Sorapiainan'i Violette de Parme
PÔETAWEBS "Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto"

15 aprily 2021
Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
T.Ràja

Pôetawebs Fantaro i...
VIOLETTE DE PARME
na koa NORO FINE
(RAMASINORO Joséphine)

(1903 - 1997)
Pôeta
Mpanoratra
Mpanao hosodoko
"Koa samia mivimbim-pitia mifanerana
Miaraha-mivongika ny fandeferana"

___________________

— Fandalinan'i S. Nirhy-Lanto Ramamonjisoa —
Pôetawebs

Ny fahazazany sy ny fiainany

T
eraka tamin’ny 21 jona 1903, tao Fianarantsoa, Ramasinoro Joséphine ; iray amin’ireo taranaka maro nomen’Andriamanitra an’Itompokolahy Andriamasy Joseph, governora tao amin’ny faritanin’i Fianarantsoa, sy Itompokovavy Razanamihanta, ray aman-dreniny. Avy amin-drainy dia ao Fianarantsoa no fiaviany ary ao i Betsizaraina (Antananarivo) kosa avy amin-dreniny. Teraka teo anivon’ny fianakaviana kristianina prôtestanta izy. Tsy tena nobeazina niaraka tamin’ireo mpiray tampo aminy anefa izy, fa natsangan’Andriamatoa Martin Charles mivady, izay teratany frantsay manambady an-dRamatoa Ravaomihanta, rahavavin-dreniny, teo amin’ny fahadimy taonany. Mpandraharaha teo amin'ny taozavabaventy Ingahy Martin Charles ary isan’ireo mpiandraikitra ny famakian-dalana, fahizany, nanerana an’i Madagasikara. Koa nampitsimoka sahady tao anatiny hankamamy ny kanto ny fifaneraserany tamin’ny ala mikirindro sy ny zavaboaary samihafa tamin’ireny fifindran-toerana tetsy sy teroa ireny.

Tsy azo lavina, ary mifameno amin’izay voalaza izay ka nampitia azy ny literatiora malagasy ny nianarany tao amin’ny École Benjamin Escande tao Ambositra, izay fantatra ny lazany amin’ny tsy fanaovana ambanin-javatra io taranja io. Andian’ny faharoa, indray nihira taminy tao i Eliza Freda (Alfred Andrianaly) sy i Bolespara (Rafanoharana), raha andiany fahatelo manaraka azy ireo i S.Bem (Randrianasolo) ary taoriandriana i Randja Zanamihoatra (Edmond Randriamananjara).

Nampakarin’Andriamalala Paul, governora, ho vady izy, ka araka ny tsodranom-pirariantsoa ho an’ny mpivady vao, avy amin’ny ray aman-dreny sy ny havana rehetra, dia noravahan-jaza enina mianadahy ny tokantranony.

Azo ambara ho mpanakanto feno Ramasinoro Joséphine satria manan-talenta eo amin’ny fanoratana, ny hosodoko, ny famoronan-kira, ny mozika. Momba ireto talenta roa farany ireto dia mpitendry harmonia tao am-piangonana izy nandritra ny fotoana naharitraritra, rehefa alahady, tao Ambositra ; ary nisy tamin’ireo hira sy tononkiran’ny mpanakanto, tamin’izany fotoanandro izany, no narafiny sy nosoratany, araka ny voalazan’ny zanany, Rafidison Henriette.


Ny taona 1951 dia niondrana nankany Frantsa noho ny antony ara-pahasalamana Ramasinoro Joséphine, nonina tao Parisy ary tsy tafaverina teto an-tanindrazana indray raha tsy ny taona 1970.
Pôetawebs
"Iray amin'ny zanako vavy" - Noro Fine

Nodimandry izy ny 18 septambra  1997, teto Antananarivo, milevina ao Anjanahary, eo akaikin’ireo ray aman-dreniny nitaiza azy, Martin Charles sy Ravaomihanta.

Raha alahatra ara-potoana ny lalana nodiaviny teo amin’ny sahan’ny kanto dia ny fanoratana no nisantarany izany.

Violette de Parme mpanoratra : tononkalo – tantaraforonina - tantaratsangana

V
iolette de Parme no anarana nentiny teo amin’ny tontolon’ny soratra. Ny hafatra apetrak’io voninkazo io no nahatonga ny safidiny, hoy ny solontenan’ny taranany, tamin’ny fankalazana ny faha-100 taonan’ny nahaterahany, natao teto Antananarivo ny 20 desambra 2003. Mitondra hafatra mivolom-piangaviana mantsy ny voninkazo Violette de Parme : "Avelao aho hitia anao — Laissez-moi vous aimer". Izay no ventin-kevitr’ireo asasorany, hahatsapana indrindra ilay maha-mpanakanto ny mpanakanto mianoka ny famoronana hatolotra ny hafa.


Pôetawebs Pôetawebs
Fahazato taonan'i Violette de Parme

Ny tononkalo no nisantarany ny maha-mpanoratra azy, toy ny namany maro tamin’izany fotoana izany. Nivoaka tao amin’ny gazety isan-karazany ireo sanganasany, tao ny Takariva, Ny Fandrosoam-baovao, Ny Sakaizan’ny Tanora, ny gazety boky Voahirana… Ity farany dia noforonin’i Violette de Parme tamin’ny 1950, nivoaka isam-bolana, ho sehatra ifaneraseran’ny mpanoratra, ny mpamakafaka… teo amin’ny lafiny literera, fahaiza-miaina sy mitondra tena, ary ny lafiny ara-piarahamonina. Niova ho isan-kerinandro ny fivoahany ny taona 1951, midika izany fa maro ireo olona liana tamin’ny foto-pisainana nenti- namorona ity gazety boky ity.

Rehefa natsangan-dRapatsalahy Paul ny trano printy Takariva tamin’ny 1935, dia maro ireo  mpanoratra nifanotrona tao ho fampivoarana ny asasoratra malagasy. Tononina eto ny vitsivitsy amin’izany miaraka amin’i Violette de Parme dia i Jupiter (Justin Rainizanabololona), Ny Avana Ramanantoanina, S. Bem, Jasmina Ratsimiseta… (Randrianandrasana Rova, 2003); mpanoratra samy nahazo an-tsaina tsara ny vesatry ny fitondran-janatany teo amin’ny teny sy ny haisoratra malagasy. Tamin’ny avrily 1945 dia namoaka ny amboara Tanàna haolo, i Violette de Parme izay nirakitra ny ankabezan’ny tononkalo nosoratany. 

Tamin’ny volana mey, 1940, no nivoaka ho boky ny tantara noforoniny voalohany : Voalobo-jaza ; ary ny volana desambra 1947 kosa ny farany : Hafatra avy any Ankoatra. Fa sivy no fitambarany teo anelanelan’ny taona 1940 – 1947. Ny roa amin’ireo izay samy nivoaka tamin’ny taona 1941 dia nosoratana mirindra (roman en vers) : Nofon’ny Nofy sy An’iza ny heloka ? Ny collection Malagasy Minerve avokoa no nisehoan’izy rehetra, toraka izany koa ny Amboaram-betsovetso nifarimbonany niaraka tamin’i Élie Charles Abraham, ny taona 1947.

Tsy latsa-danja noho ireo mpanoratra malagasy hafa rehetra i Violette de Parme. Matoa tsy re firy na tsy fantatry ny tanora amin’izao fotoana izao mihitsy ny anarany dia noho izy tsy teto an-tanindrazana nandritra ny roapolo taona latsaka kely, araka ny voalaza etsy ambony. Raha manao jery todika isika dia hahatsapa fa isan’ny vehivavy mpamaky lay izy teto Madagasikara. Raha i Charlotte Razafiniaina no vehivavy voalohany teo amin’ny fanoratana tantaraforonina, tany amin’ny fiandohan’ny taonjato faha-20, dia i Violette de Parme kosa no voalohany tamin’ny famakiana tononkalo, dia ny tononkalony, tao amin’ny Radio-Tananarive  tamin’ny taona 1944 (Martel Robert, 2011).

Nandritra ny taona 1945-1946 dia namoaka tantaratsangana miisa telo izy,  ka  ny Itompokolahy Raberanto (1946) dia nosoratana mirindra. Taorian’ny fahatongavany teto an-tanindrazana no namoaka ny asasorany farany izy, ka iray tamin’ireo tantara noforoniny, Antson’ny ra (1940) no namboariny ho tantaratsangana (jona 1973).


Angamba tsy nanoratra mihitsy i Violette de Parme tany ampita, tsy nahita asasoratra nahazoa-manamarina na mandiso izany ny fikarohana hatreto. Fa namirapiratra kosa ny talentany teo amin’ny sahan’ny hosodoko.

Fa ny tena mampalahelo ireo taranany dia very, nisy "naka ho tompony, naka tsy niera", ny tahirin-tsoratr’i Mémée, fa izany no fiantsoana azy eo anivon’ny fianakaviany. Iray dia iray no hany tononkalo sisa ananan’izy ireo, dia ity soratanany atolotra antsika ity, nosoratany tamin’ny fampakarana ny zafiafiny (1987). Nanampy trotraka izany ny fahamaizan’ny Radio-Madagasikara ka dia levona tao ireo asasorany maro.

Tsy hitanay na tao amin’ny Tranombokim-pirenena etsy Ampefiloha na tao amin’ny Arsivam-pirenena  ao Tsaralalana ny anarana na ny solonanaran-dRamasinoro Joséphine. Toraka izany koa ny gazety boky Voahirana sy ny amboaran-tononkalo Tanàna haolo. Azo antoka kosa fa ireo gazety namoahany ny tononkalony tany am-piandohana dia nahatahiry ny maro amin’izy ireny. Ny zava-misy iainana ara-pahasalamana eto an-tanindrazana amin’izao fotoana izao anefa dia sakana lehibe tsy hahafaha-manatanteraka fikarohana lalindalina kokoa. Mirary koa izahay raha mirary ny mbola hanohy izany, ka hanatevina ny famoahana eto ny asasorany aoriana.

Manao antso avo sahady koa amin’ireo izay nahatahiry na vitsivitsy aza amin’ireo soratr’i Violette de Parme mba hiara-misalahy aminay.

Pôetawebs Andron’ny Fanambadian’I Koto sy I Kala

Manao aza fady aho, miala salohy,
Mangata-dalana, hiteny fohy.
Eto ny ray aman-dreny, hajaina
Ny zanaka rehetra tsy azo vizaina.
Tsy mba ny sarambaben’ny kintana,
Fa, fitarikandro navahan’ny vintana
Ka tsy hatao rano dikain’ny zinga,
Fa raha mibolisatra tsy mahakinga.

Ny tsiny no aoka hesorina aloha,
Fa ombako tsy zaka, tsy leon’ny Taloha.
Ny tsiny, hono, tsy re velively,
Tsy hita tarehy kanefa mamely.
Tsy manao haody hatao mandrosoa,
Ka aoka hatosika sao mahavoa.
Hopaohin-tadio mitambolombolona.
Any an-tany tsy fantatra, tsy misy olona.

Tsy Ntaolo aho, fa zandrijandriny ihany
Fa tia ny fitenenan’ny tany aloha tany
Izay nampamiratra ny andro diavolany,
Dia ireo ankamantatra sy ohabolany,
Fa voahangy raraka, tsy vasoky ny ela,
Ka ombay mitsimpona, fa lova navela.

Pôetawebs Anio, no andron’i Koto sy i Kala malala,
Andro iray toa zato, tsy manan-tsahala.
Andron’ny mpifankatia, mpisakaiza fahazaza.
Moa tsy mendrika hobina toy ny olo-malaza ?

Koa rariny loatra raha toa arahabaina,
Tsofina rano, tsy ho hambahambaina,
Ho tratry izay ela dia ela indrindra.
Ho tretrika ao amin’fiaina-mirindra !
E ! maroa fara, ho lahy sy vavy,
Samy ho bolangina tsy mba fanavy !

Izaho koa, rebika tsy torahan-damba
Te-hitsipi-sandry handihy hisambasamba
Ny haravoana anaty tsy efan’ny vava
Endrey ity harivako, nihamazava.
Fa ny zafiafiko ity ampakarina,
Isaorana anie Ilay Rain’ny marina.

Todihiko indray izy roa vao hisantatra
Ny hitety onja sy lalana tsy fantatra.
Ny fomban’ny hendry dia mifehy vatsy
Tsara ny lalana, fa misy koa mba ratsy
Koa samia mivimbim-pitia mifanerana
Miaraha-mivongika ny fandeferana
Aza manandrana adimadinika
Fa ny mpifankatia no mifampidinidinika

Pôetawebs Anio ary dia efa niova sahady
Ny iantsoana anareo dia “izy mivady”
Anarana kely tsy saro-tononina
Fa mampisy haja amin-tany ama-monina
Koa aoka ho filamatra, ‘olona ilaina’
Manadino tena, ny hafa no ao an-tsaina
Vonona hiady amin’ny fitiavan-tena
Fa io no mampietry na iza firenena.

Nakambanareo izao ny fianakaviana
Toa ladim-boatavo ka iray fihaviana
Ny endrika mirana tsy mba vidina,
Fa ny fahatsorana, toetra kajina.

Farany

Ny Fanambadiana na hoe : Tokantrano
Dia firasana masina, tsy anganongano
Ka raha-te-ho sambatra sady finaritra
Aoka ho tsapa fa ao Andriamanitra

Violette de Parme na Memée
Sabotsy, 5 Septembre 1987



Noro Fine sy ny hosodoko

F
a na dia nandao an’i Madagasikara aza izy, ny taona 1951, dia tsy nahafoana ny aigam-panahin’ny maha-poeta azy ny elanelan-tany. Indro fa nadikany amin’ny hosodoko ny fihetsahampony, navaingany ho sary sy loko ny teny.

Pôetawebs Nanaraka fiofanana momba ny hosodoko indroa miantoana nandritra ny valo taona tao Parisy izy, teo amin’ny Place des Vosges (1958-1959) sy tao amin’ny Grand-Maître, Madame Jarot, Montparnasse (1959-1966).

Noro Fine no ahafantarana azy eto amin’ity sehatra ity ; ny tapany farany amin’ny anarany sy ny fanampinanarany ireo noraisiny ireo. Hita taratra tamin’ireo sanganasany fa mamelovelo hatrany ao am-pony ny Taniny sy ny maha-izy azy, nasongadiny tamin’ny fandokoana ny "Voankazon’i Madagasikara", "Ireo Mpandihy bara any atsimo", "Tovovavin’ampovoan-tany"… fa Malagasy izy.

Raha fintinina dia azo lazaina fa ny maha-mpanoratra/poeta azy no loharanon’ ny talentany rehetra. Hita taratra ilay fahamaizan’ny mpandika asasoratra hamerina hanoratra izay asasoratra novakiny ka nambabo ny fo amam-panahiny.
Mon professeur Madame Jarot

Ny an'i Noro Fine kosa dia nadikany ho sary ny tononkalony. Tsinjo hatrany tao aminy koa ilay hetahetan’ny mpanoratra hizara amin’ny hafa. Hany ka tsy mahagaga mihitsy raha tao anatin’ireo Malagasy miisa roapolo mahery nandray anjara tamin’ny fampisehoana mivelatra nokarakarain’ny Société des Beaux-Arts de la France d’outre-mer izy, tamin’ny 1958. Samy mpanao hosodoko fanta-daza, nanolotra ho an’ny mpijery iraisam-pirenena ny soa sy ny kanton’i Madagasikara tao ry Victoire Ravelonanosy, Yvonne Ramanandraisoa, i Émile Ralambo sy maro hafa (Marlène Lespes, Thèse de doctorat, 2017). Taorian’izay (1960-1970) dia afaka nahita sy nianoka ny talentany ihany koa, tao amin’ny Grand Palais (Paris), ireo mpankafy hosodoko.

Pôetawebs Pôetawebs
"Feon'ny angorodao" - Noro Fine "Ireo Mpandihy bara any atsimo" - Noro Fine


Pôetawebs Pôetawebs
"Voankazon’i Madagasikara" - Noro Fine "Tovovavin’ampovoan-tany" - Noro Fine

Notolorana ny mariboninahitra  Chevalier de l’Ordre National Malgache izy ny 25 jona 1986.
Manana ny Diplôme officiel du XIXe Grand Prix International de Deauville (1969)

Ireo asasorany

Amboaran-tononkalo
–    1945 : Tanàna haolo
–    1947 : Amboaram-betsovetso (Violette de Parme / Élie Charles Abraham)

Tantaraforonina
–    1940 : Voalobo-jaza, Antson’ny ra, Ny tena fitiavana,
–    1941 : Ilay sadiavahy tany Ibara, Noho ny zanako, Nofon’ny Nofy, An’iza ny heloka ?
–    1944 : Akohokely lasam-papango
–    1947 : Hafatra avy any Ankoatra

Tantaratsangana
–    1945 : Rahanitriniala ; Voangaly
–    1946 : Itompokolahy Raberanto
–    1973 : Antson’ny ra

Mpikambana tao amin’ny Centre artistique et littéraire de la France-Madagascar : Société des artistes indépendants et des Beaux-Arts de la France d’Outre-mer.


Nizara ny hafaliany sy ny fahafinaretany tamin’ireo mpiray tanindrazana aminy rehefa tafaverina soa aman-tsara teto Madagasikara ka nanao fampirantiana teny Anatirova (1971) ; teo amin’ny Place Goulette (Ministeran’ny Tanora ankehitriny) ; teo Imahamasina (INFP ankehitriny). Nanolotra koa fanomezana  sary hosodoko iray tamin’ireo sanganasany ho an’ny Musée d’Art Contemporain de la République malgache (1974).


Pôetawebs

Nanao hetsika ho fahatsiarovana ny faha-100 taonan’ny nahaterahany, teto Antananarivo, ireo taranany tamin’ny 20 desambra 2003.

Fisaorana

Isaorako manokana eto ireo taranany indrindra Andriamatoa Rafidison Christian mivady, zafikeliny, nampita tamiko ireo sary maro dia maro miampy ny teny fanolorana sy sorapiainany nosoratan-dRamatoa Rafidison Henriette, zanany, tamin’ny fankalazana io faha-100 taona voalaza eo ambony io. Ny fanampianareo nizara ny momba azy sy ny sanganasany teo amin’ny sahan’ny kanto no nahazoana nanatanteraka izao sorapiainana izao.
Mankasitraka, Tompoko.


Boky ahitana sombintsombiny momba an’i Joséphine Ramasinoro na Violette de Parme

Lespes Marlène, De l’orientalisme à l’art colonial : les peintres français au Maroc pendant le Protectorat (1912-1956). Art et histoire de l’art. Université Toulouse le Mirail - Tome I, 2017, p. 162

Martel Robert, Une école protestante à Madagascar – Ambositra, 1861-2011 : le temple devenu le lycée Benjamin Escande, éd. Karthala, p. 90

Nirhy-Lanto Ramamonjisoa Solotiana, Le Dictionnaire Universel des créatrices (dir. Béatrice D., Fouque A., Calle-Gruber M.,) éd. Des femmes, Paris, 2013

Randrianandrasana Rova, Idealy-Soa zanany : Ny mpanoratra sy ny asasorany, Mémoire pour l’obtention du Certificat d’Aptitude Pédagogique de l’École Normale, ENS, Antananarivo, 2003, p. 10
Ravelosoa, Victor Benjamin Andriamasy, 11 février 1921 - 6 mai 1998, akondro.com


Nandrindra ny takelaka : Toetra Ràja
© Pôetawebs

Date de dernière mise à jour : 11/05/2021