varavarana

poeta_malagasy

TAPATAPAK'AHITRA

 

Ny Eja - 22 mey 2009

Ny Eja, na SOLONOMENJANAHARY RANIVOARISOA Eugénie Monique araka ny voasoratra ao amin'ny karapanondrony, dia anisan'ireo andrarezin'ny poezia malagasy ankehitriny. Tsy nitsahatra nahita fahombiazana izy nanomboka tamin'ny 1987 nivelaran'ny diam-peniny. Tafiditra ao amin'ny rakikiran'ny mpihira malaza rahateo moa ny tononkalony. Nanasongadina ny fahombiazany koa ny namoahany ny bokiny "Ilay fitia" nadika tamin'ny teny frantsay "Rêve inédit". Mpikambana ao amin'ny Havatsa Upem sy FIMPIMI izy ary mieli-patrana manerana an'izao tontolo izao ny sangan'asany amin'ny alalan'ny aterineto sy ny gazety mpivoaka isanandro.



Miarahaba anao Ny Eja nanaiky hitapatapak'ahitra aminay eto amin'ity tranonkala ity. Efa fantatry ny maro eo amin'ny haisoratra ianao sy ny sanganasanao kanefa sitrakay sy telinay raha ampatsiahivinao eto ny hevitry ny anaranao hoe Ny Eja.

Ny anarana hoe  Eja dia  nalaiko tao amin'ny  Rakibolana  Malagasy  izay  nanome  dikany hoe : anjara,  angola, hatsaran-tarehy fatratra, ny haingo sy ny hatsarana. Ireo dikany ireo no nahasarika ahy  ka nahatonga ahy nifidy io anarana io satria ny teny  malagasy  nomena ny  haingo sy  angola miavaka no entiko amin'ireo sangan'asako.

 

  • Oviana ianao no nanomboka nanoratra, inona no antony ary inona no lohahevitra tena ankafizinao ?

 

Ny  taona 1987 tany ho any  aho no nanomboka nanoratra fa nisy  fotoana nahanginana kely satria mbola sahirana tamin'ny  fianarana. Nifoha ny  aingam-panahy  10 taona taty  aoriana ka nanoratako  lohahevitra maro  momba ny  fitiavana.

 

  • Namoaka boky "Ny fitia" ianao taona vitsivitsy izay. Azonao ambara aminay ve ny momba azy sy ireo sanganasanao hafa ?

"Ilay  fitia" fa tsy "Ny fitia" no boky navoakako, ankoatra io dia efa vita dika amin'ny  fiteny  frantsay  koa ny sangan'asako sasany  ao amin'ny boky  faharoa navoakako nampitondraiko ny  lohateny hoe "Reve inedit".

 

  • Anisan'ny nahafantaran'ny olona anao koa ireo tononkalonao tafiditra ao amin'ny rakikiran'ny mpihira malaza ankehitriny. Manampy ny lanjan'ny tononkalo voaforona ve ny fihirana azy ireny ?

Eny avy hatrany ny valiny, satria mora kokoa ny mampita ny  hafatra fonosin'ny tononkalo rehefa misy feonkira izany.

 

  • Manana toerana manokana ve ny poeta manoloana izao lalan-tsarotra diavin'ny firenena izao ?

Eny manana toerana izy amin'ny fankaherezana ny olona, amin'ny famaritana ny toe-javatra niseho teo amin'ny  firenena iray.

 

  • Mpikambana ao amin'ny Havatsa Upem ianao : inona no antony nidiranao tao ary inona no andraikitrao ao ?

Ny antony nidirako tao dia tsapako fa mila mifanerasera amin'ny mpanoratra namana indrindra eo amin'ny fifampizarana traikefa sy mba afahana manao zavatra miaraka ihany  koa, satria raha mandeha irery dia tsy dia hita loatra. Tsy azo lazaina fa tena mpanoratra raha tsy miaraka amin'ireo fikambanana raha ny fomba fijeriko.

 

  • Azonao atao ve ny manonona poezia malagasy sy vahiny mba tena ankafizinao ?

Lasitra iray
Raha mirana ianao, mifaly aho ao anatiko
Ny fahorianao, nanjary toa tsy tantiko
Ny tebitebinao, nanindrona ny aiko,
Izay tsy tianao, nanjary tsy nilaiko.

Tononkalo frantsay dia afaka jerenao ao amin'ny 

www.freewebs.com/ilay_fitia

  • Tsy hitazona anao ela izahay fa fisaorana lehibe no atolotray anao amin'izao nahafoizanao fotoana nitafatafana taminay izao. Mankasitraka anao Ny Eja.

Mankasitraka

 

Rohy ahitana ny mombamomba an'i Ny Eja
www.freewebs.com/ilay_fitia
http://ilay.fitiavana.googlepages.com
http://www.myspace.com/ny_eja
http://www.nyeja.new.fr/
http://www.nyeja.siteperso.net


poeta©2009 - poetawebs@gmail.com
Raha misy mahatafintohina ny votoatin'ny tranonkala dia anoraty ny tomponandraikitra anamboarana ny tsy mety
.

Date de dernière mise à jour : 05/07/2021

×