Créer un site internet

Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

10 jolay 2017

SOLOFO ANTENAINA MAHANDRIMANANA
Poety atolotr'i Mahatsangy Milavera

Manankarena mpanakanto ny haisoratra malagasy. Tsapa izany amin'ny fahamaroan'ny tanora ankehitriny miroboka ao antsahan'ny famoronana tononkalo. Mahavantana antsika izy ireny any amin'ny aterineto sy ny tambajotra sosialy. Tsy vitsy koa anefa ireo poety teo aloha fantatra ao anatin'ny bokim-pampianarana taloha saingy mety nohadinoina. Manana adidy amin'ny fampahatsiahivana azy ireny ny tranonkalanao Poetawebs raha nanadihady ny momba an'i Solofo Antenaina Mahandrimanana (SAM).

 

Heriarilala
Faly miarahaba anao, Mahatsangy Milavera, tonga soa eto amin'ny tranonkala Poetawebs. Antenainay fa hitondra vaovao mahaliana ho an'ny mpankafy ny poezia malagasy ianao.


Mahatsangy Milavera
Faly miarahaba ny Tranonkala Poetawebs sy ny mpanaraka azy rehetra! Misy vaovao tokoa izay hozaraina amintsika, antenaina fa hisarika ny fo aman-tsain'ny mpankafy poezia rehetra!
Tonga eto ny tenako hilazalaza ny momba an'i Solofo Antenaina Mahandrimanana. Anarana tsy henontsika matetika angamba kanefa azo antoka fa efa nahita sy namaky sombintsombiny amin'ny asa sorany isika na dia tany an-tsekoly aza.

 

Heriarilala
Hono, ho'aho, Mahatsangy, iza marina moa i Solofo Antenaina Mahatsangy ary nahoana no ianao no tonga eto?


Mahatsangy Milavera
Solon'anarana entina eo amin'ny tontolon'ny asa soratra ny hoe Solofo Antenaina Mahandrimanana na SAM fa Jean Jacques RABEMILA kosa no tena anarany. Mpanao asa soratra izay nifototra bebe kokoa amin'ny fanoratana tononkalo i SAM. Ambohibeloma - Arivonimamo no tanàna nahitany masoandro tamin'ny taona 1919 ary niaina ny fahazazany tany izy talohan'ny nifindrany teto Antananarivo. Tamin'ny 15 jona 1997 izy no nodimandry. Izaho Mahatsangy dia zafikeliny ary te hampahafantatra bebe kokoa ny amin'ireo asa-sorany, indrindra ny amin'ny bokiny "Valiha Mamatonalina."

Heriarilala 
Oviana no natonta io boky io?

Mahatsangy Milavera
Ny "Valiha Mamatonalina" dia amboaran-tononkalo ahitana tononkalo 36 nosoratan'i SAM. Tamin'ny taona 1947 no natonta voalohany ny boky raha 69 taona taty aoriana kosa (2016) ny fanontana fanindroany.


Heriarilala
Boky fahafiry amin'ny tsangan'asan'i SAM izany izy ity? Inona no tara-kevitra tena voizina ao anatin'ny boky?

Mahatsangy Milavera
Boky voalohany amin'ny sangan'asan'i SAM ny "Valiha Mamatonalina". Ny fifandraisana eo amin'ny zavaboary sy ny olombelona no tena mibahana ao anatin'ny boky, araka ny hita ao amin'ny teny fanolorana. Ny teny fampidirana dia nataon'ny Dokotera RABENIRINA Joseph sy NATIORANOMENA Narda. Ny sary rehetra ao aminy dia niangalian'i Kanto Natiora (nodimandry vao tsy ampy iray volana izay).

Fihaonana fotoana, toerana, toe-javatra mampiombona anaty sy ivelany amin'ny tontolo manodidin-Janahary izany ity "Valiha Mamatonalina" ity. Na izany aza dia voaresaka ao ihany koa ny amin'ny fiainana andavanandron'ny tsirairay, ny fitiavana, ny hafatra avy amin'ny Ray aman-dReny...
 

Heriarilala
Hafatra? Azo hazavaina kely ve?

Mahatsangy Milavera
Ny hafatra avy amin'ny Ray aman-dReny? Izay tokoa no maha mpanabe ny mpanoratra ary tsy mba mamorona izy fa miresaka izay andavanandrom-piainana izay, mba mametsovetso ny fitiavana toa ny poety rehetra ihany koa. Inoana anefa fa manana ny iavahany amin'ny maro i SAM izay mety hahaliana sy hahasarika ny mpankafy rehetra.


Heriarilala
Tery am-piandohana ianao dia nilaza fa tsy vaovao amintsika ny asa sorany, izany hoe tafiditra tao anaty fandaharam-pianarana ve?

Mahatsangy Milavera
Misy amin'ireo tononkalony tokoa no efa nianarana tao anaty fandaharam-pianarana, indrindra moa ireo natao teny amin'ny ambaratonga fototra. Anisan'izany ny hita ao amin'ny "Ny Voaary", "Fary Mamy" sns. Tsaroantsika angamba ny hoe:

"Fahiny fahazaza, raha tany ambanivohitra
 miara-mikarenjy amin'ny fody sy sorohitra..."

Na koa

"Mba tsy afako loatra, fa tiako, ry Neny,
 ny kintana kely mamiratra ireny;..."

Heriarilala
Io Boky  "Ny Voaary" io toa mbola ampiasain'ny mpianatry ny ambaratonga fototra ankehitriny. Ary inoana koa fa ireo mpamaky ny FARY MAMY rehetra dia mbola mahatsiaro tsara izany tononkalon'i Solofo Antenaina Mahandrimanana izany. Fa hono ho'aho, izy ve namoaka ny asa sorany tamina seha-kanto hafa ankoatra ny boky?


Mahatsangy Milavera
Ny boky ihany hatreto no seho kanto nivoahan'ny asa sorany. Na izany aza dia mbola eo am-panomanana ny famoahana izany eo amin'ny seha-kanto hafa ny taranany. Hatramin'izao aloha dia mifantoka kokoa eo amin'ny boky.


Heriarilala
Midika ve izany fa misy tononkalony voatahiry any am-bata ka tokony havoaka?


Mahatsangy Milavera
Misy ny amboaran-tononkalo mbola tsy nivoaka. "Vary Zato" moa no efa an-dalam-pikarakarana amin'izao. Dia araky ny voalazanao hoe misy ireo mbola mimpirina any am-bata, miandry ny fotoana mety.


Heriarilala
Misy azonao ambara ve ny fivelatry ny aingam-panahiny?

Mahatsangy Milavera
Misaotra. Eny, ankoatra ny aingam-panahiny manokana izay ahitana ny fifandraisany akaiky dia akaiky amin'ny zavaboary (zavamaniry, vorona, sns) sy ny fandinihany azy ireo dia anisan'ny mampiavaka azy koa ny fitiavana mpanoratra vahiny (Alphonse de Lamartine, Jane Taylor, Victor Hugo...) ka nahatonga azy nandika ny tononkalon'izy ireo ho amin'ny teny malagasy, eny fa na tsy nadikany tanteraka aza izany matetika fa andalana iray ohatra no iaingany.


Heriarilala
Ary ianareo taranany ve izany misy nandimby azy eo amin'ny fanoratana?

Mahatsangy Milavera
Fandrotrarana an-tanàna haolo: mandimby anaran-dray tsy satry. Misy amin'ny taranany tokoa no nandimby azy eo amin'ny fanoratana, na tononkalo io, na boky, na eo amin'ny tantara an'onjam-peo. Fa amin'ny ankapobeny dia mbola tsy mieritreritra ny hamoaka ny bokiny ny tsirairay fa mbola mifantoka amin'ny asa soratry SAM avokoa.


Heriarilala
Fantatrao ve raha nifanerasera tamin'ny poety hafa izy fahavelony?

Mahatsangy Milavera 
Misy tokoa ireo mpanoratra nalaza fahiny no nifanerasera taminy, isan'izany Ny Avana Ramanantoanina izay nanolorany tononkalo iray.


Heriarilala
Hamaranantsika azy ary e! Aiza no mety hahitana ny boky?

Mahatsangy Milavera
Ny mety hahitana ny boky hatreto dia ao amin'ny Librairie Antso Analakely, Librairie Loterana Analakely sy Antaninarenina ary Antsahamanitra. Efa miezaka ny manaparitaka izany amin'ny toerana hafa ihany koa izahay ankehitriny, mbola ho ampitaina miandalana eo ihany ny toeran-kafa. 7000ar ny saran'ny boky, azo atao koa ny miantso ny laharana 0343186935 raha toa ka tsy afaka manatona ny trano fivarotam-boky voalaza teo.


Heriarilala
Eny ary, manana hafatra ho an'ny mpitia ny haisoratra malagasy ve ianao mialoha ny hanaovana ny veloma mandra-piresaka indray?

Mahatsangy Milavera
Fankasitrahana feno ary famporisihana mba hitia sy hankamamy bebe kokoa ny haisoratra malagasy. Misaotra ny tsirairay izay manohana sy manome aina hatrany ny haisoratra malagasy amin'ny alalan'ny famakiana azy ireny.

Heriarilala
Isaorana mitafotafo ianao tonga nanafana ny tranonkalantsika tamin'ity androany ity ary nizara vaovao. Mandra-pitafa indray ary ô!

pôetawebs©2017 - poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 16/07/2017