Créer un site internet

Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

05 ôktôbra 2017

NITIAH NOSY, VAHININ'NY POETAWEBS

Poety iray fantatry ny maro eo anivon'ny tambazotra Facebook no vahinin'ny tranonkalanao. Dokotera koa no ahafantaran'ny maro azy eo amin'ny fiainana andavanandro ary nanangana sy mitantana akanin-jaza. Renim-pianakaviana izy ary vao tsy ela akory no niaraka nanangana ara-panjakana ny fikambanana SOA MAHATSANGY tamin'ireo namany Poety dimy mirahavavy.

Toetra Ràja
Miarahaba anao Nitiah Nosy tonga mitapatapakahitra aminay eto amin'ny Poetawebs ary misaotra indrindra nanaiky ny fanasanay. Raha tsy mahadiso, anaranao ara-panjakana ve no nampiasainao amin'ny diam-penina?

Nitiah Nosy
Miarahaba ny mpiserasera eto amin’ny ny Poetawebs! Nitiah Nosy dia solon’anarana isalorako eo amin’ny fanoratana. RAHARINOSY Tina Maria Nicole no tena anarako!

Toetra Ràja
Azonao fintimpitinina ve ny lalana nizoranao teo amin'ny tontolo maha poety anao?

Nitiah Nosy
Azo lazaina fa tena mbola anisan’ireo poety tsy mbola nahavita lalana firy aho! Vao tamin’ny taona 2015 mantsy no tena nanombohako nifantoka tamin’ity fanoratana ity, ka tsy dia tena mbola nisy zava-dehibe voatsangana na dingana efa vita afa-tsy ny hoe fanoratana tononkalo ary ny famoahana azy ireo amin’ny Facebook! Marina fa fony mbola tany amin’ny Lycée aho no efa nanomboka “nanoratsoratra” na tononkalo na tantara, saingy tsy mbola tena nifantohako! Ny antony angamba dia noho ny fianarana, io no mbola tena nibahana tao an-tsaina! Sady tamin’izany koa aho no efa nanana ny tanjona ny hoe ho “mpitsabo”, dia mbola izay aloha no tena nimasoana!

Toetra Ràja
Saingy raha nigadona ny 2015 dia nipololotra tsy voatana intsony i Nitiah Nosy!

Nitiah Nosy
Tamin’ny taona 2015 io tokoa no nifoha ho azy tsy nofohazina tao ilay ainga ary nanomboka teo dia tsy nijanona intsony!

Toetra Ràja
Tamin’ny ianao nampiato ny soratra, nisy fahabangana tsapa ve?

Nitiah Nosy
Tsy dia tena hoe “naato” fa ilay izy mihitsy izany no niato ho azy satria tsy dia nosainiko akory! Noho izany tsy nahatsapa fahabangana na fihafiana mihitsy aho! Ny ho mpitsabo mantsy no tena efa mba nofinofiko fony kely!

Toetra Ràja
Tsapa tokoa ankehitriny izay Nitiah Nosy “nifoha” izay satria saika isan'andro no mahavatra mampianoka tononkalo vaovao ho an'ny mpankafy azy. Fantapantatrao ve ny mety ho isan'ny tononkalo efa voasoratrao?

Nitiah Nosy
Eo amin’ny 400 eo angamba izy amin’izao!

Toetra Ràja
Betsaka tokoa izany Nitiah Nosy, indrindra moa fa tsikaritra ny fanajanao fitsipi-panoratana. Anisan'ireo mpianatra tia ny taranja malagasy ve ianao tany an-tsekoly?

Nitiah Nosy
Tsy dia tena tonga lafatra fa miezaka dia miezaka tokoa aho hanaja ny fitsipi-panoratana ary isaorako manokana ianao Toetra amin’ireo torohevitra sy fanitsiana ataonao!
Ankoatra ny taranja siansa dia nankafiziko tokoa ny taranja Malagasy. Tiako homarihina kely eto fa ny raiko dia  mpampianatra taranja Malagasy sady mpanoratra ihany koa ary izay dia azoko lazaina fa anisan’ny nisarika ahy ho tia manoratra tononkalo.

Toetra Ràja
Misy dokotera poety vitsivitsy amperimpanoratana amin'izao fotoana izao. Mety ho misy fitoviam-pijery ve ao amin’izy ireo?

Nitiah Nosy
Raha ny fahalalako azy dia tsy dia hoe misy fitovizam-pijery fa ny tsirairay dia samy manana ny talenta mampiavaka azy! Ary ny fanoratana amiko dia tonga ho azy ka afaka manoratra daholo n’iza n’iza ka teren’ilay ainga avy ao anaty!


Toetra Ràja
Misy lohahevitra mampiainga kokoa ny fanahinao noho ny hafa ve?

Nitiah Nosy
Tena tiako ity fanontanianao ity Toetra! Tiako tsindriana manokana mantsy fa izaho dia vehivavy nandalo ady sy sedra mafy teo amin’ny  fiainako! Ary anisan’ireny ny adiko amin’ny fanaovana tsinontsinona na ny fanambaniana ny vehivavy ka tena mahamora tohina ahy mihitsy io resaka io! Hany ka saika maro ny tononkaloko miresaka io toe-javatra iray io! Ary tena tsy mitsitsy aho amin’io fa dia tena mivantambantana! 

Toetra Ràja
Tsikaritra tamin'ny hetsika namoahana ny bokin'i Mialy Andrianina ianao. Fombanao ve ny mifampitakosina amin’ny poety eny an-tsehatra na amin’ny toeran-kafa?

Nitiah Nosy
Araka ny voalazako tetsy ambony dia tsy mbola nahavita dingana hafa ankoatra ny famoronana tononkalo aho na dia maniry tokoa aza, toy ny hoe fiakaran-tsehatra! Ny antony angamba dia noho izaho mbola azo lazaina fa vao haingana no tena nanoratra ary indrindra koa noho ny asako dia somary tsy manana fotoana firy aho! Nanotrona an’i Mialy Andrianina amin’ny maha-namako azy aho!

Toetra Ràja
Ankoatra ny Facebook, misy fomba hafa ametrahanao tononkalo sy ny momba anao ve?

Nitiah Nosy
Tsy mbola misy aloha hatreto fa tato ho ato ireo mpanao gazety no mindrana azy indraindray atao any amin’ny lahatsoratra soratany! Ohatra ny Lakroan’I Madagasikara.

Toetra Ràja
Mihevitra ny hamoaka boky ve aloha i Nitiah Nosy ato ho ato?

Nitiah Nosy
Efa ho herintaona angamba izay no nieritreretako na efa mba naniriako hamoaka boky saingy hatreto dia mbola tsy tanteraka! Maro ny antony… Ny azoko lazaina agamba dia hoe: tsy maintsy hamoaka boky aho, saingy tsy afaka hiteny kosa hoe ho ato ho ato na tsy ho ato ho ato!

Toetra Ràja
Sady dokotera i Nitiah Nosy no tompon'andraikitra amin'ny akanin-jaza kanefa dia renim-pianakaviana koa. Inona no tsiambaratelonao amin'ny fifehezana fandaharam-potoana ka mbola ahavitanao mamokatra tononkalo maro be ihany?

Nitiah Nosy
Hihi! Lava dia lava… Tsy vita angamba raha hotantaraina eto ny tontolon’ny androko iray! Ampiako kely ry Toetra a: renim-pianakaviana tokan-tena ary manan-janaka telo koa aho. Hihi!  Tsy dia misy hoe tsiambaratelo loatra fa dia hoe efa io no adidy tsy maintsy hatrehiko dia ezahiko harindra araka izay mety mba hahatontosa azy amin’ny antsakany sy andavany!  Izaho tsy dia manana fotoana na ora hoe tsy hanaovana n’inon’inona izany ao anatin’ny andro iray! Fa toa ohatra ny feno ny fandaharam-potoanako manomboka amin’ny 5 ora maraina ka hatramin’ny 9 ora alina any!

Ny tononkalo indray dia tsy dia hoe hakana fotoana manokana fa eny am-panaovana raharaha na eny am-perinasa eny no tonga ny aingam-panahy! Raisina ny finday na ny solosaina dia efa lasa izao!
Ny anampiako izay fotsiny dia izao! Ny filôzôfiam-piainako dia ilay hoe: Carpe diem!

Toetra Ràja
Izany hoe?

Nitiah Nosy
Izaho dia ilay olona tia miaina sy mankafy ny fiainana! Io dia efa mahafehy ny fiainako iray manontolo!


Toetra Ràja
Renim-pianakaviana "modely" tokoa ianao araka izany sy araka ny votoatiny taratra ao amin'ny rindrinao Facebook. Manan-javatra ambara angamba ianao momba ny toetoetran'ny fifandraisan'ny reny sy ny zaza.

"...ny fifandraisako amin’ny zanako: “namana akaiky”, ny tiako holazaina dia izao: tsy misy mihitsy ny elanelana..."

Nitiah Nosy
“Modely”? Hay ve! Hihi! Misaotra anao amin’izay Toetra!  Tsotra ny hamintinako ny fifandraisako amin’ny zanako: “namana akaiky”, ny tiako holazaina dia izao: tsy misy mihitsy ny elanelana… Ary izay no tokony ho izy amiko! Mba tsy hisian’ny elanelana dia tsy misy afa-tsy ny fanetren-tena, ary ny fiezahana foana maka ny toeran’ny zanaka fa tsy mametraka ny tena hoe izaho reny dia ny ahy foana no marina! Ilaina ary zava-dehibe ny fifanakalozan-kevitra! Mila mahay mihaino ny reny, henoina ny hevitr’ireny ankizy sy tanora ireny ary tsy tokony hotsinontsinoavina! Avy eo ianao vao mitondra ny hevitrao na ny fanitsiana raha ilaina ary atao am-pitoniana sy am-pitiavana daholo izany!

Toetra Raja
Eo koa ny fifampitokisana…

Nitiah Nosy
Zava-dehibe koa ny fametrahana fitokisana amin’ny zanaka! Anisan’ny manampy hananany ilay atao hoe “auto-discipline” io ary izay no tena ilaina sy tokony hotrandrahina eo amin’ny fitaizana! Mahatonga ny ankizy tsy handainga io satria tsy ny tahotra anao no tsy anaovany zavatra iray fa noho ny fahaizany sahady mitsara tena ka hanitsiany ny tenany noho ny fahalalany ny mety ho vokatry ny zavatra ataony! Tsindriako bebe kokoa hatrany nefa fa ny fitiavana sy ny fanehoam-pitiavana no zava-dehibe indrindra eo amin’ny fitaizana!

Toetra Ràja
Misaotra Nitiah Nosy fa mavesa-danja sy misy hotsakotsakoina izany fanazavanao izany. Manana adidy eo amin'ny fiaraha-monina koa ianao. toy ny fikambanana SOA MAHATSANGY. Azonao fintinina ve ny antom-pisian'io fikambanana io?

Nitiah Nosy
Soa Mahatsangy dia fikambanana vehivavy poeta! Anisan’ny voalohany eto Madagasikara angamba raha tsy diso aho! Poety namana iray, Ikaloina Vony, no tompon-kevitra tamin’ny voalohany! Noresahiny tamiko ilay izy! Ka izaho tokoa ilay hoe nitady toko ka sendra vato satria tena tiako ilay hevitra ka tafaray ny tia sy ny manina e! Ankoatra ny ara-kolotoraly dia anisan’ny tarigetranay ao ny mba hitondra ny anjara birikinay eo amin’ny fiaraha-monina indrindra ao amin’ny lafiny fampandrosoana ny vehivavy sy ny fametrahana amin’ny toerany ny maha izy azy ny vehivavy! Tsy hoe hiady amin’ny lehilahy akory izahay fa hiady kosa ny anjaran-toeranay eo amin’ny fiaraha-monina!

Toetra Ràja
Ny somary nanaitra ny maro angamba dia ilay izy hoe fikambanana poety tsy natao manokana ho an' ny fanandratana poezia fa ho an'ny asa sosialy. Te hanaporofo ve ianareo mpikambana fa manana toerana ao amin'ny fiaraha-monina ny poety ankoatra ny fiangaliana fihetseham-po?

Nitiah Nosy
Izay mihitsy! Ny poeta dia tokony hanana anjara toerana lehibe eo amin’ny fiaraha-monina! Eny fa na dia amin’ny alalan’ny tononkalo soratana aza dia tokony ho fantatry ny poeta fa mpampita hafatra izy! Ary ny asa-sorany dia mety hanova zavatra maro amin’ny fiainan’ny olona iray na ny fiaraha-monina!

Toetra Ràja
Mety hisy hetsika ara-tononkalo ataon'ny fikambanana ve?

Nitiah Nosy
Tena hisy tokoa ny hetsika izay kasaina hatao ho fampahafantarana ny fikambanana! Mbola tsy voafaritra mazava tsara ny daty hanaovana azy fa tsy maintsy hisy izy io ato ho ato!

Toetra Ràja
Mety ho nisy poety zokiny ve notarafinao ka nahatonga anao ho poety?

Nitiah Nosy
I “Rado”, tena ankafiziko tanteraka! Ary fony mbola ankizy aho. “Dinitra” no anisan’ny boky famakiko matetika!

Toetra Ràja
Ahoana ny fijerinao ny tononkalo ankehitriny?

Nitiah Nosy
Mahafinaritra fa tena maro tokoa ireo tanora miezaka mitrandraka sy manandratra ny literatiora malagasy amin’ny alalan’ny tononkalo! Mahavelom-panantenana!
Ny hitako somary lesoka nefa dia ilay tsy fahafehezana ny tsipelina! Io no hitako hoe mbola mila ezaka lehibe!

Toetra Ràja
Hahaliana ny mpiseran'ny Poetawebs raha manolotra ho azy ireo andinin-tononkalo iray ianao.

Nitiah Nosy
Mahafaly ahy ny manolotra ity tononkalo izay anisan’ny nankafizin’ny mpiserasera Facebook ity!

 
SAOSETY FOANA

Fony mbola kely,
tsy hadino velively:
ny mihinana saosety,
hatramin'ny andro fety!
Alatsinainy ny andro:
saosety no nahandro;
ny talata indray:
saosety sy sakay!
Rehefa alarobia:
laroina voatabia;
ny alakamisy moa:
saosety atao ro!
Tsaroana ny zoma:
nasiana anamalah(o);
somary asiana voanjo:
fa sabotsy ny andro!
Ka ny alahady tsena,
vao mba nampiana hena!
Ny menomenonay,
ankizy tsy nahay:
ny fiainam-pihafiana,
noho ny tsy fisiana:
"dia ny aza misy ihany
saosety an-tokontany!
Fa  saosety foana
ef’ho mandavan-taona!"

Nitiah Nosy



Toetra Ràja
Azonao itantarana tsiaro mahatsikaiky iray nitranga na niserana teo amin'ny fiainanao ve ny mpisera?

Nitiah Nosy
Maro be fa eo amin’ity resaka tononkalo ity ihany no mba tiako hozaraina eto! Araka ny notantaraiko teo dia efa nanoratsoratra ihany aho taloha fa nisy fiatoana moa izany! Taty amin’ny taona 2015 indray vao nifoha ho azy tao ilay izy! Ny toerana nifohazany no somary mahatsikaiky satria tamin’ny toerana iray ilay antsoina hoe “trano kely fisainana”! Tononkalo iray manontolo no voaforona tao , nisy andalana maromaro! Nivoaka haingana nandray an-tsoratra fa tsy nisy latsaka na dia fehezan-teny iray aza! Hihi! Teo dia tsy nijanona intsony ny fanoratana fa nitohy foana.

Toetra Ràja
Eto am-pamaranana misy hafatra tianao hozaraina ho an'ny Poetawebs sy ny mpiserany ve?

Nitiah Nosy
Ny hafatra angamba dia tsotra ihany ny ahy :”Ankafizo ny miaina ary hararaoty na dia ny segondra iray aza fa tsy hiverina intsony iny!” Nitiah Nosy

Toetra Ràja
Misaotra indrindra Nitiah Nosy amin’ny alalan’izay hafatra mafonja izay. Mirary soa sy fahombiazana ho anao.

Nitiah Nosy
Mankasitraka Toetra!

 

pôetawebs©2017 - poetawebs@gmail.com