Randja Zanamihoatra vakina mitsimbadika
Nirihaja
- 27/07/2025
Raha tombanana ireo tahirin’asasoratr’i Randja izay sisa mbola voatahiry dia an’arivony any ho any no isany. Araka ny filazan'Andriamatoa Nobel Randriamananjara zanany dia nisy ihany fotoana nialany sasatra tsy nanoratra toy ny tamin’ireo fotoana nahatratra ny lozam-pifamoivoizana azy ka tsy nahatsiarovany tena nandritra ny andro maro sy nitondrany takaitra. Na tsy nataon’i Randja asa fitadiavana aza ny asa fanoratana dia azo lazaina fa antom-pivelomany. Antom-pisiany mihitsy aza ny fifotorana tamin’ny fanoratana. Toy ny filan’olombelona misotro rano izay miantoka ny fahavelomany no filan’i Randja mandrakitra an-tsoratra ireo teny izay teraky ny fo sy saina ary ny eritreriny. Toy ny nikoriana tao anaty rany ny teny izay natambany ho tonga soratra mampieritreritra sy mamoha ireo mpamaky sendra azy. “Tsy natao hamosahan-kevitra ny teny fa natao hampanekena na handresena lahatra”, hoy izy.
Poetan’izao tontolo izao i Randja Zanamihoatra. Raha nanoratra izy, tsy nihevitra ny haka tombony tamin’izany ho azy manokana fa vokatry ny fitiavana. Hoy indrindra izy : “Ny fitiavana no fanalahidin’ny zava-miafina rehetra afa-tsy ny fahasambarana”. Tsy dia nahaliana an’i Randja Zanamihoatra ny handray anjara tamin’ny fifaninanana teo amin’ny sehatry ny literatiora, toa manamafy izany ny loka tokana azony tamin’ny alalan’ny “tandindona sy rà” izay nahazoany ny laharana voalohany tamin’ny taona 1958. Tsy nankamamy vola koa i Randja Zanamihoatra raha tsy izany angamba efa namidiny avokoa ireo asasorany rehetra.
Nirihaja
_______________
Randja Zanamihoatra vakina mitsimbadika