Ny zotram-piainan’ny loka literera

eo amin’ny tontolon’ny haisoratra malagasy*

Ny zotram-piainan’ny loka literera eo amin’ny tontolon’ny haisoratra malagasy
Solotiana Nirhy-Lanto - 31/08/2025

Amin’ny ankapobeny, ny loka literera dia fanomezam-pankasitrahana ny asasoratra izay nampifaninanina ka niavaka ny maha sorakanto azy teo amin’ny haifanoratra, taratry ny talentan’ny mpanoratra.
Koa hofakafakaintsika mitohitohy eto ny zotram-piainan’ny loka literera malagasy hatrany am-piandohany.

Ny fotoana nahatorontoronina ny loka

Efa notorontoronina hatramin’ny ela teto amintsika ny fotokevitry ny loka. Ny fampitaha dia toa kilalao ihany tamin’ny andron’ny Ntaolo, kanefa dia fifaninanana nanan-danja teo amin’ny vahoaka ary nisy tamin’izy ireny no natrehin’ny mpanjaka mihitsy. Ny vahoaka ihany koa no mpitsara ary nahazo loka lehibe ny mpandresy. Tamin’ny andron-dRadama Rainy (1810-1828) dia notolorany fankasitrahana ireo mpianatra mahay rehefa mifarana ny taom-pianarana. Izany dia ho fampirisihany ny ankizy amin’ny fianarana no sady porofon’ny hetahetam-pivoarana tao aminy araka ity ampahan-teniny tamin’ireo misioneran’ny London Missionary Society (L.M.S.) nampiditra ny fampianarana an-tsekoly teto Madagasikara ity : ”Midira ianareo, ampianaro ny vahoakako”. Fa tao indrindra ny fifaninanana manoratra lahatsoratra (rédaction) isan-taona, tao amin’ny toeram-pianarana Sekolara (École supérieure de la L.M.S.) izay toy ny fanairana sahady ny talenta ho an’izay liana amin’ny fanoratana.

Ny nahaterahany

Zanatany frantsay i Madagasikara ny taona 1896. Efa fotoana elaela ihany no nifaneraserana tamin’ny soratra sy ny gazety notanan’ny misionera. Koa, valo taona taty aoriana (1904), dia nofohazin-dry pasitera Rabary, Ravelojaona, Razafimahefa indray ny gazety Ny Mpanolo-tsaina.

Rabary mpitandrina
Rabary ao amin'ny toeram-piasany

Io taona io ihany dia nampanao fifaninanana tantara foronina ny gazety. Teraka teo ny loka litereran’ny asasoratra nosoratana Malagasy, amin’ny teny malagasy, ho an’ny Malagasy. Ny tantaraforonina no nisantatra azy. Nifanojo indrindra izany tamin’ny fahaterahan’ny Loka Goncourt tao Frantsa (1903), izay nametraka ny tantaraforonina eo amin’ny toerana mendrika azy amin’ny maha haisoratra kanto azy. Koa izao dingana vitan’ny gazety Ny Mpanolo-tsaina izao dia sady fiarovana ny teny malagasy manoloana ny teti-pitondram-panjanahantany no mampiditra koa ny mpanoratra malagasy ao amin’ny tontolon’ny fandrosoana literera. Tsy azo hadinoina tokoa fa nitsoka teo amin’ny fiainam-pirenentsika ny rivo-maherin’ny “fandrosoana” sy ny “sivilizasiona” tamin’izany fotoana izany.
Nanomboka teo dia nahazo ny toerany ny fifaninanana  loka literera ho fikajiana ny teny malagasy sy ho fampivelarana ny literatiora ary dia mbola mitohy mandraka ankehitriny.

*Azo vakina, S.Nirhy-Lanto Ramamonjisoa, N. Rajaonarimanana, « Dynamique des prix littéraires à Madagascar », in Ursula Baumgardt (dir.), Littérature en langues africaines. Production et diffusion, Paris, Karthala, 2017.

Solotiana Nirhy-Lanto
_______________
Ny zotram-piainan’ny loka literera
eo amin’ny tontolon’ny haisoratra malagasy


Ajouter un commentaire