Créer un site internet

poetawebs_logo

poeta_malagasy
20 Avrily 2013

TAPATAPAK'AHITRA NIFANAOVAN'NY POETAWEBS TAMIN'I  NIVOHANTA

 


Randrianarisoa-Rasendra Nivohanta Irène, na Nivohanta araka ny ahalalana azy eo amin'ny penina, dia tsy vahiny intsony amin'ireo mpiseran'ny Poetawebs satria tamin'ny volana jolay 2011 no nanolorana ny bokiny nandikana ny tononkalon'i Dox teto amin'ny tranonkala. Tononkalony roa koa no efa nivoaka tato "Kalokalo ririnina" sy "Tsikinao voakaikitra". Mpandika tononkalo sy poeta amin'ny teny vahiny izy araka izany, kanefa mpikabary sy mpiangaly sary hosodoko ihany koa. Mpikambana ao amin'ny HAVATSA sy FIMPIMA sampana Frantsa izy. Namaly ireo fanontanian'i Toetra RAJA izy.



Miarahaba anao Nivohanta ary misaotra anao nanaiky nitapatapak'ahitra ato an-trano.
 

Miarahaba anao koa Toetra Raja. Ianao no isaorana mikarakara ny Poetawebs no sady misahirana manao an'ity tafatafa ity.
Marina ny voalazanao. Efa namakafaka tononkalo 2 koa aho teto: "Indroa" an'i Tahirintsoa sy "Raha mbola" an'i Avelo Nidor. Ankoatra ireo voalazanao dia mihira ao amin'ny Chorale Fiderana Parisy koa aho.

Azonao lazaina ve ny antony nisafidiananao ny anaranao eo amin'ny penina?
 
Mpianatry ry Masera sy ry Frera aho ka ny anarana amin'ny batemy no iantsoana ny mpianatra : Irène izany no ahafantaran'ny olona ahy. Nivo no fiantso ahy teo anivon'ny fianakaviana, fa ilay Nivohanta no tiako kokoa satria ilay Nivo be mpanana loatra. Saingy lava loatra angamba dia io Nivo io no mahazatra ny olona... Nony nitady anarana amin'ny maha mpanoratra aho dia tonga dia ilay Nivohanta no naharesy lahatra ahy.

Oviana ianao no nanomboka namorona tononkalo ary azo fantarina ve ny antony?

Efa tany amin'ny faha 14'ny taonako tany aho no nanoratra tononkalo. Sady tamin'izany nanoratra tamin'ny teny malagasy, frantsay ary anglisy. Tena liana mihitsy aho hatramin'izay amin'io resaka literatiora io. Anefa koa nahay taranja siantifika tsara, dia hoy ny olona hoe resaka siantifika hianarana fa amin'izay ianao mora mahita asa sady tsara karama kokoa... Marina dia marina io fa noho ny fitiavako ny literatiora dia hoy aho hoe raha tanora aho tsy afaka hianatra izay taranja tiako dia rahoviana aho no hanao azy... Naka boky eran'Antananarivo aho fahiny: tao ampianarana mazava ho azy, tao amin'ny Centre Culturel Albert Camus izay lasa IFM ankehitriny, tany amin'ny Centre Culturel Américain...

Dia sady nankafy tantara no nilona tamin'ny tononkalo, ary tonga dia rafitra nanoratra tononkalo.

Indrisy fa sendra fotoana sarotra tamin'ny fiainana, saika namoy fo ka nariana daholo ireo kahie, irony atao hoe "journal intime" irony... Dia tsy misy voatahiry ireny soratra aman-jatony maro ireny... Amin'izao fotoana, kahie lehibe samihafa no anoratana "journal intime" sy anoratana ireo tononkalo, dia samy voatahiry tsara avokoa.



Ary ny amin'ny fandikana tononkalo?

 Izaho moa izany dia nianatra teny anglisy ary taty aoriana teny malagasy. Ao anatin'ireo taranja ianarana dia manana toerana lehibe ny literatiora sy ny fandikana teny na ilay teny anglisy adika teny frantsay na ny teny frantsay adika amin'ny teny anglisy. Maro be koa ireo tononkalo vahiny novakiako, amin'ny tena nanoratan'ny tompony azy sy amin'ny dikatenin'izy ireo. Hoy aho taloha hoe, tsy dia tsara adika ny lahatsoratra na tantara na tononkalo. Kanefa noho izaho mipetraka aty ivelany ampolo taonany maro angamba no nahaliana ahy hampahafantatra ny vahiny ny haren'ny kolontsaintsika. Hitako fa ny fandikana tononkalo no mety ho fomba iray hanaovana izany. Moramoraina koa aho mandika azy ireo ka izay no nampazoto ahy. Avy eo koa moa nandritra ny "soutenance de maitrise" tao amin'ny INALCO dia tena nahaliana ireo mpitsara ny dikan'ireo tononkalon'i Dox 38 nataoko, miaraka amin'ny famakafakana ny asa sorany. Dia nasain'izy ireo natonta boky izany sady nahazoako "mention très bien". Mahaliana ny olona hatramin'izao satria tsy hoe adika fe adika fa tena dikateny poetika no nanaovako azy. Izaho koa moa poety rahateo.




Nampatsiahivin'i elie rajaonarison tao amin'ny Teny Fanolorana ny bokinao "Dox" fa famadihana ny poeta ny fandikana ny tononkalony. Raha nandika ny sanganasana poeta andrarezina toa an'i Dox ianao, mety ho nisy ve ahiahy amin'ny tsy hahatafitàna ny tena tian'ny mpanoratra avoitra?

Tsy nisy mihitsy ahiahy hoe tsy hahadika ny tian'i Dox ho lazaina... Taona maro be no lany teny amin'ny dabilion'ny Anjerimanontolo, sady nianatra tamin'ny fianarana anisan'ny malaza sy tsara aho na tany an-tanindrazana na taty ampita, hany ka tsara hofana. Dia tsy nanana ahiahy na dia kely aza. Ny famakiana boky koa moa dia tena tsy mitsahatra; na hatramin'izao aza, dia manampy amin'ny lafiny maro, na amin'ny famoronana na amin'ny fandikana. Maro be ireo boky atao hoe "critiques littéraires", sady mampianatra no mampiitatra fahalalana "amin'ny famakafakana, ny fandikana ary ny famoronana", na amin'ny teny anglisy io na amin'ny teny frantsay. Nianatra teny espagnol koa aho ary nisy fandikana natao koa.


Samy mpiangaly sary hosodoko ianao sy Dox. Mety ho nahamora ny fandikana ny tononkalony ve izany?

Tsy fantatro raha nahamora fa ny zavatra tsapako dia betsaka ny mpanoratra no sady mpanao hosodoko no tia maka sary koa... Dia azo hampitahaina amin'ny hosodoko ny tononkalo fa tsy loko no kirakiraina fa teny... Eto amin'ilay filalaovana azy ireo mba hanome endrika mirindra sy mahasondriana no tena itoviany. Fa ny hevitro dia noho ireo tononkalony mahaliana ahy sady tiako no mahamora ny fandikana azy. Ho ahy manokana dia mitovy tsy misy hafa amin'ny mamorona ny mandika tononkalo: raha tsy misy aingam-panahy dia tsy mahadika tononkalo aho na dia izay heverina fa faran'izay mora aza. Toy izany koa raha misy tononkalo sarotsarotra, rehefa misy aingam-panahy dia mora ihany ny mandika azy.

Nivohanta tany Vichy nandritra ny RNS.
Eo anoloany ahitana ireo bokin-tononkalo ankafiziny sy ireo bokiny nandikany ny tononkalon'i Dox amin'ny teny frantsay.
Ao andamosiny kosa no nahantona ireo sary hosodoko niangaliany.

Mety ho nisy tononkalon'i Dox iray na roa ve sarotsarotra nadika kokoa noho ny hafa?

Ireo tononkalo misarina hainteny no sarotsarotra kokoa. Na izany aza anefa eo amin'ny folo minitra eo dia vita raha 2 na 3 minitra no andikako ireo tononkalo hafa.


Ankoatra ny fotoana fipasohana azy?
 

Ny zavatra tsikaritro dia ilay vita indray mandeha iny ihany no tsara... Mety misy teny iray na roa ovaina raha mahita tsaratsara kokoa, fa matetika ilay tonga ao an-tsaina voalohany iny no mahafa-po. Toy izany koa aho rehefa manao hosodoko: raha vao be loatra ny zavatra tiako ovaina, dia efa tsy ho vita izy izay na tsy dia tsara. Fa ilay vita haingana sady tonga dia mahafa-po no vita hatramin'ny farany.


Misy "sonnet" tahaka ny fampiasan'i Dox koa ve ny rafitry ny tononkalonao ?

Tsia! Tsy mampiasa sonnet ohatra an'i Dox aho. Sady tsy misy rafitra raikitra fa arakarak'ilay tononkalo.


Ary ny rima?
 

Tsy mitady rima foana koa fa rehefa tsapako hoe kanto ilay filaza na rehefa milalao teny aho dia afa-po.


Inona no lohahevitra ivelaran'ny tononkalonao ?

Hatramin'izao dia saika miresaka fitiavan'olon-droa daholo ireo tononkaloko. Nisy fetin' ny Havatsa Upem Frantsa tamin'ny 2012 ka niantsako ny tononkalon'i Avelo Nidor "Fahafahana ho an'iza". Nanako tamin'ny tononkaloko "Madagasikara" izy io, izay miresaka ny firenena ataon'ny mpanao politika kilalao. Fa io tononkalo iray io ihany no tsy miresaka fitiavana amin'ny nosoratako hatramin'izao. Fa mety hisy lohahevitra hafa angamba any aoriana... Ny anton'io dia ireny poeta antsoina hoe "romantiques" ireny no tena nahatonga ahy tia tononkalo. Dia tsy mahagaga raha lohahevitra ohatran'ny azy ireo koa no mahasarika ahy.


Nandalim-pahaizana tao amin'ny INALCO Parisy ianao araka ny voalaza teo. Azonao hazavaina ve ny momba izany ?
 

Raha ny marina, "licence d'anglais" no nataoko tao amin'ny Institut Catholique Paris. Dia nisy taranja "fanampiny" - malagasy - nianarako tany Jussieu izay niarahana tamin'ny INALCO. Fony nianatra aho dia adiny 2 isan'andro ihany no nianarana malagasy ary tamin'ny teny frantsay daholo ny fianarana. Na dia nahaliana aza ny malagasy dia tsy ampy ny fotoana nianarana azy ka hoy aho hoe raha izao no mitohy dia ny teny anglisy no ho haiko nohon'ny teny malagasy.
Satria moa ny teny frantsay dia mazava ho azy fa haiko noho ny teny malagasy... Afaka nifidy izany na handalina ny teny malagasy na ny teny anglisy. Dia nandinika aho hoe efa be dia be ny olona nandalina ny teny anglisy eran-tany, fa ny teny malagasy matetika vahiny no mandalina azy. Dia izay no nanaovako "maitrise de malgache". Sorena mihitsy ary ny raiko satria hoy izy hoe :"tsy hianatra malagasy no nandaniako vola hianaranao any ivelany. Fa raha hianatra malagasy dia miantoha tena."Kinanjo amin'izao fotoana toa faly izy amin'ireo zavatra vitako. Izaho koa tsy mampianatra satria io aloha ny antony nianarako "lettres anglaises."


Azonao asiana resaka ve ny momba ireo taranja nataonao tao amin'ny INALCO?

Maro be ny taranja fa ilay izy moa izany dia hoe "langue et civilisation". Taranja maro no ao: literatiora, gramera, tantara. Misy koa ny atao hoe "philologie", "lexicologie", ny "arabico-malgache", ny "dialectologie" sy ny maro hafa tsy ho voatanisako fa dia tena mahaliana tokoa na hampianatra ianao na tsia.


Betsaka Malagasy ve mianatra ao ary misy poeta toa anao koa?
 

Tamin'izany dia vitsivitsy ny mpianatra: eo amin'ny 15 na 20 eo. Maro amin'izy ireo no vahiny na vahiny manambady malagasy na olona hiasa any Madagasikara ka roboka mianatra teny malagasy. Vitsy no mifidy literatiora fa linguistique no mahaliana ny olona, na somary mirona kely amin'ny "ethnologie" na "sociologie", na tantara.
Ny mpampianatra ahy Rajaonarimanana na i Malodohasaha no poeta. Tsy nahafantatra mpianatra poeta aho tamin'izany.
 
Azo fantarina ve ny anton'ny nidiranao tao amin'ny HAVATSA sampana Frantsa?
 

Ny nahatonga ahy hiditra tao amin'ny Havatsa - Upem Frantsa dia noho izaho te hifanerasera amin'ny poeta malagasy. Nifandray be tamin'ny poeta frantsay aho taloha fa tsy ampy ilay fifandraisana amin'ny poeta malagasy. Eo amin'ny hira dia tiako koa ohatra ny nihira "classique", nihira tamin'ny teny anglisy, fa hafa mihitsy ilay mihira anaty antokom-pihira malagasy. Samy hafa ny zavatra entiny.


Manana andraikitra manokana ve ianao ao amin'ny HAVATSA?
 

Tsy manana andraikitra manokana satria 100 km avy ao Parisy no misy ahy. Dia efa lany adin'ny efatra isan'andro aho mandeha miasa. Tsy arako fa rehefa misy hetsika atao dia vonona foana.


Inona avy ohatra ireo hetsika nandraisanao anjara niaraka tamin'ny HAVATSA?
 

Tamin'ny 11 Janoary 2013 teo aho dia nanao valan-dresaka mikasika ny fandikana tononkalo, tamin'ny "conférence de presse" nanokafana ny fankalazana ny faha 100 taonan'i Dox aty Frantsa. Mikasika ny dika teny poetika ny anjarako... dia sady mamaly ny fanontanian'ny olona no miantsa tononkalo koa.


Nivohanta mandray anjara amin'ny "Herinandro ny fandikana teny"
nokarakarain' ny Havatsa -Upem tao amin ' ny Raharihasina.Septembre 2011


Mifanerasera betsaka amin'ny Faribolana Sandratra koa ianao. Misy sampany koa ve any ivelan'ny riaka?

Mifanerasera amin'ny Faribolana Sandratra tokoa aho satria efa imbetsaka aho no nanatrika ny hetsika ataon-dry zareo. Maro koa moa ireo poeta ankafiziko ao. Misy ary moa lasa namana.
Tsy misy Faribolana Sandratra aloha aty ivelan'i Madagasikara hatramin'izao fa i Tahirintsoa lehiben'ny fikambanana angamba no afaka hanome anao fanazavana bebe kokoa mikasika an'izay. Nanatrika ny "DINDO SY VINA" aho tao amin'ny CGM, ho fahatsiarovana an'i elie rajaonarison. Nanatrika ny ONJAN'ANGOTY koa aho tany Antsirabe tao amin'ny Alliance Française.


Iza ireo mpifaribolana tena mpifanerasera aminao?

Ny tononkalon'i Niry Solosoa, Tahirintsoa ary Avelo Nidor no anisan'ny mahaliana ahy. Fa mifanerasera amin'i Riambola Mitia, Malalatiana Hasina, Tiavina, Nofy, Zo Maminirina sy ny sisa tsy ho voatanisa koa aho. Manatrika conférences litteraires koa aho, ary dia mandray anjara miaraka amin-dry zareo rehefa mandeha any amin'ny toeram-pianarana. Ohatra: sekoly katolika tao Ambohipo, Lycée Nanisana, Arcade. Nandray anjara koa aho tamin'ny fifanakalozan-kevitra tany amin'ny Alliance Française tany Antsirabe. Ny mifanako tononkalo no tena mahaliana, ary tena nampivoatra ny fomba fanoratro. Hamoaka boky aho atsy ho atsy ka hisy ireo tononkaloko niaingan'ny tononkalon'ny poeta sasany izay sady ho adikako no avoaka amin'ny bokiko. Hisy koa ireo tononkalon-dry zareo niaingan'ny ahy.


Manana vinavina hamoaka boky fandikana tononkalo hafa ve ianao?

Tsy hoe vinavina fotsiny fa efa hivoaka ny sasany moa ny sasany eo ampanaovana azy. Misy "Tsiaron'ny nofo" nosoratan'i Jean'Luc Raharimanana efa voadika, hivoaka amin'ity taona ity.
Ilay boky nosoratako mikasika an'i Dox: "Dox (1713-1975): Poésie Malgache et Dialogue de Cultures", Edisiona Tsipika, martsa 2011, dia efa lany na any an-toerana na aty. Hatonta fanindroany aty Frantsa izy io fa mbola ho lazaiko eo ihany rehefa vita soa aman-tsara.


Inona no zavatra tsy zakanao indrindra eo amin'ny fiaraha-monina?
 

Raha ny any amintsika aloha dia ny fitiavan-tenan'ny mpitondra: tsy mitsinjo ny mahasoa ny vahoaka malagasy fa variana amin'ny ady seza. Tsy milamina ny fiainan'ny olon-tsotra amin'ny lafiny rehetra. Raha ny aty ivelany indray dia ilay fitiavan-tena diso tafahoatra, ka manjary sarotra ny fifandraisana na any ampianarana na any ampiasana na eny an-dalambe..., samy manao izay tiany fotsiny...


Misy tranga ve mety hampitony ny fahatezeranao raha sanatria ka tonga izany?
 

Ny zavatra mampitony ahy dia ny kanto: tononkalo, hosodoko, izaho mihira ao amin'ny chorale, kabary, fikarakarana jaridaina sy ny fanaovana fanatanjahantena. Raha tsy nisy an'ireo dia tena "lasa adala" hoy ny fitenenana. Dia eo koa ny fifandraisana amin'ny fianakaviana sy ny tapaka sy namana.


Nivohanta, miaraka amin'ny FIMPIMA, sampan'ny Mpikabary malagasy any Frantsa


 
Ankoatra ny andraikitrao eo amin'ny soratra sy kabary ary ny sary hosodoko, manana fialam-boly hafa ve ianao?

Eny, ny voalohany dia ny famakiana boky, fitsangatsanganana, fikarakarana voninkazo ao an-trano sy eny anjaridaina. Voalazako teo ihany koa fa mihira amin'ny chorale Fiderana aho. Nihira classique aho fahiny fa amin'ilay mipetraka lavitra dia tsy araka sady misy fiakaran-tsehatra isam-bolana. Ankoatra ireo dia tia manjaitra akanjo aho ary mijery documentaires sy vaovao amin'ny fahitalavitra, ary policiers scientifiques amerikana... Aiza daholo hoy ianao no fotoana hanaovana an'izany? Matetika manao zavatra roa.


Lava dia lava ny resaka Nivohanta ka tsy hitana anao ela intsony ny Poetawebs. Fisaorana lehibe no atolotra anao nizara teto ny lalana nodiavinao sy ny traikefanao. Mandra-pihaona!

Date de dernière mise à jour : 05/07/2021

×