Eritreritra - Rado

Faniry Ezeckiel - 14/09/2025

Hery iray tsy azo tsapain-tanana mameno ny sain'ny olombelona ny eritreritra. Afa-miampita, afa-mananika hatrany amin'ny lavitra tsy hita maso sahala ny rivotra izy. Lalina tokoa ny fanehoan'i Rado izany amin'ity tononkalo fohy mitondra ny lohateny hoe ERITRERITRA ity izay notsongaina tao amin'ny boky SEDRA takila faha-51. Asongadiny fa mahery sy lalina ny eritreritra. Mampifanakaiky ireo mifanalavitra ary manafaka ireo mihiboka anaty fo torotoro.

ERITRERITRA

Ny eritreritra ihany no alefaso hifanandrify
Dia ho maito izato gadra mampisaraka ny dia
Ny alahelontsika koa, aoka indrindra hifanitsy
dia ho foana ny elanelan-tsesitanin'ny fitia

Ny alahelontsika koa, aoka indrindra hifanitsy
dia ho foana ny elanelan-tsesitanin'ny fitia
Fa ny fonja koa akory, tsy hanempotra ny fiainako
Raha miako aty am-poko ny alahelonao mankamiko.

RADO
(In SEDRA tak 51)

Hery iray tsy azo tsapain-tanana mameno ny sain'ny olombelona ny eritreritra. Afa-miampita, afa-mananika hatrany amin'ny lavitra tsy hita maso sahala ny rivotra izy. Lalina tokoa ny fanehoan'i Rado izany amin'ity tononkalo fohy mitondra ny lohateny hoe ERITRERITRA ity izay notsongaina tao amin'ny boky SEDRA takila faha-51. Asongadiny fa mahery sy lalina ny eritreritra. Mampifanakaiky ireo mifanalavitra ary manafaka ireo mihiboka anaty fo torotoro.

Mampifanakaiky an'ireo mifanalavitra ny eritreritra.
Mampiombona ireo tsy mifankahita ny saina mifanojo.
Manaitra avy hatrany ny fanombohan'i Rado ny tononkalony eto:

"Ny eritreritra ihany no alefaso hifanandrify
  Dia ho maito izao gadra mampisaraka ny dia"

  Raha ara-bakiteny, ny maito dia tapaka tarangana, mifarana tsy misy romoromo (Rakibolana Rakipahalalana). Toy ny eo hatrany ilay olona eritreritina na dia sembanin'ny elanelana aza. Araka izany, mampifandrohy ireo nisara-dalana ny eritreritra.
Mampiombona ao anaty fifankatiavana lalina ny eritreritra mifanojo. Hoy ny mpanoratra manohy ny tononkalony:

"Ny alahelontsika koa, aoka indrindra hifanitsy
  dia ho foana ny elanelan-tsesitanin'ny fitia."

Rehefa mifanjohy ny eritreritra, toy ny mifanjohy koa ny fo na dia mifanao an-dakira aza. Manamafy ny fatoram-po ny fifandraisan'ny eritreritra.

Raha zohina akaiky, rehefa samy mandefa vinany izay tsy mifankahita dia tahaka ny mifanatrika ihany na tsy eo aza ny nofo. Moa va tsy manafaka ireo mihiboka anaty fo torotoro koa ny eritreritra?

Manafaka izy. Mamaha ny jalin'ny saina tsy handratra ny ao anaty ny eritreritra raha mifampita. Hamafisin'ny andalana roa voalohany ao amin'ny andininy faharoan'ny tononkalo izany:

"Fa ny tady tsy ho maito tsy hangeja ny fisainako
  Raha manojo anao hatrany irony eritreri-mamiko."

 

Mampamolivoly ny fanahy ny lavitra olon-tiana saingy misinda izany rehefa mifampieritreritra. Mandrava ny ahiahy isan-karazany ny fisainana mifampitantana.

Mamaha ny vonan'ny fahatsiarovana ny akon'ny eritreritra. Mafonja ny famaranan'ny poeta ny asasorany:

"Fa ny fonja koa akory, tsy hanempotra ny fiainako
 Raha miako aty am-poko ny alahelonao mankamiko".

Ilazany ny fahoriana ateraky ny tsy fihaonana eto ny fonja. Gadra, lavitry ny hazavana ny manontolo rehefa tsy anilan'ilay tsy foy saingy foana izany rehefa tsapa ao anaty ny fifampitan-kafatry ny eritreritra. Mahatony ny saina amam-panahy ny fifampieritreretana.

***

Raha lazaina amin'ny teny fohy,  ampifandraisin'ny eritreritra ny mpisakaiza setrain'ny fifanalavirana. Tsy marina amin'ny mpanoratra ilay fiteny mahazatra hoe: "lavitra ny maso, lavitra ny fo" rehefa mifampisintona an'onja ny eritreritra. Andininy roa monja dia ampy nanehoan'i Rado hafatra makadiry miloko kanto tsy manam-paharoa izay manaporofo ny maha andrarezina azy teo amin'ny fiangaliana ny literatiora. Amin'izao vanimpotoana mampiroborobo ny tambajotram-pifandraisana izao, mampahatsiahy antsika ny hasarobidin'ny fifandraisana anaty amin'ny alalan'ny antso an'eritreritra itony tononkalo rakitry ny ela itony.

 
Faniry Ezeckiel
_______________
ERITRERITRA

 

Ajouter un commentaire

 
×