
TAFASIRIN'IMBITIKA RAMBALA
"Raha mbola misy ihany leitsy,
mbola misy tsirin-kambo
Mitonia kely aloha ny
alaolana tsy tambo
Fa ny saina samy misy, ny
hery koa samy manana
Ny azy ihany avaly azy
nefa ataovy am-pisainana"
Imbitika RAMBALA - AZA METY LEITSY 26/01/18
AOKA LEITSY A !
Aoka leitsy a, nofy tokoa angamba ka atao e :
Aza dia izany no atao hanambanian-tena sao ialahy ihany no
hampanandevo ny tenan'ialahy.
Fa raha tsy manana ny ananany ve ialahy dia hoe nahomby kokoa izy na
ambony kokoa noho ialahy? Raha havanana amin-javatra iray na vitsivitsy
ve izy dia hoe niangaran'ny vintana ialahy?
AIZA KOSA LEITSY E !
Ekeo aloha fa misy zara tsy mitovy eto kanefa inoy kosa fa tsy
miangatra amin'ialahy ny lanitra satria raha omeny an'ialahy tokoa ange
ireo harena be sy talenta ireo dia mino ve ialahy fa ho zakan'ilahy
izany? Aza hadinoina fa mavesatra ange ny harena e! Anontanio ange ireo
heverin'ialahy fa manan-karena sy/na tafita ireo e!
Saingy
- Jambena loatra amin'ny toa fahombiazan-dry zareo ialahy
- Na koa ratsy namana, dia namana izay mandentika ao
an-tsain'ialahy isak'izay mihetsika izao ampahantraina ialahy e, misy
ambony eto e misy ambany e sy ny sisa.
Ny azy ange raha vao teraka dia efa sotro volamena no namahanana azy
fa ny an'ialahy kosa na ny lamba nampitafiana an'ialahy aza efa
makarakaran'ny tsy fahampiana sahady - saingy ataovy ao an-tsaina kosa
fa tsy ambakan'iza na iza kosa ialahy na izany aza - satria tsy ialahy
irery no toa izany !
Araka izany dia tsy mitovy ny "départ"-nareo fa lasa aloha izy.
Hitan'ialahy amin'izany fa samy hafa ny lalanareo! Koa hadalana ny
manenjika azy. Samy nozaraina "dénie", talenta, aina, hery, saina ange
ianareo e, na tsy mitovy aza ny isany, koa ampiasao izany fa aza lany
fotoana amin-javatra hafa fa ho taraiky eo.
Ankafizo izay kely ananan'ialahy fa ny be ananan'ny olona tsy homeny
an'ialahy ary ampiasao izay eo am-pelatanan'ialahy fa ampy tsara
hahatafita an'ialahy izany: manaova drafitr'asa dia miezaha, mikiriza.
Misaora ILAY NAHARY fa na kely fanome an'ialahy aza Izy dia fantany fa
izay aloha no antonona an'ialahy saingy miandry an'ialahy hihetsika Izy
mba hanampiany an'ialahy ary angamba sao mba ialahy indray ilay
hohenjehin'ny sasany!
"Koa atodiho ny fieritreretana
Aza atao maizin-tsasaka ny
saina
Ka hanao akoholahy tsy
mamon'ady eto
Lahatra itovizana ny antsika
Ary toeram-boazara no eto
Ka sao lahy hanome tsiny
an-Janahary !"
Imbitika RAMBALA - AKOHOLAHY TSY MAMON'ADY - 11/03/21
Koa asa tokoa leitsy ! Aoka ataoko hoe redirediko izany.