Créer un site internet

Dol'Aj, poeta misaina, miaina...!

Dol'Aj poeta misaina
Tsikimilamina Rakotomavo — 17/09/2025
DOL'AJ, POETA MISAINA, MIAINA...!

Nilofika antenantenam-banimpotoana ny singa iray nampamerovero ny sahan'ny literatiora malagasy. Nandao ny tontolon'ny fahavelomana ilay poeta mitsiky hatrany!

Dol'aj! Poeta mizara ny hakanton'ny Fitiavana. Hoy izy:

"Ny fitiavana tsy ho faty fa matory fotsiny ihany... ary mbola hisy fotoana hahataitra azy amin'ny torimasony".

Dol'aj ! Poeta manentana ny rehetra hisaina mandrakariva. Filazany ny hoe:
"Mitiava amin'ny saina mba tsy handratra fo... fa ny fo tsy misaina"

Dol'aj ! Poeta mizara ny hamamin'ny fiainana. Ambentinteniny ny hoe:
DOL'AJ, POETA MISAINA, MIAINA...!"Ny saiko no mibaiko ahy!!
  Mandalo ny eto an-tany...
  Aza hasarotina ny fiainana
  Fa tsara ny miaina!
  Iaino izay misy sy miseho
  Dia... ho SAMBATRA ianao !"

Izahay eto amin'ny Poetawebs dia miombona alahelo amin'ireo rehetra akaiky an'i Dol'aj Andriamihaja. Ho velona hatrany anie ny asasorany !

Tsikimilamina Rakotomavo

Commentaires (2)

Mina Ilarion
  • 1. Mina Ilarion | 18/09/2025
Mirary fiononana feno tompoko
Heriarilala
  • 2. Heriarilala | 18/09/2025
Banga be ny fikambanana !
I Dol'Aj no mpiandraikitra ny Alarobia miverina, i Dol'Aj no mpanao ny tefibikan'ny fafana isaky ny herinandron'ny Havatsa. Fafana 50 mahery fa vitany irery, i Dol'Aj no mpiandraikitra ilay boky kely felan-tatamo. Iza no hahasolo ?

Ajouter un commentaire