Toy
ny mpanakanto sy olobe rehetra dia miavaka amin'ny teniny ny poeta ary
mendrika ny ankatoavina sy hajaina izany raha toa ka maharesy lahatra
ary heverina fa hahasoa ny fiarahamonina. Tsara raha hofaritana aloha
ny sehatra ipariahan'ireny teny ireny mialoha ny fanombanana ny mety ho
fiantraikany eo amin'ny fiarahamonina.
***
Sehatra ipariahan'ny tenin'ny poeta
Ny tenin'ny poeta aroso eto, ho an'ireo misongadina na
tehirizin'ny fiarahamonina, dia ireo tsongaina ao anatin'ny tononkalo
na lahatsoratra foroniny. Ahitana izany koa ny tapatapakahitra sy ny
resaka ifanaovany amin'ny sehatra samihafa.
Ao ireo mandalo fitaovam-pifandraisana toy ireo heno an'onjampeo,
vakina an-gazety, boky, tranonkala... Anisan'ny fampitana mahazatra koa
ny taratasy — sora-milina na sora-tanana — atolotra mivantana na alefa
Paositra. Manginy fotsiny ireo apariaka amin'ny fitaovam-pifandraisana
manaraka ny toetr'andro toy ny tambajotra sosialy, SMS, mailaka na ireo
voarakitra an-kapila, solosaina... Loharano ipoiran'ireny teny
manan-danja ireny koa ny fihaonan'ny poeta mivantana amin'ny mpanatrika
eny an-tsehatra, fihaonana manokana amin'ny olon-tokana na anaty
vondrona sy fikambanana. Tafavoaka izany sehatra izany ny teny avy eo
ka misandrahaka amin'ny tontolo lehibe.
Fiantraikan'ny tenin'ny poeta eo amin'ny fiarahamonina
Mahangolingoly,
mahatorotoro fo, mampisaina, mampientana, mampiontana... olona ny
tenin'ny poeta. Mihatra avy hatrany amin'ny fiainana izany indraindray,
toy ny tononkalom-pitiavana mampihetsi-po amam-panahy: "Ngolingolinao ny
foko ka matahotra ho tia", hoy i Dox. Vatran'ny poeta tokoa ny filalaovana ny
fihetseham-pon'ny olona ka itaonany azy hanaraka ny anatranatra omeny
toy ilay hoe "Izay
tsy mihetsika mihitsoka" an'i Elie Rajaonarison. Fitaomana ny olona hioitra
izany, hikaroka ny metimety hatrany eo amin'ny sehatry ny famoronana
noho ny fahatsapany fa "Mpamerin-desona no
betsaka fa tsy mpamorona". Mbola ao anatin'izay anatranatra izay
ihany ny tsindrom-paingotry ny namany, Solofo José, momba ny tsy fahamatoran'ny
fanatanterahana vina: "Ajanony amin'izay
ny ampotomoty fa aleo mitsinjo lavitra amin'izay".
Tsy misy tsy maniry fahombiazana araka izany ny rehetra kanefa
lalam-piainana nitondran'i Dox ny mpanaraka azy ny fanekena
setram-piainana noho ny mety ho fivadibadihan'ny haizina sy ny
hazavana, nokaloiny ao amin'ny tononkalony "Omeo hotezain'ny
fiainana", ka tokony hampitony hatrany.
Tsy vitan'ny maneho fananarana ny teniny, fa mitondra fanentanana
mankany amin'ny fahombiazana. Loharanon'ny teny filamatra nampiasain'ny
tanànan'Antananarivo ho fitandroana ny hasin'ny tontolony ny "Antananarivo madio
no tanjona ka tadidio" an'i Célestin Andriamanantena tany amin'ny taom-polo
80. Tsy vitan'ny hoe mpanentana fa mpitarika mihitsy ny poeta. Niainana
izany tamin'ny alalan'ny "Tsy maintsy
mipoaka ny sarom-bilany", tenin'i Rado noventesina teny an-kianja manoloana
mpanatrika amana hetsiny, ary zary lasa teny fanoitra nivoizana ny
tolom-bahoaka.
Olon'ny teny ny poeta ka azo lazaina ho voalohany eo amin'ny
fanandratana ny teny malagasy. Iray amin'izany ny "Andrianiko ny
teniko, ny an'ny hafa koa feheziko", teny faneva nolovaina
tamin'i Di...
Ampiasaina amin'ny tontolon'ny fampianarana koa ny tenin'ny poeta ary
fototry ny asa fikarohana eny amin'ny anjerimanontolo, teny tsongaina
ho fototry ny haitsikera ivoizana asa fikarohana, laza adina... Tsy
zovina fa tsongaina ny tenin'ny poeta ho fanamafisana tohan-kevitra ary
mifanahantsahana sata amin'ny ohabolana ka ambetintenin'ny maro ao
anatin'ny lahateny. Tsapa amin'ireny teny ireny koa ny fahenterana tsy
ahafahana manozongozona hevitra toy ny "Ny fakako eto dia
eto", Esther Nirina.
***
Mitondra risi-po hioitra, hirona, hirintona,
hitolona... ny tenin'ny poeta. Voarakitra an-tononkalo na
an-dahatsoratra izy ireny ary misy heno an'onjampeo, vakina an-gazety,
boky, tranonkala... Ampiasain'ny fiarahamonina amin'ny andavanandro ny
tenin'ny poeta satria manampy azy: mampianatra, mitarika, mampitony,
manentana. Manana adidy, araka izany, ny poeta hamorona ny metitmety
hatrany fa tsy mamerina ny efa nisy, ary mitahiry izany amin'ny
fitaovana maharitra ho an'ny taranaka fa tsy mianina amin'ny fampitana
am-peo sy vakiraoka. Anisan'izany fitaovana heverina fa haharitra sy
mora raisina izany ny boky, gazety, solosaina, tranonkala...
_______________
Tenin'ny poeta
