Diadema mpankafy Randja
Velakevitra tao amin'ny Trano Sary
Rita
Ralamboarijaona - 26/07/2025
Nanatrika ny fotoana ny fianakavian'i Randja Zanamihoatra, ny komitin'ny fankalazana ny faha-100 taona, poeta sy mpanoratra, mpampianatra mpikaroky ny Oniversite Ankatso, mpiara-miasan'ny Ministeran'ny Serasera sy ny Kolontsaina, mpianatra, olon-tsotra, mpikamban'ny tranonkala Poetawebs.
Nanomboka tamin'ny 10 ora sy fahefany ny fotoana izay nisantaran'i Felana ny fitenenana ary nanolorany an'i Diadema sy Nirihaja filohan'ny komitin'ny faha-100 taona.
Nanombohan'i Diadema ny velakevitra ny fiantsana ny tononkalo nosoratan'i Randja Z. mitondra ny lohateny hoe "Poeta". Nasongadin'ity mpahay literatiora ity nandritra ny fanazavana nataony fa manana fahitana poetika i Randja. Ny poezia amin'io Poeta ankalazaina io dia zava-masina iray raha hita maso ary fanahy kosa raha tsy hita maso. Mora azo kanefa sarotra sainina ny asasorany araka ny fahitany azy. Mamelovelo kanefa masiaka firesaka na mivatambantana fiteny izy. Tsikariny fa taokanto mila fikelezana aina ny Art sy Poezia amin'i Randja Zanamihoatra. Malalaka be ny tontolo ambaran'ny asasorany : fitiavana, tanindrazana, fivavahana, fiarahamonina... Nofaranan'i Diadema tamin'ny fiantsana ny tononkalon'i Randja Z. mitondra ny lohateny hoe "Malagasy mankany…" sy ny "Taratasy sy Laoka" ny velakevitra.
Maro ireo mpanatrika nametraka fanontaniana ho setrin'izany velakevitra mafonja izany ary maro tamin'izy ireo koa no nalaina sary fahatsiarovana tamin'ny fiafaran'ny fotoana.
Tatitra : Rita Ralamboarijaona
Sary : Ny Hery Rakotonirainy, Patrick Raveloarison, BNM
Takelaka : Toetra Ràja
Diadema, ny fahitako an'i Randja Zanamihoatra
Velakevitra tao amin'ny Trano Sary