ANOFY

Sehon'ny andriambavilanitra Faribolana Sandratra

ANOFY, Sehon'ny andriambavilanitra Faribolana Sandratra
Dimby Mahenina - 24/08/2025

Nizotra tamin'ny an-tsakany sy an-davany tao amin'ny CGM Analakely ny tolakandron'ny 23 aogositra 2025 ny hetsiky ny Faribolana Sandratra fanao isam-bolana. Nampitondraina ny lohateny hoe "ANOFY" ny seho ary nandray anjara fototra tamin'ny fanatanterahana izany ireo andriambavilanitra mpanoratra, nahitana an' i Kanto Fitahiana, Dimby Mahenina, Baliaka, ary Natiora. Nanampy tao anatin'izay koa ireo tovolahy mpanoratra toa an'i Eluart A., Ra Zo, Tsitoha Agape ary i Miaro Zo Miaina.

Tao anatin'ny seho ampahany voalohany no nanehoan'ireto andriambavilanitra ireto ny toe-pijaliana iainan'ny vehivavy samy hafa eo amin'ny fiarahamonina misy azy. Tamin'ny endrika teatraly sy poetika ravahan-kira no nampiainana izany. Nandritra ny ampaham-potoana faharoa kosa no nisongadinan'ny fivoizana ny lohahevitra "ANOFY" izay nanehoan'ireto farany ny endriky ny nofim-pahasambarana sy fiainana nofinofisin'izy ireo ary nolalaoviny sy naranty tamin'ny fomba kanto.

Naharitra ora iray mahery ny seho. Ny masoandro mody no nampalahelo hoy ny fitenenana, ka na dia mbola tamana aza ny mpijery maro dia tsy maintsy nofaranana izay efa natomboka. Tao anatin'ny fifaliana sy fahafaham-po no nifandaozana tamin'ireo mpankafy. Tao anatin'izany ny fiarahana naka sary fahatsiarovana, niampy ny fanjifana ireo valonana  mitahiry ny asasoratr'ireo mpandray anjara.

ANOFY - Sehon'ny andriambavilanitra Faribolana Sandratra
"Sasatra miaina ny fiainana tena izy
tsy manam-piovana izy ireo
ka naleony nanakimpy ny masony
mba hahafahany mamboly nofy araka izay niriny..."

ANOFY - Sehon'ny andriambavilanitra Faribolana Sandratra
Fifamalian'antsa
teo amin'i Kanto Fitahiana sy Eluart A.

ANOFY - Sehon'ny andriambavilanitra Faribolana Sandratra
Dimby Mahenina sy Miaro Zo milalao sehatra

ANOFY - Sehon'ny andriambavilanitra Faribolana Sandratra
Baliaka sy Ra Zo mianoka ny sehatry ny "Anofy"

ANOFY - Sehon'ny andriambavilanitra Faribolana Sandratra
Tonony sy kalo kosa no nandravahan'i Natiora ny antsa niarahany tamin'i Tsitoha Agape

ANOFY - Sehon'ny andriambavilanitra Faribolana Sandratra
Ireo mpandray anjara fototra namelona ny seho : Kanto Fitahiana, Baliaka, Dimby Mahenina, Natiora

Tatitra sy sary : Dimby Mahenina
_______________
ANOFY
Sehon'ny andriambavilanitra Faribolana Sandratra


Ajouter un commentaire