Zaikabe Faribolana Sandratra

Alaotra-Mangoro - 2025

Zaikabe Faribolana Sandratra
Nirihaja - 12/08/2025

Notontosaina tany amin'ny faritra Alaotra-Mangoro ny 7-8-9 aogositra 2025 teo ny zaikabe fahafiton'ny Faribolana Sandratra fanao isaky ny roa taona.

Tao amin'ny Tranoben'ny Serasera sy ny Kolontsaina "Masinjara" Ambatondrazaka no nanokafana tamin'ny fomba ofisialy izany ny 7 aogositra. Nanome voninahitra ny lanonana i Lanto Andriamamonjy  Rasoloarinaivo, Sekretera Jeneralin'ny Faritra Alaotra Mangoro, notronin'ireo solontenan'ny sampan-draharaham-panjakana samihafa.

Nanamarika ity fanokafana ity ny kabary nifandimbiasan'ny Mpandrindra ny Sampana Faribolana Sandratra Ambatondrazaka, narahin'ny Mpandrindra nasionaly Ranöe, ary nofaranan'ny Lefitry ny Governora. Noravahina antsa tononkalo izany fotoana rehetra izany ary nofaranana tamin'ny fanasana izay rehetra nanatrika  tamin'ny tsaingoka sy goka.

Rehefa izany dia tao amin'ny tanànan'Andrebakely, distrikan'Ampararafaravola indray no ambohipihaonan'ireo poeta 62 mianadahy mpizaika. Ny Sampana Faribolana Sandratra Amparafaravola indray no nandray an-tanana ny tohin'ny zaikabe.

Solontena maro avy amin'ireo sampana manerana ny lafy valon'ny Nosy no niatrika ity fihaonana ity : Antananarivo, Ambatolampy, Antsirabe, Ambositra, Fianarantsoa, Tsiroanomandidy, Anjeva, Moramanga, Brickaville, Vatomandry, Toamasina, Mananara Avaratra, Betafo, Maevatanana, Mahajanga ary Ambatondrazaka sy Amparafaravola mpampiantrano.

Zaikabe Faribolana Sandratra 2025
Miankavanana
Ranoe, Rija Al-Jonah, Lanto Andriamamonjy  Rasoloarinaivo, Kelly Randria

Zaikabe Faribolana Sandratra 2025
Ireo mpizaika 62

Tatitra sy sary : Nirihaja
_______________
Zaikabe Faribolana Sandratra

Commentaires (1)

Toetra Ràja
  • 1. Toetra Ràja | 14/08/2025
Miarahaba ny Faribolana Sandratra nahavita dingana lehibe indray!

Ajouter un commentaire