Fandalinana feno fatra

Velakevitry ny Dr RADANIELINA Radoheninjo - faha-100 taonan'ny poeta Randja Zanamihoatra

Fandalinana feno fatra
Rita Ralamboarijaona - 02/08/2025

Ampoky ny fahalalana ny mpankafy literatiora. Hipoka tahaka izany ny Trano Sary nampiantrano ny velakevitra notontosain'ny Dr RADANIELINA Radoheninjo, Mpampianatra mpikaroka, mitondra ny lohateny hoe Ny tsiambaratelon'i Randja Zanamihoatra hita taratra ao amin'ny "Sompitra Randja Zanamihoatra", ny tolakandron'ny 30 jolay 2025.

Nahaliana avy hatrany mantsy ny lohatenin'ny velakevitra nirenty teny amin'ny fafana. Nandrindra ny fotoana i Tsikimilamina Rakotomavo. Nanokatra sy namarana ny fotoana kosa i Nirihaja filohan'ny  komitin'ny fankalazana ny faha-100 taonan'ny poeta Randja Zanamihoatra.

Lohahevitrtra telo goavana no nanasokajian'ny mpanao velakevitra ny fanazavana.

• Voalohany tamin'izany ny mikasika ny Sompitra Randja Zanamihoatra. Ireo haitsikera samihafa tokony ho fantatra no navohitra toy ny haitsikera mifototra amin'ny tantaran'ny literatiora, ny haitsikera ara-drafitra, ny haitsikera ara-piarahamonina ary ny haitsikera ara-pianahana. Ny tanjon'ny Sompitra dia hanamora ny fitadiavana tahirin-kevitra mba tsy hivezivezena amina toerana samihafa.

• Ny tsiambaratelo kosa no nahasinkasin'ny mpandalina manaraka izay nanehoany ny mampiavaka ny anarana RANDJA. Ahitana fototeny Anja, midika ambony sy miavaka, izany ka ahazoana ny teny hoe ranjanana, midika hoe lava, kianja izay ilazana ny toerana malalaka. Ny Zanamihoatra  kosa hoy ihany izy dia anarana fiaviana. Fa rehefa dinihina dia andiany aorian'ireo mpanoratra mpamaky lay, mpanoratra zokiny, mpanoratra zandriny, ny zanaka mihoatra.

Ny tanjon'i Randja Zanamihoatra, araka izany, dia ny fikatsahana ny tonga lafatra. Maro ireo ohatra noraisin'ny mpanao velakevitra anamarinana ireo fiovaovan'ny asasoratr'i Randja Zanamihoatra mandra-pahavitan'ny famoronana ho eo imason'olona. Ny Malagasy mankany  tanaty vakiraoka ohatra dia nosoratana ny 1958. Novainy ho Malagasy miankandrefana izany ny 1959. Niova Malagasy mankany... indray izany ny 1969. Ny boky 2003 dia nomeny lohanteny hoe Epistily ho an'i Dox, niova ho Dina 2001, izay vao nitoetra ho 2003. Ny Vainafo Tononkira  izay Manombana ny andro no niandohany dia heverina fa kihondalana teo amin'ny asasoratra amin'ny fomba fijery sy fomba fihevitra vaovao, fanovana endri-javatra, na fanasarotan-javatra aza raha ny marimarina kokoa.

• Ny fizarana fahatelon'ny famelabelaran-kevitra no nanasongadinana ny Randja Zanamihoatra sy ny literatiora malagasy. Navohitra teto ireo hetsika samihafa teo amin'ny tantaran'ny literatiora toy ny nataon''i Justin Rainizanabololona (1915), Ny Avana (1915-1924), Rivo Romuald (1924-1931), J.-J.Rabearivelo (1931). Randja Zanamihoatra sy ireo mpanoratra namany toa an'i EDA sy Dox ary Rado kosa nanangana ny fikambanana Tsiry izay mpanoratra mandinika mpanoratra.

Ho fehin'ireo rehetra ireo dia tsikaritra fa harena avela ho an'ny taranaka ny asasoratra ka mila trandrahina. Toy ny mahazatra amin'ny velakevitra dia nofaranana tamin'ny fanamarihana sy ny fanontaniana avy amin'ny mpanatrika ny fotoana. Nanotrona ity fotoana miavaka ity irey mpiara-miasa maro be teo anivon'ny MSK, Ny filohan'ny filankevi-pitantanan'ny Alliance Française, ireo mpampianatra mpikaroka sy mpianatra eny amin'ny Oniversite, ireo mpanoratra samihafa eo anivon'ny Faribolana Sandratra, ny fianakavian'i Randja Zanamihoatra izay nosoloin'i Nobel Randriamananjara tena, ary indrindra ireo komitin'ny fankalazana. Izahay eto anivon'ny Poetawebs dia mampiaina hatrany ireo hetsika mikasika ity fotoam-pankalazana ity.

Tatitra     : Rita Ralamboarijaona
Sary        : Hery Rakotonirainy, Mika (BNM)
Takelaka : Toetra Ràja

Dr RADANIELINA Radoheninjo
Dr RADANIELINA Radoheninjo

Dr RADANIELINA Radoheninjo
Tsikimilamina Rakotomavo
mpandrindra ny fotoana

Dr RADANIELINA Radoheninjo
Mpampianatra avy any Fianarantsoa
mametraka fanontaniana

Dr RADANIELINA Radoheninjo
Jakoba (Jax) mpianatra literatiora eny Ankatso

Dr RADANIELINA Radoheninjo
Vanga, mpanoratra, mpankafy Randja Zanamihoatra

Dr RADANIELINA Radoheninjo
Ranoe, mpandrindra ny Faribolana Sandratra

Dr RADANIELINA Radoheninjo
Tsikimilamina Rakotomavo
nametraka fanontaniana

Dr RADANIELINA Radoheninjo
Ireo mpanatrika
an'ny
Dr RADANIELINA Radoheninjo

Dr RADANIELINA Radoheninjo
Singanina eo anoloana i Vanga,
Nobel Randriamananjara, Ranoe...

Dr RADANIELINA Radoheninjo
... maneho fahalianana

Dr RADANIELINA Radoheninjo
Hipoka ny efitrano

Dr RADANIELINA Radoheninjo
nanatanterahana ny velakevitra
Ny tsiambaratelon'i Randja Zanamihoatra
hita taratra ao amin'ny
"Sompitra Randja Zanamihoatra"


Dr RADANIELINA Radoheninjo
an'ny Dr RADANIELINA Radoheninjo

___________
Fandalinana feno fatra


Ajouter un commentaire

 
×