Iny soratro iny

Tononkalon'i Toly, nohadihadin'i Tsikimilamina Rakotomavo

Toly - Iny soratro iny
Tsikimilamina Rakotomavo - 05/08/2025

Azo heverina fa fanehoana an-tsoratra na am-bava izay zava-misy sy mitranga   iainana eo anivon'ny tontolo ny literatiora. Miresaka ny soratra indrindra i Toly ao amin'ny tononkalony izay nampitondrainy ny lohateny hoe "iny soratro iny". Nasongadiny ao fa manana ny maha izy azy eo amin'ny sehatry ny literatiora ny soratra. Koa hamahavahana izany akaiky dia hodinihina mialoha ny endrika isehoan'ny soratra. Halalinina aorian'izany kosa ny andraikitra takina aminy. Ireo fizarana roa ireo no ezahina velabelarina mifanesy etsy ambany.



*
*  *

Iny soratro iny

Iny soratro iny niantso toa tsy nahy
Ny fototry izy iny nivoaka tam-panahy
Ambioka kely iray nitsiry anatinao
Dia indro koa namelana anatintsika ao

    Onjan-drano iray sarotra resena
    Fitosak'izy iny tsy hay nofefena
    Hambom-po milaza ny lanjan'ito marina
    Mahatonga antsika hisaina ny hery te hiarina

Fa any aoriana any, hitroatra sy hihanaka
Hanambara zava-misy ho an'ireo taranaka
Maharitr'izy tsy mety mba ho lefy
Rehefa tena soratra kanto tsara tefy

TOLY
___________________

             Dieny ety am-piandohana dia tsara raha avohitra ireo endrika isehoan'ny soratra. Voalohany indrindra dia tsikaritra fa misy ny feo tampoka mibitsika amin’ny olona eo anivon’ny fiarahamonina miainga avy amin'ny soratra, araka ny voalazan'ny andalana 1 hoe "Iny soratro iny niantso toa tsy nahy". Toa toe-javatra tsy heverina ho inona akory no manohina ny mpanoratra ka mandrisika azy hilaza izay tsaroany sy tsapany. Ny fisian'ny feo voalaza tetsy aloha anefa dia tsy inona fa avy amin'ny fanahy tsy hay faritana araka ny voalazan'ny tononkalo hoe "Ny fototry izy iny nivoaka tam-panahy". Ny aingam-panahy tokoa no mibitsika amin'ny mpanoratra ka mahatonga ny soratra hivoaka ampahibemaso. Manaraka izany dia tsapa fa ny firoboroboan'ny zava-misy dia anisan'ny endrika iray isehoan'ny soratra. Hoy indrindra i Toly :

   "Ambioka kely iray nitsiry anatinao
    Dia indro koa namelana anatintsika ao"

Hita araka izany fa na toa inona na toa inona endri-javatra hitan’ny mpanoratra eo amin’ny tontolo manodidina azy dia ezahiny hatrany ny hivelaran'izany sy hisongadinan'izany ho lasa soratra kanto. Fanampin'ireo voambara dia tsikaritra fa tsy hay sakanana na toherina ny soratra. Rehefa tsapan'ny mpanoratra mantsy fa mirindra sy milanto ny voasorany dia tsy voasakana intsony iny satria toe-javatra efa tsy nahatafandry mandry azy. Hamarinin'ny tononkalo izany amin'ny hoe :

    "onjan-drano iray sarotra resena
     Fitosak'izy iny tsy hay nofefena"

Heverina ho toy ny rano mibosesika ny soratra eto ary azo adika fa manaraka ny onjan'izay rano izay hatrany ny mpanoratra eo amin'ny sehatry ny fanoratana. Toa tsy tena tompon-tsafidy eo amin'izay soratra avoakany araka izany ny mpanoratra.

Raha nodinihina teo ny endrika isehoan'ny soratra. Andeha kosa halalinina izay andraikitra takina aminy.

*
             Anisan'ny andraikitra lehibe takina amin'ny soratra ny filazana ny zava-misy izay tokony hampieritreritra ny mpiara-belona. Hoy  mantsy ny andalana (7,8) :

    "Hambom-po milaza ny lanjan'ito marina
     Mahatonga antsika hisaina ny hery te hiarina"

Ny fanehoana ny tena mitranga izay mampiseho ny mangarahara no mampirisika ny olona ary mahatonga saina azy mba hanatsarany ny fiainany. Ankoatra izany dia tokony hampahafantatra ny tena marina amin'ireo mpandimby any aoriana ny soratra. Ny soratra noho izany no mampahalala izay miseho eo amin'ny fiainana ho an'ireo tanora ankehitriny mba hahafahany mandinika ny ho aviny. Hamarinin'ny tononkalo izany amin'ny hoe:

    "Fa any aoriana any, hitroatra sy hihanaka
     Hanambara zava-misy ho an'ireo taranaka"

Fanampin'izay voambara dia tsikaritra fa tokony haseho amin'ny endrika kanto  sy manintona ny mason’ny mpankafy azy ny soratra mba hisongadinany amin’ny fenitra maha literatiora azy. Hoy ny mpanoratra maneho izany :

     "Maharitr'izy iny tsy mety mba ho lefy
      Rehefa tena soratra kanto tsara tefy"

Rehefa manaitra ny fomba fanehoana ny soratra dia azo heverina sy inoana fa hateza eo anoloan'ny mpamaky ary mahaliana hatrany ny handinika azy. Ny hahazoana fy eo am-pamakiana azy araka izany no andrasana amin'ny sorakanto.

*
*  *

    Raha fehezina izay rehetra voambara dia tsapa fa manana ny lanjany eo amin'ny sehatry ny literatiora ny soratra. Nisongadina tamin'ny fanadihadiana teo àry fa miseho amin'ny endrika samihafa ny soratra. Anisan'ireny ny fipoirany avy amin'ny fanahy. Na izany aza anefa dia maro ireo andraikitra andrasana amin'ny soratra toy ny fampahafantarana ny tena marina amin'ireo mpandimby aty aoriana. Raha ny tononkalon'i Toly kosa no asian-teny dia hita taratra fa kanto noho ny fampiasany rima mifanjohy izay misarika hatrany ny mpamaky hanaraka ny fizotry ny tononkalo dia ny mikasika ny soratra.

Tsikimilamina Rakotomavo
_______________
Iny soratro iny - Toly

Ajouter un commentaire

 
×