varavarana

poeta_malagasy

ANDRIANAMBININA Georges - 13 martsa 2010

 

Georges

ANDRIANAMBININA Georges dia poeta, mpanoratra tantara ary mpamoron-kira ihany koa. MPIRAY FARIBOLANA SANDRATRA izy ary efa tranainy tokoa teo amin'ny fanoratana ka tsy nisalasala ny tranonkalan'ny POETA MALAGASY niantso azy hiara hitapatapak'ahitra amin'ireo mpandrindra.

Miarahaba anao ANDRIANAMBININA Georges ary misaotra anao izahay nanaiky hifampidinidinika aminay. Azonao ambara fohy ve ny momba anao ?

Izaho dia zanak'i Rakotovola Charles sy Rasoamampionona Georgine. Teraka tamin'ny 01 aogositra 1966 tao Antsirabe.
 
Raha ny amin'ny asa soratra indray, oviana no nanoratanao ny tononkalonao voalohany ary inona no lohateniny ?

Efa nanoratra ihany aho talohabe ohatra hoe 1978, nefa moa amin'ny maha zaza tamin'izany dia verivery teny fotsiny. Ny taona 1990 aho, ny 15 oktobra raha ny marimarina kokoa, vao tena nitana antsoratra ny asa soratro ka ALONA no lohateniny.
 
Inona no nanintona anao hanoratra ka nahatonga anao ho poety ary inona no lohahevitra iompananan'ny asanao ?

Ny nanintona ahy hanao poety dia nohon'ny fahitako ny tononkalo tamin'ny nianatra. Dia maha te hanao koa izy izany hoy aho.
Ny fiainana andavanandro no soratako ary koa ny olana ao, indrindra ny zavatra misy nefa tsy hita maso kanefa mamely ny fiaraha-monina.
 
Mahakasika ny inona indray ny tantara sy hira foroninao ?

Ny tantara foroniko dia mikasika ny fiainana andavanandro sy ny olany ary ny hery tsy hita nefa misy. Raha ny hira indray moa dia mikasika ny fitiavana sy ny olana amin'ny fiainana andavanandro ihany koa. Misy amin'ireo tononkaloko sasany no asiako feony toy NY FITIA ka lasa tononkira ary misy hira hafa mihitsy.
 
Mpiray Faribolana sandratra ianao. Inona no tombony amin'ny fidirana fikambanana na faribolana ?

Mampivelatra, mahatsara, mampahay. Araka izany, ny lafiny ratsy raha tsy miditra fikambanana dia tsy mivoatra, tsy mahalala ny vaovao, tsy afaka mandrefy ny fahaizan'ny tena, tsy afaka mitaha amin'ny hafa.
 
Inona avy no HETSIKA efa nataonao nanehoana hatrany ny talentanao ?

Efa nanontaniana indroa tao amin'ny Radio HAJA aho, sady nisy resadresaka ihany koa. Misy koa fandaharana RANDRAMBOLANA nandefasana tononkalo. Mbola tsy nivoaka gazety kosa na ny tononkaloko na ny tantarako. Kanefa efa re tamin’ny radio ny tantara noforoniko dia ireto avy :

- Hety bozaka ka kantsaniny izay mihalava
- Rirarira
- Vahaolana amin’ny sida

Raha ny sombintantara indray dia ireto :

- Aiza ary aho izany
- Fahaizana manokana.

Ny hirako kosa dia tsy mbola nandeha tamin’ny radio. Ataoko rehefa mivory any amin’ny alliance ny hirako ary koa hiraiko any an-trano.

Iza no poety mahaliana anao ?

Jean Narivony no poety malagasy tiako. Ny poety frantsay indray dia Victor Hugo ihany izao no mba fantatro sy mahaliana ahy.
 
Inona no atao hoe : poety aminao ?

Amiko ny atao hoe poety dia olona mahay milalao ny teny mba entina ampitana hevitra tiana hambara nefa miady rima na tsy miady rima. Mpaminany ihany koa ary tena olona hafa mihitsy tokony mpifandray amin’ilay nahary.
 
Rahoviana amin'izay ianao no hamoaka boky ?

Rehefa manana fahafahana amin’izany aho dia mamoaka. Angoniko daholo aloha, ary manoratra foana aho rehefa misy fotoana.
 
Misaotra anao ANDRIANAMBININA Georges namosaka tamin'ireo mpisera ny momba anao sy ny tsiambaratelon'ny talentanao. Mirary soa anao hahavita be amin'ny fanandratana avo ny haisoratra malagasy izahay eto amin'ny tranonkalan'ny POETA MALAGASY. Mandra-pitafa !

poeta©2009 - poetawebs@gmail.com
Raha misy mahatafintohina ny votoatin'ny tranonkala dia anoraty ny tomponandraikitra anamboarana ny tsy mety

Date de dernière mise à jour : 05/07/2021

×