Créer un site internet
Tapatapakahitra nifanaovan'i Faniry Ezeckiel tamin'i Hiaka
PÔETAWEBS "Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto"

28 Aogositra 2020
Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
 T.Ràja
TAPATAPAKAHITRA

NY HIAKA
Pôeta, mpanoratra, mpiantsa, mpampianatra


sary nindramina
Hiaka Faniry Ezeckiel
Andriambavilanitry ny zava-kanto eto Antsirabe indray no vahiny nanaitra ny takelaky ny tapatapakahitra eto amin’ny Tranonkala Pôetawebs. Ny Hiaka moa no ahalalan’ny maro azy eo amin’ny sehatry ny literatiora, mpampianatra taranja malagasy, mpiantsa tononkalo amin’ny onjam-peo tsy miankina, mpitantara sombin-tantara ary mpitantara angano ihany koa. Asaina àry isika hanaraka ny dinidinika nifanaovana taminy. I Faniry Ezeckiel no mandray azy eo amorom-patana.

Faniry Ezeckiel

Miarahaba anao Ny Hiaka ary mankasitraka indrindra tamin’ny fanekena ny hitafatafa.

Ny Hiaka
Miarahaba ny mpanaraka ny Pôetawebs ihany koa. Mankasitraka nanasa.

Faniry Ezeckiel
Manaitra ny sofina avy hatrany vao mandre ilay fiantso anao hoe Ny Hiaka. Zovy tokoa moa i Ny Hiaka ary misy antony manokana ve ny nisafidiananao io solon’anarana io?

Ny Hiaka
Feo maranitra entina manaitra ny manodidina. Misy karazany maromaro anehoana azy : hiakam-pifaliana, hiakam-pijaliana, hiakam-pahafinaretana, hiakam-pahanginana… Ireo no ezahina havoaka amin’ny asa soratra. Raharijao Harititiana Laska no tena anarako.

Faniry Ezeckiel
Feo maranitra hoy ianao teo. Inoana tokoa fa tsy tongatonga ho azy izany feo maranitra izany raha tsy nisy nanaitra azy. Amin'ny fotoana inona no teraka ny aingam-panahinao ka manosika anao hanoratra ary inona avy moa ireo sokajin-tsoratra ivelaranao eo amin’ny sehatry ny literatiora?

Ny Hiaka
Iza moa ny tanora no  tsy mba nitepotepo fitia tamin’ny tononkalo? Fa namolavola ahy handalina kokoa ny fidirako tao amin’ny sampana Malagasy teny amin’ny Oniversite ka nahita ireo mpampianatra miantsa azy, teo ihany koa ny MPIZAKA STELARIM. Mifantoka kokoa amin’ny tononkalo sy ny sombin-tantara aloha aho hatreto.Tsy misy tranga mampiainga ny aingam-panahy fa tonga ho azy.

Faniry Ezeckiel
Ny fankafizana tokoa mitarika fandalinana. Ahoana ny fahitanao manokana ny literatiora malagasy amin’izao vanimpotoana ankehitriny izao sy ny mety hoaviny?

Ny Hiaka
Mivoatra ny literatiora ary tena manan-karena talenta ny Malagasy. Manana ny hoaviny mamiratra ihany koa izy raha hajaina ireo tsipelina amin’ny famoahana boky.

Faniry Ezeckiel
Manan-karena talenta ny Malagasy hoy ianao ary azo porofoina tokoa izany amin’ny alalan’ireo vokatra maro, indrindra eo anivon’ny tambajotra serasera. Mety hampivoatra ny literatiora ve sa hanimba azy io sehatra iray io? Inona no vahaolana azonao aroso ?

Ny Hiaka
Tena manimba ny ankamaroany satria maharikoriko loatra ny tsy fanajana tsipelina. Maro ihany koa ireo namana niharan’ny halatra asa soratra. Vaha olana avy amiko? Mifampitaiza ny rehetra hanaja ny teny ary ho ny tena kanto tokoa no hozaraina. Tsy mizara asa soratra fotsiny fa feo sy sary no zaraina mba ho sonianao tompony.
Mampandroso azy ihany koa anefa noho izy malaky ny fizarana azy ka haingana dia fantatry ny olona.

Faniry Ezeckiel
Marina tokoa fa mora fantatra na dia ao amin’ny tambajotra koa aza no ifangaroan’ny vary sy ny akotry. Maro tokoa ireo mpanoratra no mandrakitra ny sanganasany anaty boky. Ahoana kosa ny mba fahitanao ny lanjan’ny boky ankehitriny? Mety hisy fanantenana ihany ve ny firoborobon’izany any aoriana any manoloana ny firoborobon’ny teknolojia andro aman’alina ?

Ny Hiaka
Vitsy no liana amin’ny famakiana boky ankehitriny noho ny fahalafosany (sarotsarotra ny mamoaka boky manara-penitra), eo ihany koa ny tsy fahafantarana (tsy ampy ny fiaraha-miasa ho fampahafantarana).
Ny fanantenana indray? Mino aho fa rehefa mifanohana ny rehetra dia ho liana indray ny mpamaky. Ny rehetra resahiko eto dia ny samy mpanoratra, ny mpanohana ohatra anareo, ny mpampianatra (mitarika ny ankizy ho tia mamaky boky), ny trano famoahana, ny Ministera mpiandraikitra.

Faniry Ezeckiel
Lovan’ny taranaka tokoa ny boky  ka tena ilaina.
Hamaraparanantsika ny tafatafa, misy boky mikasika ny literatiora Malagasy ve ankafizinao manokana?

Ny Hiaka
Betsaka ny ankafiziko fa anisan’ny singaniko manokana ny Takelaka notsongaina I sy II, izay nitarika ny fankafizako  tononkalo sy sombin-tantara. Eo koa ny Dinitra sy ny Manankasintsara (mamohafoha ny fitiavan-tanindrazana).

Faniry Ezeckiel
Hafatrao ho an’ireo mpamaky?

Ny Hiaka
Mahaiza mankafy ny kanto malagasy, trandraho fa ho “voavakinao hatramin’ny aty fony  ka ny tsiron’ny fisainany hogohinao daholo”. Omen-kasina ny literatiora malagasy, mandrosoa hasina isika rehetra!

Faniry Ezeckiel
Manantitra ny fankatelemana ho anao Ny Hiaka nanaiky nitafatafa. Mitomboa hasina dia mandra-piresaka indray e!

Ny Hiaka
Misaotra indrindra nanasa. Mirary soa ho antsika rehetra!

© Pôetawebs

Date de dernière mise à jour : 28/08/2020