Créer un site internet
Andro romotra, tononkalon'i Niry-Solosoa, nohadihadian'i Tsiky Rakotomavo
PÔETAWEBS "Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto"

27 jona 2020
Pôetawebs Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
 T.Ràja
Pôetawebs
sary nindramina Andro romotra

Mpanoratra : Niry-Solosoa
Nanadihady : Tsikimilamina Rakotomavo


Pôetawebs
Niry-Solosoa
Tsikimilamina Rakotomavo

      Iainan’ny isam-batan’olona manerantany ankehitriny ny fahasorenana ateraky ny tranga samihafa mampikorontana ny fiainam-piarahamonina ankapobeny. Miresaka izany fahasarotana izany indrindra i Niry-Solosoa tao amin’ny tononkalony nampitondrainy ny lohateny hoe: "Andro romotra" izay nosoratany ny 31 mey 2020 tamin’ny 6 ora maraina. Asongadiny amin’izany fa mihatra amin-koditra ary mila tsy ho zakan’ny aina ireo olana maro be mianjady amin’ny tsirairay eo anivon’ny tontolo. Hamahavahana izany akaiky àry dia havohitra ireo endri-pahasahiranana tsikaritra eo anivon’ny fiarahamonina. Na izany aza anefa dia ahariharin’ny mpanoratra fa misy ny vahaolana dia ny fanarahana ireo fepetra tokony  horaisin’ny rehetra manoloana ireny tranga ireny. Ezahina hovoaboasana mifanesy izany.

*
*      *
    Eto am-panombohana àry dia tsara raha handalanina ireo endri-pahasahiranana tsikaritra eo anivon’ny fiarahamonina. Hita tokoa  amin’izao vanimpotoana izao fa mora tohina ny ankamaroan’ny olo-miaina. Raha vao misy toe-javatra tsy mifanaraka na tsy mifanandrify amin’izay heverina fa mari-mahitsy dia mampisendaotra azy ireny avy hatrany.

ANDRO ROMOTRA

Mandro haromotana ny vaninandrontsika
Koropaka ny atsy koropaka ny aroa
Kororosifahana ny saina ka mivika
Koranam-pifaliana tsy tazana intsony
Kororokan-dresaka mandrangitra fantsy
Koretika ny fo ka manangon-donilony
Korapaka ny maro ka mifampihantsy
Mandry haromotana ny saina mifanebaka

Atsaharo hatreo ny "akorinao izay"
Mahaiza mifamela mifona sy mibebaka
Ny avonavom-po ange tsy tian’ny Ray
Mandrangitra haromontana ny tany fandalovana
Izay mitranga eto asidra fitsapana
Antomotra ny andro tsy azo ivalozana
Ny andron’Izy Tompo ilay andro fitsarana
Miandra ny fanahy iraky ny zanaka
Hananatra hankahery ny mpino tsy ho lanaka
Miandry am-pitoniana ny fo madio ka sambatra
Mandry amin-toky tsy korodosin’angatra

Niry-Solosoa
31 mey 2020 tamin’ny 6 ora maraina


   
Ny tsy fitovian-kevitra noho ny firehan-kevitra samy hafa, ny fahalalana tsy mitovy, ny fiheveran-tena ho zavatra no anton’izany. Eo indrindra no ilazan’i Niry-Solosoa amin’ny hoe:

"Mandro haromotana ny vaninandrontsika".

    Iainan’ny besinimaro ihany koa ankehitriny ireo olana isan-karazany toy ny fipariahan’ny valanaretina tena mandripaka aina maro, tsy fandriampahalemana; hany ka manjaka ny tebiteby sy ahiahy ny amin’ny fiainana ho avy.

    Mampivarahontsana avokoa ny fahitana ireo tranga mahonena etsy sy eroa. Manampy trotraka ireo ny tsy fanarahan-dalàna izay ahatarafana fa saro-pehezina sy tsy mankato ny rafitra misy ny olona isam-paritra. Very an-javona irony fahendrena malagasy manaja ny rafitra an-tanan-tohatra sy ireo zoky raiamandreny. Manamafy izany ny mpanoratra amin’ny hoe:

"Kororosifahana ny saina ka mivika"

    Mampalahelo aza fa ny olona tokony hifanohana sy hifampahery no lasa mpifahavalo sy mifanaratsy amin’ny alalan’ny fitenenana mandratra izay lasa ozona. Miseho lany ny fanamparam-pahefana, indrindra ireo sakana ataon’ireo milaza ny tenany ho tompon’andraikitra. Miharihary ihany koa ny fanamaivanana ny kolontsaina  izay mifototra amin’ny fihavanana. Vokatr’izany dia tsy lavorary ny fifandraisan’ny olona samy olona. Hamarinin’ny Pôeta izany:

"Kororokan-dresaka mandrangitra fantsy
 Koretika ny fo ka manangon-donilony"

    Raha nodinihina teo ireo endrika korontana samihafa hita taratra eo anivon’ny fiarahamonina. Inona kosa ny tokony hatao eo anatrehan’izany?

       Voalohany indrindra dia ilaina ny fampiorenam-paka ny fiombonana. Mifototra amin’ny fifampihainoana sy fifamelana izany. Koa tsy ho lavorary ny fifandraisana raha tsy miaina anaty fandeferana ny tsirairay eo anatrehan’ny tranga tokony hanapahan-kevitra. Ny sokajin’olona heverina ho mpitarika indrindra no tokony hampiseho fanetren-tena sy finiavana hanao dingana amin’ny fiovam-pijery miabo. Izany no fomba fisainana filamatra hanatsarana ny fifandraisan’ny mpiara-monina. Hoy ny tononkalo:

"Mahaiza mifamela mifona sy mibebaka
 Ny avonavom-po ange tsy tian’ny Ray"

    Manaraka izany dia tokony hotsaroana fa misy ny mpandahatra ny fiainana dia ilay Andriamanitra Ray izay tsy tokony hotsinontsinoavina. Heverina ho toy ny mpanjaka sy mpifehy izy ka afaka manitsy, mitsara izay mety ho fahalemena na lesoka eo amin’ny andavanandro. Koa izany no tsara hanomezana hasina sy hametrahana azy ho amin’ny toerana mendrika mandrakariva.

"Antomotra ny andro tsy azo ivalozana
 Ny andron’Izy Tompo ilay andro fitsarana"

    Ankoatra izay voambara dia zava-dehibe ny fametrahana fitokisana  amin’ny hery inoana fa hivimbina fahombiazana tsy ho ela. Ilaina ny fananana fanantenana fa mbola ho avy ny andro izay hiposahan’ny masoandro mibaliaka eo amin’ny isam-baravarana. Samy mibanjina izany avokoa ny olo-drehetra ankehitriny. Manamafy izany i Niry-Solosoa amin’ny hoe:

"Miandra ny fanahy iraky ny zanaka
 Hananatra hankahery ny mpino tsy ho lanaka"
*
*      *
    Raha aravona izay rehetra voambara teo dia tsapa fa miaina anaty savorovoro isan-karazany ny olombelona rehetra manerantany. Lafim-piainana misandrahaka no isehoan’izany ka mahavaka ny saina aman’eritreritra izany fikorontanana izany. Vokatr’izany dia miseho lany ny fifandirana sy fifandrafiana izay mampisara-bazana ny mpiara-belona. Araka izany dia tokony hamerina ny lanjan’ny fihavanana ny sokajin’olona rehetra mba hahafahana mametraka fiarahamonina malagasy tena mendrika. Raha ny tononkalon’i Niry-Solosoa no asian-teny dia hita tokoa fa kanto noho ny fampiasany tamberim-peo "k" sy "r" izay mifanahaka amin’ny fomba fiainan’ny olona mijaly sy mahatsiaro fangirifiriana. Heno ho misy feon-javatra milatsaka sy mivarina eo am-pandrenesana ny tononkalo izay tsy inona fa ny fahaverezan’ny soatoavina malagasy. Tsikaritra ihany koa ny filalaovan’ny mpanoratra ny teny mitovy feo am-panononana saingy samy hafa fanoratra noho ny fahasamihafan’ny litera tokana manavaka azy ireo toy ny miandry sy miandra. Koa antenaina ny hitohizan’ny lahatsoratra tahaka izao mba hisarihana ny sain’ny mpiara-belona hanova fomba fijery vaovao hanatsaram-piainana amin’ny ho avy.

Mpandrindra ny takelaka : Toetra Ràja
© poetawebs

Date de dernière mise à jour : 27/06/2020