An-dafy
no lohatenin'ity hetsik'i Raozigasy amin'ny 4 oktobra ao Lisses (91)
atsimon'i Parisy ity. Araka izany, miresaka sy mitantara ny fiainan'ny
Malagasy aty An-dafy ny sehatra, mifanaraka indrindra amin'ilay
vazivazin'ny ankehitriny hoe "Kifosafosa Party".
Tsy ho irery i Raozigasy eny an-tsehatra fa hotronin'ny mpiangaly
zavamaneno, mpihira ary ireo Raozily namany, izany hoe ankizivavy
maromaro mifampizara antsa aminy. Raha zohina dia ho voky
fahaiza-miangaly tononkalo sy hatsikana noforonin'i Raozigasy ireo
mpianoka. Hifanelanelana ao ny kabary, antsa tononkalo sy hira efa diso
fantatry ny fiarahamonina. I Kool no mpitendry gitara sady mpihira.
Manampy azy i Kiki mpitendry clavier sady mpihira. Mpihira koa i Voara.
Raha i Raozigasy sy Kool ary Kiki irery no lehilahy dia ireto kosa ireo
Raozily namany : Bakoly, Carol, Felana, Fitia, Lolly, Mi, Miora,
Sabrina, Volatiana.
Araka ny fampitam-baovao voarain'ny Poetawebs dia hizara roa ny fotoana
izay samy voarafitra anatin'ny fanafohezan-teny GVT avokoa.
1. Ireo Gasy Vao Tonga
Ato anatin'ity sokajy ity ireo tsy manana taratasy, ireo Gasy
voambakan'ny valovotaka, ireo fomba fiaina sy fijery avy tany
an-tanindrazana ka mbola raiki-tapisaka sy sakelehina hatrany.
2. Ireo Gasy ValovoTaka
Ato indray no ankafizana ny kanto maneho ny tontolon'ireo manambady
vazaha, ireo tsy milamina tokantrano, ireo izay tsy dia mahay
miara-miaina loatra firy.
Marihina fa tsy hoe tsy misy zavatra tsara akory aty an-dafy fa ireo
noresahina ireo no azo atolotra mba hihomehezana sy hisindana kely
manoloana ny rotorotom-piainana aty an-dafy.
Amin'ny 4 oktobra 2025 ao Lisses (91) no fotoana. Ny Poetawebs dia
mirary fahombiazana feno ho an'ity hetsika miavaka ity.
![]() |
|
![]() |
![]() |
![]() |
![]() |
![]() |
![]() |
![]() |
![]() |
Lahatsoratra : Toetra Ràja









Mahafinaritra sy mahaliana ny hetsika ara-java-kanto hataonao hisy tononkalo sy hira. Tsy afaka hanatrika aho noho ny harerahana fa dia mirary fahombiazana ho anao. Ho ela velona anie ny teny malagasy.
Atoa RAKOTOMALALA Eric