary haja sy voninahitra avokoa ianareo Tompokolahy sy Tompokovavy!

HO ELA VELONA ARY TSY HITSAHA-MANDROSO ANIE NY pôezia MALAGASY!

pôetawebs©2017 - poetawebs@gmail.com