Randja Zanamihoatra sy ny Baiboly

Toetra Ràja — 21/09/2025
DOL'AJ, POETA MISAINA, MIAINA...!

Manolotra velakevitra miavaka ny komity fankalazana ny faha-100 taonan'i Randja Zanamihoatra ao amin'ny tranombokim-pirenena Anosy ny 24 septambra. Miavaka tokoa ny velakevitra araka izany lohateny nosafidin-dRabetalata Chantal azy izany ka nanintona ny Poetawebs hitapatapakahitra aminy.

Toetra Ràja
Miarahaba anao Rabetalata Chantal mivahiny eto. Miarahaba ny mpiseran'ny Poetawebs koa. "Mpandalina literatiora sy mpankafy Randja Zanamihoatra" ianao araka ny hita eo amin'ny petadrindrina. Azonao hazavaina ve ny momba izany?

Rabetalata Chantal
Faly miarahaba antsika rehetra mpanaraka ny tranonkala Poetawebs ihany koa ny tenako.    Raha ny fianarana norantovina dia vao afaka ny fanadinana Bakalorea aho no nanaraka ny lalam-piofanana Malagasy teny amin’ny Anjerimanontolo ary niompana manokana mikasika ny literatiora malagasy. Tamin’izany fianarana izany dia nanompana indrindra ny asa fikarohana mikasika an'i Randja Zanamihoatra aho. Mbola teny amin’ny kilasy ambaratonga faharoa no efa nahalala an’i Randja tamin’ny alalan’ny asasorany "Malagasy mankany" fa rehefa nilona tamin’ny literatiora teny amin’ny ambaratonga ambony no nahalalako bebe kokoa azy. Nanomboka teo aho no nankafy sy nianoka ny asasoratr’i Randja. Niompana indrindra tamin’ny asasorany aza ny voka-pikarohana nataoko tamin’ny taona fahefatra.

Toetra Ràja
Hita eny amin'ny petadrindrina koa fa "Randja Zanamihoatra sy ny Baiboly" no lohatenin'ny velakevitra. Kristianina ve izy ary taratra ao amin'ireo asasorany izany?

Rabetalata Chantal
Amin’ny alarobia izao, eny amin’ny tranombokim-pirenena Anosy, dia hisy ilay velakevitra mitondra ny lohateny hoe "Randja Zanamihoatra sy ny Baiboly". Nosafidina manokana io lohahevitra io satria raha vao miresaka Randja Zanamihoatra, ny tonga ao an-tsain’ny mpankafy ny asasorany sy mahalala azy voalohany, dia ilay asasorany mivantambatana sy maneho hatrany ny sarin’ny fivavahana kristianina. Fanontaniana matetika mipetraka rehefa miresaka Randja ihany koa dia ny hoe kristianina ve izy? Raha ny tantaram-piainany no jerena dia eny avy hatrany ny valiny satria teo aloha ny fitaizana azony. Ary matoa izy, na efa lehibe aza, manaiky ny sakramenta rehetra (batisa, fanasan’ny Tompo ary mariazy) teo amin’ny fiangonana, dia mandala ny fivavahana kristianina izy. Ary izy ihany koa dia nitaiza ireo zanany tamin’ny fomba kristianina. Izany fivavahana kristianina izany dia hita taratra ao amin’ireo asasorany ary saika ireo asasorany rehetra dia ahitana izany dindon'ny fivavahana kristianina izany avokoa na dia tsy miresaka ny ao amin’ny Baiboly aza ny votoatiny.

Toetra Ràja
Mety ho misy poeta mifoka ny rivotr'i Randja ve ankehitriny?

Rabetalata Chantal
Mino aho fa na dia tsy miseho aza dia maro ireo mpanoratra ankehitriny no mifoka ny rivotr’i Randja Zanamihoatra. Hitantara zavatra kely aminareo aho hoe mbola tany amin’ny anjerimanontolo aho no maro ireo mpiara-mianatra izay nankafy literatiora no manoratra ary mifoka tanteraka an’i Randja Zanamihoatra. Izany dia hita indrindra eo amin’ny fomba fanoratr’izy ireo.

Toetra Ràja
Ahoana ny fahitanao an'izao fomba fankalazana ny faha-100 taonan'i Randja izao?

Rabetalata Chantal
DOL'AJ, POETA MISAINA, MIAINA...!Ankasitrahana ianareo rehetra Komitin'ny fankalazana ny faha-100 taonan’i Randja Zanamihoatra izao. Tsara sy mahafinaritra ary ankasitrahana indrindra ianareo amin’ny fanaovana hetsika toy izao satria anisan’ny manandratra ny kanto malagasy. Isaorana ianareo satria mamelona sy mamoha indray ny poeta malagasy. Mampahafantatra ny lanja sy ny hasin’ny poeta malagasy amin’ireo taranaka aty aoriana ny hakanton’ny asasoratra malagasy.

Farany, ho fanentanana fohy ho antsika rehetra, tongava daholo hanatrika ny velakevitra izay hatao eny amin’ny tranombokim-pirenena Anosy fa ao no hahalalantsika bebe kokoa ny mikasika ny lohahevitra "Randja Zanamihoatra sy ny Baiboly".

Toetra Ràja
Mankasitraka anao Rabetalata Chantal nahafoy fotoana nitapatapakahitra tamin'ny Poetawebs. Mirary fahombiazana feno ho an'io velakevitra mahaliana io.

Rabetalata Chantal
Mankasitraka anareo eto amin’ny Poetawebs nanaiky nandray ahy hivahiny sy hitapatapakahitra teto amin’ny tranonkala.

Toetra Ràja

Ajouter un commentaire