TSIKY MILAMINA

TSIKY MILAMINA, tononkalon'i Rianaly, nohadihadin'i Toetra Ràja
Toetra Ràja — 11/10/2025

TSIKY MILAMINAMiaina anaty tebiteby sy horohoro ny isambatan'olona eo anivon'ny fiarahamonina ankehitriny. Na mitoetra ao an-tokantrano na mivoaka an-dalambe dia manahy mandrakariva ny amin'izay tranga hihatra amin'ny vatana. Miharihary imaso ireo geja sy herisetra ataon'ireo tsy mataho-tody, hany ka mikorontana ny saina amam-pihetsehampo izay mahavinitra ny tava. ‎Eto indrindra ny poeta RIANALY dia miantso filaminana anaty fitsikiana hahafahana mikatsaka fiadanana. ‎Mitana toerana lehibe eo amin'ny fandrindrana ireo toetra amam-pihetsika tokony haseho anaty sakoroka mantsy ny fitsikiana ary heverina fa mitondra mankamin'ny fitoniana izany. Koa tsy azo iadian-kevitra fa manana ny lanjany ny tsiky milamina ary entanina ny olo-miaina hampanjaka izany eo amin'ny tontolo misy azy.

TSIKY MILAMINA

‎. Tsiky milamina tomarataratra
‎ Ka na ririnina na fahavaratra
‎ Mitsiky eny foana mba hamelombelona
‎ Ny fo sy fanahin'ny mpiara-belona
‎...

‎. Tsiky milamina mamaha olan'
‎ Ireo tsy miteny ary tsy mba mivolana
‎ Mitsiky eny foana na maratra anaty
‎ Misotro ny ngidin'ny zava-tsy tanty
‎..

‎. Tsiky milamina mitondra hafatra
‎ Miezaka hatrany mba ho tonga lafatra
‎ Mitsiky eny foana maneho lafy tsarany
‎ Miabo fijery f'izany no anjarany.

‎RIANALY (01 Septambra 22h25)

Tsiky : Singa manan-danja

‎‎Ny fihetsiky ny molotra maneho hamiranana no mamaritra ny tsiky. Mety ho vokatry ny fo noho ny hafaliana izany; mety hoterena ihany koa anefa noho ny fandanjalanjana ny fihetsika anaty tranga manokana toy ny fanafenana ny ratra anaty, ny fihatsarambelatsihy eo amin'ny andraikitra sahanina... Singa entina hanehoana ny hafanam-po, ny herijika iatrehana ny fiainana izay zary mampanjoretra sy mampitanondrika ny tsiky. Mampisongadina ny fahadiovam-po izany araka ny voambara hoe:
‎"Tsiky milamina tomarataratra".

‎Rehefa tojo olana saro-bahana noho ny fifanoherana miseho amin'ny endriny samihafa dia zava-dehibe ny fanehoana ny tsiky. Fitaovan-tserasera feno fatra mandrindra ny fifandraisana eo amin'ny samy olombelona izany.
‎"Tsiky milamina mamaha olana".

‎Eo anatrehan'ny sakana maro mety tsy mampahomby ny vina tiana hotratrarina dia tsy azo hamaivanina ny tsiky. Hita taratra mantsy fa ny tsiky dia fitaovana entina handresen-dahatra ireo mafy fo sy tsy te hampandroso ny fiainam-piarahamonina.
‎"Tsiky milamina mitondra hafatra"

‎Azo heverina araka izany fa fantsom-pilaminana ny tsiky. Toy ny lakana ampitana ireo harena sarobidy tokony hotehirizin'ny mpikajy ny lova mivela ho an'ny taranaka izany.

Tsiky : Ho an'ny mpiara-belona

‎‎Miainga indrindra avy amin'ny tsirairay isam-baravarana ny tsiky ary ampitaina amin'ny olon-drehetra miaina eo anivon'ny fiarahamonina manontolo. Koa na dia misy aza ireo disadisa mamparisarisa ireo iray donakafo dia tsy maintsy mijanona an-tokonana izany ho mariky ny fiaraha-mivelona amin'ny olo-miaina. ‎Na dia sarotra aza ny lalana diavin'ny firenena eo amin'ny lafiny rehetra na politika na fanabeazana, na toekarena, na sosialy dia entanina ny olo-miaina tsy hitarain-tana-miempaka fa hijoro mandrakariva ary ilazana ny hoe:
‎"Mitsiky eny foana na maratra anaty
 ‎ Misotro ny ngidin'ny zava-tsy tanty"

‎Mariky ny fifanohanana izay manaporofo hatrany ny fihavanana maneho ny Soatoavina maha Malagasy antsika ny fizarana ny tsiky. Antenaina fa rehefa mampanjaka izany eo amin'ny fihetsiny ny olona tsirairay dia rivotra miavaka feno fiombonana no ifampizarana.
‎"Mitsiky eny foana mba hamelombelona
 ‎ Ny fo sy fanahin'ny mpiara-belona"

‎Rehefa iainana eo anoloana ny tsiky dia tsapa avy hatrany ny fomba fijery sy fisainana feno fahamendrehana. Toa manalavitra ny tena ireo fahasorenana izay manapotika ny paikady entina hampandrosoana ny fari-piainana.
‎"Mitsiky eny foana maneho lafy tsarany
 ‎ Miabo fijery f'izany no anjarany.'

‎Koa tsy mitsaha-mandrisika ny mpiara-monina aminy mba hizara hafaliana anaty fitsikiana ny poeta. Raha to manko izany dia ho voakolo ny toe-tsaina. Na ny voahary izay tsy mihetsika aza dia toy ny mitsiky amin'ny tena rehefa lalovana.

‎***

‎Raha aravona izay voambara teo dia tsy azo odian-tsy hita ny maha zava-dehibe ny tsiky eo amin'ny fandavorariana ny fifandraisan'ny olombelona samy olombelona. Fanafody iadiana amin'ireo karazana aretina mamotika ny fisainana lomorina rehetra izany. Fitaovam-piadiana mahery vaika hamongorana ny fihatsarambelatsihy sy ireo fiavonavonana mampitoka-monina ny mpiara-miaina izany. Lavon'ny tsiky ny fitiavan-tena fa aharihariny kosa ny fiombonam-po anaty fahatsorana. Koa andeha re hitsiky handresena ny ahiahim-po.

Toetra Ràja
• Tsiky milamina

Commentaires (1)

Havozo Manitra
  • 1. Havozo Manitra | 11/10/2025
Mankasitraka indrindra Toetra Ràja amin'ny fanadihadiana.Misaotra an'i RIANALY amin'ny tononkalo Tsiky milamina

Ajouter un commentaire