varavarana

poeta_malagasy Ny poeta raha miteny
Dia mampita izay mba reny
Sady saininy ombieny
Amin'ny gadona avo lenta
Mampitony hetaheta
Bitsik'ivan'ny poeta

ikopa

 
    BANA RAHALAHY
    30 APRILY 2011
   

Mpanakanto feno i Bana Rahalahy satria ankoatra ny maha poeta azy dia mpanoratra sombin-tantara, mpamoron-kira, mpihira, mpitendry zavamaneno izy. Indrisy anefa fa tsy mba ho ampy iresahana ny talentany rehetra eto. Ny lohahevitra mahazatra ny tranonkala no andeha hanompanana ny tapatapak'ahitra iarahana aminy, dia ny poezia izany.

Miarahaba anao Bana Rahalahy. Efapolo taona lasa izay no nanombohanao namindra tamin'ny penina, misy antony manokana ve no nahatonga anao hanoratra poezia ?

Miarahaba anao ary misaotra anao mandray ahy eto amin'ity tranonkala iandraiketanao ity. 

Tsy azo lazaina hoe misy antony tokana nahatonga ahy hanoratra, fa antony maromaro angamba no marina kokoa. Tononkira no asa soratra nataoko voalohany tamin'ny taona 1971 - 1972. Ary saika resaka tolona sy ady amin'ny fanjanahantany hatrany ny votoatiny. Mazava fa ny zava-misy tamin'izany fotoana izany no nanainga ahy hanoratra.

Rehefa nanomboka nitia dia nandray penina koa ... indrindra raha sendra diso fanantenana izay.
Taty aoriana dia nataoko filazana hevitra, vetso-po sy ny vetso-panahy amin'ny fomba fohy sy heveriko ho tsy mahamonamonaina ny poezia.

Nandritra izay efapolo taona izay, nisy fotoana mety ho nahatapatapaka ny aingam-panahinao ve ?

Nandritra izay efapolo taona izay tsy  hoe nitohy foana ny fanoratako, nisy taona nanoratako bebe kokoa, ary nisy taona sahirana na variana tamin-java-kafa toy ny fianarana, asa sns dia tsy dia namokatra firy.

Inona ny hevi-ponosin'ny anaram-peninao ?

Bana : fiantsoana ahy fahakely
Rahalahy : dia mba hilazana fa te-hamitram-pihavanana

Mpamoron-kira koa ianao. Misy amin'ny tononkalonao ve no nanjary tononkira ?

Raha ny marina dia tononkira no tena fanoratro, ka ny ankabeazan'ny tononkaloko dia misy feony avokoa.

Ny hira fanevan'ny RNS "Tarigetra soa" ve ohatra tononkalo nasiana feony sa kosa tononkira sy feon-kira niara-teraka ?

"Tarigetra soa" dia azo lazaina hoe niara-nateraka ny tonony sy feony. Tsy nanana fotoana nivalamparana aho tamin'ny namorona azy io satria efa tara vao hitako ny fisian'ilay fifaninana hira faneva tamin'ny fahatelopolo taonan'ny RNS. Ny mba nanamora ny famoronana ny tonony dia satria efa nanatrika RNS hatrin'ny ela aho, tamin'ny mbola 200 na 300 ny mpandray anjara !  Izao efa 6000-7000 ny Malagasy manatrika io lanonam-dehibe io isaky ny Paska.

"Gasigasy ao an-doha, gasigasy ao am-po", moramora ve ny miaina izany rehefa an-telopolo taonany nipetrahana any ivelan'ny Madagasikara ?

Moramora tamiko izany satria voa-janahary. Sarotsarotra kosa ny nampita izany tamin'ny zanaka ... Ny faniriako dia mba ho Teninjanaka tokoa anie ny Tenindrazana ! Filamatro iray koa mantsy : "Tanindrazana-Taninjanaka Tenindrazana-Teninjanaka"

"Mamiko ny tanindrazako ka sady hamoronako hira no hihirako fitiavana". Hira no resahina eto, tafiditra ao koa ve ny tononkalo ?

Ny hoe mihira fitiavana eto dia mihira amin'ny heviny mivelatra, izany mihira misy feon-kira, na koa mihira na midera amin'ny alalan'ny tononkalo, na sombin-tantara.

"Izay adala no toa an-drainy", irinao ve ny hahalasa poeta na mpihira na mpitendry zavamaneno malaza ny zanakao ?

Maniry tokoa aho raha maniry ny hanaovan'ny zanako, sy ny  fara-aman-dimby izay hametrahana ny asa soratra, sy ny zava-kanto malagasy na dihy izany na mozika, eo amin'ny toerana mendrika azy. Amin'izao fotoanan'ny fanatontoloana izao, dia mila arovana mafy sy ampitaina ny maha-Malagasy.

Vao avy namoaka boky ianao ary nanokananay takelaka izany. Inona avy ny fomba ampielezanao azy (eto Madagasikara na any ivelany) ?

Ireto avy ny fomba heverina hampiasaina : ny tranonkala, radio, ... Hisy hetsika manokana miaraka amin'ny mpanakanto namana. Manam-pikasana handalo aty Madagasikara koa atsy ho atsy ... Ny faniriako lehibe indrindra anefa dia  ny mpamaky mba hankasitraka ary hilaza amin'ny namany koa mba hamaky ...

Mpikambana ao amin'ny Havatsa Upem sampana Frantsa ianao. Inona no nahasarika anao hiditra mpikambana ao ? Inona avy ireo hetsika mahazatra anareo ?

Te hifanerasera amin'ny olona mankamamy ny teny Malagasy aho. Ny hetsika fanaon'ny Havatsa Upem dia antsa tononkalo, fitantarana anganao sy fampiratiana boky.

Mifanerasera amin'ny poeta hafa tsy mpikambana ao amin'ny Havatsa ve ianao ?

Mahafantatra poeta maro tsy ao anatin'ny Havatsa tokoa aho : Narivelo Rajaonarimanana, Dany Borohany, Raozy Gasy, Hanta Ramarlina, Arison Jaha ... Ireo aloha no tonga ao an-tsaiko.  

Ankoatra ny poeta dia manana fifandraisana amin'ny mpanakanto fata-daza ianao. Misy toro-hevitra azonao aroso ireo mpanakanto zandriny izay maniry hanana izany koa ve ?

Ny azoko lazaina dia:  ny zavatra tena tianao no iezaho fa aza manenjika ny hoe "izao indray hono no malaza e" 

Toy ny mahazatra eto amin'ny tranonkala dia angatahana an-dalan-tononkalo iray ianao izay noforoninao na an'ny poeta hafa miverimberina matetika eo imolotrao ?

Tononkalo iray fiantsanay ao amin'ny tarika Gas'Sl'âme ity :

Ny tena gasy, ny teny gasy, ny tany Gasikara
Dia ho faty sa ho tsara ?
Ny tena gasy, ny teny gasy dia ho faty
Ny tany Gasikara dia ho lo sy hamarara
Raha sanatria tsy tsara vatsy ireo zanaka amam-para
Raha tsy lalim-paka anatiny ireo fomba izay fandala
Fihavanana, fifanomezan-tanana ary koa fifanajana
Adidin'iza ny mampita ny maha-Malagasy antsika ?

Bana Rahalahy

Misaotra anao, Bana Rahalahy, ny tranonkalan'ny poeta malagasy amin'ny fahafoizanao fotoana lava niarahana nidinidinika teto. Mirary soa indrindra.

Ianao no isaorana. 
poeta©2009 - poetawebs@gmail.com
Raha misy mahatafintohina ny votoatin'ny tranonkala dia anoraty ny tomponandraikitra anamboarana ny tsy mety

Date de dernière mise à jour : 05/07/2021