Créer un site internet
Sorapiainan'i Ny Avana Ramanantoanina
Toetra Ràja sy Tsikimilamina Rakotomavo - 15/07/2021

NY AVANA

Andinin-teny tokana, iantombohan'ny tononkalon'i Ny Avana "Alahelo iaraha-manana", no maneho ny ampaham-piainany ary mampisento mandraka ankehitriny. Imanga? Tanànany, niantsoana an'Iarivo, imbetika voatonontonona ao anatin'ireny hainteny ireny. Zovy no tsy mahalala fa tany an-tsesitany no toerana nanoratany azy? Tsy io irery no vokatry ny aingam-panahiny nanonga tany; tsy ny sesitany ihany no niainany fangirifiriana. Ny Avana? Pôetan'ny "tany" kanefa eto ihany; pôetan'ny omaly... pôeta tsy maty. Pôeta miatrika izy ary maneho fihetseham-po miavaka amin'ny alalan'ny fanapariahana an-gazety ny embona sy hanina mampangotsoka indrindra. Anisan'ny tena mampiavaka azy koa ny maha pôeta mitarika azy teo anivon'ireo mpanoratra zokiny, tamin'ny alalan'ny fironan-tsaina "Mitady ny very" sy noho ny tolona natolony ho an'ny tanindrazana.

1. Ny Avana, pôeta mitarika

Maro ireo pôeta malagasy niaritra fangirifiriana teo amin'ny fiainana: fandevenan-janaka na fisaraham-panambadiana na figadrana na fahantrana na fahadisoam-panantenana... Ny Avana kosa anefa azo lazaina ho nizaka ny mangidy tsy telina fa toa nivangongongoan'ireo loza rehetra ireo.

  1.1. Niharan'ny hetraketra-piainana

Tsy mba anisan'ireo zaza nampihantaina naharitra i Ny Avana tamin'ny fahazazany satria vao 11 taona monja dia efa kamboty. Nandao azy mantsy Rantoanina rainy, mpivaro-damba, tamin'ny 8 novambra 1902. Nanamarika ny fiainany hatrany ny aloky ny fahafatesan'ireo akaikiny nandritra ny androm-piainany. Io taona 1902 io koa no namoizany ny anabaviny. Nanana anabavy telo mantsy izy mirahalahy mpiray tampo. Nandao azy indray Raketapiringa reniny tamin'ny 12 jona 1914. Nandevin-janaka roa ihany koa izy: Andriatsimihoatra Samuelson Benjamina, maty tamin'ny 13 novambra 1932 sy Ramanantoanina Andrianasandratra Solofoniaina, nindaosin'ny fahafatesana ny 1939. Araka izany, herintaona talohan'ny nahafatesan'i Ny Avana no namoizany io faharoa io ary voalazan'i Di...(1) aza fa niteraka aretina nahafaty azy ny alahelon-janaka.



Anisan'ny hetraketra-piainana nampitanondrika an'i Ny Avana koa ny fisarahany tamin'ny vadiny voalohany antsoina hoe Razanabenja Esther. Tsy vitan'izay fa nisara-belona tamin'ny vadiny faharoa koa izy taty aoriana, vadiny nahazoany zanaka enina (F. Rakotonaivo, 1993).

  1.2. Naniry ho dokotera

Nandranto fianarana tao amin'ny fiangonan'Isotry Antananarivo aloha i Ny Avana. Nampiasaina ho sekoly amin'ny andavanandro mantsy fahizany ny fiangonana sasany.

Pôetawebs
Le-Myre-de-Vilers - Mahamasina tamin'ny 1931

Nanohy izany tao amin'ny sekoly protestanta F.F.M.A. (Friend's Foreign Missionary Association) tao Ambohijatovo izy ka nahazoany ny mari-pahaizana C.E.S.D. (Certificat d'Etudes de Second Dégré). Manana ny maha izy azy ity sekolin'ny Frenjy (Friend's) ity, satria nanefena ireo sangany teto amin'ny firenena toa ny pôeta (Ny Avana), mpanoratra (Rajaonah Tselatra), mpanao gazety (Rainizanabololona)... "Tao no naharenesanan-dRamanantoanina voalohany ny fiantsoana azy ho pôeta" (Charles Rajoelisolo).

Naniry ho lasa dokotera i Ny Avana ka nandranto fianarana tao amin'ny Le-Myre-de-Vilers - Mahamasina aloha, ho fanomanana ny fifaninanana fidirana eny Ankadinandriana, sekoly fanofanana ho dokotera. Na dia voalaza fa anisan'ireo mpianatra havanana indrindra aza izy, izany hoe nitana ny laharana faharoa, dia nizaka ny tsy fahafahana tamin'ny fanadinana fidirana teny Ankadinandriana. Voalazan'i Charles Rajoelisolo aza fa an-tsasak'isa monja no tsy nahafahany ary ireo namany tsy toa azy aza no voaray. Namerina indroa ny fifaninanana izy saingy toa izany hatrany. Niteraka hakiviana tao anatiny izany, eny fa na dia noraisiny ho fitaritan'Andriamanitra azy hankany amin'ny lalan-kafa aza. Raha toa ka lasa dokotera ihany Ramanantoanina, ho nanana pôeta sangany toa azy ve isika?

1.3. Pôeta mitolona


Nitolona ho an'ny tanindrazana i Ny Avana. Niorim-paka tao anatiny izany amin'ny maha taranaka mpitolona azy ary niainany lalina tokoa teo amin'ny fiainany: raharaha V.V.S. sy ny nanaovana azy sesitany.

    1.3.1. Loharano nipoirany

Voalaza fa tao amin'ny loharano nipoirany mihitsy no nandovany ny fitiavan-tanindrazana ka nahatonga azy hitolona nony voazanaka i Madagasikara.

Ao aloha ny raibeny avy amin'ny rainy, ny Jeneraly Rabehevitra, lefitry Rainandriamampandry(2), nifanandrina tamin'ny Frantsay tany amin'ny mandan'ny Manjakandrianombana (Farafaty), 7 km miala an'i Toamasina. Raha nandresy ny Malagasy tamin'ny ady voalohany (1883-1885) dia tsy nisy taratra faharesena koa ny tany Toamasina tao aorian'ny nananganan-dRanavalona III saina fotsy tamin'ny 30 septambra 1895 (Tsiaro An'i Neny, 2020).

Pôetawebs

Naharitra 10 volana ny fifanandrinana ary tsy niato raha tsy tamin'ny 9 ôktôbra 1895, nanasoniavan'ny Jeneraly Rabehevitra sy ny Kapiteny Lavoisot fitsaharana, noho ny nandrenesan'izy ireo ny nanangan-dRanavalona III ilay saina fotsy.

Ao ihany koa ny Jeneraly Rabeony, havany akaiky, 14 voninahitra, mpitari-tafika (Ellis S., 1998), voatendry ho governora jeneralin'ny Antsihanaka tamin'ny 1889.

Any Lazaina Avaradrano no misy ny tanindrazan-dry zareo ary ny fasan-drazana dia miray tokontany amin'ny an-dRanivo maritiora. Ahitana ny lafaoro namboarin'i Jean Laborde koa ao  amin'izany tokontany izany (Ranaivo Rasolondraibe S., 2018). Mbola voatahiry ho harem-bakoky ny fianakaviana ny trano biriky mijoalajoala ahitana efitrano 18, naorina tamin'ny 1883 ary tsy vita raha tsy tamin'ny 1895 (Ranaivo Rasolondraibe S., 2018).

Teraka tao Ambatofotsy, amin'ny tokon'ny Zanadralambo, filaharana fahafito amin'ny fianakavian'Andriana (Charles Rajoelisolo), ny alakamisy faha-26 febroary 1891 tamin'ny 6 ora sy sasany hariva, i Michel Ramanantoanina, misalotra ny anarana diam-penina Ny Avana Ramanantoanina. Araka izany, niaina fiovana makadiry teo amin'ny faha-5 taonany izy nony voazanaka i Madagasikara.

Pôetawebs
Tranon'ny Jeneraly Rabeony ao Lazaina

Pôetawebs
Fasan-dRanivo maritiora, iray tokontany amin'ny fasan'i Ny Avana

Pôetawebs
Lafaoro namboarin'i Jean Laborde, voahodidina tamboho ny fasana sy ny lafaoro

   1.3.2. Mpikamban'ny V.V.S.

Fikambanana miafina sy tsy ara-dalàna tao Imerina, nahitana avara-pianarana maro, indrindra fa mpianatra dokotera, ny V.V.S. (Vy Vato Sakelika). Natsangana tamin'ny 1913 ny fikambanana ary nofoanan'ny Mpanjana-tany sahady tamin'ny 1915 noho ny fiheverana azy ho ivon'ny mpikomy sy mpanao teti-dratsy ho fanoherana ny fitondrana. Fihetsehan-tsaina anefa ny V.V.S. satria sady tsy nikomy no tsy nanangana ady araka ny fanazavan'i Charles Rajoelisolo azy. Ny oha-penitr'i Frantsa manao hoe "Fahafahana - Fitoviana - Firahalahiana" ihany no notakin'ny V.V.S. hampiharina teto Madagasikara izay lasa taniny tamin'izany fotoana izany. Maro ny antony nanenjehana ireo mpikambana tao toy ny filazana ny fikasana fanapoizinana vovo fisotroan-dranon'ny Frantsay rehetra tao Antananarivo ny alin'ny 31 desambra 1916 (9 ora alina). Anisan'ny voarohirohy ho mpikomy ny pôeta Ny Avana Ramanantoanina, ny mpanoratra Pasitera Ravelojaona, ny Dokotera Raseta sy Ravoahangy Andrianavalona, ny Pretra F. Venance Manifatra...

    1.3.3. Natao sesitany

Voasambotra i Ny Avana ary nalefa sesitany tany Mayotte (Kaomaoro) ny volana desambra 1915, niaraka tamin'i Jasmina Ratsimiseta, Rodlish, Ramangamalefaka... Dzaoudzi no tena anaran'ny tanàna, saika nosy mitohy amin'ny nosy Petite-Terre, tafiditra ao amin'ny faritry ny nosy Mayotte. Vohitra kely aloha i Dzaoudzi tamin'ny andron'Andriantsoly sy ry Ramanetaka, samy mpitondra tao Mayotte tamin'ny fiandohan'ny taonjato faha-19 ary nonenana Sakalava, Antalaotra, Anjoanina... Nanorenana lakazera, toby miaramila, lasapely, hôpitaly ary tranomaizina ny toerana nony tonga ny Frantsay tamin'ny 1843. Tao amin'io fonja io no nametrahana an-dry Ny Avana nandritra ny 7 taona (1915-1922).

Fahasahiranana telo sosona no nanjo an'i Ny Avana nony tafaverina teto an-tanindrazana tamin'ny 1922.

Voalohany aloha dia nahatsiaro fangirifiriana hafa mihitsy noho ny fangirifiriana niainany nandritra ny 7 taona izy. Tsapany mantsy fa tsy notohizina ny tolona natomboka araka izao fanazavany izao:

"Raha mbola niaritra fahoriana tany an-tsesitany izahay, ny zavatra iray nitana ny fanantenanay dia ny fiheverana fa any an-tanindrazana any ireo namana mbola manohy ny tolona nataonay, na dia amin'ny endrika mangina aza..., kanjo nony tafaverina izahay, Malagasy miady fo hanan-karena, mila handitra amin' ny vazaha no hitanay... ary io dia mahakivy anay mihoatra noho ny fahorianay tany an-tsesitany."


Manaraka izany ny antony ara-pitiavana araka ny voalazan'i Charles Rajoelisolo, maneho an'ity senton'i Ny Avana ity, indray takariva maty masoandro:

"Ireo olona nanaovako ny pôeziako tamin'ny fahatanorany dia efa nanorina tokantrano avokoa fony aho tany Comores. Tsy tratrako intsony izy ireo nony niverina aho. Mifanena eny an-dalana indraindray, nefa ny maso foana sisa mifampijery. Ny zazavavy nandimby an'ireo dia tsy afaka ho nifanindran-tsaina tamiko intsony".



Fahatelo, sahirana ara-pivelomana i Ny Avana fa tsy nety nahita asa araka ny niriny. Nosakanan'ny Mpanjanaka koa ny fahafahany miasa amin'ny seha-panjakana.

Na izany aza anefa dia nioitra ny lehilahy ka tafiditra tao amin'ny trano fivarotam-bokin'ny LMS (London Missionary Society) Imarivolanitra, Antananarivo.  Tsara ny manamarika fa nahasoratra tononkalo anisan'ny tena nampalaza azy izy tany an-tsesitany: "Vazon’ ny lavitra", "Sambo" ary ny "Ny hirako". Na izany aza anefa dia nioitra ny lehilahy ka tafiditra tao amin'ny trano fivarotam-bokin'ny LMS (London Missionary Society) Imarivolanitra, Antananarivo.  Tsara ny manamarika fa nahasoratra tononkalo anisan'ny tena nampalaza azy izy tany an-tsesitany: "Vazon’ ny lavitra", "Sambo" ary ny "Ny hirako".

Marihina fa mpiasan'ny lalam-by aloha i Ny Avana mialoha ny nanamelohana azy, efa niasa tany amin'ny garan'i Manjakandriana sy tao Antananarivo izy saingy tsy nijanona ela tamin'ny toerana nanendrena azy fa nitety gara fandoavany ny karaman'ny mpiasa (Rajoelisolo Ch.).

  1.4. Resin'ny alina ka nandao


Sokajin’olona tsy mateza amim-pahavelomana na tsy ela velona ny pôeta Ny Avana. 49 taona izy io talata faha-5 martsa 1940 nahafatesany tao Antananarivo io. Azo lazaina ho nikimpy moramora izy tamin'ny nandaozany ny tany satria tsy dia nahitana soritr'aretina mitarika amin'ny fahafatesana. Ny alahelo hoy ny dokotera no namparary azy tamin'ny fiandohan'io taona io. Ankoatra ireo fahafatesana maro teo amin'ny akaikiny izay voalaza tetsy ambony, dia nanampy trotraka ny alahelony ny nandaozan'ny zanany azy ary nitoetra herinandro tany Toamasina. Efa hita soritra ihany anefa ny fahasitranany saingy tsy nisy nanam-po, indrindra fa ireo zanany, ny fahabangan'ny safosafo sy orokoroka fanaony tamin'io talata maraina io, satria lasa tsy nifoha ilay raim-pianakaviana mpitolona. "Resin'ny alina ka nandao" hoy i Dox ao amin'ny tononkalony "Miana-fingadona mahaontsa".

NY FAHAFATESANA

Ry Saina sy Hery tsy takatro veroka,
Ny fahafatesana..... inona moa?
O!Toho-tantely sa kaopy mangidy?
Fa tsinjoko teo ny zavatra roa.

Ny lafiny iray, mikitroka indrindra;
Ny ilany kosa dia feno hazavana,
Ny olon-kandeha dia faly hamindra;
Ny havan-kilaozany satry hitana.

Ry fahafatesana mangidy sy mamy,
Ry fara-ny lalana sy fiandohana,
Rehefa mipaika ny ora ka tamy :
Izay mifaningotra aza vahana.

Ny Avana Ramanantoanina
In Lahatsoratra voafantina, tak 167



Namangy azy i  J.-J. Rabearivelo sakaizany akaiky, telo andro mialoha ny nahafatesany, ka nahatsikaritra azy hatsatra kanefa mbola feno tsiky sy hodidinin'ny boky aman-gazety maro misaritaka sy mameno fandriana.

Charles Rajoelisolo kosa, namany akaiky koa, dia nahatsinjo faharitan'ny aingampanahiny teo amin'ny androny farany, ka tsy nahavatra intsony nampisosa ny peniny tamin'ny zanany nindaosin'ny fahafatesana tamin'ny 1939:

"Ary tamin'ny faramparan'ny androny dia toa ritry ny ady, ady tamin'ny fiainana ny "inspiration" tao am-pony ka tsy nahavita intsony izy. Ny sakaizany maty sy ny zanak'olona novangiana fasana aza nahavoahany vetso mampangorakoraka izay tsy izy. Nefa tamin'ny nahafatesan'ny menaky ny ainy tsy nahavita intsony izy"

Pôetawebs
Sombin'ny gazety Fandrosoam-baovao, 19 marsa 1940, tapa-bolana tao aorian'ny nahafatesany


2. Poeta maneho

   
"Mamboraka mba ho hita" ny maneho araka ny famaritan-dRajemisa-Raolison R. (1985) azy. Mamboraka fihetseham-po saro-dazaina amin'ny fomba tsotra i Ny Avana, fihetseham-po teraky ny sedra nanjo azy ka nivetsoany alahelo, embona sy hanina, fitiavana.

  2.1. Sangan'asa misandrahaka


Nanomboka nanoratra teo amin'ny faha-16 taonany i Ny Avana. Nosoniaviny hoe "Gasy kely" ny hainteny mirindra navoakany tao amin'ny gazety "Basy vava" tamin'ny 28 jona 1907 ary nampitondrainy ny lohateny hoe "Sodoka" (Razafindrakoto H., 2011). Tamin'io taona io ihany, ny 12 jolay 1907, no nanoratany ny "Chant de fiançailles" ka nitondrany voalohany ny anarana diampenina "NY AVANA" ary nanomboka nahafantaran'ny maro azy. Namela tononkalo anjatony ho an'ny Malagasy izy, "matoy talohan'ny ora" araka ny namaritan'i Maminirina Rado (2020) azy. Azo lazaina ho fototry ny fahombiazany ny famoahana asa soratra an-gazety: Lakolosy volamena, Basivava, Fitarikandro, Trompetra volamena, Ranovelona, La Grande Ile, Tsara hafatra, Fandrosoam-baovao, Maraina vaovao, Sampan’oliva, Kalokalo Tatsinanana...

Nahafantarana an'i Ny Avana ny tononkalo kanefa nampamiratra azy koa ny tantara indray miseho (Bakara, Tononkira telo), sombintantara ("Tanora ô!", nivoaka tao amin'Ny Fitarikandro ny 26 ôktôbra 1915 sy "Rahantaniala" tsikaritra ao amin'ny Sakafontsaina n°1, 10 mey 1928), ny tantara filalao an-tsehatra (Tambanivohitra, Haja Iombonana nolalaovina tao Ambatovinaky tamin'ny 1926), ny sorapiainan'ireo mpanoratra namany... Nifanerasera tamin'ireo tarika mpilalao tantara an-tsehatra koa izy ka nanomezan'i Thérack Ramamonjisoa feony ny tononkalony nandravahana ireny tantara ireny.

Voalaza ho nianarana tany an-tsekoly (MYR, 2020) tamin'ny fotoam-pahavelomany ny asa sorany. Voarara anefa ny famoahana izany tato aoriana noho ny fironany tamin'ny fanoherana ny fanjanahantany. Efa taty aorian'ny fahaleovantena vao natonta printy indray ny tononkalony.

  2.2. Nifikitra tamin'ny hainteny

Miavaka amin'ny endriny ny tononkalon'i Ny Avana. Nofikiriny hatrany am-piantombohan'ny nanoratany mantsy ny hainteny ary nironany tamin'ny lohahevitra mifandraika amin'izany: embona sy hanina.. Nahavantana azy koa anefa ny angaly nentin'ny Tandrefana. Ary ny mahatalanjona dia ny fahaizany mampifandrindra ireo angaly roa ireo anatina tononkalo iray. Tsy avy tamin'ireny indrindra aza ve no nitaonany ny olona hiverina tamin'ny hasin'ny nentin-drazana? Santionany amin'izany ny "Alahelo iaraha–manana" nosoratany tany an-tsesitany:

"Ny tampon'Ankaratra tonga tsaroana,
Ny tendron'Andringitra zary tadidy ;
Toneko ny foko ka tsy azo toroana
Fa saro-tsatsoina ny sento mangidy !"

PôetawebsNa dia voafehiny aza ny fomba fanoratr’ireo kintan’ny tononkalo vahiny toa an-dry Charles Baudelaire, Paul Verlaine, Alfred de Musset, Victor Hugo... dia vatrany ny nanome azy ireo feo, aina sy fanahy tena malagasy kanefa nampiharihariany ny maha mpanara-drafitra azy. Azo heverina ho nampivelatra ny aingam-panahiny koa ny tara-kevitr'ireo mpanoratra vahiny nankafiziny ireny toa ity "masoandro mody" an'i Paul Verlaine manambara embona sy alahelo ity:

"Ny tampon'Ankaratra tonga tsaroana,
Ny tendron'Andringitra zary tadidy ;
Toneko ny foko ka tsy azo toroana
Fa saro-tsatsoina ny sento mangidy !"

 Na dia voafehiny aza ny fomba fanoratr’ireo kintan’ny tononkalo vahiny toa an-dry Charles Baudelaire, Paul Verlaine, Alfred de Musset, Victor Hugo... dia vatrany ny nanome azy ireo feo, aina sy fanahy tena malagasy kanefa nampiharihariany ny maha mpanara-drafitra azy. Azo heverina ho nampivelatra ny aingam-panahiny koa ny tara-kevitr'ireo mpanoratra vahiny nankafiziny ireny toa ity "masoandro mody" an'i Paul Verlaine manambara embona sy alahelo ity:


Soleils couchants

"Une aube affaiblie
 Verse par les champs
 La mélancolie
 Des soleils couchants.

 La mélancolie
 Berce de doux chants
 Mon cœur qui s’oublie
 Aux soleils couchants."

 Paul Verlaine
Poèmes saturniens confessions p64

Ny Avana kosa mpandefa ny eritreriny any Ankaratra, an-tendrombohitra:

Vazon'ny lavitra

"Iry tendrombohitra tomandavana,
 soa malomaloka, mavamavana ;
 topazo maso fa raha tazanina,
 manerinerina, mahamanina !
 izay tsy ho manina, ho’aho, mandainga,
 fa olon-te-hody, ka te-hanainga !"

(...)

 Ny Avana



Mahazatra ny mason'ny mpamaky ny fiverimberenan'ny mari-piatoana "tsoraka" ao amin'ny tononkalon'i Ny Avana. Midika fisentoana lalina vokatry ny fahitana ny zava-misy izany.

"Terezako manko ny sisa
  ny foko rah’be teniteny !
  ho perako tsy hitanisa
  ireny fisentony ireny !"
  Fitiavana mangina, Ny Avana

Mampiavaka ny tononkalon'i Ny Avana koa ny hamaroan'ny baraingo amin'ny andalan-teniny. Midika izany fa mpandinika ny pôeta ary maro ireo lafim-piainana manitikitika azy ka ilany valiny avy amin’ny tontolo manodidina azy. Manampy ny mpiara-belona aminy hametraka ny fanontaniana entina hampandroso ny fiarahamonina ihany koa izany.

"Misento ny saina : injao manontany :
  mba inona indrindra no anton'izany?
  moa ve fitiavany sa fitsapana,
  'ty nofo malemy ka sorisoreny?"
  Sarotra ambara, Ny Avana

  2.3. Kanto ao amin'ny kalon'i Ny Avana



Maro ireo sarinteny mandrakotra ny kalon’i Ny Avana. Manamarika izany ny tamberinteny andohan’andalana "omeo anay" tao amin’ny tononkalo hataka izay miverina eo ampiandohan’ny andininy mifanesy. Hita taratra ihany koa ny tamberinteny amparan’andalana toy ny hita ao amin’ny tononkalo "Mivolom-batosoa" izay iverimberenan’ny "fa mamy re ny ora" eo amparan’ny andininy mifanesy. Tsikaritra ny sarinteny fanamafisana ny filazan-javatra ka hilazana ny hevitra mitovy amin’ny teny tian-kambara. "Ka hisondro-miakatra ihany toa maika hisavoana" no manamarina izany tao amin’ny Takarivan’Iarivo. Miharihary amin’ny kalon’i Ny Avana ny fandrenesana ny feon’ny teny izay mifandraika amin’ny tian-kambara:

"dobodoboka fomban’amponga
 Tabataba ny maro kilonga
 F’asakasakareo tsy mba tonga"

Ny fiverimberenan’ny feo d dy b dia misarika ny saina avy hatrany handre feon-javamaneno midoboka ka mitarika ny vatana ho toy ny mpanatrika ny seho an-tsehatra. Mifandraika amin'izay koa ny "sasasasa ny rano an-driana" izay toa heno eo am-pandrenesana ny feon’ny teny ny rano mikoriana. Rehefa zohina ny endrika ivelan’ny kalon’i Ny Avana dia tia mampiasa mari-piatona tsoraka izy. Misongadina izany rehefa misy fihetseham-po lalina mampangotika ny poeta.

"Fanahy mamolivoly
 Mivetsovetso ihany !
 Ny foko ngolingoly,
 O !lasana vinany !"
 Fanahy mamolivoly, Sampan’oliva tak 13

Mampiavaka ireo kalo ihany koa ny fiderana ny Izaho izay efa fanaon’ireo mpanoratra romantika maneran-tany, toy ny hita ao amin'ny "Izaho misento mangina" na ity nosoratany ho "Fahatsiarovana ilay zoky malala" ity:

"Izaho manaraka kaody dia kaody
 Ny masoko mantsy efa folo am’izany
 Ka vao kelikely dia tomany hody
 Kanefa anie ka ny tahotra ao ihany"
 in Ny lakolosy volamena lah 21, 23, 24, 2519-26 Aogositra - 16-8 septambra 1910

2.4. Ny Avana : pôeta mitanondrika


Tsy mba nahita izay niriny mihitsy ny lehilahy teo amin’ny tontolom-pahavelomany araka ireo tranga samihafa nolalovany ka novelabelarina tao amin'ny fizarana voalohany: fahafatesan'ny akaikiny, tsy nahalasa azy ho dokotera, fisaraham-panambadiana indroa, tolona ho an'ny tanindrazana ka nahatonga azy ho lasa an-tsesitany ary ny fahadisoam-panantenany tao aorian'izany. Na ny endriky ny lanitra tamin'ny ora nahalatsahan'ny tavoniny aza dia tsy namirapiratra loatra araka ny fanamarihan'i Charles Rajoelisolo azy:

"Ramanantoanina dia teraka tamin'ny 26 Février 1891, alakamisy io andro io, maty masoandro indrindra, faravodilanitra manjombonjombona amin'ny fara-fahavaratra..."

Manamafy ireo ny hevitra samihafa hita taratra tamin’ny tononkalony. Raha mikalo ny fitiavana izy, dia tsy ilay amin'ny endriny mampiontanontana sy manambara hasambarana akory, fa fitiavana mitady ny tonga lafatra izay mitoetra ho faniriana ihany, hany ka sarotra tanterahina.

"Ny anay e! fitia vita loko
 Sady feno no be mananamby"
 Ny anay, Lakolosy volamena n°109, 26 Avril 1912

Anisan’ny  manamarika ny kalon’i Ny Avana ny fanehoana tsy fahafaham-po izay miteraka ahiahy manoloana ny zava-misy iainana (Ralaimidona S., 2012). Tsikaritra teo amin’ny sehatry ny fitiavana izany ka nampitanondrika azy mandrakariva. Ao anatin'izay fitiavana tsy tanteraka izay koa ity "Sento mangina" ity izay mampiharihary ny tsy fahalavorariam-pifandraisana amin’ilay olona noheverina ho tiana sy lalaina eo amin’ny fiainana:

"Izaho misento mangina,
 Indrisy ! fa tsy tsinjonao,
 ny vavako foana no sina,
 ny foko miteny aminao !"
 Fitiavana mangina

Ekena fa mikalo ny fitiavana izy saingy maneho fahakiviana noho ny fahapotehan’ny toky nifanomezan’ny olon-droa izay nifamepetra sy nivoady ny ho doria.

"Sasasasa ny rano an-driana
 Olikolika be fiviliana
 F’asakasakareo saingy tiana"
 Asakasakareo, Ny lakolosy volamena n°104, 22 marsa 1912

Na dia eo aza ny fifandraisana akaiky sy ny fifankahazoana am-po dia misy hatrany ny fisarahana noho ny antony tsy miankina amin’ny olon-droa niara-dia fa noho ny zava-misy sy sakana ataon’ny fiarahamonina; hany ka miteraka alahelo sy adin-tsaina. Manamafy izany ny alahelo noho ny fisarahana an-tany izay miseho araka ny fiheverana fa hetraketraky ny fahafatesana na aloky ny fasana.

"Tsy ary ho tambo raha dia tononina
 Ity alahelo, ka aleo ononina,
 Andrao mankarary raha toa tohizana"
 Vazon’ny lavitra, Kalokalo Tatsinanana, tak 7

"Ny saiko re mangoraka
 Tadidiko ny lasana
 Ka lasa miantoraka
 Mahita ny ao am-pasana"
 Fanahy mamolivoly, Sampan’oliva tak 13

Tsy voafehy ny fihetseham-po teraky ny alahelo nilaozan’ny olona akaiky. Zava-mitranga tsy maintsy zakaina anefa izany ka atrehina am-pitoniana. Eo anatrehan’ireo rehetra ireo dia mandinika ny fihodin’ny fiainana ihany koa ny pôeta ka miventy ny tsimbalivaly eo amin’ny fiaraha-miaina. Tsy azo andrefesana ny lanja na ny fatran’ny fahombiazana izany tranga samihafa izany.

"Fiovaovana ihany no eto
 Ka sao hadalana
 Ny lava fisento, ka eritrereto"
 Ny Akon’Iarivo n°1, 3 Janvier 1924

Raha efa diso fantatra ny loharanon'ny alahelon'i Ny Avana dia misy ihany koa ilay alahelo tsy fanta-piaviana ka ahitana taratra ireo fihetseham-po manjombon-dava (Ralaimidona S., 2012). Mora tohina izy manoloana ny zavakanto hitany sy reny ary ny sokajin’olona ifaneraserany.

"Tsy mafy famonto ny oran-kariva
 Na fatra-piandry ny zavon’antoandro
 Nahoana kosa ny laingon’oliva
 No zary nilofika maty masoandro"
 Nahoana Kosa in Ny lakolosy volamena lah 35, 25 novambra 1910

Na izany aza anefa dia miresaka ny hasin’ny tanindrazana sy ny maha Malagasy i Ny Avana izay anaporofoany ny fitiavan-tanindrazana miorim-paka tsy azo levonina mandra-maty.

"Dia olo-mandala ny lazany
 No sady mitandro ny zony
 Manandratra ilay Tanindrazany
 Manondrotra an’io ho ambony"
 Tsarovy, Ny Avana

PôetawebsTsikaritra eto ny fanantenana ny hahombiazany eo amin'ny fiainana manokana indrindra ny fiainam-pirenena. Koa endrika soratra toy izao izay mandrisika ny olona hitaky ny zony amin’ny maha olom-pirenana tompon’andraikitra azy no noheveriny fa hampitana hafatra ny mpiara-belona hijoro hatrany.

Hita taratra amin’ny fomba fanoratr’ity pôeta ity ny fikaloana ny zavaboahary  izay mitovy endrika amin’ny haintenin’ny Ntaolo. Raha nanontaniana izy momba ny toeran'ny zavaboahary amin'ny tononkalony dia namaly hoe (Rakoto Ramiarantsoa H., D. Peyrusaubes, 2007):

"Tamin'izaho natao sesitany tany Dzaoudzi no nahazoako izany: iza indray moa no mba namako tany ankoatra ireo mpiray sesitany tamiko sy ny zavaboahary?"

Maneho hatsarana sy fahombiazana koa, amin'i Ny Avana, ny zavaboahary. Tsapa izany amin'ny fahombiazan'ny fitiavana ianohan'ny olona tojo ny fony. Nohariny tamin’ny lisy izany, izay voahary tokana aman-tany, sarobidy tsy hay sandaina.

"O ! ry Lisy a an-tsaha
 E ! tsy misy ohatra anao
 Eny maha te hizaha
 Fa vololo-mbola vao"
 Ny lakolosy volamena,lah 94 12 Janoary 1912

Na dia nampiavaka an'i Ny Avana aza ny fanehoana alahelo, hanina sy embona ary zavaboahary amin'ny tononkalony dia tsapa ho miezaka hampitraka ny mpiara-belona aminy izy amin'ny fampaherezana sy ny fihirana fanantenana.

2.5. Ny Avana : Poeta manantena

Manoloana ny sedra sy hotakota-piainana dia tsy mitondra ny mpamaky any amin'ny famoizam-po akory i Ny Avana. Satriny hitaona ny olona hitraka ary hiroso amin'ny tena "fanantenana" tsy hampihemotra intsony.

"Hiainga isika, ry Fanantenana!
 Hiara-mandia ny vohon'ny tany;
 Ka na mora na sarotra, hifampitantàna,
 Hiara-mitsiky sy hiombon-tomany."
 Ny Mpandinika n°1, 13-7-1923

Andininy voalohany amin'ny "Hiran'ny fanantenana"  ity tononkalo ity, nivoaka an-gazety herintaona tao aorian'ny niverenany an-tsesitany. Azo heverina ho tany Dzaoudzi (nosy Mayottes) ihany anefa no nanoratana azy saingy nandrasana ny fiverenana teto an-tanindrazana. Raha zohina dia nentiny nampahery ny tenany sy ireo namany voageja niaraka taminy io tononkalo io. Ny mahasamy hafa an'io andininy io amin'ny fahadimy farany dia ny nanovana ny "Hiainga isika" amin'ny hoe "Dia roso isika". Midika fahavononana tanteraka hiatrika ny mafy rehetra izany, izay heverina fa hitarika any amin'ny fandresena.

Pôetawebs
Notsoahina avy tao amin'ny Fary mamy (1973)

Teo amin'ny faha-20 taonany dia efa tsinjony ny fahoriana hitambesatra amin'ny vozony araka ny tononkalony hoe "Ny lehilahy". Mitarika ny mpiara-belona aminy hitraka lalandava anefa izy raha sendra tojon'ny mafaitra.

Tsarovy, sakaiza, ny fon-dehilahy
Na ino-midona, na ino-kipaka,
Tsy mety ho kivy, tsy mety manahy,
Tsy maintsy mijoro, tsy maintsy mitraka.

Toy izao indray no nanehoany an'izany endrika "kapoaka" mangidy niainany izany:

Na rahona maintsy, na oram-baventy,
Na rivo-mahery, na andro migaina

20 taona i Ny Avana tamin'ny nanoratany an'ity "Ny lehilahy" ity araka ny fanazavan'i Charles Rajoelisolo azy tao amin'ny Takariva Collection:

"Mbola zazazaza sy mikaviavia ny fandehany, Ny Avana vao mitsiry, nefa mahagaga fa voasoratra sahady ao ny fiainany manontolo"

Ao ihany koa ny "Tsarovy", nivoaka tao amin'ny gazety "Ny akon'Iarivo" tamin'ny 1924. Tsy vitan'ny hoe tononkalon'ny anatranatra ihany fa manambara ny ezaka maha olona ny olona:

"Ny ketraka mora mivarina
 Miroraka, tonga kanosa
 Ny potraka nefa tafarina
 Ireny ka « olona » kosa"

Asongadina ao amin'ity tononkalo ity ny ezaka hampisondrotra hatrany: "miharina raha sendra potraka", "manandratra ny Tanindrazana". Hamafisina mihitsy aza fa tokony hatao fomba fisainana mandritra ny androm-piainana izany ezaka izany. Miara-dalana amin'izay finiavana ny hampisondrotra izay ny fisakanana ny mpiara-belona tsy ho resin'ny sedra. Efa mahalaza azy rahateo ny lohateniny hoe "Aza kivin'izany":

"Ny tana-masoandro nefa tsy aiza,
 Saingy miafina, takon’ny rahona.
 Ka aza mba kivin’izany, sakaiza,
 Fa mifandimby: tantely sy vahona."
 Ny Lakolosy volamena, 2 septambra 1910
 In tononkalo sy Lahatsoratra, tak 19

Manamafy izany ny tononkalony "Sambo" nosoratany tany Dzaoudzi ihany. Miresaka ny hanina ny Tanindrazana sy ny tontolo manodidina azy izy eo am-pahitana sambo hitodi-doha aty Madagasikara. Na izany aza anefa dia ninoany sy nantenainy fa mbola hisy ny lahatra izay handrindra ny fiverenany an-tanindrazana ka hihaona soa amin'ireo akaiky azy.

TSAROVY

Tsarovy fa fihodinkodinana
No didy mitondra ny tany
Fiakarana sady fidinana
Korontana ambony sy ambany

Ny ketraka mora mivarina
Miroraka, tonga kanosa
Ny potraka nefa tafarina
Ireny ka « olona » kosa

Dia olo-mandala ny lazany
No sady mitandro ny zony
Manandratra ilay Tanindrazany
Manondrotra an’io ho ambony

Mandritra ny andro iainany
Ka mandra-patoriny ho lo
Izany no hany fisainany
Fisainan-tsy maintsy ho to

Ny Avana Ramanantoanina

« Veloma ry Sambo, amin’ilay niaviako
   Dia ilay Nosin‐tany tsy tazako maso!
   Raha toa manantsafa ny fianakaviako,
   Tontalin’ny foko ny hoe : "Mba andraso …!" »

Pôetan'ny anatranatra sy fampaherezana i Ny Avana ary nasehony tamin'ny alalan'ny hafatra izany ao amin'io tononkalo "Tsarovy" io:

"Tsarovy fa fihodinkodinana
 No didy mitondra ny tany
 Fiakarana sady fidinana
 Korontana ambony sy ambany"

Mampiavaka an'i Ny Avana ny fanehoana tsimbalivalim-piainana amin'ny asa sorany toy ny fiakarana/fidinana, ambony/ambany. Hita koa izany ao amin'ny "Sarotra ambara" (mitsiky/mitomany):

"Ny zava-drehetra mandeha ara-tendry,
 isika olombelona anisan'izany
 ny Tompo Mpitondra mahay sady hendry,
 asainy mitsiky ary mitomany."

Ankoatra izany dia manaiky ny fisian'Andriamanitra i Ny Avana, eny fa na dia nifanerasera tamin'ireo mpanoratra nisalotra anarana siantifika na singa tsy azo tsapain-tanana na mitoetra any amin'ny tsy hita na tsy taka-maso. Anisany i Ny Avana toa an-dry Bolespara, Stella, Rajaonah Tselatra, Dondavitra, Météore... Misy amin'izy ireo no voalaza ho tafiditra tao amin'ny fironan'ny tsy mpino ary nametraka diam-penina tao amin'ny gazety "Mifoha i Madagasikara". Eo amin'ny fizarana faran'ny "Sarotra ambara" aza anefa dia mbola nohamafisiny izay fisian'ny Tompo (ny Avo) amin'ny tontolony izay:

"Mangina, mangina, mangina, ry foko :
 ny tendrin'ny Avo ka zavatra tsara :
 anio ravoravo, ampitso toloko,
 ny anton'izany ka sarotra ambara."

Tsy nianona tamin'izay hoe "Ny Avana manaiky ny fisian'Andriamanitra" izay ihany Ralaimidona S. (2012) fa nihevitra azy ho nametraka mihitsy ny fiainany teo am-pelatanan’Andriamanitra. Inoany fa lahatra sy tendry avy amin’ny Avo avokoa izay tranga miseho eo amin’ny fiainany. Taratra amin'ny tononkalony izany ka iray amin’ireny ny Vavaka hariva tao amin’ny gazety Teny soa lah 11 (jolay 1936):

"Ry foko ô ! ingao
 Ny hiranao
 Ny lanitra madio
 Miravaka
 Akaro kosa anio
 Ny vavaka
 Ny tomponao inoy
 Ka izy no antsoy
 Fa Ray mangora-po
 ny tra-manjo"


3. Poeta mitarika

Pôeta malahelo no azo amaritana an'i Ny Avana, fantatra amin'ny lalam-piainana nodiaviny ary taratra amin'ny endriny ivelany koa araka ny namaritan'i Di... azy hoe(3):


"Tsy tia aingitraingitra, indraindray tsy mahavatra tena loatra izy, ka mioritroritra ny akanjony, tsy voaharany ny tavany, tsy voaborosiny ny kirarony".

I Charles Rajoelisolo aza somary lasa lavitra kely tamin'ny famaritana:

"Indraindray tsy dia mahavatra tena loatra aza izy, toy ny pôeta rehetra, ka mioritroritra ny akanjony, tsy voaharatra ny tavany, tsy voaborosy ny kirarony. Nefa ny endriny somary lavalava, ny volony tsotra somary akariny miakatra, ny masony homehy lava, dia manintona ny fon'izay iresahany".

Tsy nahasakana azy hitarika teo amin'ny literatiora sy ny lafim-piainana hafa izany. Tsikaritra sahady avy amin'ny hevitry ny anarany sy ireo nosalorany anefa ny maha mpitarika azy, toy ny zava-nitranga taty aoriana amin'ny maha mpanoratra zokiny sy mpitady ny very ary ny maha olom-pirenena azy.

  3.1. Anarany sy ireo nisalorany

Voalazan-dRaharimanga Fidèle tamin’ny karoka nataony fa Michel Ramanantoanina no anarany fony izy niasa tao amin’ny sampandraharahan'ny lalamby ny taona 1915 ary taty aoriana vao novany ho Ny Avana. Siméon Rajaona (1961) kosa nilaza tao amin’ny Takelaka notsongaina boky I fa Gasy Kely no anarana nisalorany tany am-piandohana ary niova ho Ramanantoanina ny 1907.

    - Gasy kely
Tsy dia naharitra loatra ny fotoana nampiasany an'ity anarana ity, eny fa na dia izany aza no anarana nisalorany voalohany. Nahoana moa no niavaka ho "Gasy" izy kanefa efa izany rahateo koa no iantsoana ny mponina eto Madagasikara? Azo inoana aloha fa noho ny fifikirany fatratra amin'ny maha Malagasy azy no antony ka entiny itarihana ny hafa handala izany noho ny fironana any amin'ny kolontsaina vahiny. Azo lazaina ho filana mihitsy eto ny maha Malagasy azy satria anarana nofihininy tamin'ny diam-peniny. Ny hoe "kely" indray dia tafiditra ao amin'ilay maha "Michel" azy, izany hoe ilay fitiavany mipirimpirina hohazavaina etsy ambany, eny fa na dia tsy misy ifandraisany velively amin'ny toe-batany aza.

    - Ny Avana
Ny "Avana", mariky ny famitranam-pihavanana eo amin'ny tany sy ny lanitra tao aorian'ny safo-drano nanavahana an'i Noe sy ny taranany:

"... ka hita eo amin'ny rahona ny avana, ... ary tsy hisy safo-drano handringana ny noho rehetra intsony" (Genesisy 9: 14-15)

Ny avana dia ahitana ireo endrika fifangaroan’ny loko eny amin’ny lanitra izay midika ho fanehoana ireo tranga samihafa miseho amin’ny fiainana. Ny fibanjinana ny "avana" eny ana habakabaka dia mety ho midika fitrakana eo amin'ny fiainana. Azo heverina koa anefa ny mifanohitra amin'izany, dia ny fiandrandrana fitoniana manoloana ny vesatry ny fiainana mampitanondrika. Rehefa tsy azo ivalozana mantsy ny tany, tsy hiandrandrana ve ny lanitra, araka ny taratra amin'ny anaran'ny pôeta maro niara-dia taminy: Dondavitra, Tselatra, Stella...?

    - Michel
Fanampinanarany ara-panjakana ny "Michel"(4). Tia manao soa olona ny "Michel" ary miasa am-pahamalinana eo amin'ny antsipirihin-javatra hany ka nahavatra nanalavitra ny antsirambina. Araka izany dia mandamina ny asany sy ny fandaharam-potoanany izy hanalavirany ny tampoka sy ny fotoana very. Mpandala rohim-pihavanana sy fifankatiavana izy. Marihina fa tsy tia misehoseho ny "Michel" fa mipirimpirina.

    - Antoanina
Mitovitovy dika amin'ny anjoanina ny antoanina, ampahany amin'ny anarany "Ramanantoanina", araka ny Rakibolan-dRajemisa Raolison (1985) izay mamaritra azy hoe "omem-boninahitra sy haja". Manamafy izany ny Rakibolana Rakipahalalana (Akademia, 2005) fa "Hajaina sy omem-boninahitra noho ny fahefana ananany na noho ny toerany na ny hasiny eo anivon'ny fiarahamonina" ny antoanina.

Raha ekena indray fa fanagasiana ny anarana "Antoine"(4) ny "antoanina" dia izao no azo ambara. Olon'ny fifandraisana ny antsoina hoe "Antoine". Hainy ny mifampiraharaha amin'ny olona maro, na ireo sarotindrotiny na ireo tso-piresaka. Tsy zakany kosa izany tsinontsinoavin'ny fiarahamonina izany, anton'ny mahasarotiny azy amin'ny endrika ivelany. Na izany aza anefa dia tsapa ny tsy firindran'ny fihetseham-pony satria mety ho faly sy homehy ny maraina ary miondrika tomany ny hariva.

Ny mety ho ifandraisan'ny "Antoine" sy ny "antoanina", araka ireo famaritana ireo, dia ilay hoe "omem-boninahitra sy haja" sy ny hoe "tsy zakany kosa izany tsinontsinoavin'ny fiarahamonina izany". Mety ho toetra fihinin'ny mpitarika angamba izany, toy ny maha "raim-pianakaviana", mpitarika sy tompon'adidy.

Pôetawebs

3.2. Raim-pianakaviana

Tsy fitiavana hanasohaso an'i Ny Avana anefa no tiana hahatongavana eto satria na dia raim-pianakaviana tokoa aza izy dia niatrika tsy fahatomombanana noho ny fahabangana indroa miantoana ny toeran'ny renim-pianakaviana tao amin'ny ankohonany. Araka izany dia sady nisahana ny toeran'ny ray izy no niantsoroka ny asan’ ny reny ihany koa. Ankoatra izany dia nivangongo tany amin'ireo zanany ny fatram-pitiavana fitsinjara ho an'ny ankohonana tao aminy. Nohazavain'i Di...(5) tsara ireo orokoroka sy safosafo ifanaovany amin'ireo ankizy alohan'ny hatory sy amin'ny fifohazana maraina.

 3.3. Mpanoratra zokiny

Nivimbina fironan-tsaina momba ny pôezia tandrefana teto amintsika ny Misionera talohan'ny fanjanahantany. Nanokatra ny masom-panahin'ny pôeta malagasy izany ka nahaterahan'ny andrana fironan-tsaina vaovao tsy mahazatra ny sofina. Anisan'izany ireo mpanoratra andriana tao Imerina toa an-dry Ny Avana Ramanantoanina, Alfred Ramandiamanana, Auguste Rajon, Ramaholimihaso, Jasmina Ratsimiseta... Nosokajiana ho "mpanoratra zokiny" (C. Riffard, 2008) izy ireo tamin'ny fiandohan'ny taonjato lasa iny. Mpanaraka akaiky ireny pôeta tandrefana kalaza ireny rahateo i Ny Avana araka ny efa voalaza.

Voalaza fa miendrika hiram-pivavahana miharo fakan-tahaka ny angaly vahiny ny ankamaroan'ny tononkalo malagasy teo anelanelan'ny taona 1895 sy 1914. Anisan'ireo nampivohitra ny fanahy tena malagasy tao amin'ny asa soratra kosa anefa i Ny Avana. Tsy vitan'ny fampidirana ny fanahy malagasy ihany no natao fa ny fanomezana feo tena malagasy ny tononkalo toy ny ba gasy sy ny kidaombaramita.

Nianarana mihitsy aza ny fomba fanoratana pôezia. Ho an'i Ny Avana manokana, tao amin’ny biraon'ny Gazety Basivava no nandrantoany izany, fampianarana notarihin-dry Stella sy Jupiter. Sakaizan'ny vaky boky rahateo i Ny Avana ka vatrany ny nanesisesy ireo tononkalon'ny kalaza frantsay toa an-dry Baudelaire sy Verlaine. Nikohizana ny hakanton'ny pôeziany, manara-drafitra sy miavaka amin'ny rima tsy fahita firy. Nifikitra nanoratra tamin'ny teny malagasy anefa izy na dia niaina tanteraka tao anatin'ny fanjanahantany aza. Ary na dia nanohitra ny fitondrana tamin'izany aza izy dia manana anjara toerana ao amin'ny Diksioneran'ny olo-malaza eto ambonin'ny tany voarakitry ny Larousse toy ireo Malagasy azo isaina amin'ny rantsan-tanana ho fanoharana.

Pôetawebs 3.4. Mitady ny very

Lahimatoa nanangana ny fironan-tsaina "Mitady ny very" i Ny Avana ka niarahany tamin'ireo pôeta sangany sy mpitarika tamin'izany: Charles Rajoelisolo sy J.-J. Rabearivelo. Mpitarika izy, tany an-tranony teny amin'ny havoanan'Ifaravohitra no natao toeram-pivoriana ka nanitsiana ny fomba fanoratr'ireo pôeta tanora. Mba nanitsy azy koa aza i Stella (Andrianjafitrimo) sakaizany araka ny voalaza tetsy ambony.

Matetika no namoahana tsipy hevitra, indrindra tao amin’ny gazety Fandrosoam-baovao. Isan’ny fehezanteny nisongadina tamin’izany ny hoe:

"Nataonay fa very ny tena pôezia : dia ny vetsovetsom-po manetsika ny fo hafa, ny hiran’ny fanahy mampipararetra ny fanahy hafa".
Fandrosoam-baovao, 13 Jona 1934

Mbola izy telo lahy ireo koa no nanangana ny gazety literera Fandrosoam-baovao tamin'ny 5 aogositra 1931.

Ekena fa fironana ara-literatiora ny "Mitady ny very", amin'ny maha pôeta ireo nanangana azy, fa tsara ho fantatra koa ny maha fihetsehana ara-politika sy ara-kolontsaina azy. "Very" notrandrahina sy fototry ny famerenana tamin'izany mantsy ny maha izy ara-kolontsaina sy ny maha Malagasy. Raha azo ampahatsiahivina dia saika tsy heno ao anatin'ny literatiora novoizin'ny maro tamin'izany ilay feon'ny tena pôezia malagasy fa zary takon'ny literatiora vahiny.

Novetsoin'ny pôeta ny fitadiavana ny very ka anisany i Ny Avana amin'ilay tononkalo tononkira fahavaratra. Hita taratra anefa ny embona sy hanina ao anatiny toy ity andalana manaporofo izany ity:

"Ny ora-mijotso dia isika tomany!
 Isika  manomboka Ankaratra ihany!"

Nifanerasera tamin'ny pôeta maro i Ny Avana nandritra ny fotoam-pahavelomany. Nadikan'i J.-J. Rabearivelo tamin'ny teny frantsay ny tononkalony maromaro ny taona 1925 ary nivoaka tao amin'ny revio Tananarivienne 18 Latitude Sud.

"Pôeta mivoatra i Ny Avana" araka ny fanoloran-dRabearivelo azy tamin'ny mpamaky. Ny Avana koa dia mba nahavatra nidera ny fahamendrehan-dRabearivelo toy ny tsikaritra tao amin'ny gazety Ny Fandrosoam-baovao tamin'ny 12 aogositra 1931.

Eo ambony : lahatsoratr'i Ny Avana momba an-dRabearivelo

Nanoratra tononkalo manokana ho an'i Ny Avana mitondra ny lohateny hoe "Miana-figandona mahaontsa" i Dox tamin'ny fotoana nahafatesany (1940). Notakarina tamin'ny "Vazon'ny lavitra" izany araka ny nambaran'i Ch. Ravoajanahary azy ao amin'ny bokin'i Dox voalohany "Ny hirako". Marihina fa nohajain'i Dox ara-bakiteny ny endrik'ilay nanakarany azy.

VAZON'NY LAVITRA

Iry tendrombohitra tomandavana,
Soa malomaloka mavamavana;
Topazo maso fa raha tazanina;
Manerinerina mahamanina!
Izay tsy ho manina, ho'aho,mandainga,
Fa olon-te hody, ka te hanainga!

(...)

Itony aviavy tomarotaroka
Maha te hipetra hialokaloka
Tsy mba arovana tsy ambenana,
Kinanjo hatonina itombenana,
Ny maso mijoy toa patrakala,
Ka vao tafatombina dia miala!

Ny Avana Ramanantoanina
__________________

MIANA-FINGADONA MAHAONTSA

Ry tendrombohitra tomandavana,
Nankaiza indrisy, nankaiza ny Avana
Nahamavamavana ny endrikao...
Resin'ny Alina ka nandao?
Ny vodilanitra dia misaona.
Indreny ny rahona fa mimaona!

(...)

Ry aviavy tomarotaroka,
Lasa ny taratra k'indro aloka
Mahaoriory no aminao...
Nahoana ny Avana no nandao?
Ny maso mijohy toa patrak'ala.
Indro ny alina hamalala!

Dox

Tsy amin'ny endrika ihany no ahatarafana izany fifanakaikezana izany fa amin'ny voambolana koa toy ny "tendrombohitra tomandavana", "aviavy tomarotaroka", "mavamavana", "patrak'ala".

Pôetawebs

  3.5. Akon’ny Ny Avana taty aoriana


Ny pôeta tsy mba maty, mbola mitohy mamelombelona ny masom-panahin'ny maro ny vetsovetsom-pon'i Ny Avana, ary tsy ho an'ny isam-batan'olona ihany fa ho an'ny firenena mihitsy.

    3.5.1. Olom-pirenena

Manamarika ny maha olom-pirenena an'i Ny Avana ny fisian'ny hajian'ny Paositra ao amin'ny sokajin'ny tia tanindrazana toa an-dry Rainandriamampandry, Rabezavana, Lietnà Randriamoramanana Albert.

Arabe maromaro mifampitohy ka mahatratra 2 km ny fitambarany no mitondra ny anarana Lalana Ny Avana Ramanantoanina, ao Antananarivo. Ahitana izany ao amin'ny saritany virtoaly "Google maps".

PôetawebsAvy any andrefana, miala an'Andavamamba, akaikin'ny Paositry ny pôlisy Ilanivato, mampisaraka azy amin'ny lalana Razanakoto io lalana io ary miafara ao Ambodinisotry, eo amin'ny fihaonanan'ny Lalana Dr Charles Rabemananjara sy ny Lalana Raketamanga Ratsimba ary ny Lalana Pasteur.

  3.5.2. Tononkalo - tononkira

Nampiasaina tamin'ny tantara an-dampihazo ireto tononkalon'i Ny Avana ireto:

- "Mivolom-batosoa" tononkiran'i Ny Avana nasian'i Thérack Ramamonjisoa feony, nohirain'i Beby Rasoanindriana sy G. Rasendrasoa(6)
- "E' ray vorona saiky hilomano" tononkiran'i Ny Avana nasian'i Thérack Ramamonjisoa feony, nohirain'i Mme C. Razafindratiory, CAP, Balijaona ary nolalaovina tao amin'ny tantara tsangana "Ny an-tratra tsy lavo"

Mbola eo amin'ny hira ihany, anisan'ny nampalaza ny tarika Ramaroson Wilson ny fihirana sy ny namoronany feony ny tononkalon'i Ny Avana hoe "Asakasakareo". Nanao toa izany koa ny tarika Kintana Telo. Taty aoriana indray ny "Tsarovy", nohirain'ny tarika Fangia Kalo Gasy(7).

Karazana feon-kira mifanaraka amin'ny vaninandro ankehitriny kosa no nandravahan'i Môta ny "Resa-panahy"(8)

Hatramin'izao fotoana izao dia mbola miaina ny tononkalon'i Ny Avana satria ankoatra ireo hira voalaza ireo dia tafiditra ao anatin'ny fandaharam-pianarana ny asa soratr'i Ny Avana. Anisan'ireo pôeta 6 mirahalahy manoratra amin'ny teny malagasy nomen'i F.-X. Mahah (François-Xavier Razafimahatratra) anjara toerana ao amin'ny bokiny mirakitra tononkalo nadika tamin'ny teny frantsay i Ny Avana toa an-dry Rado, J.-J. Rabearivelo, Randja Zanamihoatra, Samuel Ratany ary Dox.


Pôetawebs
Ao amin'ny Fary mamy an-dRabemolaly Fanomezana sy ny namany

3.6. Ny Avana sarotra ambara

Saro-dazaina ny hanambara an'i Ny Avana ho pôeta fitaratra satria tsy hisy maniry hizaka ny ady maro natrehiny sy niainany akory. Tsapa anefa fa itoeran'ny toetra mifanohitra hatrany izy. Izy no "Antoine", ilay pôeta mitanondrika kanefa mahavatra mihira ny fanantenana. Izy no "Michel" mipirimpirina, mpiforitra ao anaty, rava tokantrano... kanefa nahavita mitari-tolona, manangana fironan-tsaina nirina hanova toe-tsaina ara-kolontsaina, pôlitika, literera. Efa izy rahateo no nisora-tena ho "Avana", tarafina eny ambony mampitraka ireo nandraingiraingy noho ny ratram-piainana.


Fitiavana mangina

Manaitra ny masoko loatra,
Ilay endrika soa aminao,
Manery ny saiko handroatra
hanoratra izao teny izao :

« Izaho misento mangina,
Indrisy ! fa tsy tsinjonao,
ny vavako foana no sina,
ny foko miteny aminao !

Tsy rototra ve izy iny
no maloka nony mijery ?
tsy fantany ve sa tsy ahiny
fa resy ny manina irery ?

terezako manko ny sisa
ny foko rah’be teniteny !
ho perako tsy hitanisa
ireny fisentony ireny ! »

Ny Avana Ramanantoanina

Asakasakareo

Horakoraka anjaran'ny akanga,
Kalokalo fanaom-boromanga,
Fa asakasakareo tsy hitranga.

Dobodoboka fomban'amponga,
Tabataba ny maro kilonga,
Fa asakasakareo tsy mba tonga.


Rodaroda fanaon-dranotrambo,
Setrasetra no fomban'ny lambo;
Fa ny hanina anao tsy mba tambo!

Jononoka ny erika an'ala,
Patrapatraka ilay patrakala,
Fenofeno ny lavi-malala.

Dinidinika sisa lazaina,
Hafatrafatra anao sombinaina:
Hontsahontsa fa mani-maraina.

Ny Avana Ramanantoanina
Midona moramora

Midona moramora
Ilay Ankaratr’any;
Manembona isan’ora
Izaymandre izany!

Manombana ho avy
Ilay Ambohimanoa !
Ny ranomasoko any
Indray mirotsa-droa!

Manerika hariva
Ny eny Andringitr’any
Ka dia: “Mahatsahiva”
No voalohan-tany:

Mijojo vao maraina
Ilay Angavokely:
Ny alahelon-tsaina
Tsyhita velively!

Tomanitany lava
Ny fody any Manga!
Ny santo tsy misava,
Fa izy tsy nitranga!

Tataovan-draho-manga
Iarivo indraindray:
Ireny no miampanga,
Raha manina izahay !

Ny Avana Ramanantoanina
Vazon’ny lavitra

Landy maso mahiratra,
Ambanin’io rahona io :
Mandainga izay tsy ho manina.
Vazon’ny Ntaolo.

Iry tendrombohitra tomandavana,
soa malomaloka, mavamavana ;
topazo maso fa raha tazanina,
manerinerina, mahamanina !
izay tsy ho manina, ho’aho, mandainga,
fa olon-te-hody, ka te-hanainga !

Ity rivodrivotra an-tanin’olona,
mitsoka maraina dia mitambolona
hariva ny andro vao mba miritsoka
kanefa malefaka, mahaditsoka !
raha maso no ditsoka, leoko ihany,
fa ny fo re no ditsoka ka tomany !

Itony aviavy tomarotaroka,
maha-te-hipetraka hialokaloka !
Tsy mba arovana, tsy ambenana,
kinanjo hatonina itombenana,
ny maso mijoy toa patrakala,
ka vao tafatombina dia miala !

Sakeli-dàlana an-kodimirana.
ilaozy foana fa manahirana,
mamelovelo sy mahatsikaritra,
mahatsinjotsinjo sy mahafinaritra
ny maso mitsinjo dia afa-diana,
ny kibo manembona no tsindriana !

Tsy àry ho tambo raha dia tononina
ity alahelo, ka aleo ononina ;
andrao mankarary raha toa tohizana !
Veloma, masina, ry nahafoizana,
tratraran’ny ela ka dia soava,
hiadam-pinaritra lalandava.

Ny Avana Ramanantoanina

Alahelo Iaraha-Manana

Tadidiko lava ny endrik'Iarivo
Tsy miala ao an-tsaiko ny bikan'Imanga ;
Ka lena ny maso fa dobo marivo,
Injany ny sento fa tamy mitranga !

Ny tampon'Ankaratra tonga tsaroana,
Ny tendron'Andringitra zary tadidy ;
Toneko ny foko ka tsy azo toroana
Fa saro-tsatsoina ny sento mangidy !

Ibetsimitatatra reny nitaiza,
Ikopa malala tonian'ny aina,
Dia samy tsaroana kanefa hankaiza,
Fa lasan-ko nofy ny mamin'ny saina !

Avelao re Ankaratra hijojo maraina !
Avelao Andringitra haneri-kariva !
Ny fo manina azy ka velon-taraina,
Malemy fitepo sy latsaka iva !


Ny Avana Ramanantoanina
Aza kivin'izany

Mba maloka lava ny eto an-tany,
Mipatra-mazàna ny oran-kavandra,
Nefa, ry aiko, aza kivin’izany,
Ny tarehy fotsy, sakaizan’ny tandra!

Mba fatra-pitrena ireo kotroka ambony,
Mifofo mazàna ireo rivo-mahery;
Ny alom-piainana tsy mety mitony
Aza kivin’izany, tsy hianao irery!

Ora mangidy fotoan-dranomaso,
Sa rahona mainty sy sento tsy lany?
Tsy misy haravoana, feno ankaso
‘zay monina eto: aza kivin’izany!

Ny tana-masoandro nefa tsy aiza,
Saingy miafina, takon’ny rahona.
Ka aza mba kivin’izany, sakaiza,
Fa mifandimby: tantely sy vahona.

Ny Avana
(Ny Lakolosy volamena, 2 septambra 1910)
In tononkalo sy Lahatsoratra, tak 19


Sambo

Mba sambatra ho aho iry sambo iry
Fa lalan’ny mody mankany aminay
Fa reraka kosa ity tenako ity
Fa voro‐mifatotra latsaka an‐kay!
Ny lohan’ny manina mamelovelo
Ny kibon’ny lavitra ba sentosento
Ka hony, ry sambo, ‘ty fo malahelo
Hanafatra kely ka indro mba ento
Ry sambo tsy tana, fa maila‐pisosa
Mamaky ny onja tsy lany lanina;
Manaraka anao ny velomako kosa
Veloma malefaka sady mangina!
Veloma ry Sambo, amin’ilay niaviako
Dia ilay Nosin‐tany tsy tazako maso!
Raha toa manantsafa ny fianakaviako,
Tontalin’ny foko ny hoe : « Mba andraso …! »
Andeha, ry Sambo, veloma masina,
Tongava any soa, tongava any tsara!
Ny dia  ho tomombana sy ho tahina
Ambanin’ny lalina tsy hita fara
Tsaroako, Rasambo, fa… « Mamy ny mody »
Izany no anaovako kopa‐mosara
Ka dia miverena ho faingam‐pitody
Hitondra ny valin’ity ao afara…!

Ny Avana Ramanantoanina

Loharano nanovozan-kevitra


AKADEMIA MALAGASY, (2005). Rakibolana Rakipahalalana. Antananarivo
ANDRIAMIHAJA N.-V. (2016). Le prétexte comorien. L'Express de Madagascar. Tsikaritra ao amin'ny:
https://lexpress.mg/24/12/2016/le-pretexte-comorien
DI... "Ny Avana Ramanantoanina 1891-1940, Boky 2". Edisiona Vohitsera: Antananarivo
ELLE. Personnalité de votre prénom. Le profil de Antoine. Tsikaritra ao amin'ny:
https://www.elle.fr/Astro/Personnalite/Prenom/Homme-antoine
ELLE. Personnalité de votre prénom. Le profil de Michel. Tsikaritra ao amin'ny:
https://www.elle.fr/Astro/Personnalite/Prenom/Homme-michel
ELLIS S., (1998), L'insurrection des Menalamba, une révolte à Madagascar (1885-1898), Paris: Karthala
LAROUSSE (Dict.). Ramanantoanina, dit Ny Avana. Tsikaritra ao amin'ny:
https://www.larousse.fr/encyclopedie/litterature/Ramanantoanina_dit_Ny_Avana/171142
LEGRAND J.(1895). Archives privées. Instructions des autorités malgaches (1886/1895). Tsikaritra ao amin'ny:
http://anom.archivesnationales.culture.gouv.fr/ark:/61561/ge281uqr
MAMINIRINA R. (2020). "Littérature : Ny Avana Ramanantoanina, le prophète d’une nostalgie moderne". Midi Madagasikara, 30/09/2020. Tsikaritra ao amin'ny:
http://www.midi-madagasikara.mg/culture/2020/09/30/litterature-ny-avana-ramanantoanina-le-prophete-dune-nostalgie-moderne
MINISTERAN'NY FAMPIANARANA AMBARATONGA FAHAROA SY FANABEAZANA FOTOTRA. Ny voary. Lahatsoratra sy Tononkalo T4•T5. CNAPMAD/WWF
MYR. (2010). "Ny diam-penin'Ny Avana Ramanantoanina", tsikaritra ao amin'ny:
http://myrakoto.over-blog.com/article-ny-diam-penin-ny-avana-ramanantoanina-26-fevrier-1891-5-mars-1940-57928588.html
OPENSTREETMAP. Lalana Ny Avana Ramanantoanina. Tsikaritra ao amin'ny:
https://www.openstreetmap.org/way/28916274#map=19/-18.91834/47.50832
RABEMOLALY FANOMEZANA (sy ny namany), (1973). Fary mamy, Teny sy Haisoratra ho an'ny Fianarana ankapobeny sy teknika: kilasy fahatelo. Edisiona Salohy, Trano Printy Loterana
RAJAONA S. (1961). Takelaka notsongaina I, Tononkalo. Tananarive : Imprimerie Nationale
RAJEMISA-RAOLISON R. (1966). Dictionnaire Historique et Géographique. Edisiona Ambozontany. VVS. Tsikaritra ao amin'ny:
http://motmalgache.org/bins/teny2/vvs
RAJOELISOLO C. Ny Avana Ramanantoanina. Takariva Collection N°217, N°221
RAKOTONAIVO F. (1993). Ny diam-penin' ny avana Ramanantoanina. Fianarantsoa (Madagascar) : Ambozontany
RAKOTO RAMIARANTSOA H., PEYRUSAUBES D. (2007). "Nuages, vents et pluies : scruter le « visage du firmament » en Imerina". Les Cahiers d’Outre-Mer, 2007, n° 240, p. 319-340. Tsikaritra ao amin'ny:
http://geo.phile.free.fr/IMG/pdf/Herve_RAKOTO_RAMIARANTSOA_et_Daniel_PEYRUSAUBES.pdf
RAMBALA I. (2019). Fanadihadiana tononkalo, Tsarovy, Ny Avana Ramanantoanina. Tsikaritra ao amin'ny:
http://poetawebs.e-monsite.com/pages/fakafaka/tsarovy-ny-avana.html
RANAIVO RASOLONDRAIBE S. (2018). Mise en tourisme des potentialités spécifiques de l’Avaradrano. Cas de la Commune Rurale d’Anosy Avaratra. Mémoire de Master à l'Université d'Antananarivo, domaine Arts, Lettres et Sciences humaines, mention science du tourisme parcours ingénierie touristique, culturelle et de loisirs.
RAZAFIMAHATRATRA F.-X. (2008). De l’exil à la nostalgie au travers de la littérature malgache. Inalco, Etudes Océan Indien, 40-41 | 2008, p.161-186. Tsikaritra ao amin'ny:
https://journals.openedition.org/oceanindien/1398?lang=en
RAZAFIMAHATRATRA F.-X. (2009). Six poètes malgaches d’expression malgache - Anthologie. Jouve
RAZAFINDRAKOTO H. (2011). "Ny Avana Ramanantoanina: feno 120 taona rahampitso". Gazety Taratra 25/02/2011
RIFFARD C. (2008). Les débuts de la poésie écrite en langue malgache
Études océan Indien, 40-41. Tsikaritra ao amin'ny:
https://journals.openedition.org/oceanindien/1391
SAFIDIHARILANJANEKENA F. E. (2016). "De l'Ecole Le Myre de Vilers à l'Institut National de Formation Pédagogique: l'évolution historique des institutions de Formation de Maîtres à Madagascar". Mémoire CAPEN. Tsikaritra ao amin'ny:
http://biblio.univ-antananarivo.mg/pdfs/safidiharilanjanekenaFanambinanaE_ENS_M1_16.pdf
SCHMIDHOFER (collection). Les disques 78 tours. Tsikaritra ao amin'ny:
https://www.avmm.org/disco/78.html
TSIARO AN'I NENY, (2020). Tao Manjakandrianombana (Farafaty)... Tsikaritra ao amin'ny:
https://www.facebook.com/groups/241440189384556/permalink/1520993151429247
VERLAINE P. (1977). Poèmes saturniens confessions, Paris: Garniet Flammarion


Fisaorana

Ankasitrahana ireto voalaza anarana ireto tamin’ny tahirin-kevitra nampitaina tamin'ny Pôetawebs :

- Hobi Razakarivony
- Imbitika Rambala
- Ranaivo Rasolondraibe S.
_________________
1 Di... "Ny Avana Ramanantoanina, Boky 2". Ny fiainany, tak 3
2 Arsivan'i Jean Legrand
3 Di... "Ny Avana Ramanantoanina, Boky 2". Ny fiainany, tak 2
4 Magazine ELLE
5 Di... "Ny Avana Ramanantoanina, Boky 2". Ny fahafatesany, tak 3
6 "Mivolom-batosoa". Tsikaritra ao amin'ny:
   https://www.youtube.com/watch?v=HqQ5BUrKzd0
7 "Tsarovy". Tsikaritra ao amin'ny:
    https://www.youtube.com/watch?v=U3LZSIdWc5w
8 "Resa-panahy". Tsikaritra ao amin'ny:
    https://www.dailymotion.com/video/x62n65


Nandrindra ny takelaka : Toetra Ràja

Date de dernière mise à jour : 14/04/2024