Créer un site internet

Tantely amam-bolana - Faniry Ezeckiel

Tapatapakahitra - 19/11/2023

Tapatapakahitr'i Faniry Ezeckiel sy Heriarilala

TANTELY AMAM-BOLANA


Miarahaba antsika mpanaraka ny vaovaon'ny literatiora indray izahay eto amin'ny Tranonkala Poetawebs. Manam-bahiny tompon-trano isika anio, tompon-trano satria pôeta tsy zovina amintsika no hitafa eto anio, tsy iza fa i Faniry Ezeckiel, izay mpanadihady tononkalo eto amin'ny tranonkalantsika. Ankoatra izay dia poetan'ny Faribolana Sandratra izy.


Heriarilala
Faly miarahaba anao Faniry Ezeckiel

Faniry Ezeckiel
Miarahaba anao Heriarilala, kopa-tanana ho anareo mpanjohy ny tranonkala Poetawebs.

Heriarilala
Tsy hampiandry ela isika fa 'ndao holazaina ny mpanaraka avy hatrany ny vaovao nentinao.


Faniry Ezeckiel
Misy tokoa ny vaovao. Ho fanamarihako ny fahafolo taona nilomanosana tao anaty literatiora, hamoaka ny boky TANTELY AMAM-BOLANA aho, raki-tsora-kanto ahitana takila 140, voaravaka tononkalo sy riankalo. Ao amin'ny Tranoben'ny Serasera sy ny Kolontsaina Akon'Ankaratra aty Antsirabe no hamoahana ofisialy azy, ny 25 Novambra 2023 ho avy izao, hanomboka amin'ny iray ora sy sasany tolaka andro.


Ny mampiavaka ny boky


Heriarilala
"Tantely amam-bolana, azonao vahavahana aminay ve ny hevitr'izany lohateny izany?

Faniry Ezeckiel
TANTELY AMAM-BOLANA :Lohateny azoko amaritana ny fiainako tao anaty literatiora nandritra izay folo taona izay. Tantely amam-bolana (Teny) ny literatiora, ilazana teny mamy naloaky ny aingam-panahy, hamokisana ny betron'ireo mpamaky sy mpankafy. Tantely amam-bolana (fotoana) ny fitiavana : mamy ao anatin'ny fotoana voafetra, miova manaraka ny vanim-potoana. TANTELY AMAM-BOLANA (volana eny ambony) ny poezia, mamy sy kanto, mampihetsi-po ary mampanofy sy iainana mihitsy ny lafatra sy ny fanaperana. Raha kisarin-teny ny TANTELY AMAM-BOLANA dia:

- Teny navadika avy amin'ny hoe volana tantely.
- Nanoherana amin'ny fomba ankolaka ny fomba fiteny hoe : "Tantely amam -bahona ny fiainana"

Heriarilala
Bokinao fahafiry moa izy ity?


Faniry Ezeckiel
Bokiko manokana faharoa taorian'ny TAMBERIN'ANJORIA (2018) izy ity saingy raha ny boky niarahana tamin'ireo namana poeta dia efa nisy vitsivitsy ihany.

Heriarilala
Inona no heverinao fa mampiavaka ity bokinao ity?

Faniry Ezeckiel
Ny mampiavaka ireo aingam-panahy ao dia mitantara fiarahamonina sy fitiavana saingy miampita any amin'ny fijery hafa ivelan'izay eken'ny sarambabem-bahoaka ny hafatra tiana hampitaina ao anatiny. Toetra Ràja no nanao ny teny fanolorana ary i Fetra Azazel no nanao ny sori-piainako.

Ny fotoana ao Antsirabe


Heriarilala
Inona no mety hanpiavaka ny fotoana amin'io 25 Novambra io ankoatra ny antsa?

Faniry Ezeckiel
Ankoatra ny antsa izay hiangaliana ireo tononkalon'i FANIRY EZECKIEL namakivaky izay taona folo izay, hisy fifaninanana mamaly ireo asasoratra nosaratako izay hahazoana fanomezana, hisy mpihira ho avy ary kanto maro loko amin'ny endriny isan-karazany ary faranana amin'ny Afonangatra (antsa manodidina ny kitay mirehitra) ny hariva mandra-maraina, aorian'ny seho rehetra.

Heriarilala
Faniry Ezeckiel a, hazavao tsara amin’ny mpankafy ny fomba fandraisana anjara amin’ilay fifaninanana.

Faniry Ezeckiel
Voalohany aloha, dia mifidy tononkalo iray na riankalo iray nosoratako, asiana setriny iny ka soratana mazava hoe setrin’ilay asasoratra mitondra ny loheteny hoe : "...". Faharoa, atao dika mitovy efatra ny setrin’iny asasoratra iray iny dia atao ao anaty valopy iray lehibe. Fahatelo, aterina mivantana ao amin’ny MI RADIO Malagasy eo ampitan’ny Arotel, mandray foana isan’andro na aterina mivantana eny amin’ny Energie Radio Vatofotsy rehefa sabotsy sy alahady.

Heriarilala
Mazava ny amin’iny, mba zarao aminay mpankafy indray hoe ny niainanao izany folo taona nanoratana izany ?

Faniry Ezeckiel
Tantely amam-bolana araka ilay lohatenim-boky tokoa. Teo amin'ny sehatry ny literatiora, nandalo dingana maro, nanovo traikefa tsikelikely, nentina nanabe voho ny aingam-panahy sy ny talenta ary ny fahalalana. Maro be ireo sarotra sy olana ary sakana tsy mora nodinganina saingy ireny no nampitombo tsiro ny fitiavana azy ,ary naha be mokon-doha, tsy ho lavon'ny fingana sy sedra maro. Tao anatin'ny Faribolana Sandratra sy ny tranonkala Poetawebs no ivon'ny kianja namakivakina izay lalana izay. Teo amin'ny fiainana amin'ny andavanandro sy fiainana manokana ihany koa dia nandalo fiovana maro, dingam-piainana maroloko, fa ny literatiora no nandrotsirotsy tamin'ny andro sarotra. Misy fotoana tena mampiondrika tanteraka satria misy tamin'ireo olona tena akaiky aza no namadi-pitokisana sy nanary tamin'ny sarotra fa ny literatiora no hery nanohana sy nampiroso hatrany. Tsy mora araka izany ary tena mihatra aman'aina saingy rehefa teo ny fitiavana sy ny finiavana, afa-nandresy foana.

Faniry Ezeckiel sy ny literatiora

Heriarilala
Firy taona nanoratana izany ianao no tapa-kevitra hiditra fikambanana?

Faniry Ezeckiel
Vao nanomboka niana-namindra teo amin'ny soratra dia efa nikaroka sahady izay fikambanana hoenti-mampivoatra sy hoenti-maneho ireo sanganasa fa tany amin'ny taona 2017 vao tanteraka izany tany amin'ny Faribolana Sandratra sampana Ambatolampy, ary avy hatrany dia namaky lay sy nandrindra ny sampana tany nandritra ny telo taona.

Heriarilala
Folo taona any ho any no nanoratanao ry Faniry Ezeckiel misy tanora vao manomboka manoratsoratra ao anaty kahie, maniry ny ho tonga toa anao izao, inona no torohevitrao ho azy?

Faniry Ezeckiel
Ohariko toy ny olombelona ny fiainana ny kanto. Teraka, mandady , miana-mamindra, ankizy, miala sakana, tanora, olon-dehibe matotra, antitra, maty (fa mbola velona ny fanahy, mitety ny habaka). Tsikelikely sy mandeha ambaratonga ny fiaianana anaty literatiora. Miroso tsikelikely, raha mahatsapa fa voantso ho amin'io lalana io dia aza mivily lalana , aza mihemotra raha tojo sedra omban-tsakasakana, aza maika hitsambikina na tahaka ny inona fitiavana sy faniriana, ary indrindra indrindra AZA MIFANINANA AMIN'NY HAFA. Samy manana ny hanitra mampiavaka anaty Fanahy manko na dia zaridaina iray aza no itoerana. Ny vanim-potoana irery ihany no hametraka amin'ny toerana ny kanto nilomanosana sy nisasarana. Aleo ny mpamaky no hametraka ny toerana fa tsy mipetraka mialoha... Aza manaiky resin'ny sakana isan-karazany fa ny lafatra tsy azo mora na ananana aza ny hatsaran-tarehy. Farany, raha tena hikatsaka ny kanto fanaperana dia tokony tsy ho afa-po n'a oviana na oviana.

Heriarilala
Mafonja dia mafonja izany hafatra izany ho anao izay vao miana-mamindra ka maniry ho lasa lavitra. Etsy àry, tsiahivo kely ange ilay fotoana amin'ny 25 Novambra sy ny ho fizotran'ilay fifaninanana.

Faniry Ezeckiel
Raha hatao bango tokana ny fotoana amin'ny 25 Novambra Io, hetsika hamoahana ny boky TANTELY AMAM-BOLANA, hetsika tsangambaton'ny fahafolo taona nilomanosako tao anaty literatiora izay ampitson'ny tsingerin-mirona nahaterahako. Hisy fifaninanana maneho ny setrin'ny tononkalo novolain'ny aingam-panahin'i FANIRY EZECKIEL, hahazoana fanomezana amin'io. Antsa tononkalo ravahina vazo sy zava- kanto maroloko Ary faranana amin'ny Afonangatra no ho tazana handritra izany. Hifamotoana ao amin'ny Tranoben'ny Serasera sy ny Kolontsaina Akon'Ankaratra (piste Vatofotsy Antsirabe) araka izany isika mpiangaly literatiora rehetra, indrindra ireo eto amin'ny faritra Vakinankaratra sy ny manodidina.Tsiahivina fa hanomboka amin'ny iray ora sy sasany tolaka andro ny fotoana.

Heriarilala
Misaotra anao Faniry Ezeckiel nahafoy fotoana ho an'ny mpanaraka antsika. Tanteraha soa aman-tsara ny amin'ny 25 Novambra ho avy izao. Mandra-pitafa.

Faniry Ezeckiel
Mankatelina indrindra namana Heriarilala, niara-nitapatapakahitra teto, mirary ny soa hatrany ho an'ny Tranonkala Poetawebs, mankatelina antsika nanjohy ny ranty teto, sitraka sy telina indrindra, veloma mandra-piresaka indray.



Date de dernière mise à jour : 19/11/2023