Fahafolo taonan'ny Pôetawebs
PÔETAWEBS "Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto"

29 nôvambra 2019
Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
 T.Ràja

SORAPIAINANA
manolotra ny boky Sorapiainana 1
Sambany tao anatin'ny 10 taona nisian'ny Tranonkala Poetawebs no namoahany harem-bakoka azo tsapain-tanana, dia ny boky Sorapiainana 1, izay santatra am-bavarano ihany fa ny manetsa be hono mbola ho avy.

Atoa Rakotondrabe Niry Tale Jeneralin’ny Ofisim-pirenena misahana ny Kolontsaina Malagasy no nanao ny sasin-teny izay nanasongadinany fa boky manana ny toerany eo amin’ny tantaran’ny kanto sy ny kolontsaina malagasy ny SORAPIAINANA. Tsy fanandratana pôeta ihany no ao, hoy hatrany izy, fa fampakarana ny lentan’ny haisoratra malagasy mihitsy.

— Fandalinan'i Heriarilala Andriamamonjy —

Mirakitra sorapiainana poeta folo efa nody mandry ny boky. Voasokajy ho telo ireo pôeta folo ireo.

- Ao amin’ny pôeta mikolo no ahitana an-dry Anja-Z, Suzy Andry, Jean Narivony ary i Lydiary, ireo ilay pôeta manabe, manoro ary mampita ny fitsipi-pahendrena.
- Ao amin’ny pôeta mitolona kosa ry Clarisse Ratsifandrihamanana, Elie Rajaonarison, Rô Andriamaneva : manohitra ny tsy rariny, mpikambana any anaty antoko pôlitika sy any am-piangonana.
- Ary farany, pôeta maneho, ireo izay manambara ny zava-misy amin’ny fomba miavaka. Mandona fo tokoa ny asa sorany toa ny an-dry Fredy Rajaofera, Eliza Freda ary Rado.

Ireo izy 10 mianadahy nasongadin’i Toetra Ràja, Tsikimilamina Rakotomavo, Hanitr’Ony ary i Heriarilala Andriamamonjy.

 
Mitakila 81 ny boky, ka ny ao amin’ny faha 80 no ahitana ny sarin’ireo mpikatroka
7 mianadahy ao amin’ny Pôetawebs sy famintinana fohy momba azy ireo izay pôeta avokoa. Ankoatra iretsy efatra mianadahy efa voatanisa tetsy aloha dia manampy azy ao i Doda Razafindravelo, Lea Fandresena ary Ikaloyna Vony. Tsy mora ny fikarakarana ny SORAPIAINANA, na teo amin’ny fikarohana na teo amin’ny fanitsiana izay nimasoan'ireo mpikambana.

Izay ny atin’ny boky fa ny endriny kosa? Manga volon-danitra ny fonony, misy sary famantaran’ny Pôetawebs, ravahin’ny sarin’i Suzy Andry sy i Jean Narivony ary i Elie Rajaonarison. Ery ambony indrindra ny anaran’ny mpandrindra dia tsy iza akory fa i Toetra Ràja sy i Tsikimilamina Rakotomavo. Ny eo ambany indrindra indray no misy ny anaran’ireo pôeta 10 voasora-piainana ao anatiny. Voadika ao ambadiky ny boky kosa ny adiresy ifandraisana amin’ny tranonkala sy ny rohy itsidihana azy dia ny http://poetawebs.e-monsite.com

Tatitra : Heriariala Andriamamonjy
Sary : Aina Andriamamonjy sy Heriariala Andriamamonjy  

manolotra ny boky Sorapiainana 1
Sorapiainana 1, eo anoloana
manolotra ny boky Sorapiainana 1
Sorapiainana 1, jerena ao ivoho
manolotra ny boky Sorapiainana 1
Ireo mpikamban'ny Pôetawebs tao amin'ny Cemdlac miaraka amin'ny Sorapiainana. Miankavanana :
Doda Razafindravelo, Tsikimilamina Rakotomavo, Faniry Ezeckiel, Léa Fandresena, Heriarilala Andriamamonjy
poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 30/12/2019