Créer un site internet
Sorapiainan'i G.R.G., fandalinan'i Toetra Ràja
PÔETAWEBS "Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto"

15 janoary 2020
Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
 T.Ràja

Fantaro i

G.R.G.
na i Georgette RANIVOARIVELO
Gabrielle

(1932 - 2008)
Pôeta
Mpanoratra
Mpikabary

— Fandalinan'i Toetra Ràja —

"... Ary izany indrindra
No ikarohanay
Ireo kanto fahizay"

Maneho fahavononana hatrany hiatrika ny sarotra izany sombina andinin-teny nalaina tao amin'ny tononkalo "FITENY MALAGASY" izany. G.R.G., fanafohezana ny anarany feno Georgette Ranivoarivelo Gabrielle, no mpanoratra. Teraka tao Brickaville ny 30 desambra 1932 izy, zanaky Randrianarivelo Jean sy Razafiarimanana Séraphine. Nanambady an-dRakotomalala Emile Solo izy ka nahazoan'izy ireo lahy efatra sy vavy roa (1). Tamin'ny septambra 2008 izy no maty.

OLON'NY HAISORATRA
Ny hanao hoe pôeta hatrany anaty rany lalina no mety hanahirana kely fa ny fantatra dia efa hatry ny fony kely i G.R.G. no nankafy tononkalo sy tantara. Tsy nahagaga araka izany raha ireo karazan-kanto ireo no anisan'ny tena nivelarany taty aoriana. Tsaroany fa tamin'ny taona 1944 izy no nanoratra tononkalo voalohany (2) ary 13 taona taty aoriana kosa (1957) ny tantara voalohany.
 
PÔETA MANOVO
Lalim-paka tao anatin'i G.R.G., hoy isika, ny fanoratana kanefa ambonin'izay dia hainy koa ny manatevina izany tamin'ny alalan'ny fianarana. Efa voalazany mihitsy aza fa "tonga ho azy sy nianarana" izany fahaizany ny kantony izany fa tsy nolovany (2).
 
Anisan'ireo mpampiana-tena i G.R.G. tamin'ny alalan'ny famakiana sy fihainoana ny zava-bitan'ny olona, izay noraisiny ho toy ny filana mihitsy satria nahatsapany ny maha sakafon-tsaina ny literatiora.

Nanaraka fampianarana tamin'ny rafitra nisy koa izy toy ny fianarana mikabary norantoviny tamin'ny taona 1984 ka nahazoany "taratasy fanamarihana" mifandraika amin'izany.
Nianatra ny fomba fanolorana tononkalo an-tsehatra koa izy ary nandalina ho amin'ny fampivoarana ny kolontsaina.

 
NY TENY MALAGASINY

Raiki-po lalina amin'ny teny malagasy i G.R.G., izany hoe ahitany hatsarana misongadina ao ary raisiny ho adidy ny fanandratana azy. Tsy nitsahatra nanoratra izy hatramin'ny taona nahafatesany tamin'ny 2008, izay namoahany boky roa dia ny "Fisainana G.R.G. tononkalo" sy ny "Fisainana G.R.G. tantara sy sombin-tantara".  Mazava ny anton'izany faharetana izany araka ny voalazany hoe :

"... ny fahatsapana fa tena kanto ny teny malagasy ka rariny raha tahirizina ao anaty haisoratra"


Mandalina ny teny malagasy izy amin'ny alalan'ny fikarohana boky tranainy mirakitra sompitry ny fahalalana. Sarotiny tokoa izy amin'ny fanajana ny tsipelin-teny.


NY FITENY MALAGASY (4)
 
Ny fiteny malagasy
Lova manan-kasina,
Harena sarobidy
Tokana aman-tany,
Tsy iombonana
Amin'ny hafa
Ka andrianintsika
Ho vakoka lalaina ;
Ary izany indrindra
No ikarohanay
Ireo kanto fahizay.
 
G.R.G. - 04/05/95

PÔETAN'NY FISAINANA
Mampiavaka an'i G.R.G. ny famokarana andalana na andinin-teny mampisaina ka satry haverimberina fa marina loatra. Miraikitra eo imolotry ny maro izy ireny satria mahasoa ny fiainana sy ny fiaraha-monina.

Ao anatin'izy izany ny fananarana izay tsapa amin'ny asa sorany toy ny "Etsy ange!...", lohateny nentiny nanaitra ireo varimbariana amin'ny fihazohazoana amin'ny fanapahan-kevitra ka mety hiteraka fanafintohinana ho an'ny hafa :

"Aleo manda mahavita,
toy izay manaiky tsy manatanteraka.
Fa... ny manao am-pitiavana
no mendrika indrindra."

Eo amin'ny fomba fiaina dia nametraka ny modelin'ny antsoina hoe vehivavy izy, na amin'ny fitafy na amin'ny fitondran-tena araka ny hita ao amin'ny tononkalony "Vehivavy hendry, firenena vanona" (2):
 
"Maotina fiaina ny vehivavy mendrika,
Tsy taitran'esoeso, tsy laitran'endrikendrika,
Manolokolo hatrany ny zanaka amam-parany,
Ny tokantrano koa hajainy fa anjarany".

Fitondran'ny mpanjanan-tany no niainan'i G.R.G. ny ampahany voalohany tamin'ny fahavelomany. Tsy mahagaga raha taratra ao amin'ny tononkalony ny lohahevitra fitiavan-tanindrazana. Nitohy hatrany izany taty aoriana ary nahavarany nanindrom-paingotra ny fototry ny olan'ny firenena. Mahitsy fiteny tokoa izy amin'ny andavanandro ary mivoaka tamin'ny tononkalony izany toy ilay hoe "Eny indrisy! Ny fanahy malagasy" :

"Misy poizina tafiditra eto Madagasikara ka mandripaka Fanahy,
Ny Fanahy Malagasy izay voarombak'i satana tamim-pomba sahisahy.
Oh! Manjakazaka eto ireo fitiavan-tena maro, fahavalom-pirenena,
Mandoto ireo Fanahy, dia ny Fanahy malagasy mpankato ny fahendrena".
 
Olon'ny fo izy ka nihira ny fitiavana toy ny ao amin'ny tononkalo "Izaho sy ianao", "Ilay fitia kisendrasendra" ary ny "Soa aho manana anao!..." :

"Eh!... ry mamiko indrindra...
Soa aho manana anao.
Raha marary misy mpitsabo,
Raha salama voatambitamby".
 
Mbola ao anatin'izay ihany koa ny fiahiany ny fianakaviany, nasongadiny tao amin'ny tononkalo "Neny", "Dada", "Ny zanaka" :

"Ny Zanaka? (3)
Io no sarobidy indrindra amin'ny zavatry ny tany,
Ilofosana tokoa ny hamelomana azy hatrany,
Na lelavola an-tapitrisa na volamena sesehena :
Tsy mahasolo velively izay taranaky ny tena".

Eo amin'ny fitozoana ho fanatsarana ny kalitaon'ny asa soratra dia matoanteny telo no azo amintinana ny fisainana G.R.G. dia ireto :

"Mikiry sy mandalina ary mianatra"

Manazava  izany koa ity andinin-tononkalony ao amin'ny "Manantena voka-tsoa" ity (5):

 
"Matoa ny dinitro mijohy! Manorika ny tava,
Matoa aho mikiry tsy mitandro hasasarana.
Somokotra miasa  ka mitozo lalandava :
Manantena voka-tsoa... hianoka hasambarana".


OLON'NY FITENENANA
Anisan'ny vehivavy havanana amin'ny fitenenana i G.R.G. eny fa na dia tsy fahita firy tamin'ny fotoan'androny aza izany mpikabary vehivavy izany.

Tamin'ny taona 1963 izy no nanandrana nikabary voalohany, talenta nohateveniny tamin'ny fianarana efa voasoritra tetsy ambony. Izy no vehivavy fahatelo tafiditra tao amin'ny fikambanana mpikabary lehibe sady tranainy indrindra antsoina hoe FIMPIMA.

Kabary am-pandevenana sy am-panambadiana ary tamin'ny lanonana samihafa no nanehoany izany. Tsy noho izay talentany izay indrindra ary moa no nampisongadina azy hatreny amin'ny pilopitra? Eny, mpitoriteny nikohizana koa i G.R.G.
 
G.R.G. tamin'ny fitokanana ny Havàtsa Sampana Miarinarivo tamin'ny 1998. Sary : RHA NARY

OLON'NY SEHATRA
Niavaka i G.R.G. eny an-tsehatra ary nambabo ny mpijery ny feo mangany hainy nofolahina araka ny tranga tiany haseho. Toy izao ny fanazavany ny amin'ny antony nitiavan'ny vahoaka azy fony teo am-perinasa (2) :

"Ny feo, ny fiovan'ny endrika nifanaraka amin'ny tononkalo atolotra. Ohatra. Eo amin'ny tononkalo malahelo dia manjombona, tononkalo falifaly dia mirana, tononkalo mahasosotra dia tezitra ary amin'ny tononkalom-pitiavana kosa dia hita ho tena sambatra".
 
Misongadina tsara ny ventin-kevitr'ireo tononkalo teny an-tsehatra. Nomena lanja manokana ireo mpijery manoloana ny fitafiana mihaja nanaovan'ny mpanakanto.

Tsy vitan'ny hoe olon'ny sehatra izy fa mbola nohalalininy tamin'ny fanarahana fianarana izany. Tsy tia ny eo ho eo ihany i G.R.G. fa satriny ho feno hatrany ny famarana ho an'ny fahafaham-pon'ny mpanatrika. Indrisy anefa fa nisy tokoa ny sakana ara-pitaovana nosetrainy tamin'izany fivelarany an-tsehatra izany araka izao fanazavany izao (1):

"Ny fanomanana ireo fampisehoana, famandrihana ny trano sy ny hofany, ny karaman'ireo mpihira manelanelana ny tononkalo, ny hofan'ny zava-maneno, ny mpandravaka, ny mpiambina ny fiara, ireo rehetra ireo dia lafo ka fijaliana ho an'ny mpanan-talenta te hiseho olona".
 
Eny, tsy nandala vola anefa izy tamin'ireny fampisehoana ireny ary anisan'ny nanamarika azy manokana ireo fandaniana tao amin'ny "Cinéma Kanto".

Ireto avy ny taona sy toerana efa niakarany sehatra :

- 1967 : Tranompokonolona Toliary
- 1982 : Tranompokonolona Isotry (Antananarivo)
- 1982 : "Cinéma" Kanto (Antananarivo)
- 1983 - 1984 - 1985 : Kolejy Rasalama (Antananarivo)

FIKAMBANANA NISY AZY
- 1978 : tafiditra tao amin'ny UPEM
- 1982 : voafidy ho mpanolotsaina UPEM
- 1984 : FIMPIMA
 

Mitsangana miankavanana : Jeannot Ratsimbazafy, Rado, G.R.G., Le Myosotis, Nary, Célestin Andriamanantena sy ny vadiny, Ralison Jean, Abeline Eléonore, Ranaivo Julien, Mamy Zézé.
Mipetraka miankavanana : Jean Rossinah, Ramy, Randy.


MARI-BONINAHITRA
1987 : Chevalier de l'Ordre National Malagasy
2003 : Officier de l'Ordre National Malagasy


SANGAN'ASANY (3)
* Tononkalo 
- Neny
- Dada
- Ny zanaka
- Ry tanora
- Tsy nampoizina
- Vehivavy hendry, Firenena vanona
- Eny indrisy
- Ny fanahy malagasy
- Raha
- Doro-tanety
- Miteraha izay ho velona
- Toky sa fitaka sa fitiavana?
- Olombelona toa ahy
- Hitraka aho fa tsy handady
- Tsy ekeko
- Ambohimiadana
- Izaho sy ianao
- Nahoana
- Ilay fitia kisendrasendra
- Bitsiky ny feoko

* Hainteny
- Soa aho manana anao
- Fitia nivaly fitia

* Tantara nolalaovin'ny Radio Malagasy
- Hasin'ny fitiavana madio

* Fandaharana tamin'ny Radio Televiziona Malagasy 
- "Feom-baliha mena masoandro", niarahany tamin'i Ener Lalandy - Radio 
- "Fisainana G.R.G.", Fandaharana manokana - Televiziona (19 desambra 1985)
- Tantara indray miseho iray sy tononkalo maro tao amin'ny Radio

* Boky
- G.R.G. 2008. Antananarivo. "Fisainana G.R.G. tononkalo"
- G.R.G. 2008. Antananarivo. "Fisainana G.R.G. tantara sy sombin-tantara"

* Fanapariahana tononkalo
- Gazety boky Madagasikara sy ny Tanorany, 1971
- Boky fianarana Malagasy ara-drafitra kilasy 4-3 (Razafindrakoto), 1975
- Gazety Madagasikara Mahaleotena
- Gazety Midi Madagasikara
- Gazety-boky Vokovokomanga FJKM
- Tantara indray miseho iray sy tononkalo maro tao amin'ny Radio Madagasikara
- Fandaharana manokana "Fisainana G.R.G." tao amin'ny Televiziona Malagasy, 19-12-85


HAFATR'I G.R.G.
Amin'ny maha mpanakanto zokiolona, ny hafatra ho an'ny mpanakanto ankehitriny (2)

- Tsy ho taitaitra foana fa hisaina tsara vao mikatroka, mamerimberina mamaky ny zava-bita ary manatsara izay tokony hovaina?
- Tsy manenjika isa fa aleo vitsy misy ventin-kevitra, toy izay maro tsy misy lanjany.
- Mandalina ny teny malagasy ary tsy mampiasa teny hafahafa mety hamono ny tena fitenin-drazana.
- Tokony hahay mandray fanakianana avy amin'ny hafa.

LOHARANO NANOVOZAN-KEVITRA

Boky
- Havàtsa-Upem, 2009, "Tatamo Manokana", Antananarivo. Tak. 91
- Lala-Rakotoson J.A., 2003, "Lovako, T12", edisiona Ambozontany, Antananarivo

Aterineto
- Hanitr'Ony, 2017, "Faha 65 taonan'ny Havàtsa tao Parisy". Tsikaritra tao amin'ny :
http://poetawebs.e-monsite.com/pages/sehatra/page-90.html
- Helisoa Olga, 2008, "GRG – Georgette Ranivoarivelo Gabrielle (1932-2008) Madagascar: Poète, écrivain, prédicateur et oratrice – HOMMAGES". Tsikaritra tao amin'ny :
http://rahelys.unblog.fr/2008/09/22/grg-georgette-ranivoarivelo-gabrielle-une-grande-dame-de-la-litterature-malgache-nous-a-quitte

Tahirin-kevitra
"Iza moa Ianao? Dinidinika nangonina momba ny mpanakanto", nahitana ny sora-tanan'i G.R.G., voatahirin'i Tsiky Rakotomavo.

(1) Araka ny voasiratr'i Helisoa Olga (2008)
(2) Tahirin-kevitr'i Tsiky Rakotomavo
(3) Havàtsa-Upem (2009) 
(4) Hanitr'Ony (2017)
(5) Lala-Rakotoson J.A. (2003)

Fandalinana : Toetra Ràja
Nandrindra ny takelaka : Toetra Ràja
© poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 14/01/2020

×