
Fotoana
nampamiratra indray ny tontolon'ny soratr'i Randja Zanamihoatra no
niainana ny 24 septambra 2025 tao amin'ny efitrano Dox
tranombokim-pirenena.
"Randja Zanamihoatra sy ny Baiboly" no lohahevitry ny velakevitra
notontosain-dRabetalata Chantal mpandalina literatiora, mpankafy Randja
Zanamihoatra.
Hafa kely no nitondran'ity mpandalina ity ny fanazavana satria
filazalazana ny mampiavaka ny asasoratr'i Randja Zanamihoatra izay
mitovy firafitra amin'ny voalazan'ny Baiboly. Eo ihany koa ny
fampiasan'ny poeta ny tenin'ny Soratra Masina, mialoha na anaty
tononkalo. Avy amin'izany no nanehoany fa loharanon'aingam-panahin'ny
poeta ny Baiboly.
Na izany aza anefa dia nambaran'ny mpanao velakevitra fa fanakianana
ny fihetsiky ny mpitondra fivavahana no tena asongadin'ity poeta ity.
Maro ireo tononkalo manamarina izany toy ireto:
- Vavolombelona nohelohina
- Ny Anjombona
- Ny saina
Midika izany fa manitsy ny toe-tsain'ny mpiara-belona izy.
Nanamarika ity fihaonana ity ny fizarana valonana mirakitra ny
tononkalon'i Randja Zanamihoatra toy ny poeta sy hatsarantarehy, Masina
avokoa isika mianakavy, Loza faha-11 sy faha-12. Niantsa tononkalo
ihany koa Rabetalata Chantal.
Ankoatra ny tara-pahazavan'ny Masoandro mody dia niombon-tsaina
tamin'ny tafasiry nahaliana ny rehetra. Hita teny an-toerana ny
komitin'ny fankalazana ny faha-100 taona, ny taranaka, mpikabary,
mpianatra, mpankafy Randja Zanamihoatra.