Tononkalon'i Mahah, nofakafakain'i LALASOA BERÏNSON.

poeta_malagasy Ny poeta raha miteny
Dia mampita izay mba reny
Sady saininy ombieny
Amin'ny gadona avo lenta
Mampitony hetaheta
Bitsik'ivan'ny poeta

ikopa

21 desambra 2011

 
 
 
"Zakarandahy", tononkalon'i F.X. MAHAH, nofakafakain'i LALASOA BERÏNSON.
Nivoaka tao amin'ny tranonkalan'i Lalasoa Berïnson tamin'ny 6 janoary 2012.
Misaotra azy ny poetawebs amin'ny ezaka ataony ho fampandrosoana ny poezia malagasy.

 


F.-X. MAHAH
 
 

ZAKARANDAHY


Mamelana volomparasy
Mandravina maitso tanora
Tsy irony tatamon'Itasy
Fa hazo mandoko natiora

Mandrotsy ny lokony tony
Mandravaka be sangisangy
Manemotra izay ijoroany
Ho sarin'ny somambisamby

Satriko ijorojoroana
Ny alok'ilay tonga fototra
Ambonin'ny tendro-kavoana

Tsy manasatra masom-panahy
Marevaka nefa tsy rototra
Tiako fa zakarandahy.
 
Somparan’ny rivo-miserana ka vony no ararany mora” hoy Dox miantsa ny zakarandahy. Hazo “marevaka nefa tsy rototra”, hoy koa i F.-X. Mahah. Iza tokoa moa no tsy mba lasam-borona rehefa mahita na mahatsiaro ny hakanton’ity karazan-kazo iray ity?

Noho izany indrindra no ‘ndeha hamakafakantsika ity tononkalon’i F.-X. Mahah nampitondrainy ny lohateny hoe Zakarandahy ity. Tsy hoe midera ny hakanton’ito zava-maniry fotsiny izy fa milaza koa ny fifamatorany sy ny fihetseham-pony aminy.

Ny tononkalo dia tsotra, miendrika ‘sonnet’ ka rafetan’ny andalana 14 miady rima ABAB CDCD EEF GEG. Toy ilay zakarandahy amin’ny mpitazana azy, ny mpanoratra dia tsy mihevitra ny handresy lahatra ny mpamaky azy ho tia koa ny zakarandahy. Ny filazany tsotra izay hitany sy tsapany anefa dia efa mambabo sahady.

Eo am-piandohan’ny tononkalo dia voalaza fa toy ny hazo rehetra ihany izy io: “mamelana” sy “mandravina”. Misy mampiavaka azy koa anefa raha ampitahaina amin’ny “tatamon’Itasy”, izay manintona sy maniry any anaty farihy lehibe sy manan-tantara kanefa voninkazo iva toerana. Mifanohitra amin'izany fa ny zakarandahy kosa dia zava-maniry tsy dia nampiraika kanefa “tonga fototra” sy namaka ary avo toerana, indrindra rehefa maniry eny “ambonin’ny tendron-kavoana”. Manome alokaloka ka “satri[ny] ijorojoroana”.

Raha mila tomorina ny tatamo mba hijerena ny hakantony, ny zakarandahy kosa “manemotra” ny mpitia azy. Izany ve ny ”sangisangy” ataony resahan’ny mpanoratra eto? Tsy rehefa tazanina lavitra tokoa ve moa vao tena mambabo sy manome endrika ny voahary manodidina azy ny zakarandahy? Tsy mikiakiaka hojerena izy kanefa dia ”marevaka” loko. Ny lokon’ny raviny maitso, mitory ny maha-lehilahy dia fenoin’ny lokon’ny felany volomparasy, mitory ny maha-vehivavy. Ny lokony no herin’ny zakarandahy satria tsy ny maso ara-bakiteny ihany no voatanany fa ny ”masom-panahy” koa.

Asehon’ny mpanoratra amin’ny alalan’ny tononkalo àry fa tsy fialokalofan’ny vatana fotsiny ny zakarandahy fa fialan-tsasatry ny fanahy koa. Izany angamba no antony nitiavan'i F.-X. Mahah azy, hoy aho maminavina eto am-pamaranana. “Hafahafa ho’aho ny tontolon’izy iny”, hoy ny kalon’i Lôlô sy ny tariny, “zakarandahy mipòpòka [sy] fofon-tany mando no mba tiany”.

Lalasoa Berïnson
poeta©2009 - poetawebs@gmail.com
Raha misy mahatafintohina ny votoatin'ny tranonkala dia anoraty ny tomponandraikitra anamboarana ny tsy mety