Randja Zanamihoatra - Trano Sary
Fankalazana faha 100-taona
Rita
Ralamboarijaona - 19/07/2025
Nisolo tena ny ministry ny Serasera sy ny Kolontsaina ny Sekretera Jeneraly Rakotondrasoava Fetraniaina, notronin'ny Tale Jeneralin'ny Kolontsaina sy ny Talem-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina Analamanga. Nisongadina nandritra ny lahatenin'Atoa Sekretera Jeneraly ny fiarovana sy fanomezan-danja ny harembakoka isan-karazany ka anisany izao asasoratry ny poeta Randja Zanamihoatra izao. Nosokafany tamin'ny fomba ofisialy tamin'ny 11 ora ny fampirantiana.
Ahitana efitra vitsivitsy ny fampirantiana toy ny efitry ny horonan-tsary, efitry ny tahirin-tsoratra, efitry ny asasoratra... Nanombohana izany ny fampahafantarana ny sorapiainan'i Randja Zanamihoatra tamin'ny alalan'ny horonan-tsary niangalian'i Tsikimilamina Rakotomavo niampy ny fanazavany mivantana an'ireo antontam-boky sy taratasy voarakitra tao anatina vata fitaratra sy fafana voarindra an-takela-kazo. Voasoritra amin'izany ny mahakasika ny ankohonany, ny tantarany, ny sangan'asa sy asasoratra rehetra nataony, sns. Ireto no santionany:
- Randja Zanamihoatra nisandrahaka tamin'ny tontolo maro
- Randja Zanamihoatra mahasarika mpikaroka
- Randja Zanamihoatra namaka tamin'ny maha Malagasy tanteraka
- Randja Zanamihoatra mpihevitra
- Randja Zanamihoatra vakina mitsimbadika
Niavaka tao aorian'ireo ny fiantsan'i Valiha Gasy an-kandrina ny tononkalon'i Randja Zanamihoatra 8 takila : "Ny valihako". Izany indrindra no niampitana tao an'efitry ny FANAHY MIAMPITA, mirakitra ny famoronan'ireo mpanakanto izay nilona tamin'ny asasoratr'i Randja Zanamihoatra toy ireto tanisaina ireto :
- Tononkalonao
- Poeta Malala
- Fanahy Ambatoreny
- Poeta sy ny mpandalo
- Antsa ny aina
- Ato anefitranoko ato
- Poeta sy ny andriamanitra
Nifarana tamin'ny firaketana rango-tsiaron'ireo mpanotrona tao anaty boky volamena ny fotoana.
Marihina fa mandray anjara mavitrika amin'ity komity fankalazana ny faha-100 taonan'i Randja Zanamihoatra ity ny Poetawebs. Nisorona afo tao amin'ny Trano Sary i Tsikimilamina Rakotomavo, Rita Ralamboarijaona, Ny Hery Rakotonirainy ary Patrick Raveloarison. Nanotrona sy nanome hery tao koa i Malodohasaha (Pr Narivelo Rajaonarimanana).
Tatitra : Rita Ralamboarijaona
Sary : Ny Hery Rakotonirainy, Patrick Raveloarison, BNM
Takelaka : Toetra Ràja
_______________
Randja Zanamihoatra ao amin'ny Trano Sary
Fankalazana faha 100-taona
Commentaires (1)

- 1. | 20/07/2025
Misaotra anareo mitatitra ny trangan- Kolontsaina tahaka izao.