Créer un site internet
PÔETAWEBS "Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto"

18 oktobra 2020
Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
T.Ràja
 
FARIBOLANA SANDRATRA, SAHY NAMAKY LAY
Sehokely - Antsantononkalo - Boky
Niarahana tamin'i Mero Kosiky sy Mampandriniaina Manitra
Sahy namaky lay ny fiverenan'ny antsa tononkalo ny Faribolana Sandratra ny zoma 16 oktobra teo, tamin'ny alalan'ny pôeta Mero Kosiky sy Mampandriniaina Manitra. Nahatsiaro fahabangana mantsy ireo mpianoka seho tononkalo noho ny hamehana ara-pahasalamana nandritra ny volana maromaro, araka ny voalazan'i Liantsoa:
 
"Tao tokoa aho ary dia afa-po tany antanin'ny sambatra sady elaela tsy nianoka"

Azo lazaina ho afaka hetaheta "ambony lakana" àry izy ireo na dia nisedra ireo fepetra mifanaraka amin'ny vanim-potoana aza.

Fahasahiana tokoa ny azy roalahy satria noferana araka izany ny isan'ny mpanatrika. Tsy maintsy nisoratra anarana mialoha izy ireo ary nofidina manokana ny haben'ny efitrano, ny biraon'ny Faribolana Sandratra Tahala Rarihasina, izay mifanaraka amin'ny "sehokely" efa fanao ihany. Tsy nampoizina ny famalian'ny olona ny antso araka ny fanazavan'i Mero Kosiky (sary ankavia) :
 
"Tena tsy nampoizina ny fahatongavan'ny olona maro satria izany manao dingana izany tena sarotra, indrindra hoe seho kely no nanombohana azy, rehefa niaina fihibohana elaela;  nefa dia nahavariana fa tsy nahasakana ny mpankafy literatiora ho tonga maro izany, feno tanteraka ny fonay Faribolana Sandratra sy ny mpikarakara rehetra".

Mbola manamafy izany hatrany i Zo-Maminirina izay nanampy tamin'ny fampitaovana:
 
"... Dingana sy endrika fampitiavana sy fankafizana ny sorakanto, ho tohin'ireo efa fanaonay Faribolana Sandratra ny seho kely. Isaoranay manokana izy mirahalahy nanana ny finiavana hamerina azy sy nanana fahasahiana nanomboka izany taorian'ny hamehana ara-pahasalamana sy ny fihibohana. Tsy afenina fa mbola matahotra ny mikivorivory ny tenanay.
Isaorako manokana koa ireo mpankafy tonga nanotrona na dia tamin'ny alalan'ny fb sy gazety vitsivitsy aza no nanaovana ny fiantsoana sy ny fanasana. Tonga maro izy ireo. Tsy nisy doka be azo natao fa fitiavana no betsaka indrindra. Misaotra, misaotra ary misaotra."

Niombonan'izy roalahy tompon'ny sehatra izay hoe "Tsy nampoizina" izay araka ity nanamafisan'i Mampandriniaina Manitra (sary ankavanana) azy ity:
 
"Tsy nampoizina aloha ny fahavitrihan'ny olona tonga nanotrona, raha ny toe-draharaha eto amin'ny firenena mantsy no naminavinana azy dia toa tsy hisy firy izany, nefa maro no tonga na dia nasiana fandraisana anjara kely aza ny seho. Noho izany, nahafaly anay ny fihaonana indray tamin'ny mpankafy"

Tsy mbola tena mahazatra ny mpianoka tokoa ny fisian'ny vidim-pidirana izay manamafy ny hasin'ny famoronana tononkalo ity seho nantsoina hoe "Lima" ity.

"Vilia hazo lavalava fanesorana rano ao anaty lakana" no namaritan-dRajemisa Raolison [1985] ny lima, amin'ny maha voambolana sakalava azy. "Zinga voatavo fasiana ronono na fiterena omby", fiteny bara, na  "voatavo na zinga fiterena omby", fiteny tanosy, kosa no heviny hoy Rakotosaona [1975]. Samy fitaovana ilaina amin'ny fameloman'aina, araka izany, na vilia na zinga na voatavo, fa ilay heviny fanavotana ao an-dakana no niompanana tamin'ity seho ity. Azo lazaina àry fa manavotra ary mandrindra ny fisosan'ny fiainana ny tenin'ny pôeta.

Mero Kosiky sy Mampandriniaina Manitra no niantsa tononkalo. Nanafana ny sehatra tamin'ny alalan'ny vazo teny antsefatsefan'ny tononkalo kosa i Jacky sy ny namany. Nisy vatsy nenti-mody miendrika amboara kely ho fahatsiarovana tao. Marihina fa noraketina anaty horonantsary ity hetsika ity.

Tanteraka ny fanambin'i Mero Kosiky sy i Mampandriniaina Manitra satria azon'ny mpianoka ianteherana tsara ny fahafehezan'ny Faribolana Sandratra ny sehatra tononkalo izay iavahany amin'ireo mpivoy literatiora maro. Antenaina ho tena famakiana lay tokoa iny hetsika iny ka hahasahian'ny pôeta hafa hanohy ny lalana sy hanokana fotoana araka ny heveriny fa hahamety azy. Izany angamba no azo takarina ao amin'ny eritreritr'i Zo-Maminirina hoe:

 
"Isika olombelona sy ny mpahaikanto no mifehy ny fotoana fa tsy ny fotoana no  mifehy antsika. Ny hetsika toy itony mantsy dia tsy tsara raha atao anaty lasitra satria hanjary lalan-kitako ho soa sy fombafomba fanao fotsiny. Mba tsy ho zary fanao fahatany efa fanaraky ny besinimaro fa hisy aina sy fitiavana ary hasina e!"

Tatitra : Toetra Ràja
Sary : Faribolana Sandratra

 
TORITENY

Mba mandry ve letsy ny sain'ialahy
Amin'ity ialahy mamboly habibiana am-pon'ialahy ity

 Mba dinik'ialahy ve ny "-tao'' sa ... "tó" vao mba nodinihana
 Mba dinik'ialahy ve ny tó sa tany dia...tany dia...any...

Mafy ialahy raha izany
Andihizan'ialahy sy isambaran'ialahy amin'ny tsemboka ratsin'ialahy ve letsy Ireo isan-teten-dranomaso­ tinosik'io nofon'ialahy?

Ary madio saina ny adala a!
 Ohatr'ireny tsy nandatsaka sy nampijaly sy nampihorohoro
ny tany sy didin-tontolo mihitsy.

Zaza vao io firy taona ve letsy no dia nandaniana fotoana?
Nanaovan'ialahy adalana sy
nanamparan'ialahy ny filana dia
nandraisan'ialahy fahefana sy
Nangarian'ialahy ny lalàna.

Sinambotr'ialahy izy nefa tsy nahalala izay ambonin'ny tany
Fa ialahy! ialahy! ialahy­ no nanao azy izany nefa
 Tafitohina aza io mitomany !

Zaza anie letsy izy e
Tombotsoan'ialahy izao aiza?
 Ary hatraiza ny fotopisainana letsy f'ankizy anie mbola fitaiza e.

Olona ange letsy ialahy
Tsy ialahy anie no tompon'ny aina e.
Maninona ange no bedaina tsimingana ho rovitra ilay zaza saina?

 Ekeko ananan'ialahy raha ny sandry
 Ananan'ialahy raha ny basy
 F'ialahy anie letsy Gasy e

 Marina ialahy fa lehilahy fa...
 Ho mafy ny hahazo an'ialahy.
 Tinefin'ialahy t'am-po ny ratsy ka fafazo ny kiho raondriana a
 Sady tsoraka miendri-baraingo mandatsa fa rakotra ratsy ninian'ialahy

 Soraty amin'ny bokin'ny fiainana:
 Miditra am-ponja ialahy mandrampahafaty satria:
 Tsy tanty ny revin'ialahy...

Mero Kosiky

_____________________________________
NY SORATRA FANAHY

Hanoratra aho dia inona
No azoko vetsoina amin'izao minitra izao?
Manko ilay ianao
Fanahy mpanainga retsika
Tsy tonga izay matetika
Kanefa raha ny soratra tsy manana fanahy
Moa dia hitoetra va?
Ho lasa vetivety
Fa tsy afaka hitety
Ny ampitsonao akory.
Sarisary moana sy soratra matory.
Matory ambavahaona
Soratra sy sary sy hira babangoana.
Satria ny tena soratra?
Dia ilay manan'ohatra
Amin' ny anatra omeny
Ilay soratra mitaiza rehefa mba miteny.
Ary koa ilay  tena...
Miraki-pahendrena
Ny ambadika fonosiny.
Manala rarintsaina mitondra filaminana raha ny rotsirotsiny.
Tsy mahasoratra aho!
Fa lavitra ny tetoko ilay namana fanahy!

Mampandriniaina Manitra

 

© Pôetawebs

Date de dernière mise à jour : 18/10/2020