Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

25 Mey 2016

HAINGO - CEMDLAC, 20/05/2016

Fampisehoana miavaka no notanterahin'i HAINGO na RAZAFIARIJAONA Michel tao amin'ny Cemdlac Analakely ny zoma 20 mey 2016 teo tamin'ny 3 ora tolakandro. Fotoan-dehibe nanehoany ny talentany tokoa io andro io fa tonga maro be mantsy ireo mpanotrona nahitana raiamandreny maro sy tanora vao herotrerony tokoa. Feno tanteraka ny efitrano.


FANOKAFANA

I Haingo ihany no nanokatra ny seho ka nilazany ny mombamomba azy sy ny talenta maro ananany. Anisan'izany ny maha-mpanoratra azy ka nahavitany boky ampiasaina any amin'ny anjelimanotolo.

Mpamoron-kira koa izy, ho an'ny mpihira malaza amin'izao fotoana izao toa an-dRambeloson Victoire, Bodo, Tovo J'Hay...

Tsy nohadinoiny ny nanazava ny tononkalo manavanana azy.


ANTSA

Fiderana an'Andriamanitra no nanombohan'i Haingo ny antsa, fiderana nomeny ny lohateny hoe DERA. Maro ny antsa nataony; niavaka satria misy ireo mbola tsy tafiditra anaty boky fa tao no niantsana azy voalohany.

Maro koa ireo namelona ny antsa toa an'i Felana vady andefimandriny, ny vadin'ny Pasitera Ranjakavola an'ny FJKM Ankadifotsy, i Annie rahavavin'i Felana, i Tsiky Rakotomavo. I Tsiky Rakotomavo moa dia mpanoratra angano, mpitsikera lahatsoratra sy tononkalo, mpiantsa tononkalo.


HIRA

Nihira niaraka tamin'i Haingo matetika koa i Felana toy ny hiran'ny RFF noforonin'i Haingo. Nampiara-peo tamin'izy mivady koa i Tsiky Rakotomavo.

Efa miresaka hira ihany isika dia marihina fa nisy hiran'i Solo Andrianasolo natao tononkalo tamin'ity andro io. Fantatrao? "Saingy" no lohateniny. I Son no nitendry ny clavier.

Marobe ny antsa nasehon'izy ireo narahin'ny hira noforonin'i Haingo ho an'i Bodo, Tovo J'Hay, mpihira ara-pilazantsara maro, ny RFF...


MPIANTSA HAMOAKA BOKY

I Nadia kosa dia nanampy an'ireo mpiantsa izay hamoaka boky mitondra ny lohateny hoe "Mikopaka finoana". Ahitana tononkalo 52 ny bokiny ka 26 avy ny amin'ny teny malagasy sy amin'ny teny anglisy. Novakian'i Nadia ny teny fanolorana ary koa ny tononkalo iray tao mitondra ny lohateny hoe "Finoana".

Nifarana tamin'ny 5 ora latsaka fahefany fotoana ary teo

Tatitra : Léa Fandresena
Sary : Guy Razafindralambo

 

   
   
   
   
   
   

 

Pôetawebs©2015 - poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 25/05/2016