Poeta mifandranitra

Fandalinana

Poeta mifandranitra
Radomanantoanina Tahirisoa - 19/08/2025

"Ny tavan’ny rahalahy no maharanitra ny tavan’ny rahalahy"

Tany amin’ny sehatry ny fanofanana olon-dehibe no nampiasako ny teny hoe "mifandranitra", ny heviny dia hoe tsy misy olon-dehibe miofana miainga amin’ny tsy misy ary tsy misy mpampiofana ho tapi-pahaizana fa ilaina ny mifankahazo sy hahatsara ny takalom-pahalalana.

Ny poeta koa mifandranitra. Tsy misy mpanoratra tonga mpanoratra raha tsy efa mankamamy asasoratra. Raha jerena amin’ny fifamaliana na ny fifampiakoan’ny asasoratra dia ny poeta ihany no mandranitra ny poeta tahaka azy. Voalohan-dohany amin’izany Rabearivelo sy Ratany amin’ilay hoe "Embona" sy "Tsy embona", tsy hay izay elanelana nisy azy mirahalahy fa ny fantatra dia mifampiako ny asasoratra ary mifandranitra izy ireo.

Raha misy koa poeta, nandranitra poeta tsy tambo isaina, ka namongatra aingam-panahin’ny maro sy namokatra asasoratra vaovao dia i Rado sy ny tononkalony hoe "Hafatra". Am-polony — araka ny fantatro — ny poeta namaly ny "Hafatra", ary tsy mifidy fa izay hiantefany dia toy ny voaranitra ka mampipololotra ny talentany ho zary famoronana vaovao, isan’izany ry R.H.A. Nary, Ny Eja, …

Fa ny poeta indrindra no mandranitra ny poeta. Firifiry ireo asasoratra teraka ho fahatsiarovana ny poeta namana, indrindra rehefa lasa nodimandry. Kinga amin’ity fanoratana ho an’i poeta lasa nialoha lalana ity i Nalisoa Ravalitera, nahasoratany tononkalo avokoa, ohatra, ry Célestin Andriamanantena, Clarisse Andriamampandry Ratsifandrihamanana, Juliette Ratsimandrava, sns.

Maranitra ny poeta, fa mifandranitra ihany koa ny poeta, dombo ny poeta raha tsy misy ny poeta tahaka azy mandranitra na mifandranitra aminy; ny poeta tahaka azy no mandranitra ny talentany, ny fahaiza-manaony ary ny aingam-panahiny.

RADOMANANTOANINA Tahirisoa (TSILOKO Mahadigny)
_______________
© Poetawebs

Poeta mifandranitra

Ajouter un commentaire