Créer un site internet

 

Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

08 Martsa 2016

Tapatapakahitra niarahan'ny Pôetawebs tamin'i Aingampanahy Feon'ny Saina

Aingampanahy Feon'ny Saina, na Raharimalala Rodalson Jenny araka ny hita ao amin'ny karapanondrony, no vahinin'ny Poetawebs amin'izao fiandohan'ny volana martsa 2016 izao. Poeta izy ary mpiray faribolan'ny Sandratra. Mampiely tononkalo matetika ao amin'ny Facebook izy ka izay indrindra no nifankahalalany tamin'ny Poetawebs. I Toetra Raja no mitapatapakahitra aminy.

 

Toetra Raja
Miarahaba anao Aingampanahy Feon'ny Saina. Misy tokony ho ampiana ve ireo voalaza ireo?

Aingampanahy Feon'ny Saina
Miarahaba anao Toetra Raja ary faly miarahaba ireo mpamaky rehetra ihany koa!
Ny tiako ampiana kely angamba dia ny fampahafantarana kely ny momba ahy.
Efa voalaza tetsy ambony moa ny anarana, fa ny hany ampiana kely dia hoe: renim-pianakaviana i Aingampanahy, manambady ary manan-janaka roa lahy, 31 taona izy izao, ary miasa tena (manao multi service). Mipetraka aty Tsiroanomandidy moa izahay
!


Toetra Raja
Aingampanahy Feon'ny Saina,  lava sady mahalaza zavatra betsaka ny anarana diampeninao. Azonao hazavaina ve?

Aingampanahy Feon'ny Saina
Ny momba ny anarana entiko moa dia toa somary hafa ihany ilay izy hoy ny olona. Ny marina dia tsy izaho no namorona azy fa ny vadiko. Nanana anarana ihany aho teo aloha (Nofy Ravaka Ihariana) fa rehefa nivady izahay dia mba nanontany azy aho ny amin'izay mba tiany ka dia nomeny an'io! Inoako fa taratry ny toetrako tia mandinika no nanaovany ilay hoe feon'ny Saina (angamba) !


Toetra Raja
Mahagaga anefa fa maro ireo Poeta manana olana amin'ny tokantranony!

Aingampanahy Feon'ny Saina
Raha ny ahy manokana aloha dia tsy misy olana loatra satria tsy manelingelina ny fiainan-tokantranoko, ary manohana ao ambadika ihany koa ramose e!


Toetra Raja
Oviana ianao no nanomboka namindra teo amin'ny famoronana poezia ary nisy antony manokana ve?

Aingampanahy Feon'ny Saina
Efa fony vao kely aho dia efa tia mamaky asa soratra, sy tia ady rima, tsy dia misy antony manokana fa ankafiziko fotsiny ilay izy!
Ny fotoana nanombohana nanao poezia ? Fony vao nanoratra aho dia poezia no nosoratako voalohany. Poezia tsotra kely tamin’izany, manenjika ady rima fotsiny tsy dia nifono hevitra tsara loatra. Fialam-boly sady ankafiziko ny manoratra! Ao amin’ny penina sy ny takelaka ihany koa no hizarako ny hafaliana sy alahelo ao anatiko!


Toetra Raja
Inona no lohahevitra mahavantana anao?

Aingampanahy Feon'ny Saina
Ny lohahevitra mahavantana moa izany dia ny embona sy hanina,  ny fitiavana ary ny fitiavan-tanindrazana!


Toetra Raja
Raha sitrakao dia hiato kely amin'ny "fitiavan-tanindrazana" isika. Ahoana ny fomba fanehoanao izany?


Aingampanahy Feon'ny Saina
Amiko ny atao hoe fitiavan-tanindrazana aloha dia fanandratana ny maha Malagasy, koa dia asehoko amin'ny alalan'ny anatra, indraindray koa misy tsikera, ary ny matetika dia maneho alahelo mihitsy aza!

Aoka itsy re rey olona ny diso faka tahaka!
'Ndrao ho tratra tsy omby tolona, ka dia ho valak'ahaka!
Ka hoy aho aminao, azafady re hajao!
Tiavo sy tandrovy ny maha Malagasy anao.

AINGAMPANAHY F.S


Toetra Raja
Araka ny hevitrao, izany aingam-panahy mahavantana Poeta maro izany ve mety hisy fiantraikany eo amin'ny fampivoarana ny firenentsika?


Aingampanahy Feon'ny Saina
Raha ny marina dia tokony hampisy fivoarana raha miray hina ny mpanakanto (feo miray) ary miainga avy any amin'ny tsirairay avy ny antoka hampahomby izany fampivoarana izany! Ohatra: ny poeta dia tokony samy mba hivelatra amin'ny sehatra maro ary atao hita taratra ao anatin'ny kanto voizina ny fanandratana ny maha Malagasy !


Toetra Raja
Amin'ny fotoana inona no tena mampivelatra ny aingampanahinao?


Aingampanahy Feon'ny Saina
Tsy dia voafaritra loatra aloha ny fahatongavan'ilay aingampanahy e! Indraindray rehefa mahita trangam-piaraha-monina, indraindray rehefa manembona na mahatsiaro ny havana sns.!

...Ny henatra izany dia mila hiseho
Ny an-dry zavavy, vao nahita aho izao aninkeheo
Mila tsy ho takona intsony ny afenina
Dia ny maso no kaody ka mila ho jambena
-------------
O ry tanora malala tandremo,
Tsy ratsy tsy akory ny tia fandrosoana 
Saingy ny maha-Malagasy anao mba areno
Aza hamavoina sy hasohasoina.

AINGAMPANAHY F.S

 

Toetra Raja
Oviana ianao no voaray tao amin'ny faribolan'ny Sandratra? Inona no nahasarika anao tao?

Aingampanahy Feon'ny Saina
Vao haingana ihany moa aho no voaray ho mpiray faribolana tao amin'ny Sandratra; nefa na izany aza antenaiko sahady fa hanampy ahy be dia be eo amin'ny fampivelarana ny talentako ny ao! Ny tena nahasarika ahy dia ny firaisan-kina ao anatiny. Efa hitako ny namana sasany izay namoaka cd, boky, ary dia taratro ilay firaisana amin'ny maha mpiray faribolana ao! Fifanampiana e!

Manantena fiaraha-miasa feno amin'ireo mpiray faribolana ihany koa moa ny tenako hatreto!

 

 

Toetra Raja
Manana fifandraisana manokana amin'ny Poeta hafa ve ianao?

Aingampanahy Feon'ny Saina
Fifandraisana amin'ny poeta? Manana namana poeta maro aho ao amin'ny Facebook ary ao koa ireo namana mpiray faribolana mifanerasera amiko toa an-dry Avelo Nidor !

 

Toetra Raja
Ahoana tokoa ny fomba fandraisanao anjara ao amin'ny Sandratra. Misy sampana ve any Tsiroanomandidy?

Aingampanahy Feon'ny Saina
Misy Sampana Sandratra eto Tsiroanomandidy ka, ary efa maro ny poeta sangany ao! Eto ihany izahay no mivory rehefa misy fivoriana.


Toetra Raja
Voalaza tany amboalohany fa mampiely tononkalo ao amin'ny Facebook ianao. Poeta ve ny ankabeazan'ny namanao ao?


Aingampanahy Feon'ny Saina
Poeta tokoa ny 60%'ny namako ao amin'ny Facebook ary mpankafy ny sasany!


Toetra Raja
Anisan'ireo Poeta mpanenjika isan'ny TIAKO (j'aime) ho an'ny tononkalonao ve ianao sa manana tanjona hafa mihitsy?

Aingampanahy Feon'ny Saina
Tsy dia ilay manenjika (J'aime) aloha no tanjoko ao amin'ny Facebook e! Fa ilay mba fizarana ny haikanto, ary anatra ihany koa matetika no entiko ho an'ny tanora any anatin'ny tononkaloko!


Toetra Raja
Karazana vondrona inona ao amin'ny Facebook no mahasarika anao?

Aingampanahy Feon'ny Saina
Ny vondrona tena tiako izany dia ireo mpandala ny asa soratra malagasy sy fanandratana ny teny malagasy. Ny tsipelina sy voambolana koa dia vondrona tena tiako!


Toetra Raja
Manana paik'ady hafa voizina ve ianao entina mampivelatra sy mampiely ny sanganasanao ankoatra ny Sandratra sy ny Facebook?


Aingampanahy Feon'ny Saina
Ny paik'ady aloha izao dia ny fiketrehana famoahana boky, izay vinaina ho amin'ity taona ity! Ny manaraka mbola ho hita eo ihany!


Toetra Raja
Ary ny sehatra?

Aingampanahy Feon'ny Saina
Tena mba iriko ihany koa ny hiantsa an-tsehatra fa mbola ho hita eo ny fahafaha-manao, mbola ankinina amin'ny tomponandraikitra ao amin'ny faribolana Sandratra!


Toetra Raja
Eo amin'ny fiainana andavanandro, inona no zavatra tianao sy ankahalainao indrindra?


Aingampanahy Feon'ny Saina
Ny tena tiako aloha dia ny manoratra sy ny mihira. Ny tsy tiako indrindra dia ny mahita ireny olona (Malagasy) tsy miteny malagasy mazava sy ny mahita mpanoratra mandiso tsipelina ny teny malagasy. Tsy tiako ny olona manoratra amiko soratra someso.

Ary farany dia tsy tiako ny olona tsy manaja olona sy tsy manaja ny tenany: fitafy, fiteny, fahalalam-pomba.


Toetra Raja
Mahafantatra tsara ny Poetawebs ve ianao?

Aingampanahy Feon'ny Saina
Efa mpandalo matetika ao anatin'ny tranonkalan'ny Poetawebs aho ary dia mankafy ny famakafakana tononkalo sy ny tapatapakahitra atolony.

Manandratra ny tontolon'ny Poeta sy ny poezia malagasy ny tranonkala Poetawebs amin'ny alalan'ny :

- tapatapakahitra
- famakafakana tononkalo
- tatitra sehatra
- lahatsoratra mahakasika ny poeta sy ny poezia

http://poetawebs.e-monsite.com

Toetra Raja
Misaotra indrindra Aingampanahy Feon'ny Saina. Teny fohy momba an'i Tsiroanomandidy raha sitrakao.

Aingampanahy Feon'ny Saina
Raha hilaza fohy ny momba an’i Tsiroanomandidy dia izao : toerana mamokatra aty aminay. Ny omby no tena mampalaza azy ary ambohimpihaonan’ny foko rehetra koa eto satria dia hita eto daholo ny foko 18 misy eto Madagasikara! Mifankatia ny olona ary mahay mifanampy ihany koa satria mpila ravin’ahitra daholo fa tsy misy tompon-tany ao!
Malaza matetika ny tsy filaminana raha vao miresaka Tsiroanomandidy saingy tsy dia marina loatra ny hoe be dahalo, raha ny eto an-tampon-tanana aloha. Any ambanivohitra lavitra be any no misy halatr’omby ary tsy dia isanandro aza fa mahalana izany!


Toetra Raja
Misy hafatra ve eto ampamaranana tianao apetraka ho an'ny mpiseran'ny Poetawebs sy ireo mpankafy ny tononkalonao?

Aingampanahy Feon'ny Saina
Ny hafatra mba tiako hapetraka dia ny hoe : mampahery ireo poeta sy mpiangaly ny kanto malagasy rehetra ary manentana ny mpiray tanindrazana rehetra ihany koa mba hanandratra ny maha Malagasy fa tsy ho andevozim-pandrosoana ka manary ny soatoavina ananantsika. Dia misaotra ny Poetwebs nampiantrano! Ho ela velona anie ny MAHA MALAGASY!

Toetra Raja
Misaotra tompoko! 

Pôetawebs©2015 - poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 15/03/2016

×